Ny Fety Fito Isan-taona - Fiz.1

 NY FETY FITO ISAN-TAONA (Fiz.1)

Paska, Mofo Tsy Misy Masirasira, Pentekosta, Trompetra, Fanavotana

 

TENIN’ANDRIAMANITRA

Eksodosy 12:11-18

Lioka 22:7-20

Asan’ny Apostoly 2:1-8

 

TENIN’ANDRIAMANITRA

Eksodosy 12:11-18

[Ny Paska, sy ny loza fahafolo, izay nahafaty ny lahimatoa rehetra teo Egypta]

(Eksodosy 12:11) « Ary toy izao no hataonareo, raha mihinana azy: ny valahanareo ho voasikina, ny kapanareo ho eo amin'ny tongotrareo, ary ny tehinareo ho eny an-tananareo; dia hohaninareo faingana izy, fa Paskan'i Jehovah. » (Eksodosy 12:12) « Fa handeha hamaky ny tany Egypta amin'izany alina izany Aho ka hamono ny matoa rehetra amin'ny tany Egypta hatramin'ny olona ka hatramin'ny biby fiompy; ary ny andriamanitry ny Egyptiana dia hotsaraiko avokoa: Izaho no Jehovah. » (Eksodosy 12:13) « Ary ny rà dia ho famantarana ho anareo eo amin'ny trano izay itoeranareo; ary raha mahita ny rà Aho, dia handalo anareo, ka tsy hisy loza handringana anareo, raha mamely ny tany Egypta Aho. » (Eksodosy 12:14) « Ary izany andro izany dia ho fahatsiarovana ho anareo ka hotandremanareo ho andro firavoravoana ho an'i Jehovah; hatramin'ny taranakareo fara mandimby no hitandremanareo izany ho andro firavoravoana, ho lalana mandrakizay. »

(Eksodosy 12:15) « Hafitoana no hihinananareo mofo tsy misy masirasira: amin'ny voalohan'andro no hanesoranareo ny masirasira amin'ny tranonareo; fa na iza na iza homana mofo misy masirasira hatramin'ny andro voalohany ka hatramin'ny fahafito dia hofongorana tsy ho amin'ny Isiraely. » (Eksodosy 12:16) « Ary amin'ny andro voalohany dia hisy fivoriana masina ho anareo, ary amin'ny andro fahafito koa hisy fivoriana masina; tsy hanao raharaha akory ianareo amin'izany andro izany, afa-tsy izay hohanin'ny isan-olona, dia izany ihany no hamboarinareo. » (Eksodosy 12:17) « Ary hitandrina ny andron'ny mofo tsy misy masirasira ianareo, fa izany andro izany indrindra no nitondrako ny antokonareo nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta; dia hotandremanareo izany hatramin'ny taranakareo fara mandimby ho lalàna mandrakizay. » (Eksodosy 12:18) « Amin'ny andro fahefatra ambin'ny folo amin'ny volana voalohany, nony hariva, no hihinananareo mofo tsy misy masirasira ambara-paharivan'ny andro fahiraika amby roa-polo amin'ny volana. »

Samy hafa ny antsoina hoe ANDRO FIRAVORAVOANA (Fety) sy FIVORIANA MASINA (Fotoam-pivavahana).

Lioka 22:7-20

[Ny niarahan’i Jesosy nihinana ny Paska tamin’ny mpianany]

(Lioka 22:7) « Ary tonga ny andro fihinanana ny mofo tsy misy masirasira, dia ilay tsy maintsy hamonoana ny Paska. » (Lioka 22:8) « Ary Jesosy naniraka an'i Petera sy Jaona ka nanao hoe: Mandehana, ka amboary ny Paska hohanintsika. » (Lioka 22:9) « Ary hoy ireo taminy: Aiza no tianao hanamboaranay azy? » (Lioka 22:10) « Dia hoy Izy taminy: Indro, raha miditra ao an-tanàna ianareo, dia hisy lehilahy mitondra siny feno rano hifanena aminareo; manaraha azy ao amin'ny trano izay hidirany. » (Lioka 22:11) « Dia lazao amin'ny tompon-trano hoe: Izao no lazain'ny Mpampianatra aminao: Aiza ny efi-trano hiarahako mihinana ny Paska amin'ny mpianatro? » (Lioka 22:12) « Ary izy hanoro anareo efi-trano malalaka ambony rihana, izay efa nasiana fipetrahana; any no amboary. » (Lioka 22:13) « Dia nandeha izy ka nahita araka izay efa nolazainy taminy; dia namboatra ny Paska izy. » (Lioka 22:14) « Ary nony tonga ny fotoana, dia nipetraka hihinana Izy mbamin'ny Apostoly. » (Lioka 22:15) « Ary hoy Izy taminy: Naniry koa raha naniry Aho hiara-mihinana ity Paska ity aminareo, dieny mbola tsy mijaly Aho. » (Lioka 22:16) « Fa lazaiko aminareo fa tsy mba hihinana izany intsony Aho ambara-pahatanterak'izany ao amin'ny fanjakan'Andriamanitra. » (Lioka 22:17) « Ary nandray kapoaka Izy, dia nisaotra ka nanao hoe: Raiso ity, ka zarao aminareo; » (Lioka 22:18) « fa lazaiko aminareo fa hatramin'izao dia tsy hisotro ny vokatry ny voaloboka intsony Aho mandra-pahatongan'ny fanjakan'Andriamanitra. » (Lioka 22:19) « Ary nandray mofo Izy, ary rehefa nisaotra, dia novakiny ka natolony azy sady nataony hoe: Ity no tenako izay omena ho anareo; izao no ataovinareo ho fahatsiarovana Ahy. » (Lioka 22:20) « Ary araka izany koa ny kapoaka, rehefa vita ny sakafo, dia hoy Izy: Ity kapoaka ity no fanekena vaovao amin'ny rako, izay aidina ho anareo. »

Asan’ny Apostoly 2:1-6

[Ny nilatsahan'ny Fanahy Masina tamin'ny Andro Pentekosta, sy ny tori-teny nataon'i Petera tamin'izany]

(Asan'ny Apostoly 2:1) «  Ary nony tonga ny Andro Pentekosta, dia teo amin'ny fitoerana iray izy rehetra. » (Asan'ny Apostoly 2:2) « Ary nisy feo tonga tampoka avy tany an-danitra, toy ny rivotra mahery mifofofofo, ka nanenika ilay trano niangonany. » (Asan'ny Apostoly 2:3) « Ary nisy lela maro mitarehin'afo niseho taminy, izay nizarazara; ary nipetraka tamin'izy rehetra isan-olona izany. » (Asan'ny Apostoly 2:4) « Ary samy feno ny Fanahy Masina izy rehetra, ka dia niteny tamin'ny fiteny maro samy hafa, araka ny nampitenenan'ny Fanahy Masina azy. » (Asan'ny Apostoly 2:5) « Ary nisy Jiosy, mpivavaka tsara, nitoetra tany Jerosalema, avy tany amin'ny firenena samy hafa rehetra ambanin'ny lanitra. » (Asan'ny Apostoly 2:6) « Ary nony re izany feo izany, dia niangona ny olona maro ka very hevitra, fa samy nahare azy ireo niteny tamin'ny fiteniny avy izy rehetra. » (Asan'ny Apostoly 2:7) « Dia talanjona sady gaga izy rehetra ka nanao hoe: Indreo, tsy Galiliana va ireo rehetra miteny ireo? » (Asan'ny Apostoly 2:8) « Koa ahoana no andrenesantsika amin'ny fitenintsika avy izay nahabe antsika?» (Asan'ny Apostoly 2:9) « - dia Partiana sy Mediana sy Elamita, ary mponina any Mesopotamia, sy Jodia sy Kapadokia sy Ponto sy Asia » (Asan'ny Apostoly 2:10) « sy Frygia sy Pamfylia, sy Egypta sy ny tany Libya izay manodidina an'i Kyrena, ary vahiny avy any Roma, na Jiosy na proselyta, » (Asan'ny Apostoly 2:11) « Kretana sy Arabo - koa ahoana no andrenesantsika ireo miteny amin'ny fitenintsika avy ny asa lehibe ataon'Andriamanitra? »

 

Toriteny

Dr. Rakotondravony Daniel, Fiangonan’Andriamanitra Miray

NY FETY FITO ISAN-TAONA (1)

Paska, Mofo Tsy Misy Masirasira, Pentekosta, Trompetra, Fanavotana

Andriamanitra manana Planina maodely hanatanterahany ny tanjony mahatalanjona ho an'ny olombelona. Ary i Jesosy Kristy Zanany mitana ny anjara toerana lehibe ao. Tsy dia takatry ny olombelona io Planina io na dia natao ho azy. Asehon’Andriamanitra amin'ny fety fito fanao isan-taona ireo, ary tokony hotandreman'ny Kristiana, mba hahatakarany ny tanjona lehibe.

Tahaka ny Sabata isan-kerinandro izay mampiseho ny tanjon'ny Kristiana hiditra amin'ny "fitsaharana" mandrakizay, ho mpikambana nateraky ny Fanahy amin'ny fianakavian'Andriamanitra, ireo fety fito fanao isan-taona dia manambara ny antsipirian'ny dingana amin'ny Planina ataon'Andriamanitra ho an'ny olombelona. Ny fisehoan'ny fety tsirairay dia efa manome sary an-tsaina ny hetsika lehibe momba ny drafitr'Andriamanitra. Nefa ny fankalazana isan-taona ataon’ny vahoakan'Andriamanitra no vao mainka manaitra ao an-tsainy ny fahalalana sy ny maha-zava-dehibe izay ambarany, ary mampatsiahy azy hatrany ny anjara andraikiny amin'izany.

Tamin'ny alàlan'i Mosesy no nanombohan’Andriamanitra nanambara ny Planiny, hanatanterahana ny fikasany ho an'ny olombelona. Nampiditra ara-dalàna ireo fety ireo tamin'ny firenena Isiraely Izy - izay "fiangonany tany an'efitra", araka ny voasoratra hoe:

(Asan'ny Apostoly 7:38) « Izy ilay teo amin'ny fiangonana tany an-efitra mbamin'ny Anjely izay niteny taminy tany an-tendrombohitra Sinay sy tamin'ny razantsika, ka izy no nandray teny velona mba homeny antsika. »

Koa satria ny ankamaroan'ny fiveloman’ny zanak'olombelona dia niankina tamin'ny tany, Andriamanitra dia nampiasa ny fijinjam-bokatra isan-taona tany amin'ny Tany Nampanantenaina (fanjakana israelita ankehitriny) ho tandindon'ny fijinjana ara-panahy amin'ny olombelona.

Ny Isiraelita taloha dia tsy nahazo ny dikany ara-panahy amin'ireo fety asain'Andriamanitra atao isan-taona. Fa ny zanaka notorontoronin’ny Fanahin'Andriamanitra dia mahatakatra!

Ankehitriny, azontsika atao ny mahatakatra amin'ny fampianaran'i Kristy sy ny Apostoly fa Andriamanitra dia nanome ireo fety amin'ny fiandohan’ny taona hankalazain’ny fiangonany isan-taona mandrakizay. Ireo no ahafantarana fa "voaloham-bokatra" ireo rehetra nantsoiny ho zanany, notorontoronin’ny Fanahy talohan'ny Fiavian'i Kristy Fanindroany. Fiandohana kely fotsiny amin'ny fijinjana ara-panahy avy amin'ny olombelona ireo, mpikambana ao amin’ny fianakavia’Andriamanitra tsy mety maty.

Aorian'izay, araka ny asehon'ireo fety amin'ny fotoam-pijinjan’ny volana fahafito, izay lehibe kokoa, Andriamanitra dia hiantso ny olombelona sisa ho amin'ny famonjena!

Mila hazavaina eto ny dikan’ny hoe (Matio 22:14) « Fa maro no antsoina, nefa vitsy no fidina. » Ampitahao amin’ny fanoharana ny amin’ny mpamafy izany (Marka 4:14-20). Ny fidina dia izay nadray ny teny notorina taminy ka mamoa: (Marka 4:20) … Ilay voafafy teny amin'ny tany tsara, dia izay mandre ny teny ka mandray azy ary mamoa: ny sasany avy telo-polo heny, ny sasany avy enim-polo heny, ary ny sasany avy zato henyNy maro tsy namoa kosa dia ireo voafitak’i Satana, ireo voagejan’ny fiahian’ny fiainana sy ny fitaky ny harena ary ny filàna zavatra hafa.

Ao amin'ny Levitikosy 23 no ahitana famintinana ireo fety fanao isan-taona nomen'i Jehovah. Ireo fety telo voalohany, manomboka amin'ny Paska, no fahatsiarovana ny tapany voalohany amin'ny Planin'Andriamanitra. Mampiseho ny "voaloham-bokatra" amin'ny fijinjana ara-panahin'Andriamanitra izy ireo. Ny fety efatra farany dia miandrandra ny ho avy, ary mampiseho ny fomba hijinjan'Andriamanitra ara-panahy olona an'arivony tapitrisa.

Eo am-panombohana ity fandalinana ireo fety fanao isan-taona, hahalalana ny dikan'izany ho an'ny Kristiana ankehitriny, dia andao hojerena ny zava-misy vitsivitsy avy amin'ny tantara.

Ny ankamaroan'ny mpivaofy teny sy ny manam-pahaizana momba ny Baiboly dia hanaiky fa ireo andinin-tSoratra Masina marobe momba ireo fety fanao isan-taona ao amin'ny Testamenta Vaovao dia manondro fa ny fankalazana azy ireo tany am-piangonana tany am-boalohany dia fantatra, nekena ary nohajaina aza. Ny tena zava-dehibe dia nitandrina ireo fety fanao isan-taona ireo i Kristy sy ny Fiangonan'Andriamanitra. Tany am-piangonana Kristiana, tany am-piandohana, dia tsy nanontaniana mihitsy ny fahamendrehana hankalaza ireo fety ireo miaraka amin'ny vahoaka jiosy manontolo; noho izany, tsy nila noresahina manokana izany.

Na izany aza, miharihary amin'ny fandinihana ny Testamenta Vaovao fa ny fetin'Andriamanitra isan-taona dia nisy dikany vaovao tao amin'ny Fiangonan'Andriamanitra apostolika. Ny fampianaran'i Jesosy sy ny ohatra nomeny dia nitondra fahatakarana vaovao momba ny dikany amin'ny andro ankehitriny sy ny fomba hitandremana azy ireo.

1. Iza no lazain'ny Baiboly fa niavian'ireny fety fanao isan-taona ireny, ho fanampin'ny Sabata isan-kerinandro? Lev. 23: 1-4.

[Lalàna ny amin'ny fanamasinana ny fotoam-pivavahana voatendrin'i Jehovah]

(Levitikosy 23:1) «  Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe: » (Levitikosy 23:2) « Mitenena amin'ny Zanak'Isiraely hoe: Ny amin'ny fotoam-pivavahana voatendrin'i Jehovah, izay hantsoinareo ho fivoriana masina, dia izao no izy: » (Levitikosy 23:3) « Henemana no hanaovana raharaha; fa ny andro fahafito dia tena andro fitsaharana, dia fivoriana masina; aza manao raharaha akory ianareo, fa Sabata ho an'i Jehovah eny amin'izay fonenanareo rehetra izany. » (Levitikosy 23:4) « Izao no fotoam-pivavahana voatendrin'i Jehovah, dia fivoriana masina hantsoinareo amin'ny fotoany avy: »

FANAMARIHANA: Mariho fa tsy "fetin'ny Jiosy" ireo, na "fety nataon'i Mosesy", araka ny fiheveran'ny sasany azy; Fa ireo dia fety nomen'i Jehovah, izay natolony ny olony isan-taona.

2. Moa ve Andriamanitra nilaza manokana fa ny fankalazana fanao isan-taona dia tokony hotandremana, ankoatry ny Sabata isan-kerinandro? Lev. 23: 37-38.

(Levitikosy 23:37) « Ireo no fotoam-pivavahana voatendrin'i Jehovah, ka hantsoinareo ho fivoriana masina, hanaterana fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah, dia fanatitra dorana sy fanatitra hohanina sy fanatitra hafa alatsa-drà sy fanatitra aidina, samy amin'ny fotoany avy izy rehetra, » (Levitikosy 23:38) « afa-tsy izay fanao amin'ny Sabatan'i Jehovah, sy ny zavatra omenareo sy ny fanatitra rehetra hanalanareo voady ary ny fanati-tsitraponareo rehetra, izay omenareo ho an'i Jehovah. »

3. Inona ny fety voalohany tokony hankalazaina isan-taona? Lev. 23: 5.

(Levitikosy 23:5) « Ny andro fahefatra ambin'ny folo amin'ny volana voalohany, rehefa hariva, dia Paskan'i Jehovah. »

Oviana Andriamanitra no nanorina ny Paska voalohany? Eks. 12: 1-14.

[Ny Paska, sy ny loza fahafolo, izay nahafaty ny lahimatoa rehetra teo Egypta]

(Eksodosy 12:1) «  Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy sy Arona teo amin'ny tany Egypta ka nanao hoe: » (Eksodosy 12:2) « Ity volana ity ho voaloham-bolana ho anareo; dia ho voaloham-bolana amin'ny taona ho anareo izy. » (Eksodosy 12:3) « Mitenena ianareo amin'ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra, ka manaova hoe: Amin'ny andro fahafolo amin'ity volana ity dia aoka samy haka zanak'ondry iray avy izy rehetra, araka ny fianakaviany, dia zanak'ondry iray avy no ho an'ny isan-trano; » (Eksodosy 12:6) « ary hotehirizinareo izy hatramin'ny andro fahefatra ambin'ny folo amin'ity volana ity; dia hamono azy amin'ny hariva ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra. » (Eksodosy 12:7) « Ary hanalany ny rà, ka hatentiny amin'ny tolam-baravarana roa sy amin'ny tataom-baravaran'ny trano izay hihinanany azy. » (Eksodosy 12:8) « Dia hohaniny amin'izany alina izany ny hena; voatsatsika tamin'ny afo no hihinanany azy mbamin'ny mofo tsy misy masirasira sady hampiarahina amin'ny anana mangidy. » (Eksodosy 12:13) « Ary ny rà dia ho famantarana ho anareo eo amin'ny trano izay itoeranareo; ary raha mahita ny rà Aho, dia handalo anareo, ka tsy hisy loza handringana anareo, raha mamely ny tany Egypta Aho. » (Eksodosy 12:14) « Ary izany andro izany dia ho fahatsiarovana ho anareo ka hotandremanareo ho andro firavoravoana ho an'i Jehovah; hatramin'ny taranakareo fara mandimby no hitandremanareo izany ho andro firavoravoana, ho lalana mandrakizay. »

FANAMARIHANA: Ny Paska no manomboka ny Planin’Andriamanitra lehiben ho famonjena ny olombelona. Izy io dia sary mialoha momba ny nanaovana sorona, izany hoe nanomboana an'i Jesosy Kristy tamin'ny hazo fijaliana sy ny fahafatesany: Jesosy Kristy "Zanak'ondry, Paska ho antsika " (1 Kor. 5: 7; 1 Pet. 1:19), ho an'ny otan'ny olombelona.

Taorian'ny fahafatesany, ny Paska dia lasa fahatsiarovana ny fijalian'i Kristy sy ny sorona nataony.

(1 Korintiana 5:7) « Esory ny masirasira ela, mba ho vongana vaovao ianareo, araka izay tsy maha-misy masirasira anareo. Fa voavono Kristy, Paska ho antsika; »

(1 Petera 1:19) « fa ny rà soan'i Kristy, toy ny ran'ny zanak'ondry tsy misy kilema ary tsy misy pentimpentina; »

4. Inona no fomba vaovao hitandremana ny Paska amin'ny Testamenta Vaovao natombok'i Jesosy rehefa nitandrina ny Paska niaraka tamin'ny mpianany izy taloha kelin'ny nahafatesany? Lioka 22: 7-8, 15-20.

(Lioka 22:7) « Ary tonga ny andro fihinanana ny mofo tsy misy masirasira, dia ilay tsy maintsy hamonoana ny Paska. » (Lioka 22:8) « Ary Jesosy naniraka an'i Petera sy Jaona ka nanao hoe: Mandehana, ka amboary ny Paska hohanintsika. » (Lioka 22:15) « Ary hoy Izy taminy: Naniry koa raha naniry Aho hiara-mihinana ity Paska ity aminareo, dieny mbola tsy mijaly Aho. » (Lioka 22:16) « Fa lazaiko aminareo fa tsy mba hihinana izany intsony Aho ambara-pahatanterak'izany ao amin'ny fanjakan'Andriamanitra. » (Lioka 22:17) « Ary nandray kapoaka Izy, dia nisaotra ka nanao hoe: Raiso ity, ka zarao aminareo; » (Lioka 22:18) « fa lazaiko aminareo fa hatramin'izao dia tsy hisotro ny vokatry ny voaloboka intsony Aho mandra-pahatongan'ny fanjakan'Andriamanitra. » (Lioka 22:19) « Ary nandray mofo Izy, ary rehefa nisaotra, dia novakiny ka natolony azy sady nataony hoe : Ity no tenako izay omena ho anareo; izao no ataovinareo ho fahatsiarovana Ahy. » (Lioka 22:20) « Ary araka izany koa ny kapoaka, rehefa vita ny sakafo, dia hoy Izy: Ity kapoaka ity no fanekena vaovao amin'ny rako, izay aidina ho anareo. »

FANAMARIHANA: Nandritry ny fametrahana ireo marika vaovao momba ny mofo tsy misy masirasira sy ny divay, sarin’ny tenany torotoro ho fanasitranana ara-batana antsika (1 Pet. 2:24), sy ny rany nalatsaka ho famelana ny helontsika, dia nanome baiko i Jesosy hoe: fahatsiarovana ahy "(Lk. 22: 19). Ny Paska dia fahatsiarovana ny sorona nataon'i Kristy ho an'ny fahotantsika, izay tiany ho tadidin'ny Kristiana indrindra isan-taona.

(1 Petera 2:24) « ary Izy nitondra ny fahotantsika (Isa. 53. 12) tamin'ny tenany teo ambonin'ny hazo, mba ho faty ny amin'ny ota isika, fa ho velona ny amin'ny fahamarinana; ary "ny dian-kapoka taminy no nahasitranana anareo" (Isa. 53.5). »

(Lioka 22:19) « Ary nandray mofo Izy, ary rehefa nisaotra, dia novakiny ka natolony azy sady nataony hoe : Ity no tenako izay omena ho anareo; izao no ataovinareo ho fahatsiarovana Ahy. »

5. Fombafomba vaovao vaovao inona koa no naorin'i Jesosy mifandraika amin'ny fitandremana ny Paska amin'ny Testamenta Vaovao? Vakio ny Jaona 13: 1-17, indrindra ny andininy 14-15.

(Jaona 13:14) « Koa raha Izaho, Tompo sy Mpampianatra aza, no nanasa ny tongotrareo, ianareo kosa mba tokony hifanasa tongotra. » (Jaona 13:15) « Fianarana no nomeko anareo, mba hanaovanareo araka izay nataoko taminareo. »

FANAMARIHANA: Tamin'ny fotoan'ny "sakafo hariva farany" nataony, dia namela ohatra tena lehibe iray harahin’ny mpianany i Jesosy. Mariho fa ity lanonana fanasan-tongotra ity dia tsy misy ifandraisany amin'ny fankalazana ny Paska tamin'ny Testamenta taloha. I Jesosy Kristy no voalohany nanangana azy tamin'izay. Noraisiny io fotoana farany io hananganana fomba fankalazana izay tsy maintsy hotandreman'ny mpianany isan-taona, mandritry ny taona rehetra, nanomboka tamin'io fotoana io!

Ny fanasana tongotra dia maneho fiheverana ny fanetren-tena sy ny fanompoana ny hafa izay nasehon'i Kristy hatrizay, ary iriny hiezahan'ny Kristiana tsirairay hotahafina (Jaona 13:16-17).

(Jaona 13:16) « Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Ny andevo tsy lehibe noho ny tompony, na ny iraka noho ny maniraka azy. » (Jaona 13:17) « Raha fantatrareo izany, dia sambatra ianareo, raha manao izany. »

6. Fety inona no manaraka ny Paska avy hatrany? Lev. 23: 6-8; Eks. 12: 15-20.

(Levitikosy 23:6) « Ary ny andro fahadimy ambin'ny folo amin'izany volana izany dia andro firavoravoana ho an'i Jehovah, fihinanana ny mofo tsy misy masirasira; hafitoana no hihinananareo mofo tsy misy masirasira. » (Levitikosy 23:7) « Ary amin'ny andro voalohany dia hisy fivoriana masina ho anareo: aza manao tao-zavatra akory ianareo; » (Levitikosy 23:8) « fa manatera fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah hafitoana; ary amin'ny andro fahafito dia hisy fivoriana masina koa; aza manao tao-zavatra akory ianareo. »

(Eksodosy 16:15) « Ary rehefa hitan'ny Zanak'Isiraely izany, dia nifanontany hoe izy: Inona itony? satria tsy fantany ireny. Dia hoy Mosesy taminy: Itony no mofo izay nomen'i Jehovah ho fihinanareo. » (Eksodosy 16:16) « Izao no teny izay nandidian'i Jehovah: Samia manangona azy ianareo araka izay tokony ho laninareo avy, dia eran'ny vata omera avy ho amin'ny isan-olona, araka ny isanareo; samia mitondra ianareo rehetra ho an'izay ao an-dainy avy. » (Eksodosy 16:17) « Dia nanao izany ny Zanak'Isiraely, ka samy nanangona: ny sasany nanangona be, ary ny sasany kosa kely. » (Eksodosy 16:18) « Ary raha nafatrany tamin'ny vata omera izany, dia tsy nanana amby ny nanangona be, ary ny nanangona kely tsy nanana ny tsy ampy; samy nanangona araka izay fihinany avy izy. » (Eksodosy 16:19) « Ary hoy Mosesy taminy: Aza misy mamela sisa ho tra-maraina. » (Eksodosy 16:20) « Kanefa tsy mba nanaraka ny tenin'i Mosesy izy, fa namela sisa ho tra-maraina ihany ny olona sasany, dia niteraka olitra izany ka maimbo; ary dia tezitra tamin'ny olona Mosesy. »

7. Ny andro voalohany sy fahafito amin'ny fetin'ny mofo tsy misy masirasira dia Andro Masina hiangonanan'ny vahoaka, mitovy amin'ny andro Sabata isan-kerinandro? Eks. 12:16; Lev. 23: 3.

(Eksodosy 12:16) « Ary amin'ny andro voalohany dia hisy fivoriana masina ho anareo ary amin'ny andro fahafito koa hisy fivoriana masina; tsy hanao raharaha akory ianareo amin'izany andro izany, afa-tsy izay hohanin'ny isan-olona, dia izany ihany no hamboarinareo. »

(Levitikosy 23:3) « Henemana no hanaovana raharaha; fa ny andro fahafito dia tena andro fitsaharana, dia fivoriana masina; aza manao raharaha akory ianareo, fa Sabata ho an'i Jehovah eny amin'izay fonenanareo rehetra izany. »

FANAMARIHANA: Amin'ity fotoana ity dia tsara ny manavaka ny fety na fety isan-taona ataon'Andriamanitra, sy ny Andro Masina na Sabatany isan-taona. Ny Planina lehiben'Andriamanitra dia misy fety fito isan-taona. Ny roa amin'izany, ny fetin'ny mofo tsy misy masirasira sy ny fetin'ny Tabernakely, dia fito andro. Misy ihany koa ny Andro Masina fito isan-taona izay Sabata fitsaharana amin'ny asa mahazatra. Ny tsirairay amin'ireo Andro Masina ireo dia miseho amin'ny, na mandritry ny fety (ny Fetin'ny Mofo Tsy Misy Masirasira dia misy roa). Fa ny Paska, voalohany amin'ny fety, dia tsy Andro Masina na Sabata.

8. Efa nankalaza ny Fetin'ny Mofo Tsy Misy Masirasira ve ny Kristiana ao amin'ny Testamenta Vaovao? 1 Kor. 5: 7-8.

(1 Korintiana 5:7) « Esory ny masirasira ela, mba ho vongana vaovao ianareo, araka izay tsy maha-misy masirasira anareo. Fa voavono Kristy, Paska ho antsika; » (1 Korintiana 5:8) « ka dia aoka isika hanao andro firavoravoana, tsy amin'ny masirasira ela, na amin'ny masirasira lolompo sy faharatsiana, fa amin'ny mofo tsy misy masirasira, dia ny fahadiovam-po sy ny fahamarinana. »

Inona no tena dikan'ity fety ity? 1 Kor. 5: 1-2, 6-7.

(1 Korintiana 5:1) « [Anatra noho ny tsy nanesorany ilay lehilahy nanao fitondran-tena vetaveta] Efa re marina fa misy fijangajangana aty aminareo, eny, dia fijangajangana izay tsy misy tahaka azy na dia amin'ny jentilisa asa, fa misy anankiray manambady ny vadin-drainy. » (1 Korintiana 5:2) « Ary ianareo indray va no mirehareha, ka tsy nampalahelo anareo akory izany, mba hesorina tsy ho ao aminareo ilay nanao izany zavatra izany? »

(1 Korintiana 5:6) « Tsy mety ny fireharehanareo. Tsy fantatrareo va fa ny masirasira kely dia mahazo ny vongana rehetra? » (1 Korintiana 5:7) « Esory ny masirasira ela, mba ho vongana vaovao ianareo, araka izay tsy maha-misy masirasira anareo. Fa voavono Kristy, Paska ho antsika; »

FANAMARIHANA: Ny fandinihana ireo andininy ireo ao amin'ny 1Korintiana 5 dia mampiseho fa ny Fetin'ny Mofo Tsy Misy Masirasira, izay notandreman'ireo Kristiana tao Korinto, dia maneho ny famongorana ny ota. Ny masirasira dia karazana na famantarana ny ota ara-Baiboly (1 Korintiana 5:8); satria ny ota, toy ny lalivay ampiasaina amin’ny mofo hampisondrotra azy, dia tsy vitan'ny hoe mampieboebo ny ny olona amin’ny fireharehana fotsiny (1 Korintiana 5:2, 6), fa mety hiparitaka ihany koa manerana ny vondron'olona.

Nandidy ny Fiangonan'Andriamanitra tany Korinto i Paoly mba hanaisotra tamin'ny fiarahany ilay olona manota miharihary (1 Korintiana 5:1). Namporisika handray fanapahan-kevitra hentitra i Paoly satria, araka ny nampahatsiahiviny azy ireo, "... ny masirasira kely dia mahazo ny vongana rehetra (1 Korintiana 5:6). Ny famelana ny fahotana hitohy miharihary eo anatrehan'ny fiangonana rehetra, rehefa mandeha ny fotoana, dia hitaona ny hafa hilatsaka tsimoramora, ary hanomboka mihemotra ho amin'ny fahotana taloha. Ny fahotana dia hiely amin'ny fiainan'ny kristiana hafa amin'ny alàlan'ny ohatry ny mpanota iray, toy ny lalivay kely ao anaty koba izay mahatonga ny mofo rehetra hisondrotra!

Nianarantsika fa ny Paska dia mampahatsiahy ny nandoavan’i Jesosy vidiny lehibe mba hahazoantsika famelan-keloka. Nanolotra zavatra sarobidy kokoa noho izay rehetra azontsika natolotra miaraka Izy, dia ny nahafoizany ny ainy tonga lafatra sy tsy nisy ota.

Avy eo ny fetin'ny mofo tsy misy masirasira, izay manaraka ny Paska avy hatrany, dia mampahatsiahy fa tsy maintsy miezaka isika ny hametraka ny ota rehetra ivelan'ny fiainantsika. Ity fety ity dia tandindon’ny fanesorana ny masirasiran'ny ota, sy fanapaha-kevitra vaovao hiaina mifanaraka amin'ny lalàn'Andriamanitra manomboka izao. Amin'izay isika dia hanokan-tena amin'ny fitomboana ara-panahy maharitra, mandresy izay sisa amin’ny masirasiran'ny ota, ary ny ota izay ataon'ny kristiana rehetra indraindray.

9. Inona no fety fanao isan-taona nodidin'Andriamanitra manaraka? Lev. 23: 15-17. Andro fitsaharana masina tokony hamoriana ny vahoaka ve ity? Andininy 21.

(Levitikosy 23:15) « Ary manisà ho anareo hatramin'ny ampitson'ny Sabata, dia hatramin'izay andro itondranareo ny amboara ho fanatitra ahevaheva, dia fito herinandro mipaka. » (Levitikosy 23:16) « Dia amin'ny ampitson'ny Sabata fahafito no hahataperan'ny andro dimam-polo hisainareo, dia manatera fanatitra hohanina vaovao ho an'i Jehovah indray. » (Levitikosy 23:17) « Ary mitondrà mofo roa avy amin'ny fonenanareo ho fanatitra ahevaheva; hatao amin'ny koba tsara toto roa ampahafolon'ny efaha izy ka hasiana masirasira raha hendasina; voaloham-bokatra ho an'i Jehovah izany. »

(Levitikosy 23:21) « Ary miantsoa izany andro izany ho fivoriana masina ho anareo, ka aza manao tao-zavatra akory; ho lalàna mandrakizay amin'ny taranakareo hatramin'ny fara mandimby izany eny amin'izay fonenanareo rehetra. »

10. Inona no anarana vaovao nomen’ny Testamenta vaovao ho an'ny fetin'ny "Voaloham-bokatra"? Asan'ny Apostoly 2: 1.

[Ny nilatsahan'ny Fanahy Masina tamin'ny Andro Pentekosta, sy ny tori-teny nataon'i Petera tamin'izany]

(Asan'ny Apostoly 2:1) « Ary nony tonga ny Andro Pentekosta, dia teo amin'ny fitoerana iray izy rehetra. »

FANAMARIHANA: Pentekosta dia teny grika midika hoe "fahadimampolo (andro)." Io ihany no Sabata fanao isan-taona izay daty tokony ho faritana amin'ny fanisana. Ny Pentekosta ao amin'ny Testamenta Vaovao voalohany dia niseho tamin'ny andro fahadimampolo taorian'ny nitsanganan'i Kristy tamin'ny maty (andro-alahady).

11. Inona no tena dikan'ny fetin'ny Pentekosta (na "Voaloham-bokatra") ho an'ny Kristiana ao amin'ny Testamenta Vaovao? Asan'ny Apostoly 1: 4-5; 2:38.

(Asan'ny Apostoly 1:4) « Ary raha niara-niangona* teo aminy Jesosy, dia namepetra azy tsy hiala an'i Jerosalema, fa hiandry ny teny fikasan'ny Ray, izay efa renareo tamiko, hoy Izy; [*Na: niara-nihinana] » (Asan'ny Apostoly 1:5) « fa Jaona nanao batisa tamin'ny rano; fa ianareo kosa hatao batisa amin'ny Fanahy Masina, rehefa afaka andro vitsivitsy. »

(Asan'ny Apostoly 2:38) « Ary hoy Petera taminy: Mibebaha, ary aoka samy hatao batisa amin'ny anaran'i Jesosy Kristy ianareo rehetra mba hahazo famelana ny helokareo; ary ianareo handray ny fanomezana, dia ny Fanahy Masina; »

Ny Kristiana notorontoronin’ny Fanahy ve dia "voaloham-bokatra" amin'ny Planina lehiben'Andriamanitra? Jak. 1:18; Rom. 8:23.

(Jakoba 1:18) « Tamin'ny sitrapony no niterahany* antsika tamin'ny teny fahamarinana, mba ho santatry ny zavatra noforoniny isika. » [*Gr. nanorontoronany]

(Romana 8:23) « ary tsy izany ihany, fa isika koa, na dia manana ny voaloham-bokatry ny Fanahy aza, isika aza dia misento ato anatintsika, miandry ny fananganan'anaka, dia ny fanavotana ny tenantsika. »

FANAMARIHANA: Ny fetin'ny Pentekosta izao dia fahatsiarovana ny fandefasan'Andriamanitra Fanahy Masina hanorontoronany ny mpino mibebaka ao amin'i Kristy, izay antsoin'Andriamanitra alohan'ny Fiavian'i Kristy Fanindroany. Ny Pentekosta tamin’ny taona 31 A.K. noho izany dia nanamarika ny fiandohan'ny fiangonan’ny Testamenta Vaovao. Tamin'ity andro ity no nanoloran'Andriamanitra ny Fanahy Masina ho "voaloham-bokatra" ao amin'ny Fiangonan’ny Testamenta Vaovao.

Tamin'io Pentekosta io no nanomboka napetraka tao amin'ny Fiangonany ny "voaloham-bokatra" amin'ny fijinjan’Andriamanitra ara-panahy "lohataona", izay kely. Ireo Kristiana vaovao ireo dia notorontoronin’ny Fanahy amin'ny hery izay hanampy azy handresy sy hitombo ara-panahy, izany hoe hanomana azy ireo hateraka ho fianakavian'Andriamanitra amin'ny Fiavian'i Kristy Fanindroany.

Fantatr'Andriamanitra fa tsy ampy ny finiavana sy ny fahaizantsika olombelona hahatonga "tsy misy masirasira" mahomby sy tanteraka amin'ny fiainana. Mila ny herin'ny Fanahiny Masina tsy manam-paharoa mba hanampy antsika handresy. Izany no dingana fahatelo lehibe amin'ny Planin’Andriamanitra, natao hanampiana antsika tsirairay hahomby amin'ny fanatanterahana ny fikasan'Andriamanitra be voninahitra ho an'ny fiainantsika.

12. Inona ny fety manaraka sy Sabata isan-taona amin'ireo fito nambaran'Andriamanitra? Lev. 23: 23-24.

(Levitikosy 23:23) « Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe: » (Levitikosy 23:24) « Mitenena amin'ny Zanak'Isiraely hoe: Ny andro voalohany amin'ny volana fahafito dia ho andro fitsaharana ho anareo, dia fahatsiarovana amin'ny fitsofana trompetra, ho fivoriana masina. »

FANAMARIHANA: Ny Fetin'ny Trompetra dia mampiseho indrindra ny fiverenan'i Jesosy Kristy amim-pandresena hananganana ny fanjakan'Andriamanitra ety an-tany (Apok. 11:15).

(Apokalypsy 11:15) « [Ny nitsofana ny trompetra fahafito, sy ny nahatongavan'ny Joza fahatelo] Ary ny anjely fahafito nitsoka, dia nisy feo mafy tany an-danitra nanao hoe: Ny fanjakana amin'izao tontolo izao dia efa lasan'ny ny Tompontsika sy ny Kristiny; ary Izy no hanjaka mandrakizay mandrakizay. »

Tsarovy fa ny fitsanganana voalohany dia hitranga amin'ny Fiavian'i Kristy Fanindroany, izay hambara amin'ny fitsofana mafy ny trompetra (1 Tes. 4: 16-17; 1 Kor. 15:52).

(1 Tesaloniana 4:16) « Fa ny tenan'ny Tompo no hidina avy any an-danitra amin'ny fiantsoana sy ny feon'ny arikanjely ary ny trompetran'Andriamanitra, ka izay maty ao amin i Kristy no hitsangana aloha; » (1 Tesaloniana 4:17) « ary rehefa afaka izany, dia isika izay velona ka mbola mitoetra no hakarina hiaraka aminy ho eny amin'ny rahona hitsena ny Tompo any amin'ny habakabaka; dia ho any amin'ny Tompo mandrakariva isika. »

(1 Korintiana 15:52) « fa vetivety, toy ny indray mipi-maso, rehefa maneno ny trompetra farany, dia hovana isika rehetra; fa hotsofina ny trompetra, ary ny maty hatsangana tsy ho lò intsony, ary isika hovana. »

13. Moa ve ny dikany ankapobeny amin'ny fetin'ny trompetra dia mihoatra lavitra noho ny Fiavian'i Kristy Fanindroany? Apok. 8: 1-2, 6; 10: 7.

(Apokalypsy 8:1) « [Ny namahana ny tombo-kase fahafito, sy ny nitsofana ny trompetra efatra] Ary rehefa novahany ny tombo-kase fahafito, dia nangina tokony ho antsasaky ny ora ny tany an-danitra. » (Apokalypsy 8:2) « Ary hitako ny anjely fito izay mitsangana eo anatrehan'Andriamanitra; ary nomena trompetra fito ireo. »

(Apokalypsy 8:6) « Ary ny anjely fito izay nanana ny trompetra fito dia niomana hitsoka. »

(Apokalypsy 10:7) « fa amin'ny andro hitsofan'ny anjely fahafito, rehefa hitsoka izy, dia ho tanteraka ny zava-miafina izay an'Andriamanitra, araka ny teny soa mahafaly nambarany tamin'ny mpaminany mpanompony »

FANAMARIHANA: Mariho fa ny Fetin'ny Trompetra dia maro no ambarany (Lev. 23:24), fa tsy ny "Trompetra Farany irery!" Rehefa nirenireny tany an'efitra ny Isiraelita taloha, dia lasa zatra ny fitsofana trompetra noho ny tanjona maro: ny fiantsoana ireo fivoriambe, ny fambara hiaingana na hijanonana, "fiantsoana ny manamboninahitra," na ho fampitandremana. Toy ny amin'ny tafika ankehitriny, Isiraely taloha dia nahafantatra ny feon'ny trompetra isan-karazany ho manana heviny manokana.

Misy fitoviana eo fitsofana trompetra fampitandremana tamin'ny Isiraely taloha sy ny asan'ny Fiangonan'Andriamanitra ankehitriny (lsa. 58: 1).

[Ny fivavahana marina, sy ny fivavahana tsy izy] (Isaia 58:1) « Ezaho ny fiantsonao, fa aza atao malemy; Asandrato ny feonao ho tahaka ny an'ny anjomara, ka ambarao amin'ny oloko ny fahadisoany, ary amin'ny taranak'i Jakoba ny fahotany; »

Misy fifandraisana koa eo amin'ny fitsofan’ny anjely trompetra, izay manondro ny fiverenan'i Jesosy Kristy, sy ny fampitandremana tsy tapaka sy fijoroana ho vavolombelona omen'ny Fiangonan' Andriamanitra ankehitriny, satria manomana ny lalan'ny fiverenan'i Kristy ireo. Ny fitsofan’ny anjely trompetra mifandimby miaraka amin'ny fisehoan’ny loza maneran-tany mialohan'ny fiverenan'i Kristy dia fampitandremana farany ho an'ity tontolo tsy miraharaha sy ravan’ny ota ity!

14. Inona no Sabata fanao isan-taona manaraka ny sivy andro aorian'ny fetin'ny trompetra? Lev. 23: 26-32; 16: 2-34, indrindra ny andininy 29-31 amin'ny toko 16. Jereo koa ny Apok. 20: 1-3 mifandraika amin'ny Levitikosy 16: 21-22.

(Levitikosy 23:26) « Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe: » (Levitikosy 23:27) « Ary amin'ny andro fahafolo amin'izany volana fahafito izany (dia ny andro fanavotana) hisy fivoriana masina ho anareo; ary hampahory ny tenanareo ianareo ka hanatitra fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah. » (Levitikosy 23:28) « Ary aza manao raharaha akory amin'izany andro izany; fa andro fanavotana izany, hanaovana fanavotana ho anareo eo anatrehan'i Jehovah Andriamanitrareo. » (Levitikosy 23:29) « Fa ny olona rehetra izay tsy mety miory amin'izany andro izany dia hofongorana tsy ho amin'ny fireneny. » (Levitikosy 23:30) « Ary ny olona rehetra izay manao raharaha akory amin'izany andro izany dia hofongorako tsy ho amin'ny fireneny. » (Levitikosy 23:31) « Aza manao raharaha akory; ho lalàna mandrakizay amin'ny taranakareo hatramin'ny fara mandimby izany eny amin'izay rehetra honenanareo. » (Levitikosy 23:32) « Ho tena andro fitsaharana ho anareo izany, ary hampahory ny tenanareo ianareo; amin'ny andro fahasivy amin'ny volana, rehefa hariva dia hatramin'ny hariva ka hatramin'ny ampitso hariva no hitandremanareo ny andro fitsaharanareo. »

(Levitikosy 16:29) « Ary izao no ho lalàna mandrakizay ho anareo: amin'ny andro fahafolo amin'ny volana fahafito dia aoka hampahory ny tenanareo ianareo ary tsy hanao raharaha akory, na ny tompon-tany, na ny vahiny eo aminareo. » (Levitikosy 16:30) « Fa amin'izany andro izany no hanaovana fanavotana ho anareo hanadiovana anareo, ka dia hadio ho afaka amin'ny fahotanareo rehetra eo anatrehan'i Jehovah ianareo » (Levitikosy 16:31) « Ho tena andro fitsaharana ho anareo izany, ka hampahory ny tenanareo ianareo: ho lalàna mandrakizay izany. »

[Ny amin'ny namatorana an'i Satana, sy ny amin'ny fitsanganana voalohany, ary ny arivo taona] (Apokalypsy 20:1) « Ary hitako fa, indro, nisy anjely nidina avy tany an-danitra, nanana ny fanalahidin'ny lavaka tsy hita noanoa sy gadra lehibe eny an-tànany; » (Apokalypsy 20:2) « dia nisambotra ilay dragona izy (dia ilay menarana ela, ny devoly sy Satana izany) ka namatotra azy arivo taona, » (Apokalypsy 20:3) « dia nanipy azy ho amin'ny lavaka tsy hita noanoa ka nanidy izany, dia nanisy tombo-kase teo amboniny, mba tsy hamitahany ny firenena maro intsony mandra-pahatapitry ny arivo taona; ary rehefa afaka izany, dia tsy maintsy hovahana kelikely aloha izy. »

(Levitikosy 16:21) « Dia hapetrak'i Arona amin'ny lohan'ny osilahy velona ny tànany roa, ka hekeny eo amboniny ny heloky ny Zanak'Isiraely rehetra sy ny fahadisoany rehetra, dia ny fahotany rehetra; dia hametraka izany eo amin'ny lohan'ny osilahy izy ka hampandeha azy ho entin'ny lehilahy voatendry hankany an-efitra. » (Levitikosy 16:22) « Ary ho entin'ny osilahy ho any an-efitra ny helok'izy rehetra; dia halefany any ny osilahy. »

FANAMARIHANA: Ny fombafomba takiana amin'ny asa fanompoana nataon'ny Levita ao amin'ny Testamenta Taloha tamin'ny Andro Fanavotana dia faritana amin'ny an-tsipiriany ao amin'ny Levitikosy 16. Ilay osy velona niekena ny fahotan'Isiraely teo amin’ny lohany, ary nentina nankany an'efitra, dia maneho ny devoly, izay hametrahan'i Jesosy Kristy ny heloky ny olombelona amin'ny fiverenany.

Satana, izay antsoina hoe "andriamanitr'izao tontolo izao" (II Kor 4:4), ary lazaina ho "andrianan'ny herin'ny rivotra, dia ny fanahy izay miasa ankehitriny amin'ny zanaky ny tsy fankatoavana" (Efes 2:2), izay rain'ny ota (Jaona 8:42-44).

(2 Korintiana 4:4) « izay nohajambain'ny andriamanitr'izao tontolo izao, dia ny sain'ny tsy mino, mba tsy hiposahan'ny fahazavan'ny filazantsaran'ny voninahitr'i Kristy, Izay endrik'Andriamanitra. » (Efesiana 2:2) « izay nalehanareo fahiny, araka ny fomban'izao tontolo izao, araka ny mpanapaka ny fanjakana eny amin'ny rivotra, dia ny fanahy izay miasa ankehitriny ao anatin'ny zanaky ny tsi-fanarahana; »

(Jaona 8:42) « Hoy Jesosy taminy: Raha Andriamanitra no Rainareo, dia ho tia Ahy ianareo, satria avy tamin'Andriamanitra no nivoahako sy nankanesako aty ; fa Izaho tsy tonga ho Ahy, fa Izy no naniraka Ahy. » (Jaona 8:43) « Nahoana no tsy azonareo ny teniko? Satria tsy mahay mihaino ny teniko ianareo. » (Jaona 8:44) « Hianareo avy tamin'ny devoly rainareo, ka izay sitraky ny rainareo no tianareo hatao. Izy dia mpamono olona hatramin'ny taloha, ary tsy nitoetra tamin*'ny marina, satria tsy misy marina aminy. Raha mandainga izy, dia ny azy no lazainy, satria mpandainga izy sady rain'ny lainga. [*Na: (mitoetra amin')] »

Izy dia hosakanan'i Kristy tsy hamitaka intsony, tsy hitarika ny olona hanota intsony. Tsy ho afaka "mandefa" ny toe-tsainy momba ny zava-poana sy ny filan-dratsy ary ny fitiavam-bola ao an-tsain'ny olona intsony izy.

Ny famatorana an'i Satana amin’ny "gadra" (Apok. 20: 1-3), no mahatanteraka ny fanoharana ao amin’ny Levitikosy 16. Amin’izay fotoana izay, ny sain'ny olona izay voafitak'i Satana sy ny devoly namany teo aloha, dia hosokafan'ny Fanahin'Andriamanitra, ary ny olombelona rehetra afaka hanaiky an’Andriamanitra sy hahazo famelan-keloka amin'ny alàlan'i Kristy. Sambany izy ireo no hahatakatra ny Planin’ny famonjen’Andriamanitra. Avy eo, ary amin'izay ihany, vao ho "tena iray" amin'i Kristy sy ny Ray ny olombelona rehetra: fotoana asehon'ny “Andro Fanavotana” na “Day of At-one-ment”.

15. Ahoana no fomba hitandremantsika ny Andro Fanavotana? Lev. 23:32.

(Levitikosy 23:32) « Ho tena andro fitsaharana ho anareo izany, ary hampahory ny tenanareo ianareo; amin'ny andro fahasivy amin'ny volana, rehefa hariva dia hatramin'ny hariva ka hatramin'ny ampitso hariva no hitandremanareo ny andro fitsaharanareo. »

FANAMARIHANA: Ny Andro Fanavotana angamba no Andro Masina tsy mahazatra indrindra noho ny nandidian'Andriamanitra antsika hifady hanina - "hampijaly ny maha-olombelona (âme, Gen 2:7c) na vatantsika" mandritry ny 24 ora. Ho porofo ara-Baiboly fa ny fampahoriana ny fanahy dia midika hoe mifady hanina, ampitahao ireto andalana manaraka ireto: Sal. 35:13; 69:10; Isa. 58:3; Ezra 8:21.)

(Salamo 35:13) « Ary ny amiko, raha narary izy ireo, dia lamba fisaonana no nitafiako; nampahory ny tenako tamin'ny ny fifadian-kanina aho; ary ny fivavako nody tao an-tratrako. »

(Salamo 69:10) « Nitomany sady nifady hanina aho, dia natao latsa ho ahy izany. »

(Isaia 58:3) « Nahoana izahay no mifady, hoy izy, nefa tsy hitanao ? Ary nahoana izahay no mampahory ny tenanay, nefa tsy ahoanao? Indro fa amin'ny andro fifadianareo aza dia mbola ny tianareo* ihany no ataonareo, ary ny mpiasa rehetra ao aminareo dia ampahorinareo*. [*Heb. hitanareo][**Na: Ary mbola arosonareo fatratra ihany sy asanareo] »

(Ezra 8:21) « Dia niantso andro fifadian-kanina aho teo amoron'ny ony Ahava hampahorianay tena eo anatrehan'Andriamanitray, mba hangataka Azy hahalavorary ny dianay sy ny an'ny vady aman-janakay, ary ny biby fiompinay rehetra. »

Ny fifadian-kanina amin'ny Andro Fanavotana dia midika fandavana ny sakafo sy ny rano mandritry ny 24 ora - manomboka amin'ny filentehan'ny masoandro ka hatramin'ny filentehan'ny masoandro (Lev. 23:32). Ny fifadian-kanina dia tsy fivalozana- tsy fitokonana tsy hihinan-kanina hiezahana manana làlana mankamin'Andriamanitra. Ny Kristiana dia hifady hanina mba hanetren-tena sy hanakekezana an'Andriamanitra sy ny làlany marina. (Isa. 58: 6-11).

(Isaia 58:6) « Tsy izao va no fifadiana izay ankasitrahako: Dia ny hamaha ny famatoran'ny faharatsiana, sy hanaboraka ny fehin'ny zioga, sy handefa ny ampahorina ho afaka, ary hanapatapaka ny zioga rehetra? » (Isaia 58:7) « Moa tsy ny hizara ny mofonao ho an'ny noana va, sy ny hampiantrano ny ory manjenjena, ary mba hanafianao izay hitanao mitanjaka, ka tsy hihirim-belona amin'ny namanao* ianao? [Heb. hiery ny nofonao] » (Isaia 58:8) « Fa raha izany, dia hiposaka tahaka ny fahazavan'ny maraina ny fahazavanao, ary ho tonga faingana ny fahasitrananao; ny fahamarinanao ho loha-lalanao, ary ny voninahitr'i Jehovah ho vodi-lalanao » (Isaia 58:9) « Ary amin'izany dia hiantso ianao, ary Jehovah hamaly; Eny, hanandratra ny feonao ianao, ary Izy hanao hoe: Inty Aho. Raha esorinao tsy ho eo aminao ny zioga sy ny fanondroan'ny fanondro sy ny fitenenan-dratsy, » (Isaia 58:10) « Ary afoinao ho an'ny noana izay hanina tianao, ka mahavoky ny ory ianao, dia hiposaka ao amin'ny maizina ny fahazavanao, ary ny aizim-pitonao ho tahaka ny mitataovovonana; » (Isaia 58:11) « Ary Jehovah hitari-dalana anao mandrakariva sady hahavoky ny fanahinao ao amin'ny tany karankaina aza sy hampahatanjaka ny taolanao; dia ho tahaka ny saha vonton-drano ianao sy ho tahaka ny loharanao miboiboika izay tsy mety ritra. »

Noho izany ny fifadian-kanina amin'ny Andro Fanavotana dia fampahatsiahivana mazava tsara ny toetoetran'ny saina ilaina amin'ny famonjena, izany hoe fanetren-tena, sy alahelo araka an'Andriamanitra, fikatsahana fatratra ny làlan'Andriamanitra, noho ireo trangan-javatra mahatsiravina mianjady amin'izao tontolo izao izay hiafara amin'ny fiverenan'i Jesosy Kristy!

Ho An’Andriamanitra Irery Anie Ny Voninahitra!