Sabata andro fahafito sy Sabata fito isan-taona: Famantarana

 “NY SABATA ANDRO FAHAFITO SY IREO SABATA FITO ISAN-TAONA FAMANTARANA”

Na

“NY TOKONY HITANDREMAN'NY KRISTIANA NY ANDRO MASIN'ANDRIAMANITRA”

TENIN’ANDRIAMANITRA

Ezekiela 20:9-20

Lioka 4:14-22

1 Korintiana 5:1-13

TORITENY

Dr. Rakotondravony Daniel, Fiangonan’Andriamanitra Miray

 Raki-peo mirakitra ny toriteny 

Ezekiela 20:10-17

[Ny toetry ny Isiraely hatramin'ny ela, sy ny zavatra hanjo azy, ary ny mbola hampodian' Andriamanitra azy]

(Ezekiela 20:9-10) « Kanefa niasa noho ny amin'ny anarako Aho, mba tsy handotoana izany eo imason'ny jentilisa izay nitoerany, sady teo imasony no nanaovako izay hahafantarany Ahy tamin'ny nitondrako azy nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta. » « Koa dia nentiko nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta izy ka nentiko ho any an-efitra. »

Tsy naringan’Andriamanitra tany an’efitra avokoa ny Isiraelita taorian’ilay fifindra-monina satria mbola te hihazona ny voninahitry ny Anarany Izy. Nampahafantatra azy ireo ny Tenany Izy fony nitondra azy ireo nivoaka ny tany Egypta, mba hanatanterahany ny teny fikasany ny amin’ny hitahiana ny firenena rehetra amin’ny alalan’ny olom-boafidiny (Gen 12:3 sy Eksodosy 3:6; Isaia 41:8), manao hoe:

(Genesisy 12:3) « ary hitahy izay manisy soa anao Aho, fa hanozona izay manozona anao; ary aminao no hitahiana ny firenena rehetra ambonin'ny tany. »

(Eksodosy 3:6) « Dia hoy koa Izy: Izaho no Andriamanitry ny razanao, dia Andriamanitr'i Abrahama sy Andriamanitr'Isaka ary Andriamanitr'i Jakoba. …. »

(Isaia 41:8) « Fa ianao kosa, ry Isiraely mpanompoko, sy Jakoba, izay nofidiko, Taranak'i Abrahama sakaizako, »

(Ezekiela 20:11-12) « Dia nomeko azy ny didiko, ary nampahafantariko azy ny fitsipiko, izay mahavelona ny olona manaraka izany. » « Ary nomeko azy koa ny Sabatako ho famantarana ho amiko sy ho aminy mba ho fantany fa Izaho Jehovah no manamasina azy. »

Ny olona matahotra an’Andriamanitra ka mitandrina ny didiny sy fitsipika nomeny dia mahazo fitahiana sy salama ary ela velona (Didy folo Eks 20 1-17).

[Ny nanomezan'Andriamanitra ny Didy Folo] (Eksodosy 20:1) « Dia nilaza izao teny rehetra izao Andriamanitra ka nanao hoe: »

(Eksodosy 20:2) « Izaho no Jehovah Andriamanitrao, Izay nitondra anao nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta, tamin'ny trano nahandevozana. »

(Eksodosy 20:3) « Aza manana andriamani-kafa, fa Izaho ihany. »

(Eksodosy 20:4) « Aza manao sarin-javatra voasokitra ho anao, na ny mety ho endriky ny zavatra izay eny amin'ny lanitra ambony, na izay ety amin'ny tany ambany, na izay any amin'ny rano ambanin'ny tany. » (Eksodosy 20:5) « Aza miankohoka eo anatrehany, ary aza manompo azy; fa Izaho, Jehovah Andriamanitrao, dia Andriamanitra saro-piaro ka mamaly ny heloky ny ray amin'ny zanaka hatramin'ny zafiafy sy ny zafindohalika, dia amin'izay mankahala Ahy; »

(Eksodosy 20:6) « nefa kosa mamindra fo amin'ny olona arivo mandimby izay tia Ahy ka mitandrina ny didiko. »

(Eksodosy 20:7) « Aza manonona foana ny anaran'i Jehovah Andriamanitrao; fa tsy hataon'i Jehovah ho tsy manan-tsiny izay manonona foana ny anarany. »

(Eksodosy 20:8) « Mahatsiarova ny andro Sabata hanamasi­na azy. » (Eksodosy 20:9) « Henemana no hiasanao sy hanaovanao ny raharahanao rehetra. » (Eksodosy 20:10) « Fa Sabatan'i Jehovah Andriamanitrao ny andro fahafito; koa aza manao raharaha akory ianao amin'izany, na ny zanakao-lahy, na ny zanakao-vavy, na ny ankizilahinao, na ny ankizivavinao na ny biby fiompinao, na ny vahininao izay tafiditra eo am-bavahadinao. » (Eksodosy 20:11) « Fa henemana no nanaovan'i Jehovah ny lanitra sy ny tany sy ny ranomasina mbamin'izay rehetra ao aminy, dia nitsahatra Izy tamin'ny andro fahafito; izany no nitahian'i Jehovah ny andro Sabata sy nanamasinany azy. »

(Eksodosy 20:12) « Manaja ny rainao sy ny reninao mba ho maro andro ianao ao amin'ny tany izay omen'i Jehovah Andriamanitrao ho anao. »

(Eksodosy 20:13) « Aza mamono olona. »

(Eksodosy 20:14) « Aza mijangajanga. »

(Eksodosy 20:15) « Aza mangalatra. »

(Eksodosy 20:16) « Aza mety ho vavolombelona mandainga hanameloka ny namanao. »

(Eksodosy 20:17) « Aza mitsiriritra ny tranon'ny namanao; aza mitsiriritra ny vadin'ny namanao, na ny ankizilahiny, na ny ankizivaviny, na ny ombiny, na ny borikiny, na izay mety ho an'ny namanao akory aza. »

(Eksodosy 20:18) « Ary ny olona rehetra nandre ny kotrokorana sy ny feon'ny anjomara ary nahita ny helatra sy ny tendrombohitra nivoa-tsetroka, ary nony nahita izany ny olona, dia toran-kovitra izy ka nijanona teny lavitra eny. »

Ny fitandremana ny Sabata isan-kerinandro sy ny Sabata isan-taona dia natao mba hampahatsiarovana ny Isiraely ny nanokanana azy ireo ho firenena masina, ho fanehoana ny fahamarinan’Andriamanitra sy ny voninahiny eo anatrehan’izao tontolo izao. (Eks 31:13; Lev 23:32). – Ireo koa n anamasinan’Andriamanitra ny Isiraely ara-panahy, dia ny tena Kristiana!

(Eksodosy 31:13) « Ary dia milazà amin'ny Zanak'Isiraely ianao hoe: Ny Sabatako (mes sabbats) no tandremo; fa famantarana ho amiko, sy ho aminareo hatramin'ny taranakareo fara mandimby izany, mba ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah Izay manamasina anareo. »

(Levitikosy 23:32) « Ho tena andro fitsaharana (SABATA) ho anareo izany, ary hampahory ny tenanareo ianareoamin'ny andro fahasivy amin'ny volana, rehefa hariva dia hatramin'ny hariva ka hatramin'ny ampitso hariva no hitandremanareo ny andro fitsaharanareo. »

(Ezekiela 20:13) « Kanjo niodina tamiko tany an-efitra ihany ny taranak'Isiraely, ka tsy nandeha araka ny didiko izy, fa nanamavo ny fitsipiko, izay mahavelona ny olona manaraka izanyary nandoto dia nandoto ny Sabatako izy, dia hoy Izaho: Haidiko aminy any an-efitra ny fahatezerako hahalany ringana azy. »

(Ezekiela 20:14) « Kanefa niasa noho ny amin'ny anarako Aho, mba tsy handotoana izany eo anatrehan'ny jentilisa izay nahita ny nitondrako azy nivoaka. » (Ezekiela 20:15) « Ary Izaho dia nanangan-tanana taminy tany an-efitra koa fa tsy hitondra azy ho any amin'ny tany efa nomeko azy, izay tondra-dronono sy tantely sady tena endriky ny tany rehetra, » (Ezekiela 20:16) « satria efa nanamavo ny fitsipiko izy ary tsy nandeha araka ny didiko, fa nandoto ny Sabatako; fa ny fony dia nanaraka ny sampiny. » (Ezekiela 20:17) « Nefa niantra azy ihany ny masoko, ka dia tsy naringako na nolevoniko tany an-efitra izy. »

Noho ny amin’ny Anaran’i Jehovah sy ny voninahiny, nanaovany ny fanekena tamin’i Abrahama, dia tsy naringana na nolevonina tany an’efitra ny taranak’Isiraely. Tafita hatraty amintsika ny fitsipika sy didy ary Sabata nasain’i Jehovah tandremana mandrakizay, misy ny fomba hitahiana ny fierena rehetra.

Ny Levitikosy 23: 1-37 no ahitana ireo fotoam-pivavahana fito famantarana, voatendrin’i Jehovah, hitsaharana isan-taona hatrany amin’ny taranaka fara-mandimby, toy ny fanao amin’ny Sabata andro fahafito isan-kerinandro.

(Lev 23:1-4, 37) - 1 « Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe: » 2 « Mitenena amin'ny Zanak'Isiraely hoe: Ny amin'ny fotoam-pivavahana voatendrin'i Jehovah, izay hantsoinareo ho fivoriana masina, dia izao no izy. » 3 « Henemana no hanaovana raharaha; fa ny andro fahafito dia tena andro fitsaharana, dia fivoriana masina; aza manao raharaha akory ianareo, fa Sabata ho an'i Jehovah eny amin'izay fonenanareo rehetra izany. » 4 « Izao no fotoam-pivavahana voatendrin'i Jehovah, dia fivoriana masina hantsoinareo amin'ny fotoany avy. » 37 « Ireo no fotoam-pivavahana voatendrin'i Jehovah, ka hantsoinareo ho fivoriana masina … samy amin'ny fotoany avy izy rehetra. »

Zava-dehibe amin’i Jehovah ny nandidiany in-3 hoe « Fivoriana masina hantsoinareo amin'ny fotoany avy », satria mitantara ny dingana rehetra amin’ny Planin’Andrianamitra hamonjena ny olombelona ireo, hahatafiditra azy ao amin’ny Fanjakany eto an-tany.

Tsy maintsy misafidy isika na hanaraka an’i Kristy sy ireo Apostoly voalohany, amin’ny fanamasinana ireo dingam-pamonjena ireo, na hitandrina fotoana hafa araka izay heverin’ny olona!

Ireto avy ny andro firavoravoana fito hantsoina ho fivoriana masina samy amin’ny fotoany avy:

Paska: amin’ny faha 14 Nisana (volana voalohany, Mars-Avril)

Mofo Tsy Misy Masirasira: amin’ny 15-21 Nisana

Pentekosta : andro faha 50 isaina manomboka ny ampitson’ny Sabata andro fahafito ao anatin’ny Fihinanana Mofo Tsy Misy Masirasira

Fitsofana Trompetra: amin’ny voalohan’ny volana fahafito Etanima

Fanavotana: amin’ny faha 10 Etanima

Tabernakely: amin’ny 15-21 Etanima

Fara-fivoriana: amin’ny faha 22 Etanima.

(Fandidiana ny volana voalohany: Eksodosy 12:2).

Nahoana Andriamanitra no nanangana ny SABATA ISAN-KERINANDRO, ary taty aoriana koa SABATA LEHIBE FITO ISAN-TAONA? Inona no asehon'izy ireo? Natao ho an'ny Zanak’Isiraely taloha irery ve ny Andro Masin'Andriamanitra, sa ho an'ny Fiangonan'Andriamanitra ao amin'ny Testamenta Vaovao koa?

Toy ny ao amin'ilay didy mandrara ny fanitsakitsaham-bady, amin'ny ankapobeny, izay misy fandrarana ny karazana firaisana tsy ara-dalàna, ny didy fahefatra momba ny Sabata koa dia miaraka amin’ny andro manokana voatendrin'i Jehovah. Fotoam-Pivavahana Fito sy Fety Fito Fanao Isan-Taona ireo: Andro Masina manokana sy Sabata Fitsaharana. Ireo fety fito isan-taona ireo dia manome ny antsipiriany momba ny fandaminana ny Planina lehiben'Andriamanitra ho an'ny olombelona. Ny antony tsy ahalalan'ny tontolo kristianina ny hery anatin’ny olombelona sy ny Planin’ny famonjena avy amin'Andriamanitra, dia satria tsy mitandrina ny Andro Masin’i Jehovah ny fiangonana!

Ny fitandremana an’ireo didy sy fitsipika ary Sabatan’i Jehovah ireo dia fifamantaran’i Jehovah sy ny olony, ireo tena Kristiana ankehitriny, izay mino sy manana ny Fanahin’i Kristy, sy antsoina hoe Isiraely ara-panahy, sady zanak’i Abrahama(Romana 8:9; Gal 3:7,29)

(Romana 8:9) « Fa ianareo tsy ao amin'ny nofo, fa ao amin'ny Fanahy, raha ny Fanahin'Andriamanitra no mitoetra ao anatinareo. Fa raha misy kosa tsy manana ny Fanahin'i Kristy, dia tsy Azy izy. »

(Galatiana 3:29) « Fa raha an'i Kristy ianareo, dia taranak'i Abrahama sy mpandova araka ny teny fikasana. »

Lioka 4:14-22

Ny niverenan’i Jesosy nankany Galilia, sy ny nitoriany teny tao Nazareta

Fanaon’i Jesosy Kristy ny miditra ao amin’ny Synagoga amin’ny andro Sabata ary mampianatra ny olona sy miady hevitra amin’ny Jiosy Izy.

Izay voatantara eto dia azo itarafana ny tokony hataon’ny Kristiana rehefa mitandrina ny Sabata. Hita eto izay nataon’i Jesosy tao amin’ny synagoga tao Nazareta, tanàna nahabe Azy ka namakiany ny teny tao amin’ny Isaia 61:1-2.

Izao no voasoratra ao amin’io boky faminaniana io:

(Lioka 4:18-21) 18 « Ny Fanahin'i Jehovah no ato amiko, satria nanosotra Ahy hitory teny soa mahafaly amin'ny malahelo Izy; naniraka Ahy hitory fandefasana amin'ny mpifatotra Izy, sy fampahiratana amin'ny jamba, hanafaka izay nampahorina, » 20 « Ary rehefa nahorony ny boky ka naveriny tamin'ny mpanao raharaha, dia nipetraka Izy. Ary nandinika Azy ny mason'izay rehetra teo amin'ny synagoga. » 19 « Hitory ny taona ankasitrahan'i Jehovah (Isa. 61. 1, 2). » 21 « Ary Jesosy niteny taminy hoe: Androany no efa tanteraka eto anatrehanareo izany soratra izany. »

Hazavaina eto izay tokony hatao amin’ny andro Sabata:

Mitory teny soa mahafaly ho an’ny malahelo: (Matio 5:3) « Sambatra ny malahelo am-panahy; fa azy ny fanjakan'ny lanitra. »

Mitory fandefasana ho an’ny mpifatotra: = manafaka izay fatoran’i Satana hanota (Isaia 14:16b-17): (Isa 14:16b) « Moa io va ilay lehilahy nampihorohoro ny tany sy nampihozongozona ny fanjakana » (Isa 14:17) « Ary nanao izao tontolo izao ho efitra sy nandrava ny tanànany, ary tsy nandefa ny mpifatotra hody? »

Manasitrana marary: Nanasitra marary maro tamin’ny Sabata Jesosy.

Manafaka ireo nampahoriana: (Lioka 13:16) « Koa ity vehivavy zanak'i Abrahama ity, izay efa nafatotr'i Satana izao valo ambin'ny folo taona izao, moa tsy tokony hovahana ho afaka amin'izany fatorana izany amin'ny andro Sabata va? »

Mitory ny taona ankasitrahan’i Jehovah, izany hoe manazava ny hevi-panahin’ireo andro firavoravoana voatendry, mba hahafantaran’ny olona Planin’ny Famonjena hidirany ao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra, hitantana ny tany sy ny firenen-drehetra ary ny zava-boahary rehetra; ao ihany koa ireo taon-jaobily sy sabatan’ny tany izay mitondra fiadanana materialy ho an’ny olona.

Ny andro Sabata dia maneho an-tsary ny Fanjakana Arivotaona

"Hitsahatra" amin'ny ady ny olombelona, sy amin’ny fahantrana, sy ny tahotra, ary ny fijaliana. Ny “Fanjakana arivo taona" na "Mileniomafahafito, dia "Sabata" amin’ny "herinandron'Andriamanitra" misy 7000 taona. Amin'izay fotoana izay dia hameno ny tany ny fahalalana ny fikasan'Andriamanitra mahatalanjona. (Isaia 11:9) « … Fa ny tany ho henika ny fahalalana an'i Jehovah, tahaka ny anaronan'ny rano ny fanambanin'ny ranomasina. »

Ny fitandremana ny Sabata andro fahafito dia misy dikany sy heviny bebe kokoa aza: Fanantenana ny fahavitan'ny famoronan'Andriamanitra ny olombelona ara-panahy. Ny Sabata dia karazana "fitsaharana" ara-panahy ho an'ny Kristiana, izany hoe fahaterahany ao amin'ny Fanjakana na Fianakavian'Andriamanitra! Rehefa ateraky ny Fanahin'Andriamanitra isika dia tsy hiasa amin'ny fahalemen'ny nofontsika mety maty intsony. Satria rehefa fanahy isika dia tsy ho reraka mihitsy: mavitrika sy miasa hatrany!

Ny Andro Masina Isan-Taona, Sarin’ny Planina Lehiben'Andriamanitra

Jesosy Kristy no mitana ny anjara toerana lehibe amin'ny Planin’Andriamanitra vitsy mpahafantatra, izay asongadin’ny Fety fito isan-taona. Ny firavoravoana tsirairay dia mampiseho an-tsary hetsika iray ao amin'ny Planin'Andriamanitra.

Toy ny nanaovan'Andriamanitra ny Sabata isan-kerinandro ho an'ny olona, dia toy izany koa no nanomezany ny fety fito fanao isan-taona, miaraka amin'ny Andro Masina (Sabata) fito fanao isan-taona, rehefa namorona ny fiangonan'ny Isiraely tany an'efitra Izy. Saingy ny Isiraely, teo ambanin'ny fanekena natao tany Sinay, dia tsy nomena fampanantenana handray ny Fanahy Masina; ary noho izany dia tsy afaka nahatakatra ny dikany ara-panahy tamin'ireny firavoravoana isan-taona ireny izy.

Na teo aza ny tsy fahatakaran'ny Isiraely ara-nofo ny hevim-panahin’ireo andro firavoravoana voatendry, ny Andro Masin’Andrimanitra dia natokany hotandremana mandrakizay! Kristy dia nitandrina azy ireo. Ny fiangonan’ny Testamenta Vaovao, naorin'i Jesosy tamin'ny 31 A.K., dia nitandrina azy ireo. Ary ny Fiangonan'Andriamanitra ankehitriny dia mitandrina azy ireo!

Toy ny maha-"famantarana" amin'Andriamanitra sy ny olony ny Sabata isan-kerinandro, dia toy izany koa ny Andro Masina fanao isan-taona (Eks. 31:13). « … vous garderez mes sabbats …. »; "Sabatako". Ireo no "fotoam-pivavahana voatendrin'i Jehovah(Lev. 23: 2, 4, 37).

(Eksodosy 31:13) « Ary dia milaza amin'ny Zanak'Isiraely ianao hoe: Ny Sabatako no tandremo; fa famantarana ho amiko, sy ho aminareo hatramin'ny taranakareo fara mandimby izany, mba ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah Izay manamasina anareo. »

TORITENY

Dr. Rakotondravony Daniel, Fiangonan’Andriamanitra Miray

“NY SABATA ANDRO FAHAFITO SY IREO SABATA FITO ISAN-TAONA FAMANTARANA”

Na

“NY TOKONY HITANDREMAN'NY KRISTIANA

NY ANDRO MASIN'ANDRIAMANITRA”

Ny fitandremana an’ireo didy sy fitsipika ary Sabatan’i Jehovah ireo dia fifamantaran’i Jehovah sy ny olony, ireo tena Kristiana ankehitriny, izay mino sy manana ny Fanahin’i Kristy, sy antsoina hoe Isiraely ara-panahy, sady zanak’i Abrahama(Romana 8:9; Gal 3:7)