Fahafolon-karena sy Fanatitra amin'ny Fanahy Vaovao

  FAHAFOLON-KARENA SY FANATITRA AMIN’NY FANAHY VAOVAO

 

TENIN’ANDRIAMANITRA

Genesisy 14:17-24

Mtio 23:23-28

Hebreo 7:1-4

 

TENIN’ANDRIAMANITRA

Genesisy 14:17-24

[Ny namaboana an’i Lota sy ny namonjen’i Abrama azy, ary ny nitsenan’i Melkizedeka an’i Abrama]

(Genesisy 14:17) « Dia nivoaka ny mpanjakan'i Sodoma hitsena an'i Abrama teo an-dohasaha Save (Lohasahan'ny mpanjaka izany), rehefa niverina izy avy nandresy an'i Kedorlaomera sy ireo mpanjaka nomba azy. » (Genesisy 14:18) « Ary Melkizedeka, mpanjakan'i Salema, nivoaka nitondra mofo sy divay; ary izy dia mpisoron'Andriamanitra Avo Indrindra. » (Genesisy 14:19) « Dia nitso-drano azy Izy ka nanao hoe: Hotahin'Andriamanitra Avo indrindra anie Abrama, dia Andriamanitra Izay nahary ny lanitra sy ny tany; » (Genesisy 14:20) « Ary isaorana anie Andriamanitra Avo Indrindra, Izay efa nanolotra ny fahavalonao teo an-tananao. Dia nomen'i Abrama azy ny ampahafolon'ny zavatra rehetra. » (Genesisy 14:21) « Ary hoy ny mpanjakan'i Sodoma tamin'i Abrama: Omeo ahy ny olona, fa ny fananana ento ihany ho anao. » (Genesisy 14:22) « Fa hoy Abrama tamin'ny mpanjakan'i Sodoma: Izaho efa nanangan-tanana tamin'i Jehovah, Andriamanitra Avo Indrindra, Izay nahary ny lanitra sy ny tany, » (Genesisy 14:23) « fa tsy handray na taretra na fehin-kapa aza amin'izay rehetra mety ho anao andrao hataonao hoe: Izaho no nampanan-karena an'i Abrama), » (Genesisy 14:24) « afa-tsy izay efa nohanin'ny zatovo sy ny anjaran'ny olona izay niaraka tamiko, dia Anera sy Eskola ary Mamre; aoka horaisin'ireo ny anjarany. »

Matio 23:23-28

[Ny nilazan’i Jesosy ny faharatsian’ny mpanora-dalana sy ny Fariseo]

(Matio 23:23) « Lozanareo, mpanora-dalàna sy Fariseo, mpihatsaravelatsihy! fa mandoa ny fahafolon'ny solila sy ny aneta ary ny komina* ianareo, nefa navelanareo izay lehibe amin'ny lalàna, dia ny rariny sy ny famindram-po ary ny finoana; ireto tokony ho nataonareo, nefa tsy tokony havelanareo ireroana.[*Anaran-java-maniry ireo] » (Matio 23:24) « Ry mpitarika jamba! tantavaninareo ny moka, nefa atelinareo ny rameva. » (Matio 23:25) « Lozanareo, mpanora-dalàna sy Fariseo, mpihatsaravelatsihy! fa diovinareo ny vohon'ny kapoaka sy ny lovia, nefa ny ao anatiny dia feno rombaka sy tsi-fahononana. » (Matio 23:26) « Ry Fariseo jamba! diovy aloha ny atin'ny kapoaka sy ny lovia, mba ho madio koa ny vohony. »

(Matio 23:27) « Lozanareo, mpanora-dalàna sy Fariseo, mpihatsaravelatsihy! fa ianareo dia tahaka ny fasana voalalotra fotsy, izay miseho tsara tarehy eo ivelany, nefa ny ao anatiny dia feno taolan'ny maty mbamin'ny fahalotoana rehetra. » (Matio 23:28) « Dia tahaka izany koa ianareo: raha amin'ny eo ivelany dia miseho amin'ny olona ho marina, nefa ny ao anatinareo dia feno fihatsaram-belatsihy sy tsi-fankatoavan-dalàna. »

Hebreo 7:1-10

[Fampitahana an’i Kristy sy Melkizedeka]

(Hebreo 7:1) « Fa io Melkizedeka io, izay mpanjakan'i Salema sy mpisoron'Andriamanitra Avo Indrindra, ilay nitsena an'i Abrahama, rehefa niverina avy nandresy ny mpanjaka maro izy ka nitso-drano azy, » (Hebreo 7:2) « sady nomen'i Abrahama ny ampahafolon'ny zavatra rehetra aza (voalohany, raha adika ny anarany, dia Mpanjakan'ny fahamarinana, dia vao Mpanjakan'i Salema koa, izany hoe: Mpanjakan'ny fiadanana; » (Hebreo 7:3) « tsy manan-dray, tsy manan-dreny, tsy manana tantaram-pirazanana, tsy manana voalohan'andro na faran'ny fiainana, fa natao tahaka ny Zanak'Andriamanitra),- izy dia mitoetra ho mpisorona mandrakariva. » (Hebreo 7:4) « Ary hevero ny halehiben'io lehilahy io -, izay nomen'i Abrahama patriarka ny ampahafolon'izay tsara tamin'ny zavatra nobaboina. » (Hebreo 7:5) « Ary izay avy tamin'ny taranak'i Levy ka mandray ny fisoronana no mahazo teny haka ny fahafolon-karena amin'ny olona araka ny lalàna, dia amin'ny rahalahiny izany, na dia teraky ny kibon'i Abrahama aza ireny; » (Hebreo 7:6) « nefa izay tsy isan'ny firazanan'ireo akory no nandray ny fahafolon-karena tamin'i Abrahama sy nitso-drano ilay nanana ny teny fikasana. » (Hebreo 7:7) « Ary tsy azo lavina akory anefa fa ny kely no mahazo tso-drano amin'ny lehibe noho ny tenany. » (Hebreo 7:8) « Ary ety dia izay olona mety maty no mandray ny fahafolon-karena, fa any kosa dia izay nambara fa velona. » (Hebreo 7:9) « Ary toa azo lazaina fa Levy aza, izay mandray ny fahafolon-karena, dia mba nandoa ny fahafolon-karena koa tao anatin'i Abrahama, » (Hebreo 7:10) « satria mbola tao an-kibon-drainy ihany izy tamin'ny nitsenan'i Melkizedeka an'i Abrahama. »


 

TORITENY SY FAMPIANARANA

FAHAFOLON-KARENA SY FANATITRA AMIN’NY FANAHY VAOVAO

Dr. Rakotondravony Daniel, Fiangonan’Andriamanitra Miray

 

Hitantsika fa ny fety fanao isan-taona sy ny lalàn'ny Testamenta Taloha maro hafa dia tandreman'ny Kristiana ankehitriny amin'ny fomba sy fanahy hafa sy vaovao. Mat. 5: 21-22, 27-28.

(Matio 5:21) « Efa renareo fa voalaza tamin'ny ntaolo hoe: Aza mamono olona (Eks. 20. 13); ary izay mamono olona dia miendrika hohelohina amin'ny fitsarana. » (Matio 5:22) « Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe: Izay rehetra tezitra* amin'ny rahalahiny dia miendrika hohelohina amin'ny fitsarana; ary na zovy na zovy no hanao amin'ny rahalahiny hoe: Olom-poana ianao, dia miendrika hohelohina amin'ny Synedriona; ary na zovy na zovy no hanao hoe: Foka ialahy, dia miendrika ho ao amin'ny helo** mirehitra afo. [*Na: tezitra foana] [**Gr. Gehena] »

(Matio 5:27) « Efa, renareo fa voalaza hoe: Aza mijangajanga (Eks. 20. 14). » (Matio 5:28) « Fa Izaho kosa milaza aminareo fa izay rehetra mijery vehivavy hila azy dia efa nijangajanga taminy tam-pony sahady. »

An’i Jehovah ny andro sy fotoana rehetra, izay nomeny anao hiainana sy hiasana; andro iray isan-kerinandro (Sabata) sy fety fito isan-kerintaona ihany no andidiany an’izay mino Azy hitsaharana sy ho tandremana, mba hianarana momba ny Filazantsaran’ ny Fanjakan’Andriamanitra.

Ho hitantsika izao fa ny lalàn'Andriamanitra amin'ny fahafolonkarena dia manana heviny vaovao koa ankehitriny. Tsarovy fa ny Apostoly Paoly nanoratra hoe: Andriamanitra dia "nanao antsika ho minisitry ny Testamenta vaovao [na ny fanekena vaovao]" (II Kor. 3: 4-6).

(2 Korintiana 3:4) « Ary manana izany fahatokiana izany ny amin'Andriamanitra izahay amin'ny alalan'i Kristy. » (2 Korintiana 3:5) « Kanefa tsy mihambo hanana fahaleovana* [*Gr. = fahafaha-manao] avy aminay hihevitra na amin'inona na amin'inona izahay; fa ny fahaleovanay dia avy amin'Andriamanitra, » (2 Korintiana 3:6) « Izay efa nampahaleo** [**Gr. = nampahamendrika] anay koa ho mpanompo amin'izay fanekena vaovao, nefa tsy amin'ny soratra, fa amin'ny Fanahy; fa ny soratra mahafaty, fa ny Fanahy no mahavelona. »

Fomba fiaina tokoa ny Kristianisma. Misy ifandraisany amin'ny fomba fiainantsika isan'andro io, ny fiainantsika andavanandro, ny fiaraha-miasa isan'andro amin'ny hafa, ny fanaontsika amin'ny raharaham-barotra, na ny fomba fitantanana ny volantsika aza.

Tsarovy fa Mpamorona Andriamanitra, Manana sy Tompon’ny zavatra rehetra hita manodidina antsika. Andriamanitra noho izany dia manana alalana voalohany hitaky ny fananana izay rehetra novokarina avy tamin'ny tany. Tahaka ny nanoratan'i Davida hoe: "An'i Jehovah ny tany sy izay rehetra eo aminy, izao tontolo izao sy izay monina eo aminy" (Sal. 24: 1). An'Andriamanitra ny volamena sy ny volafotsy rehetra (Hag. 2: 8). Andriamanitra no nahary ny zava-drehetra, ary noho io fahariana io, dia tompony izy, anisan'izany ny olombelona. Tena tsy misy fomba ahafahantsika "manonitra" an’Andriamanitra tamin'ny zavatra nataony amin’ny maha Mpahary antsika Azy.

Noho izany, maninona no tokony hanome ny ampahafolon'ny vokatra azo ho an'Andriamanitra ny tsirairay?

Ny fahafolonkarena dia fomba “fanomezana” manaraka ny lalam-piainan’Andriamanitra. Tian'Andriamanitra isika hianatra ny fomba “manome” sy mizara mba hahasoa ny hafa, ary hahasoa ny tenantsika manokana!

Mampiasa ny fahafolon-karena takiany ho an'ny tenany Andriamanitra, hitoriana ny Filazantsaran’ny Fanjakan’ Andriamanitra amin'izao tontolo izao, ho fihavanana, fifaliana, fahasambarana, fanambinana ary fiainana mandrakizay. Noho ny tsy fahampian'ity fahalalana ity dia voaozona izao tontolo izao!

Ny lalàn'Andriamanitra momba izay vokarintsika sy azontsika dia azo ampitahaina amin'ny fifanarahana iray. Tian’Andriamanitra ho fantatsika fa miara-miasa Aminy amin'ny fomban’ny fikambanana isika. Avelany hiaina sy hiasa amin'ny taniny ny olombelona – hamboly ny tany sy hamokatra sakafo hohanina. Avelany isika hanapaka ny hazony hanorenana trano fonenana, ary hampiasa ny fananany rehetra amin'ny famokarana zavatra an'arivony, hampiasaina araka izay ilaina.

Nefa Andriamanitra dia mpiara-miasa be famindrampo. Amin'ny ankapobeny dia tsy mitazona afa-tsy 10 isan-jato Izy hanatanterahana ny asany eto an-tany.

Tao amin'ny zaridainan'i Edena dia hazo iray ihany no notehirizin'Andriamanitra ho azy. Nijanona ho Azy izany. Tsy nomeny an'i Adama sy i Eva hampiasain'izy ireo velively ny hazo iray. Tsy manan-jo hihinana ny voany izy ireo. Rehefa naninjitra ny tànany izy ireo ary naka ny voan'io hazo voarara io dia nanota izy ireo - NANGALATRA tamin'Andriamanitra.

Androany, ilay Satana namitaka an'i Eva dia te-hampino anao amim-pifaliana fa ny vola miditra rehetra - na ny vokatry ny taninao dia anao avokoa. Nefa, moa tsy mino ny toy izany tokoa ve ianao? Andao ho fantarintsika izay lazain'ny Baiboly momba ny fahafolonkarena.

1. Ahoana no nanomezan'ny patriarka Abrahama voninahitra ny Mpamorona, Tompony sady Mpanjaka amin’ny zavatra rehetra? Gen. 14: 17-20; Heb. 7: 1-4.

(Genesisy 14:17) « Dia nivoaka ny mpanjakan'i Sodoma hitsena an'i Abrama teo an-dohasaha Save (Lohasahan'ny mpanjaka izany), rehefa niverina izy avy nandresy an'i Kedorlaomera sy ireo mpanjaka nomba azy. » (Genesisy 14:18) « Ary Melkizedeka, mpanjakan'i Salema, nivoaka nitondra mofo sy divay; ary izy dia mpisoron'Andriamanitra Avo Indrindra. » (Genesisy 14:19) « Dia nitso-drano azy Izy ka nanao hoe: Hotahin'Andriamanitra Avo indrindra anie Abrama, dia Andriamanitra Izay nahary ny lanitra sy ny tany; » (Genesisy 14:20) « Ary isaorana anie Andriamanitra Avo Indrindra, Izay efa nanolotra ny fahavalonao teo an-tananao. Dia nomen'i Abrama azy ny ampahafolon'ny zavatra rehetra. »

Izao moa Melkizedeka izay nomen’i Abrahama ny fahafolokarena? (Hebreo 7:1-4)

(Hebreo 7:1) « [Fampitahana an'i Kristy sy Melkizedeka] Fa io Melkizedeka io, izay mpanjakan'i Salema sy mpisoron'Andriamanitra Avo Indrindra, ilay nitsena an'i Abrahama, rehefa niverina avy nandresy ny mpanjaka maro izy ka nitso-drano azy, » (Hebreo 7:2) « sady nomen'i Abrahama ny ampahafolon'ny zavatra rehetra aza (voalohany, raha adika ny anarany, dia Mpanjakan'ny fahamarinana, dia vao Mpanjakan'i Salema koa, izany hoe: Mpanjakan'ny fiadanana; » (Hebreo 7:3) « tsy manan-dray, tsy manan-dreny, tsy manana tantaram-pirazanana, tsy manana voalohan'andro na faran'ny fiainana, fa natao tahaka ny Zanak'Andriamanitra), - izy dia mitoetra ho mpisorona mandrakariva. » (Hebreo 7:4) « Ary hevero ny halehiben'io lehilahy io -, izay nomen'i Abrahama patriarka ny ampahafolon'izay tsara tamin'ny zavatra nobaboina. »

Hatraiza no nitahian'Andriamanitra an'i Abrahama mpankatò? Gen. 13: 2.

(Genesisy 13:2) « Ary Abrama nanana harena be, dia omby aman'ondry sy volafotsy ary volamena. »

FANAMARIHANA: Mpanao fahafolon-karena i Abrahama. Nomeny ho an'Andriamanitra ny ampahafolon'ny babo tamin'ny ady. Ny teny manodidina ny andininy ao amin'ny Genesisy 14 dia mampiseho mazava tsara fa efa nomena an’Andriamanitra ny anjarany talohan'ny nizarana ny entana tamin’ny hafa. Nanaiky i Abrahama fa Andriamanitra no loharanon'ny fitahiana azony rehetra.

Ary tonga mpanankarena tokoa Abrahama, satria notahin'Andriamanitra izy. Ary ny firaketana an-tsoratra ao amin'ny Baiboly dia mampiseho fa nanohy nankatò an'Andriamanitra izy tamin'ny andro sisa niainany (Gen. 26: 5).

(Genesisy 26:5) « satria efa nihaino ny feoko Abrahama ka nitandrina izay nasaiko notandremany, dia ny didiko sy ny teniko ary ny lalàko. »

2. Mpisoron'Andriamanitra ve i Melkizedeka? Gen. 14:18; Heb.7: 1-3.

(Genesisy 14:18) « Ary Melkizedeka, mpanjakan'i Salema, nivoaka nitondra mofo sy divay; ary izy dia mpisoron'Andriamanitra Avo Indrindra. »

(Hebreo 7:1) « [Fampitahana an'i Kristy sy Melkizedeka] Fa io Melkizedeka io, izay mpanjakan'i Salema sy mpisoron'Andriamanitra Avo Indrindra, ilay nitsena an'i Abrahama, rehefa niverina avy nandresy ny mpanjaka maro izy ka nitso-drano azy, » (Hebreo 7:2) « sady nomen'i Abrahama ny ampahafolon'ny zavatra rehetra aza (voalohany, raha adika ny anarany, dia Mpanjakan'ny fahamarinana, dia vao Mpanjakan'i Salema koa, izany hoe: Mpanjakan'ny fiadanana; » (Hebreo 7:3) « tsy manan-dray, tsy manan-dreny, tsy manana tantaram-pirazanana, tsy manana voalohan'andro na faran'ny fiainana, fa natao tahaka ny Zanak'Andriamanitra),- izy dia mitoetra ho mpisorona mandrakariva. »

FANAMARIHANA: Ny fahafolonkarena dia naseho ao amin'ny Baiboly ho rafitr'Andriamanitra amin'ny famatsiana ara-bola ny asa fanompoana nataony teto an-tany. Talohan'ny fisoronana Levita sy ny fanekena taloha, ny fanompoana dia an'i Melkizedeka. Amin'ny maha-solontenan'Andriamanitra azy teto an-tany, dia nahazo ny ampahafolon-karena avy tamin'ny mpanompon'Andriamanitra mahatoky i Melkizedeka tamin'izany fotoana izany.

Melkizedeka, "tsy misy fiandohan'ny andro na faran'ny fiainana ... dia mitoetra mandrakariva ho pisoron’Andriamanitra Avo Indrindrindra" (Heb. 7: 3). Ity andininy ity dia manondro fa mety ho Mpisoronabe Izy na dia tamin'ny andron'i Adama aza! Ny patriarika taloha dia namatsy vola ny asa fanompoana nataon'Andriamanitra teto an-tany tamin'ny alàlan'ny rafitry ny fahafolonkarena.

3. Inona no nampanantenain'i Jakoba an'Andriamanitra fa hataony amin'ny hareny rehetra? Gen. 28: 20-22.

(Genesisy 28:20) « Dia nivoady Jakoba ka nanao hoe: Raha homba ahy Andriamanitra ka hiaro ahy amin'izao lalana alehako izao, ary hanome ahy mofo hohaniko sy lamba hitafiako, » (Genesisy 28:21) « ka ho tafaverina soa aman-tsara any amin'ny tranon'ny raiko aho, dia Jehovah no ho Andriamanitro, » (Genesisy 28:22) « ary ity vato izay naoriko ho tsangam-bato ity ho tranon'Andriamanitra, ary izay rehetra homenao ahy, dia homeko Anao tokoa ny ampahafolony. »

Nahazo tombony ve izy? Gen. 30:43.

(Genesisy 30:43) « Dia nitombo harena indrindra ralehilahy ka nanana ondry aman'osy betsaka ary andevovavy sy andevolahy ary rameva sy boriky. »

FANAMARIHANA: Nampanantena i Jakoba fa hanome ny ampahafolon'izay vokatra azony tamin'izay fotoana izay. Nandritry ny taona maro niainany dia nitahy azy tokoa Andriamanitra noho ny toetrany mahatoky. Notahiana tamin’ny omby aman'ondry sy mpanompo ary fananana hafa i Jakoba. Toa hita fa nanohy ho mpanao ampahafolon-karena hatramin'ny farany i Jakoba, tsy nanadino Ilay nahatonga azy hambinina (Gen. 48:15-6).

(Genesisy 48:15) « Dia nitso-drano an'i Josefa izy ka nanao hoe: Andriamanitra, Izay nandehanan'i Abrahama sy Isaka razako teo anatrehany, Andriamanitra, Izay Mpiandry ahy hatrizay niainako ka mandraka androany, » (Genesisy 48:16) « ny Anjely Izay Mpamonjy ahy tamin'ny loza rehetra: Izy anie hitahy ireto zaza ireto; ary aoka ny anarako sy ny anaran'i Abrahama sy Isaka raiko no hanononana azy, ary hitombo ho maro dia maro eo amin'ny tany anie izy. »

4. Talohan'ny andron'i Mosesy, ny fahafolonkarena dia efa naloa mivantana tamin'i Melkizedeka. Fa taorian'ny nanafahana an'Isiraely avy tany Egypta, iza no nolazain'Andriamanitra fa handray ny ampahafolony? Nom. 18:21, 24.

(Nomery 18:21) « Ary, indro, ny taranak'i Levy efa nomeko ny fahafolon-karena rehetra amin'ny Isiraely ho fananany noho ny fanompoana izay ataony, dia ny fanompoana ny amin'ny trano-lay fihaonana. » (Nomery 18:24) « Fa ny fahafolon-karen'ny Zanak'Isiraely, izay ateriny ho fanatitra ho an'i Jehovah, dia efa nomeko ho an'ny taranak'i Levy ho fananany; izany no nilazako taminy hoe: Tsy hanana lova eo amin'ny Zanak'Isiraely izy. »

Iza no handoavan’ny Levita ny fahafolonkarena azony tamin'ny vahoaka? Nom. 18:26-28.

(Nomery 18:26) « Mitenena indray amin'ny Levita hoe: Rehefa raisinareo amin'ny zanak'Isiraely ny fahafolon-karena, izay efa nomeko ho fanananareo avy aminy, dia hanalanareo ampahafolony kosa ho an'i Jehovah izany. » (Nomery 18:27) « Ary ny fanatitra alainareo dia hisaina ho anareo toy ny vary avy eo am-pamoloana sy ny divay avy eo amin'ny famiazana. » (Nomery 18:28) « Toy izany koa no hanateranareo fanatitra ho an'i Jehovah avy amin'ny fahafolon-karenareo rehetra, izay horaisinareo amin'ny Zanak'Isiraely; ary avy amin'izany no hanateranareo ho an'i Jehovah, dia ho an'i Arona mpisorona. »

FANAMARIHANA: Andriamanitra nanendry ny fianakavian'i Arona ho fahefana fara tampony amin'ny Levita (Nomery 18:2-3, 6). Amin'ny maha-mpisorona azy ireo dia tokony handray ny ampahafolon'ny fanomezana azon'ny Levita hafa rehetra izy ireo.

(Nomery 18:2) « Ary ny rahalahinao avy amin'ny firenen'i Levy izay firenen'ny razanao koa dia ento miaraka aminao, mba hikambana aminao izy ka hanompo anao; fa ianao sy ny zanakao ho eo anoloan'ny trano-lain'ny Vavolombelona. » (Nomery 18:3) « Dia hitandrina ny anjara-raharahanao sy ny anjara-raharaha rehetra momba ny trano-lay izy; kanefa ny fanaky ny fitoerana masina sy ny alitara dia tsy mba hakekeny, fandrao maty ireo sy ny tenanareo koa. » (Nomery 18:6) « Ary, indro, Izaho efa naka ny Levita rahalahinareo avy tamin'ny Zanak'Isiraely; omena anareo izy ho fanomezana ho an'i Jehovah mba hanao ny fanompoana momba ny trano-lay fihaonana. »

5. Inona no fampiasana ny fahafolon-karena nandritry ny fisoronan’ny Levita? Nom. 18:21.

(Nomery 18:21) « Ary, indro, ny taranak'i Levy efa nomeko ny fahafolon-karena rehetra amin'ny Isiraely ho fananany noho ny fanompoana izay ataony, dia ny fanompoana ny amin'ny trano-lay fihaonana. »

FANAMARIHANA: Melkizedeka, mpikambana ao amin'ny fianakavian'Andriamanitra, tonga Jesosy Kristy, dia nanidy ny Levita ho minisitra. Ny asan'Andriamanitra tamin'ny alàlan'ny fisoronan’ny Levita dia fanompoana ara-nofo sy fombafomba fampahatsiahivana tamin'ny firenena nofo ny tsy fahombiazan'izy ireo nitandrina ny lalàn'Andriamanitra.

Ka i Kristy (Melkizedeka) dia nanendry fanovana teo amin’ny lalàn'ny fahafolonkarena. Ny ampahafolony izay noraisiny manokana dia navadika ho an'ny Levita; avy eo nafindrany ho fanampiana ny Levita ny ampahafolony tamin'ny fisoronan’izy ireo.

Saingy tsy nisy iraka hitory ny Filazantsara amin'izao tontolo izao tamin'izany fotoana izany. Ny drafitr'Andriamanitra ho an'ity fotoampitantanana ity dia niantso fotsiny ny Levita hampianatra ny olona ny taratasin'ny Lalàna, ary hitantana ireo fombafomba ara-batana sy sorona ho fampahatsiahivana ny fahotana. Noho izany, ny ampahafolonkren’ny vahoaka izay nasaina nentiny dia natao hanampiana azy ireo indrindra.

Ny Hebreo toko fahafito dia mampiseho mazava tsara fa ny fahafolonkarena dia lalàna ara-bola efa ela tamin'ny fotoana nametrahan'Andriamanitra ny lalàna sivily taloha tamin'ny alàlan'i Mosesy.

Nohazavain'i Paoly mazava tsara fa ny fahafolonkarena dia tsy an'ny Levita (an'ny taranak'i Levy) na "fombafomba" (vakio Hebreo 7:5, 8-10).

(Hebreo 7:5) « Ary izay avy tamin'ny taranak'i Levy ka mandray ny fisoronana no mahazo teny haka ny fahafolon-karena amin'ny olona araka ny lalàna, dia amin'ny rahalahiny izany, na dia teraky ny kibon'i Abrahama aza ireny; »

(Hebreo 7:8) « Ary ety dia izay olona mety maty no mandray ny fahafolon-karena, fa any kosa dia izay nambara fa velona. » (Hebreo 7:9) « Ary toa azo lazaina fa Levy aza, izay mandray ny fahafolon-karena, dia mba nandoa ny fahafolon-karena koa tao anatin'i Abrahama, » (Hebreo 7:10) « satria mbola tao an-kibon-drainy ihany izy tamin'ny nitsenan'i Melkizedeka an'i Abrahama. »

Tsy natomboka tamin'ny fitantanan'ny Levita izany ary tsy nety ho nitsahatra rehefa tsy nilaina intsony ny fisoronan’ny Levita. Fa, araka ny Hebreo 7:11-17Andriamanitra dia nanova ny fisoronana hiverina amin'ny fisoronana ara-panahin'i Melkizedeka.

(Hebreo 7:11) « Koa raha nisy fanatanterahana tamin'ny fisoronan'i Levy (fa tamin'izany no nahazoan'ny olona ny lalàna), ahoana no mbola ilana mpisorona hafa hiseho araka ny fanaon'i Melkizedeka ihany, izay tsy hotononina ho araka ny fanaon'i Arona? » (Hebreo 7:12) « Fa raha ovana ny fisoronana, dia tsy maintsy ovana koa ny lalàna. » (Hebreo 7:13) « Fa Izay nolazaina amin'izany teny izany dia avy tamin'ny firenena hafa, izay tsy nisy olona manompo eo amin'ny alitara. » (Hebreo 7:14) « Fa hita marimarina fa avy tamin'ny Joda no nisehoan'ny Tompontsika, ary izany firenena izany dia tsy nisy nolazain'i Mosesy akory ny amin'izay ho mpisorona. » (Hebreo 7:15) « Ary hita marimarina kokoa indray izany, raha misy Mpisorona hafa miseho ka tahaka an'i Melkizedeka, » (Hebreo 7:16) « izay natao tsy araka ny lalàn'izay didy momba ny nofo, fa araka ny herin'ny fiainana tsy manam-pahataperana. » (Hebreo 7:17) « Fa Izy dia nambara hoe: "Hianao no Mpisorona mandrakizay Araka ny fanaon'i Melkizedeka" (Sal.110.4). »

Ny fisoronana Levita dia notapahan'ny fisoronan'i Jesosy Kristy, izany hoe ny fisoronana Melkizedeka naverina tamin'ny laoniny! Ary toy izany koa dia nisy fiovana hoe iza izao no tokony handray ny fahafolonkarena (Hebreo 7:12).

I Kristy dia nanome alalana ny mpanao asa fanompoana ao amin'ny Testamenta Vaovao handray ny ampahafolon-karena, mba hanatanterahana ny asa ara-panahy nanirahana azy ho an'ny Fiangonany (Mat. 28: 19-20).

(Matio 28:19) « koa mandehana ianareo, dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra, manao batisa azy ho amin'ny anaran'ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina » (Matio 28:20) « sady mampianatra azy hitandrina izay rehetra nandidiako anareo; ary, indro, Izaho momba anareo mandrakariva ambara-pahatongan'ny fahataperan'izao tontolo izao. »

Ny vanim-potoanan'ny Testamenta Vaovao dia naseho tamin'ny fotoana nahatongavan'i Melkizedeka na Kristy izay Mpisoronabentsika mandrakizay (Heb. 7: 3; 4: 14-16), tonga olombelona mety maty ka azo atao sorona ho an'ny otan'ny olombelona rehetra. Nataony azo omena ihany koa ny Fanahy Masina ho an'izay antsoin'Andriamanitra.

(Hebreo 7:3) « tsy manan-dray, tsy manan-dreny, tsy manana tantaram-pirazanana, tsy manana voalohan'andro na faran'ny fiainana, fa natao tahaka ny Zanak'Andriamanitra),- izy dia mitoetra ho mpisorona mandrakariva. »

(Hebreo 4:14) « [Fampitahana an'i Kristy sy ny mpisoronabe] Koa satria Isika manana Mpisoronabe lehibe, Izay lasa namaky ny lanitra, dia Jesosy, Zanak'Andriamanitra, aoka isika hihazona ilay efa nekentsika. » (Hebreo 4:15) « Fa isika tsy manana mpisoronabe izay tsy mahay miara-mitondra ny fahalementsika, fa Izay efa nalaim-panahy tamin'ny zavatra rehetra tahaka antsika, kanefa tsy nanana ota. » (Hebreo 4:16) « Koa aoka isika hanatona ny seza fiandrianan'ny fahasoavana amin'ny fahasahiana, mba hahazoantsika famindram-po sy hahitantsika fahasoavana ho famonjena amin'izay andro mahory*. [* Gr. tandrifin'izany] »

Tonga teto an-tany i Kristy hanokatra karazana asa fanompoana vaovao, dia fanompoana ara-panahy. Izy io dia minisiteran'ny FAMONJENA, minisiteran'ny FAMINANIANA, minisiteran'ny FAMPITANDREMANA, ary ministeran’ny FILAZANTSARA.

Ny iraka nampanaovin'i Kristy an'ireo tena minisitra rehetra dia ny hoe: "Koa mandehana, dia ampianaro ny firenena rehetra ... Mampianatra azy hitandrina izay rehetra nandidiako anareo" (Mat. 28: 19-20jereo etsy aloha). Ary raha niresaka ny androntsika Izy dia nilaza hoe: (Matio 24:14) « Ary hotorina amin'izao tontolo izao ity filazantsaran'ny fanjakana ity ho vavolombelona amin'ny firenena rehetra, dia vao ho tonga ny farany. »

Jesosy Kristy dia tonga mba hahafeno fepetra hisolo an'i Satana amin'ny maha-Mpanapaka an'izao tontolo izao Azy. Ary tonga Izy hampiofana mpitondra hafatra izay hitory amin'izao tontolo izao ny fiverenany hamerina amin'ny laoniny ny Fanjakan'Andriamanitra ety an-tanyI Kristy manokana dia nifidy ireo Apostoly roa ambin'ny folo tany am-boalohany, na minisitra, hanohy ny asa fitoriana ny Filazantsaran'ny Fanjakan'Andriamanitra. Amin’izao andro izao, ireo tena minisitr'i Jesosy Kristy dia manatanteraka io iraka io manerantany!

Rehefa manakaiky ny faran'ity vanim-potoana ity dia manatanteraka ny iraka nampanaovin'i Kristy amin'i HERY ireo tena minisitr'Andriamanitra. Ataon'izy ireo mazava tsara ny FILAZANTSARAN’NY FANJAKAN'ANDRIAMANITRA izay ho avy tsy ho ela. Manazava ny lalàn'io Fanjakana io izy ireo, ary koa manazava ireo faminaniana an-jatony miresaka momba io fotoana farany io.

Amin'izao andro mikorontana izao, manakaiky ny faran'ny vanim-potoana mialoha ny Fiavian'i Kristy Fanindroany. Ny asa tena fanompoana an'Andriamanitra dia ezaka manerantany mampianatra vahoaka AN-TAPITRISANY. Asa goavana izany, mitaky fampiasana minisitra an-jatony sy mpiasa hafa, ary fotodrafitrasa teknolojika avo lenta amin'ny fitoriana ny Filazantsaran'i Jesosy momba ny Fanjakan'Andriamanitra, "amin'ny firenena rehetra"!

Ireo fotodrafitrasa namboarina ho an'ny tanjon'Andriamanitra, dia ny onjampeo sy ny fahitalavitramilina fanontam-pirinty ary internet, izay mahatratra olona marobe tsy tahaka ny taloha, ary mila vola betsaka.

Amin’izao andro izao, Andriamanitra dia manolotra ny rafitra fahafolonkarena ihany ho famatsiam-bola amin'ny asa fanompoana ara-panahy mahery vaika, rafitra izay nampiasainy nandritry ny arivo taona maro mifandimby.

6. Mampiseho ve ny Baiboly fa mangalatra mivantana amin'Andriamanitra ny firenena sy ny isam-batan'olona tsy mandoa fahafolonkarena Aminy? Mal. 3: 7-12.

(Malakia 3:7) « Hatramin'ny andron'ny razanareo dia efa niala tamin'ny didiko ianareo ka tsy nitandrina azy. Miverena amiko, dia mba hiverina ho aminareo kosa Aho, hoy Jehovah, Tompon'ny maro. Nefa hoy ianareo: Ahoana ary no ho fiverinay? » (Malakia 3:8) « Handroba an'Andriamanitra va ny olona, no mandroba Ahy ianareo ? Nefa hoy ianareo: Amin'inona moa no androbanay Anao ? Amin'ny fahafolon-karena sy ny fanatitra*. [Heb. fanatitra asandratra] » (Malakia 3:9) « Voaozona amin'ny ozona ianareo nefa Izaho no robainareo, dia izao ianareo rehetra iray firenena izao. » (Malakia 3:10) « Entonareo ny fahafolon-karena rehetra ho ao amin'ny trano firaketako, mba hasian-kanina ao an-tranoko, ary izahao toetra amin'izany Aho, hoy Jehovah, Tompon'ny maro, raha tsy hovohako ny varavaran'ny lanitra ho anareo ka hampidinako fitahiana manana amby ampy ho anareo. » (Malakia 3:11) « Ary hasiako teny mafy ny valala* noho ny aminareo, ka tsy hanimba ny vokatry ny tany intsony ireny, ka dia hahavanom-boa ny voalobokareo any an-tsaha, hoy Jehovah, Tompon'ny maro. [Heb. mpandany] » (Malakia 3:12) « Ary ianareo hataon'ny firenena rehetra hoe sambatra; fa ho tany mahafinaritra ianareo, hoy Jehovah, Tompon'ny maro. »

FANAMARIHANA: Misy mahavita mandroba an'Andriamanitra ve? 'Ny fangalarana amin'Andriamanitra dia raharaha lehibe tokoa! Tsy misy vola miditra aminao hoe tena anao. An'Andriamanitra daholo izany. Fa ampahafolon'izay fotsiny no takian'Andriamanitra. Notehiriziny ho an'ny tenany ny fahafolon-karena voalohany! Aorian'ny fanekentsika ny fitakian'Andriamanitra mialoha momba ny ampahafolon'ny vokatra azontsika, vao mahazo mitaky ara-dalàna ireo ampahafolony hafa isika.

7. Inona no mahazo ny olona rehefa mandika ity lalàn'Andriamanitra momba ny fitantanam-bola ity izy? Mal. 3: 9 (Voaozona, Jereo etsy aloha).

8. Inona no vahaolana tsotra nomen'Andriamanitra momba ny olantsika ara-bola? Mal. 3:10 (jereo esty aloha). Moa ve Izy mihaika antsika hametraka fanandramana, "manaporofo", hahitana raha tena hitahy antsika Izy? Io andininy io ihany.

FANAMARIHANA: Andriamanitra tsy manome antsika vahaolana sarotra, tsy azo takarina amin'ny olantsika ara-bola sy ny ozona. Tsotra ny vahaolana. Avereno amin'Andriamanitra izay angatahiny ho azy, dia hitahy antsika Izy. Andriamanitra dia manana fomba an’arivony hanamboarana izay ataontsika ho lehibe kokoa. Raha miasa am-pahazotoana isika ary mahatoky amin'ny fanomezana Azy ny anjarany, dia miasa miaraka amintsika Izy, mitahy ny ezaka ataontsika amin'ny famokarana ny fiaraha-miasa Aminy, ary hahazoana bebe kokoa!

Ireo izay manome am-pahatokiana an'Andriamanitra ny fahafolon-karenany dia mahita fa izay sisa tavela dia maha lasa lavitra kokoa noho ny vola feno azony teo aloha. Mpanao fahafolonkarena an'arivony no nanamarika fa misy lalàna tsy voasoratra izay tsy azo dikana momba ny teti-bola - lalàna iray izay mitarika ny volan'izy ireo hitombo hatrany rehefa mahatoky amin’ny ampahafolon-karena izy ireo. (Vakio ireto andinin-tSoratra Masina manaraka ireto mifandraika amin'ity fitsipika ity: 1 Mpanjaka 17: 8-24; II Mpanjaka 4: 1-7, 42-44; Mat 14: 17-21; 15: 34-38; Heb 13: 8.)

9. Ahoana no tokony ho fihetsitsika amin'ny fanomezana ny fahafolon'ny vola miditra ho an'ny Fiangonan'Andriamanitra, satria Azy, na koa izay fanatitra tsindraindray arak'izay vitantsika? II Kor. 9: 6-7.

(2 Korintiana 9:6) « Fa izao no lazaiko: Izay mamafy kely, dia kely no hojinjany; fa izay mamafy be, dia be kosa no hojinjany. » (2 Korintiana 9:7) « Aoka ny olona rehetra samy hanao araka izay inian'ny fony avy, tsy amin'ny alahelo, na amin'ny faneriterena; fa ny mpanome amin'ny fifaliana no tian'Andriamanitra (Oha. 22. 8). »

FANAMARIHANA: Ny toe-tsaina malala-tanana dia fototry ny fomba fiainana "manome" avy amin'Andriamanitra. Mpanome malala-tanana Andriamanitra! Tiany ny zanany hanaja fahalalaha-tanana toy izany, arakaraka izay ananany. Nanazava an'io tsara ny Apostoly Paoly: (II Kor. 9: 6-7; jereo etsy aloha).

Ny torolalana momba ny fanomezana dia voalaza amin'ny pejy maro ao amin'ny Baiboly. Nasehon'i Jesosy fa ny fanahy manome dia mitondra vokany toy ny “boomerang” (“tamberina”). (Lioka 6:38) « omeo, dia mba homena ianareo; fatra tsara sady ahintsana no afatratra ka mihoatra no homeny ho ao am-pofoanareo. Fa izay fatra ataonareo no hamarana ho anareo kosa. »

Mbola namerina izany fahamarinana izany ihany koa i Salomona tao amin'ny asa sorany: (Mpitoriteny 11:1) « Atsipazo eny ambonin'ny rano ny haninao, fa ho hitanao ihany izy rehefa ela. » (Mpitoriteny 11:2) « Samy omeo anjara ny fito, ary na dia ny valo aza, fa tsy fantatrao izay fahoriana hanjo aty ambonin'ny tany. »

Ny fitahian'Andriamanitra dia ho avy amin'ny fotoan'Andriamanitra sy amin'ny fomban'Andriamanitra. Ary izao koa: (Ohabolana 11:24) « Misy mahafoy*, nefa mitombo fananana ihany; Ary misy fatra-pahihitra loatra**, nefa tonga malahelo ihany.[*Heb. mamafy][**Na: mihazona ny hareny] » (Ohabolana 11:25) « Izay manisy soa olona hohatavezina; Ary izay mandena dia mba holemana kosa*. [Heb. Ary izay mampisotro dia mba hampisotroina kosa] ».

Ireo andininy ireo dia mamerina amin'ny teny samy hafa ilay fitsipika voasedra ara-potoana hita manerana ny Baiboly: (Galatiana 6:7) « Aza mety hofitahina ianareo; Andriamanitra tsy azo vazivazina, fa izay afafin'ny olona no hojinjany. »

10. Ahoana no nitandreman'i Jesosy ny lalàn'ny fahafolonkarena? Mat. 23:23. Jereo ny tapany farany amin'ilay andininy.

(Matio 23:23) « Lozanareo, mpanora-dalàna sy Fariseo, mpihatsaravelatsihy! fa mandoa ny fahafolon'ny solila sy ny aneta ary ny komina* ianareo, nefa navelanareo izay lehibe amin'ny lalàna, dia ny rariny sy ny famindram-po ary ny finoana; ireto tokony ho nataonareo, nefa tsy tokony havelanareo ireroana.[*Anaran-java-maniry ireo] »

FANAMARIHANA: Tsy mazava ve izany? Jesosy nilaza fa ny toe-panahy tsara toy ny rariny, ny famindram-po ary finoana dia zava-dehibe kokoa noho ny fandoavana am-pitandremana ny ampahafolony amin'ny zavatra rehetra mety maniry ao an-jaridainanao, indrindra rehefa mitarika ho amin'ny fanamarinan-tena izany fikirizana izany. Fa hoy i Kristy “ ireto tokony ho nataonareo, nefa tsy tokony havelanareo ireroana”.

11. Moa ve ny fandoavana fahafolonkarena karazana fanompoana, sady fanehoana finoana an'Andriamanitra? Heb. 11: 6; Jak. 2:20.

(Hebreo 11:6) « Fa raha tsy amin'ny finoana, dia tsy misy azo atao hahazoana sitraka aminy; fa izay manatona an'Andriamanitra dia tsy maintsy mino fa misy Izy sady Mpamaly soa izay mazoto mitady Azy. »

(Jakoba 2:20) « Moa tsy fantatrao va, ry olom-poana, fa tsy vanona ny finoana tsy misy asa? »

FANAMARIHANA: Ny fahafolonkarena dia asa fanompoana an'Andriamanitra - fanehoana fitiavana, fankasitrahana, fanajana, voninahitra ary fanajana ny Mpamorona - mariky ny fanekena ny sitrapon'Andriamanitra, fanekena ny fahefany sy ny fanapahany.

Ny fandoavana fahafolonkarena koa dia fihetsika maneho finoana an’Andriamanitra. Araka izany dia foiben'ny fotom-pinoana kristiana sy ny fiovam-po io. Ny fahafolonkarena dia fanompoana manokana ataon'ny kristiana rehefa atao amin'ny finoana. Fanekena izany fa misy Andriamanitra - tena misy Izy ary afaka "manome izay rehetra ilainao araka ny hareny amin'ny voninahitra ao amin'i Kristy Jesosy" (Fil. 4:19).

(Filipiana 4:19) « Fa Andriamanitro hahatanteraka izay rehetra tokony ho anareo araka ny hareny amin'ny voninahitra ao amin'i Kristy Jesosy. »

Tsy misy fomba ahafahan'ny olona manakana an'Andriamanitra tsy hitahy ireo izay miakatra amin'ny finoana sy ny fahafolonkarena ho any amin'ny Mpamorona azy. Ny fanandramana (Experience) dia voaporofo fa misy fitahiana mandeha ho azy amin'ny fankatoavana an'Andriamanitsika mandrakizay raha toa ka miaraka amin'ny finoana izany fankatoavana izany.

Tsarovy fa manome ampahafolon-karena ho an'Andriamanitra ianao, fa tsy ho an’olona! Rehefa mandoa ny fahafolon-karena ianao, dia mampiseho fankatoavana an'Andriamanitra hitaky ny vola tokony hanany aminao. Fantatrao fa misy Izy, ary Izy dia "Mpamaly soa izay mazoto mitady azy"! Eny, ny fandoavana fahafolonkarena dia asan'ny finoana, ary raha tsy misy finoana dia tsy azo atao ny mampifaly an'Andriamanitra (Heb. 11: 6, Jereo etsy aloha).

Fa raha misy miteny hoe: "Tsy matoky ny fomba hampiasana ny fahafolonkarena aho. Mety handà ny handoa fahafolonkarena ve izy? Manome alalana azy ve ny Baiboly hamaritra ny antony hampiasana azy? Andao ho fantarina.

Ny andraikitry ny olona dia ny mandoa ny ampahafolony an'Andriamanitra amin'ireo olom-boafidiny izay voaporofo fa manao ny asan'Andriamanitra amin'izao fotoana farany izao. Tsy andraikitry ny mpandoa fahafolonkarena ny manapa-kevitra ny amin'ny fomba ampiasana ny ampahafolony na ny fandaniana azy raha vao omena izany. Andraikitr'Andriamanitra izany. An'Andriamanitra io ampahafolony io, ary anjarany ny mitarika ny fomba fampiasan'ny mpanompony ny vola.

12. Tokony ho "mpiara-miasa" amin'ny fahamarinana ve ny Kristiana? III Jaona 8. "mpiara-miasa" amin'ny fampielezana ny Filazantsara ve izy ireo? Fil 4: 3; 1 Kor 3: 9; II Kor 6: 1.

(3 Jaona 8) « Koa isika dia tokony handray tsara izay toy izany, mba ho mpiara-miasa aminy amin'ny fahamarinana. »

(Filipiana 4:3) « Eny, mangataka aminao koa aho, ry ilay tena mpiara-miasa amiko, manampia azy roa vavy, fa niara-niasa fatratra tamiko teo amin'ny filazantsara izy, mbamin'i Klementa koa sy ny mpiara-miasa amiko sisa, izay voasoratra ao amin'ny bokin'ny fiainana. »

(1 Korintiana 3:9) « Fa mpiara-miasa amin'Andriamanitra izahay; ary sahan'Andriamanitra sy trano arafitr'Andriamanitra ianareo. »

(2 Korintiana 6:1) « Ary izahay mpiara-miasa aminy dia mangataka aminareo koa mba tsy handraisanareo foana ny fahasoavan'Andriamanitra »

FANAMARIHANA: Nanana fitomboana mahatalanjona tamin'ny hery sy fahombiazana ny Fiangonan'Andriamanitra nandritry ny taona maro. Tanteraka izany noho ny ezaka mitambatra nataon'ny olona an'arivony maro, izay nantsoin'Andriamanitra hanampy amin'ny fanohanana ara-bola ny asan'ny Fiangonany, amin'ny alàlan'ny fahafolonkarenana sy ny fanatitr'izy ireo. Tamin'ireo taona voalohan'ny vanim-potoanan'ny Fiangonan'Andriamanitra Filadelfia, olona an-jatony vitsivitsy monja no tratry ny Filazantsara. Saingy rehefa nitombo ny isan'ny mpikambana mazoto sy ny mpiara-miasa nanolo-tena an-tsitrapo handrotsaka fahafolonkarena, dia nitombo toy izany koa ny habe sy ny herin'ny asan'ny Fiangonana.

 

 

FEHINY

Ny ezaka iraisan'ny maro izay nantsoin'Andriamanitra hifampizara ilay fotoana be voninahitra maha "mpiara-miasa", dia ahafahan'izao tontolo izao mandre sy mamaky ny tena Filazantsaran'i Kristy ankehitrinyNa dia ny fanontana sy fandefasana ireo lesona fampianarana Baiboly an-taratasy ho an'ny mpianatra rehetra aza dia natao tamin'ny fahafolonkarena sy ny fanomezana natolotry ny Fiangonan'Andriamanitra.

Ny lalan'Andriamanitra dia ny manome maimaimpoana ny fahamarinany amin'izay rehetra mangataka izany. Amin'ny alàlan'ny fampidirany ireo "mpiara-miasa Aminy" ao anatin'ity iraka mahatalanjona ity, ireo mpiara-miasa ireo dia mizara ny fitahiana manampy amin’ny fitondrana ny hafa ho ao amin'ny fianakavian'Andriamanitra.

Marina tokoa fa "sambatra kokoa ny manome noho ny mandray" (Asa. 20:35). Amin'ny fanomezam-boninahitra an'Andriamanitra amin'ny fananantsika no hanomezany izay ilaintsika manokana, satria mampanantena Izy hoe: (Matio 6:33) « Fa katsaho aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany, dia hanampy ho anareo izany rehetra izany. »

 

HO AN’ANDRIAMANITRA IRERY ANIE NY VONINAHITRA!