MIARA-MANDEHA AMIN’ANDRIAMANITRA NY
TENA KRISTIANA
TENIN’ANDRIAMANITRA
Gen. 5: 21-24
Jaona 15: 1-16
Heb. 11: 8-19
TORITENY
Dr. Rakotondravony
Daniel, Fiangonan’Andriamanitra Miray
Gen. 5: 21-24
[Ny taranak'i Adama tamin'i Seta ka hatramin'i Noa]
(Genesisy 5:21)
« Ary rehefa dimy amby enim-polo taona ny andro niainan'i Enoka, dia
niteraka an'i Metosela izy. » (Genesisy 5:22) « Ary niara-nandeha
tamin'Andriamanitra telon-jato taona Enoka taorian'ny niterahany an'i Metosela;
ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy. » (Genesisy 5:23) « Ary ny
andro rehetra niainan'i Enoka dia dimy amby enim-polo amby telon-jato
taona. »
Tsy isalasalana fa namiratra
tamin’ny hatsaram-panahy i Enoka. Mariho izay lazain’ny Baiboly mikasika azy.
(Genesisy 5:24)
« Ary niara-nandeha tamin'Andriamanitra Enoka; ka tsy hita izy, fa
nentin'Andriamanitra ».
Izany hoe niaina tamin’ny
finoana an’Andriamanitra Enoka, natoky ny Tenin’Andriamanitra sy ny teny
fikasany. Izao no voasoratra ao amin’ny Hebreo 11: 5-6 momba an’i Enoka:
(Hebreo 11:5) « Finoana no namindrana an'i Enoka tsy
hiharan'ny fahafatesana; ka dia tsy hita izy, satria nafindran'Andriamanitra;
fa talohan'ny namindrana azy dia nambara fa nankasitrahan'Andriamanitra
izy. » (Hebreo 11:6) « Fa raha tsy amin'ny finoana, dia tsy misy azo
atao hahazoana sitraka aminy; fa izay manatona an'Andriamanitra dia tsy maintsy
mino fa misy Izy sady Mpamaly soa izay mazoto mitady Azy. »
Ny filazana hoe “nafindran’Andriamanitra
Enoka ka tsy hita” dia azo ampitahaina amin’ny namindran’Andriamanitra ny
mpaminany Elia, izay voalaza fa nampiakarina tamin’ny tafio-drivotra ho any
an-danitra ka tsy hita. Nafindran’Andriamanitra any amin’ny toerana tsy
hitan’ny olona mahafantatra azy ireo olona ireo. Fahafatesana faharoa no tsy
hihatra amin’ireo mpanompon’Andriamanitra roa ireo, satria mahazo ny
olombelona rehetra fahafatesana voalohany. (Romana 5:12) « Izany dia tahaka ny nidiran'ny ota
avy tamin'ny olona iray ho amin'izao tontolo izao, ary ny ota no nidiran'ny
fahafatesana, ka nahatratra ny olona rehetra ny fahafatesana, satria samy efa
nanota izy rehetra. »
Fantatra mantsy fa Elia nandefa
taratasy faminaniana ny hahafatesan’ny mpanjaka Jehorama, folo taona
taorian’ny nanjavonany, satria nampijangajanga ny mponin’i Joda sy
Jerosalema ny mpanjaka. (2 Mpanjaka 2:7-11; 2 Tantara 21:12-15).
[Ny nampakarana an'i Elia ho any an-danitra, sy ny
fahagagana voalohany nataon'i Elisa]
(2 Mpanjaka 2:7)
« Ary … izy roa lahy nitsangana teo amoron'i Jordana. » (2 Mpanjaka
2:8) « Ary Elia nandray ny kapôtiny ka namalona azy, dia nikapoka ny rano,
ary nisaraka roa ny rano, ka dia nita tamin'ny tany maina izy roa lahy. » (2
Mpanjaka 2:9) « Ary nony efa tafita izy roa lahy, dia hoy Elia tamin'i
Elisa: Angataho izay hataoko ho anao, dieny tsy mbola misaraka aminao aho. Ary
hoy Elisa: Masìna ianao, aoka ny anjaran-droa amin'ny fanahinao mba ho
ahy. » (2 Mpanjaka 2:10) « Fa hoy izy: Sarotra ny nangatahinao;
kanefa raha mahita ahy misaraka aminao ianao, dia ho anao ihany izany; fa raha
tsy izany kosa, dia tsy ho anao izany. » (2 Mpanjaka 2:11) « Ary raha
mbola nandeha sy niresaka izy roa lahy, dia, indro, nisy kalesy afo sy soavaly
afo nampisaraka azy roa lahy; ary Elia niakatra tamin'ny tafio-drivotra ho any
an-danitra. »
(2 Tantara 21:12)
« Ary nisy taratasy avy tamin'i Elia mpaminany tonga tao aminy nanao hoe:
Izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitr'i Davida rainao: Noho ny tsy
nandehananao tamin'ny lalan'i Josafata rainao, na ny lalan'i Asa, mpanjakan'ny Joda, »
(2 Tantara 21:13) « fa nandeha tamin'ny lalan'ny mpanjakan'ny Isiraely
kosa ianao ka nampijangajanga ny Joda sy ny mponina any Jerosalema toy ny
fijangajangan'ny taranak'i Ahaba, sady novonoinao koa ny rahalahinao nateraky
ny rainao, izay tsara noho ianao, » (2 Tantara 21:14) « dia, indro,
hasian'i Jehovah areti-mandringana ny vahoakanao sy ny zanakao sy ireo vadinao
mbamin'ny biby fiompinao rehetra; » (2 Tantara 21:15) « ary ianao koa
ho azon'ny aretina mafy, dia aretina amin'ny tsinainao, mandra-pialàlan'ny
tsinainao isan'andro isan'andro noho ny aretina. »
Nifikitra tamin’ny
fomban’Andriamanitra Enoka; ampitahao
amin’ny teny hoe: (Amosa 3:3)
« Ho tafara-dalana va ny roa, raha tsy efa nifanaiky? »
Araka izany dia nanaiky ny
Tenin’Andriamanitra Enoka. Niaina tamin’ny fahamasinana izy, araka ny teny hoe:
(1 Jaona 1:5-7) « … Andriamanitra dia mazava, ary
tsy misy maizina akory ao aminy. » (1 Jaona 1:6) « Raha hoy isika:
Manana firaisana aminy isika, kanefa mandeha amin'ny maizina, dia mandainga
isika ka tsy manao ny marina. » (1 Jaona 1:7) « Fa raha mandeha eo
amin'ny mazava isika, tahaka Azy eo amin'ny mazava, dia manana firaisana aminy
isika, ary ny ran'i Jesosy Zanany no manadio antsika ho afaka amin'ny ota
rehetra. »
Mpitoriteny mandala ny
fahamarinana i Enoka, sahy nananatra ireo mpiara-belona taminy izay nandà
an’Andriamanitra, ka nampitandrina azy ireo momba ny hiavian’ny
fitsaran’Andriamanitra, manao hoe: (Joda
14-15) (Joda 14) « Ary Enoka koa, ilay fahafito nandimby an'i Adama,
dia efa naminany ny amin'ireny olona ireny ka nanao hoe: "Indro, tonga
Jehovah mbamin'ny masiny tsy omby alinalina » (Joda 15) « hitsara
ny olona rehetra sy hampiaiky ny olona ratsy fanahy rehetra ny asan'ny
haratsiam-panahy rehetra, izay nataony tamin'ny haratsiam-panahiny sy ny teny
sarotra rehetra izay nitenenan'ny mpanota ratsy fanahy hanohitra
Azy." »
Mila mahafantatra tsara ny
Planin’Andriamanitra anefa isika tena Kristiana, ka hahatakatra ny hevitry ny
teny hoe: “Enoka tsy
hiharan'ny fahafatesana”. Ny “fahafatesana
faharoa” no ambaran’ny tenin’Andriamanitra fa tsy hihatra amin’i Enoka, “satria nafindran'Andriamanitra” izy, miandry ny fiainana mandrakizay, rehefa miverina i Kristy. (Hebreo 11:5)
Ao amin’ny Hebreo 11:13 dia
voasoratra hoe: « Ireo rehetra
ireo dia maty tamin'ny finoana, kanefa tsy mbola nahazo ny teny fikasana. »
Ary faranan’ny
Tenin’Andriamanitra hoe: (Hebreo
11:39-40) (Hebreo 11:39) « Ary ireo rehetra ireo, na dia efa nahazo laza
tsara noho ny finoana aza, dia tsy mba nandray ny teny fikasana, » (Hebreo
11:40) « fa Andriamanitra efa namboatra izay tsara lavitra ho antsika, mba
tsy hatao tanteraka ireo raha tsy efa mby eo koa isika. »
Jaona 15: 1-16
[Ny fanoharana ny amin’ny
voaloboka sy ny sampany, ary ny firaisan’i Jesosy sy ny mpianany]
(Jaona 15:1) « Izaho
no tena voaloboka, ary ny Raiko no mpamboatra. »
Ato amin’ity sary an’ohatra ity
i Jesosy dia milazalaza ny tenany ho “ny voaloboka” ary ireo olona tonga
mpianany no “sampanay”. Raha tafaray aminy izay Loharanom-piainana ireo dia
mamokatra. Andriamanitra no mpiandry saha mikarakara ireo sampana mba
hampahavokatra azy (and 2, 8). Manantena antsika rehetra hamokatra Andriamanitra.
(Jaona 15:2) « Ny
sampany rehetra eo amiko izay tsy mamoa dia esoriny; fa ny sampany rehetra izay
mamoa kosa dia amboariny*, mba hamoa bebe kokoa. [*Gr dioviny] » (Jaona
15:3) « Efa madio rahateo ianareo noho ny teniko, izay nolazaiko
taminareo. »
Sokajin-tsampana anakiroa no
resahin’i Jesosy, dia ny mahavokatra sy ny tsy mahavokatra.
Atao ho tsy mahavokatra ny
sampan rehetra tsy manana ny fiainana ao anatiny intsony, dia ilay fiainana
vokatry ny finoana maharitra an’i Kristy sy ny fitiavana Azy. Esorin’ny Ray
amin’ny voaloboka ireny “sampana” ireny, izany hoe sarahiny amin’i Kristy tsy
hanana firaisana aina aminy. Rehefa tsy mitoetra ao amin’I Kristy intsony manko
ireny, dia tsy misy aina intsony koa, dia tapahina izy ka atsipy any anaty afo
(and 6).
Atao hoe mahavokatra kosa ny
sampan manana fiainana ao anatiny noho ny amin’ny finoana maharitra an’I Kristy
sy ny fitiavana Azy. Amboarnin’ny Ray ireny “sampana” ireny mba hahatonga azy
hamokatra bebe kokoa. Izany hoe, esoriny amin’ny fiainan’izy ireo izay rehetra
mamilivily na manakantsakana ny fototr’ain’i Jesosy tsy hikoriana ao aminy. Ny
vokatra dia ny hatsaran-toetran’ny Kristiana izay manome voninahitra
an’Andriamanitra eo amin’ny fiainan’ny tena sy ny fijoroana ho vavolombelona.
(Jaona 15:4) « Tomoera
amiko ary Izaho aminareo. Tahaka ny sampany tsy mahay mamoa ho azy, raha tsy
miray amin'ny voaloboka izy, dia toy izany koa ianareo, raha tsy miray
amiko. » (Jaona 15:5) « Izaho no voaloboka, ianareo no sampany. Izay
miray amiko, ary Izaho aminy, dia mamoa be izy; fa raha misaraka amiko kosa
ianareo, dia tsy mahay manao na inona na inona. »
Rehefa mino an’i Kristy ny
olona iray ka mibebaka amin’ny fahotany dia voavela heloka, ary
omen’Andriamanitra ny voaloham-bokatry ny Fanahy (torontoronin’ny Fanahy), izay
hery ahazoany mitoetra ao amin’i Kristy. Tahaka ny tsy ahafahan’ny samapana
mivelona raha tsy ny ain’ny voaloboka mihitsy no mikoriana ao anatiny, dia
tahaka izany koa no tsy hanana’ny mpino ny fiainan’i Kristy raha tsy ny
fiainan’i Kristy mihitsy no mikoriana ao anatiny amin’ny itoerany ao amin’i
Kristy. Ireto no fepetra ahazoantsika mitoetra ao amin’i Kristy:
Maharitra mihazona ny
Tenin’Andriamanitra ao amin’ny fo sy ny saintsika, ka manao azy ho
mpitari-dalana amin’ny asa ataontsika (and 7).
Mizatra amin’ny fiombonana
akaiky amin’i Kristy hatrany mba hahafahana manovo hery avy aminy (and 7).
Mankatò ny didiny sy mitoetra amin’ny
fitiavany (and 10), ary mifankatia (and 12, 17).
Manadio ny fiainana amin’ny alalan’ny
Teny, manohitra ny fahotana rehetra, ary manaiky ny fitarihan’ny Fanahy (and 3).
(Jaona 15:6) « Raha
misy tsy miray amiko, dia ariana eny ivelany tahaka ny sampany izy ka malazo;
ary angonina izy ka atsipy ao anaty afo, dia ho may. »
Ny fanoharana ny amin’ny voaloboka sy ny
sampan dia manazava tsara mihitsy fa i Kristy dia tsy nino hoe “rehefa ao
amin’ny voaloboka dia ao mandrakizay”. Fampitandremana lehibe sady feno
fitiavana kosa no nomen’i Jesosy ny mpianany eto, fa ny tena mpino marina dia
mbola mety hiala amin’ny finoana any am-parany any, hiodina ka handà an’
Jesosy, tsy hahatoetra ao aminy ary dia hatsipy any amin’ny helo afo
mandrakizay.
Hita eto ny fitsipika fototra mifehy ny
fifandraisana mahavonjy misy eo amin’i Kristy sy ny mpino: Tsy fifandraisana
tsy mihetsika velively izany ka haorina fotsiny amina fanapahan-kevitra sy
traikefa nitranga tamin’ny lasa. Ny marina dia fifandraisana mivoatra izy io
rehefa mitoetra ao anatin’ilay mpino i Kristy ka mifampizara aminy ny fiainana
maha-Andriamanitra Azy.
Misy fanamarihana telo
ampianarin’ny fanoharana:
Anankinana andraikitra hitoetra
ao amin’i Kristy ny Kristiana. Izany no asetrintsika ny fiainana
maha-Andriamanitra Azy sy ny heriny izay omeny mialoha amin’ny fotoana
iovantsika fo.
Ny fitoerana ao amin’I Kristy
dia mahatonga ny fitoeran’I Jesosy mandrakariva (and 4a), fahavokarana ao
amin’ny Kristiana (and 5), fahombiazana amin’ny vavaka (and 7), ary
fahafenoan’ny fifaliana (and 11).
Tsy fahavokarana (and 4-5) sy
fanesorana tsy ho ao amin’i Kristy ary faharavana (and 2a, 6) no vokatry ny tsy
fitoerana ao amin’i Kristy.
(Jaona 15:7) « Raha
miray amiko ianareo, ka mitoetra ao anatinareo ny teniko, dia angataho izay
tianareo na inona na inona, fa ho tonga aminareo izany. » (Jaona 15:8)
« Izany no ankalazana ny Raiko, mba hamoazanareo be ka ho tonga mpianatro
ianareo. »
Ny fitoerana ao amin’i Kristy no
tsiambaratelon’ny fahazoana valim-bavaka. Arakaraka ny fifanakekezan’ny
fiainantsika amin’i Kristy amin’ny alalan’ny vavaka, ny fifadian-kanina, ny
fanompoam-pivavahana, ny fisaintsainana sy fianarana ny Soratra Masina no
hampifanaraka ny vavaka ataontsika amin’ny fomban’I Kristy sy ny Teniny, ka
araka izany koa no hampahomby kokoa ny fivavahantsika.
(Jaona 15:9-11) « Tahaka
ny nitiavan'ny Ray Ahy no nitiavako anareo; tomoera amin'ny fitiavako
ianareo. » (Jaona 15:10) « Raha mitandrina ny didiko ianareo, dia
hitoetra amin'ny fitiavako, tahaka ny nitandremako ny didin'ny Raiko sy ny
itoerako amin'ny fitiavany. » (Jaona 15:11) « Izany zavatra izany dia
efa nolazaiko taminareo, mba ho ao aminareo ny fifaliako, ka ho tanteraka ny
fifalianareo. »
Antsoin’i Jesosy isika mba
hanana fiainam-pahamasinana tena akaiky Azy sy fanolorantena manokana ho Azy.
Azo tanterahina izany noho ny amin’ny fitiavan’Andriamanitra antsika, izay
naidiny ho ao am-pontsika tamin’ny alalan’ny Fanahy Masina, manao hoe: (Romana 5:5) « Ny fanantenana dia tsy
mampahamenatra, satria ny Fanahy Masina, Izay nomena antsika, no nentiny
nampidina ny fitiavan'Andriamanitra* ho ao am-pontsika. [* Na: ny fitiavana
an'Andriamanitra] ». Ny fomba
hitoerantsika ao amin’ny fitiavan’i Jesosy dia amin’ny fikatsahana
fifankahazoana akaiky ara-panahy sy fiombonam-po aminy, ary amin’ny
fankatoavana ny didiny, dia tahaka ny nitandremany ny didin’ny Ray (and 10).
(Jaona 15:12-15) Fitiava
lehibe manolotra ny ainy hamonjy ny sakizany, nomen’i Jesosy ho an’izay mitoetra
ao amin’ny fitiavany sy mifankatia.
Nandidy ny hifankatiavan’ny
Kristiana Jesosy, tahaka ny nitiavany antsika.
(Jaona 15:12)
« Izao no didiko, dia ny mba hifankatiavanareo tahaka ny nitiavako anareo. »
(Jaona 15:13) « Tsy misy manana fitiavana lehibe noho izao, dia ny manolotra
ny ainy hamonjy ny sakaizany. » (Jaona 15:14) « Hianareo no sakaizako,
raha manao araka izay andidiako anareo. » (Jaona 15:15) « Tsy hataoko
hoe mpanompo intsony ianareo, fa ny mpanompo tsy mahalala izay ataon'ny
tompony; fa efa nataoko hoe sakaiza ianareo, satria izay rehetra reko tamin'ny
Raiko no nambarako taminareo. »
(Jaona 15:16)
« Tsy ianareo no nifidy Ahy, fa Izaho no nifidy anareo ka nanendry anareo
mba handeha sy hamoa, ary mba haharetan'ny vokatrareo, mba homen'ny Ray
anareo izay rehetra hangatahinareo amin'ny anarako na inona na inona. »
Ny Kristiana rehetra dia
nofidina “tamin’izao tontolo izao” (mba “hamoa” (and 2, 4-5, 8). Izany
fahavokarana izany dia manondro :
Toetra soa ara-panahy, toy ny
vokatry ny Fanahy voalazan’ny Galatiana 5:22-23, dia fitiavana, fifaliana,
fiadanana, fahari-po, fahamoram-panahy, fanaovan-tsoa, fahamarinana,
fahalemem-panahy, fahononam-po, ary asa:
Asa atao mba hampiova fo olona
ho an’i Kristy (4:36; 12:24).
Heb. 11: 8-19
[Filazan-tantara mampiseho ny herin'ny finoana sy ny
valiny]
Abrahama: (Hebreo 11:8) « FINOANA no naneken'i Abrahama,
rehefa nantsoina, hiainga hankany amin'izay tany ho azony ho lova; ka dia niainga
izy, nefa tsy fantany izay halehany. » (Hebreo 11:9) « FINOANA no
nivahiniany tany amin'ny tany nolazain'ny teny fikasana, toy ny any an-tanin'olona,
mitoetra an-day, mbamin'Isaka sy Jakoba, mpiara-mandova izany teny fikasana
izany aminy; » (Hebreo 11:10) « fa nanantena hahazo ny tanàna misy
fanorenana izy, Andriamanitra no Tompo-marika sy Mpanao izany. »
Saraha: (Hebreo 11:11) « Ary na Saraha aza, dia FINOANA
koa no nandraisany hery hanan'anaka, rehefa nitsaha-jaza izy, satria nataony fa
mahatoky Ilay efa nanome ny teny fikasana. » (Hebreo 11:12)
« Koa dia avy tamin'ny anankiray, izay efa toy ny maty, no nihavian'ny
maro toy ny kintana eny amin'ny lanitra sy toy ny fasika eny
amoron-dranomasina, izay tsy hita isa. »
Ireo rehetra ireo
dia maty kanefa tsy mbola nahazo ny teny fikasana: (Hebreo 11:13) « Ireo rehetra ireo dia maty
tamin'ny FINOANA, kanefa tsy mbola nahazo ny teny fikasana; fa
nahatazana azy eny lavitra eny izy ka ravoravo niarahaba azy, dia nanaiky fa
vahiny sy mpivahiny tety ambonin'ny tany izy. » (Hebreo 11:14) « Fa
izay milaza izany zavatra izany dia maneho marimarina fa mitady izay ho taniny
izy. » (Hebreo 11:15) « Ary raha tàhiny nahatsiaro ny tany nialany
izy, dia ho nahita andro hiverenany. »
Andriamanitra
nanamboatra tanàna ho an'ireo Izy: (Hebreo 11:16) « Fa amin'izany ny tsara lavitra no iriny, dia
ny any an-danitra; ary noho izany Andriamanitra dia tsy menatra hatao hoe
Andriamaniny, satria efa nanamboatra tanàna ho an'ireo Izy. »
Teny fikasana
tamin’i Abrahama: "Avy amin'Isaka no hantsoina izay taranaka ho anao". (Hebreo 11:17) « FINOANA no nanateran i
Abrahama an'Isaka, raha nizahan-toetra izy; eny, ny zananilahy tokana no
naterin'ilay efa nandray tsara ny teny fikasana, » (Hebreo 11:18)
« dia ilay nilazana hoe: "Avy amin'Isaka no hantsoina izay taranaka
ho anao" (Gen. 21.12). » (Hebreo 11:19) « Fa nihevitra izy fa Andriamanitra
dia mahay manangana ny maty aza; ary hoatra ny avy tamin'izany no
nandraisany azy. »