Sabatan'i Jehovah: Famantarana - Fiz.2

  SEKOLY SABATA

NY SABATA ANDRO FAHAFITO SY NY SABATA FITO ISAN-TAONA DIA FAMANTARANA

 

Toriteny : Dr. Rakotondravony Daniel, Fiangonan'Andriamanitra Miray

Hihaino ny raki-peo mirakitra ny toriteny

Ny fetin'Andriamanitra, izay ampahany amin'ny fitsipik'Andriamanitra, dia tsy foana rehefa nitsahatra tsy nanan-kery intsony ny fanekena tao Sinay momba ny famonoana biby hatao fanatitra, rehefa maty sy nitsangana tamin’ny maty i Kristy.

Ireo fety ireo no manambara ny Planin'Andriamanitra mahagaga momba ny famoronana ny olombelona ho tonga zanak’Andrimanitra Fanahy. Rehefa tonga zanak’Andriamanitra Fanahy ny olombelona dia raisiny hiara-manjaka amin’i Kristy, hitantana ny zavatra rehetra noforoniny. Izany no famoronana ny olona ho Isiraely ara-panahy, ary ny fanatanterahana an’izany no ambaran’ireo fety fito isan-taona.

Ny tantara manontolo momba ny Planin'Andriamanitra mahagaga dia tokony hotsarovanisan-taona, eo amin’ireo zanaka notorontoronin’ny Fanahy, na Isiraely ara-panahyamin'ny alàlan'ny fitandremana ireo Andro Masin'Andriamanitra. Fanehoana fankatoavana izany, sy fiainana ny anjara andraikitra manadrify azy ireo amin'ny fanatanterahana ny famoronana.

Ireto misy ohatra amin’ny fitandremana ny andro firavoravoana voatendry ao amin’ny Testamenta Vaovao.

Andro fiomanana amin’ny Sabata Paska no nahafatesan’i Jesosy:

Jaona 19:31 « Ary satria andro fiomanana ny andro, dia nangataka tamin'i Pilato ny Jiosy mba hotapahina ny ranjon'ireo, ary hesorina ny faty, mba tsy ho tratry ny andro Sabata eo amin'ny hazo fijaliana, satria andro lehibe izany Sabata izany. »

Inona no antsoina hoe Sabata Paska ? Io dia ny Andro Firavoravoana Fihinanan Mofo Tsy Misy Masirasira, manomboka ny faha 15 Nisana, izany hoe ny ampitson’ny faha 14 Nisana izay Paskan’i Jehovah famonoana ny zanak’ondry. (Nomery 33:3). Tsy Sabata andro fahafito io.

(Nomery 33:3) « Niala tao Ramesesa izy tamin'ny volana voalohany, dia tamin'ny andro fahadimy ambin'ny folo tamin'ny volana voalohany; nony ampitson'ny Paska no nivoahan'ny Zanak'Isiraely tamin'ny tanana avo teo imason'ny Egyptiana rehetra. »

1 Korintiana 5:1-13

[Anatra noho ny tsy nanesorany ilay lehilahy nanao fitondran-tena vetaveta]

= Hevi-Panahin’ny Andro Firavoravoana Mofo Tsy Misy Masirasira

(1 Korintiana 5:1) «  Efa re marina fa misy fijangajangana aty aminareo, eny, dia fijangajangana izay tsy misy tahaka azy na dia amin'ny jentilisa aza, fa misy anankiray manambady ny vadin-drainy. »

Mandà ny handray andraikitra momba ny fijangajangana eo amin’ny fiangonana ny tompon’andraikitra voalaza eto (and 8). Koa ambaran’i Paoly fa ny fiangonana dia tsy tokony hamela na handefitra ny fijangajangana eo anivon’ny mpikambana eo aminy.

Fahasoavana ho an’ireo nanao meloka ny fandroahana azy; mety hampifoha azy izany, hahazoany an-tsaina ny halalin’ny fahotany, ka hitadiavany famelan-keloka sy fanavaozana indray.

Fitandroana ny fahadiovan’ny fiangonana (and 6-8) izany. Ny fandeferana amin’ny faharatsiana ao anatin’ny fiangonana dia hampihena tsikelikely ny hahavo ara-pitondrantena eo amin’ny fiangonana manontolo.

Fahasoavana ho an’izao tontolo izao ny fisian’ny fitsipi-pipehezana manaraka ny toe-panahin’i Kristy ao amin’ny fiangonana.

Tsy tokony handefitra na hangina fotsiny eo anatrehan’ny faharatsiam-pitondrantena ara-nofo isan-karazany eo amin’ny mpikambana sasany ny fiangonana: fakana vadin’olona, firaisana ara-nofo mialoha ny fanambadiana, sns.

(1 Korintiana 5:2) « Ary ianareo indray va no mirehareha, ka tsy nampalahelo anareo akory izany, mba hesorina tsy ho ao aminareo ilay nanao izany zavatra izany? »

Tokony hahatsapa alahelo lehibe sy fahadisoam-panantenana ny fiangonana feno ny Fanahy manoloana ny faharatsiam-pitondrantena hita eo amin’ny mpikambana sasany toy izao (and 2, 4-5, 7, 13).

Lesona ara-panahy avohitry ny fitandremana ny Mofo Tsy Misy Masirasira

(1 Korintiana 5:5) « hanolotra izany anankiray izany ho an'i Satana hanimbana ny nofo, mba hamonjena ny fanahy amin'ny andron'i Jesosy Tompo. »

Ny manolotra ho an’i Satana dia midika fanesorana ilay olona ratsy fitondrantena ao amin’ny fiangonana ka hamerina azy any amin’ny toeram-panjakan’i Satana.

(1 Korintiana 5:6) « Tsy mety ny fireharehanareo. Tsy fantatrareo va fa ny masirasira kely dia mahazo ny vongana rehetra? » (1 Korintiana 5:7) « Esory ny masirasira ela, mba ho vongana vaovao ianareo, araka izay tsy maha-misy masirasira anareoFa voavono Kristy, Paska ho antsika; »

Fomba ahazoan’ny fiangonana manaisotra ny masirasira ela, izany hoe ny asam-pahotana tao anatiny izany. Ny ota mieboebo sy miparitaka toy ny masirasira, ary mamindra amin’ny olona hafa. Ny fety Fihinanana Mofo Tsy Misy Masirasira dia mampianatra hifady ny ota sy ny faharatsiana rehetra isanandro, hitomboana amin’ny fahamasinana, rehefa nandray ny famelan-keloka tamin’ny ota taloha noho ny fahafatesan’i Kristy.

Niara-nitandrina tamin’i Paoly ny fihinanana mofo tsy misy masirasira ireo Jentilisa ireo. Nampianatra azy ireo hahatakatra ny hevi-panahin’ny Mofo Tsy Misy Masirasira izy: (5:8) « ka dia aoka isika hanao andro firavoravoana, tsy amin'ny masirasira ela, na amin'ny masirasira lolompo sy faharatsiana, fa amin'ny mofo tsy misy masirasira, dia ny fahadiovam-po sy ny fahamarinana. »

(5:9) « Nanoratra taminareo teo amin'ny epistily aho mba tsy hiharoharoanareo amin'izay mpijangajanga; » (5:10) « nefa tsy ny mpijangajanga rehetra amin'izao tontolo izao, na ny mpierina sy ny mpanao an-keriny, na ny mpanompo sampy; fa raha izany, dia tsy maintsy miala amin'izao tontolo izao ianareo. »

(5:11) « Fa ny nanoratako taminareo, dia ny mba tsy hiharoharoanareo aminy, raha misy atao hoe rahalahy, nefa mpijangajanga, na mpierina, na mpanompo sampy, na mpanaratsy, na mpimamo, na mpanao an-keriny, dia aza miara-mihinana akory amin'ny toy izany ianareo. » (5:12) « Fa ahoako ny hitsara ny any ivelany? Tsy ny ao anatiny va no tsarainareo? » (5:13) « Fa ny any ivelany dia tsarain'Andriamanitra. Esory aminareo ilay mpanao ratsy. »

Nirehareha ny fiangonana fa tsy nanala olona ratsy fitondran-tena; niseho ho masina kokoa ny fiangonana, ho marina kokoa, nandefitra. Notenenin’i Paoly ry zareo fa ny masirasira kely (= olona iray), hoy izy, dia mahazo ny vongana rehetra. Ny vaha-olana dia ny manaisotra ny masirasira.

Mampianatra ny hevi-panahin’ny Fetin’ny Mofo Tsy Misy Masirasira ny tantara: Nibebaka io lehilahy io taty aoriana, ka noraisin’i Paoly indray.

Ny tanjon’ny Mofo Tsy Misy Masirasira dia izao: Rehefa nanaiky ny soron’i Kristy tamin’ny nanekenao hato batisa ianao, dia miezaha hanao tsara amin’izay. Efe 4:15 sy Gal 2:20.

(Efesiana 4:15) « fa mba hanaraka ny marina amin'ny fitiavana ka hitombo amin'ny ny zavatra rehetra ho amin'izay Loha, dia Kristy; »

(Galatiana 2:20) « Voahombo miaraka amin'i Kristy amin'ny hazo fijaliana aho, ary tsy izaho intsony no velona, fa Kristy no velona ato anatiko; fa izay ivelomako ankehitriny eo amin'ny nofo dia ivelomako amin'ny finoana ny Zanak'Andriamanitra, Izay efa tia ahy ka nanolotra ny tenany hamonjy ahy. 

Ny Mofo Tsy Misy Masirasira dia manambara faniriana ho tarihin’ny fieritreretana tsara, hiaina amin’ny fahamarinana izay tenin’ny Fanahin’Andriamanitra.