Fanaovana Fanatitra sy Fahafolon-karena

  FANAOVANA FANATITRA SY FAHAFOLON-KARENA

 

TENIN’ANDRIAMANITRA

Levitikosy 27:30-34

Lioka 10:1-13

Galatiana 6 :1-10

 

 

TORITENY

Dr. Rakotondravony Daniel Fiangonan’Andriamanitra Miray

Levitikosy 27:30-34

(Levitikosy 27:30) « Ary ny ampahafolon'ny vokatra rehetra ao amin'ny tany, na avy amin'ny tanimbary, na avy amin'ny saha, dia an'i Jehovahmasina ho an'i Jehovah izany. » (Levitikosy 27:31) « Ary raha misy tian'ny tompony havotana ny ampahafolon'ny vokatra, dia hampiany ho tonga avy fahenina izy. » (Levitikosy 27:32) « Ary ny amin'ny ampahafolon'ny omby, na ny ondry, na ny osy, dia ny ampahafolon'izay rehetra mandalo eo ambanin'ny tehin'ny mpiandry, ho masina ho an'i Jehovah. » (Levitikosy 27:33) « Tsy hizaha ny tsara na ny ratsy izy, ary tsy hanakalo azy; ary raha misy takalozany, dia samy ho masina avokoa izy sy ny takalony ka tsy havotana. » (Levitikosy 27:34) « Ireo no didy izay nandidian'i Jehovah an'i Mosesy ho amin'ny Zanak'Isiraely teo an-tendrombohitra Sinay. »

Lalàna ny amin’ny voady sy ny fahafolon-karena no resaka eto. Manana ny lalàny avokoa izay rehetra atao ho andriamanitra.

Isika olombelona mazàna mieritreritra fa ny ezaka nataon’ny tsirairay no nahazony fananana. Fantatr'i Jehovah Andriamanitra io fironan-tsaina io, ary nilaza tamin'i Mosesy Izy mba hampitandrina ny Isiraelita tsy hieritreritra amin'ny tenany hoe: (Deoteronomia 8: 17-18) « … Ny tanjako sy ny herin'ny tanako no nahavoriako izao harena izao; » « fa tsarovy Jehovah Andriamanitrao, fa Izy no manome anao hery hahavory harena, mba haoriny ny fanekeny, izay nianianany tamin'ny razanao, tahaka ny amin'izao anio izao. » Koa ny olombelona dia tokony « hanompo an'Andriamanitra amin'ny fifaliana sy firavoravoan'ny fony, noho ny habetsahan'ny zavatra rehetra. » (Deoteronomia 28:47).

Avy aiza ny zon'Andriamanitra hitaky ny 10 isan-jaton'ny vokatra rehetra avy amin'ny tany? Ny fitakiany dia mifototra amin'ny fahamarinana tsotra izay tsy dia jeren’ny olona matetika: Andriamanitra no tompon'ny zava-drehetra, satria Izy no nahary azy!

(Salamo 24:1) « Salamo nataon'i Davida. An'i Jehovah ny tany sy izay rehetra eo aminy. Izao rehetra izao sy ny mponina eo aminy. »

Io hevitra fototra io dia miverimberina ao amin'ny Baiboly. Ampitahao amin'ny Eksodosy 19: 5, manao hoe: « Koa ankehitriny, raha hihaino ny feoko tokoa ianareo ka hitandrina ny fanekeko, dia ho rakitra soa ho Ahy mihoatra noho ny firenena rehetra ianareo; fa Ahy ny tany rehetra. »

Andriamanitra dia nitantana hatrany ny asany eto an-tany amin'ny olombelona sy tamin'ny alalan’ny olombelona.

Koa fanirian’Andriamanitra ny hananan’ireo izay antsoiny andraikitra mavitrika miaraka Aminy, mba hampahafantatra ny fomba fiainany ho an'ny hafa amin'ny alàlan'ny fanampiana ara-bola ny asa ataon'ny Fiangonany ety an-tany.

Ny fandoavana ampahafolon-karena dia dingana voatendrin'i Jehovah, izay antenainy hanomezantsika voninahitra Azy, ary hanekena fa omeny antsika ny zava-drehetraamin'ny alàlan'ny famerenany ny faha-10 Aminy.

Ny fitantarana voalohany ao amin'ny Baiboly momba an'io fanao taloha io dia hita ao amin'ny Genesis 14: 18-22. Abrahama, taorian'ny nandreseny mpanjaka efatra, dia nanome ny ampahafolon'ny zavatra babo tamin'ny ady tamin'i Melkizedeka, mpisoron'Andriamanitra Avo Indrindra. Mazava fa takatr'i Abrahama fa ny fahafolonkarena dia fomba mety amin'ny fanajana an'Andriamanitra amin'ny fananana ara-batana.

(Genesisy 14:18) « Ary Melkizedeka, mpanjakan'i Salema, nivoaka nitondra mofo sy divay; ary izy dia mpisoron'Andriamanitra Avo Indrindra. » (Genesisy 14:19) « Dia nitso-drano azy Izy ka nanao hoe: Hotahin'Andriamanitra Avo indrindra anie Abrama, dia Andriamanitra Izay nahary ny lanitra sy ny tany; » (Genesisy 14:20) « Ary isaorana anie Andriamanitra Avo Indrindra, Izay efa nanolotra ny fahavalonao teo an-tananao. Dia nomen'i Abrama azy ny ampahafolon'ny zavatra rehetra. » (Genesisy 14:21) « Ary hoy ny mpanjakan'i Sodoma tamin'i Abrama: Omeo ahy ny olona, fa ny fananana ento ihany ho anao. » (Genesisy 14:22) « Fa hoy Abrama tamin'ny mpanjakan'i Sodoma: Izaho efa nanangan-tanana tamin'i Jehovah, Andriamanitra Avo Indrindra, Izay nahary ny lanitra sy ny tany, »

Ny fahafolonkarena, voalohany indrindra, dia asa fankasitrahana an'Andriamanitra Izay loharanon'ny fisiantsika, sy ny fitahiana, sy harena rehetra. I Jakoba, tamin'ny fanarahana ny ohatr'i Abrahama raibeny, dia nanaiky izany. Rehefa nohamafisin'Andriamanitra taminy ny fampanantenany izay nataony tamin'i Abrahama, dia nampanantena an’Andriamanitra i Jakoba. (Genesisy 28: 20-22) « Dia nivoady Jakoba ka nanao hoe: Raha homba ahy Andriamanitra ka hiaro ahy amin'izao lalana alehako izao, ary hanome ahy mofo hohaniko sy lamba hitafiako, » « ka ho tafaverina soa aman-tsara any amin'ny tranon'ny raiko aho, dia Jehovah no ho Andriamanitro, » « ary ity vato izay naoriko ho tsangam-bato ity ho tranon'Andriamanitra, ary izay rehetra homenao ahy, dia homeko Anao tokoa ny ampahafolony. »

Lioka 10:1-13

Jesosy Kristy naniraka ny mpianany hitondra ny filazantsara amin'izao tontolo izao, mba hahatratra ny firenena rehetra ny fahamarinana mahagaga izay nambarany, ary hampianarina ireo izay antsoin'Andriamanitra ny fomba fiainany (Matio 28: 18-20).

Ary eto Jesosy naniraka fitopolo lahy hiloha Azy ka niresaka toy izao ao amin’ny Lioka 10:1-13:

(Lioka 10:1) « Ary nony afaka izany, ny Tompo nanendry olona hafa koa, dia fito-polo lahy, ka naniraka azy tsiroaroa hialoha Azy any amin'ny tanàna sy ny tany rehetra izay efa halehany. » (Lioka 10:2) « Ary hoy Izy taminy: Be ny vokatra, fa ny mpiasa no vitsy; koa amin'izany mangataha amin'ny Tompon'ny vokatra mba hampandehanany mpiasa hamory ny vokatra. »

(Lioka 10:3) « Mandehana; indro, Izaho maniraka anareo tahaka ny zanak'ondry eo ampovoan'ny amboadia*.[* lopa] »

Inona no ambaran’ny Zanak’ondry eo amin’ny Planin’Andriamanitra hamonjy ny olommbelona? Valiny: Jesosy Kristy. Asa masina no anirahan’i Jesosy Kristy, ary ohariny amin’ny Zanak’ondry Mpamonjy isika. Maniraka antsika Izy, hitory ny Filazantsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra amin’ny olona tsy mahalala sy very noho ny fahotana. Ny olona itoriana anefa (olombelona hovonjena) dia mety tsy hino, ary mety hanohitra sy hankahala, toy ny amboadia te-handrapaka antsika. Nefa, raha masina amin’i Jesosy Kristy isika, dia tsy misy mahasakana ny asa anirahany. Ary misy fitahiana lehibe ho antsika.

(Lioka 10:4) « Aza mitondra kitapom-bola, na kitapom-batsy, na kapa; ary aza miarahaba olona akory eny an-dalana. » (Lioka 10:5) « Ary izay trano idiranareo, dia lazao aloha hoe: Fiadanana ho amin'ity trano ity. » (Lioka 10:6) « Ary raha misy zanaky ny fiadanana ao, dia hitoetra ao aminy ny fiadanana tononinareo; fa raha tsy izany, dia hiverina ho aminareo ihany izany. »

Mitondra fiadanana ho an’izay mandray anao ny Tenin’Andriamanitra torinao aminy, ary manakaiky azy ny Fanjakan’Andriamanitra raha mino izy. Raha tsy mino sy tsy mandray kosa ilay olona, dia miverina amintsika ny fiadanana notononina.

(Lioka 10:7) « Ary mitoera ao amin'izany trano izany, ka mihinàna sy misotroa izay zavatra omeny; fa ny mpiasa miendrika hahazo ny karamanyAza mifindrafindra trano. » (Lioka 10:8) « Ary izay tanàna iakaranareo, ka mandray anareo ny olona, dia hano izay zavatra aroso eo anoloanareo. »

Raha zanaky ny fiadana izay olona mandray, dia hanome hanina antsika, satria « ny mpiasa* miendrika hahazo ny haniny. » (Matio 10:10) (*ny mpitory Filazantsara).

(Lioka 10:9) « Ary sitrano izay marary ao, ka lazao amin'ny olona hoeEfa mby akaiky anareo ny fanjakan'Andriamanitra. »

Tsy misaraka ny fitoriana ny Fanjakan’Andriamanitra sy ny fampianarana ny fiainana Kristiana, ary ny fanasitranana marary. Manafaka amin’ny fatoran’ny devoly koa ny Tenin’Andriamanitra.

(Lioka 10:10) « Fa izay tanàna iakaranareo, ka tsy mandray anareo kosa ny olona, dia mankanesa eo amin'ny lalambe, ka lazao hoe: » (Lioka 10:11) « Ny vovoky ny tanànanareo aza, izay miraikitra amin'ny tongotray, dia fafànay hiampanga anareonefa aoka ho fantatrareo fa efa mby akaiky anareo ny fanjakan'Andriamanitra. » (Lioka 10:12) « Lazaiko aminareo fa ho moramora kokoa ny ho amin'i Sodoma amin'izany andro izany noho ny ho amin'izany tanàna izany. » (Lioka 10:13) « Lozanao, ry Korazina! lozanao, ry Betsaida! fa raha mba tany Tyro sy Sidona no natao ny asa lehibe izay natao teo aminareo, dia ho nibebaka ela izy ka nitafy lamba fisaonana sy nipetraka amin'ny lavenona. »

Mbola hiatrika fitsarana amin’ny fitsanganana faharoa avokoa ny olona tsy nanana anjara tamin’ny fitsanganana voalohany. Koa hahazo famaizana bebe kokoa ny tanàna tsy nandray ny fitoriana nataontsika taminy, noho ireo olona naringana noho ny fahotany tamin’ny andro tsy fahalalany (ohatra Sodoma sy Gomora, sy Tyro sy Sidona, izay naringana tao anatin’ny tsy fahalalany an’Andriamanitra marina, sy ny Planin’ny famonjena, ary Jesosy Kristy Mpamonjy).

Galatiana 6:1-10

Famporisihana ny Galatiana tsy hahavery ny fahafahany, fa hazoto handroso amin’ny fitondrantena tsara

(Galatiana 6:1) « Ry rahalahy, raha misy olona azon'ny ota tsy nahy aza*, dia atsanganonareo izay manana ny Fanahy amin'ny fahamorana izyka mihevera ny tenanao, fandrao ianao koa mba halaim-panahy ihany. [* Na: azo olan-tanana amin'izay fahadisoana aza] »

Ny teny hoe “atsangano” dia manambara fampivoarana toetran’olona (2 Kor 13:11). Noho izany, ny fampitsanganana olona anakiray dia midika ho fitarihana azy ho amin’ny tena fibebahana marina sy ho amin’ny fanoloran-tena tanteraka amin’i Jesosy Kristy, sy ny làlany. Mety hisy fandraisana fepetra ara-pitsipi-pipehezana izany, nefa raisina amin’ny “fahamorana” fa tsy min’ny fandatsalatsana.

Izay heverin’i Paoly eto dia tsy ny fahotana lehibe izay mitondra fahafahambaraka ho an’ny fiangonana eo anatrehan’ny fiarahamonina tsy akory (ampit. 1 Kor 5:5). Ny fahotana toy izany mantsy dia mety hitarika fandroahana mandritry ny fotoana voafetra hiala amin’ny fiangonanana, mialoha ny ahazoana manantanteraka ny fampitsanganana indray (1 Kor 5:11).

(Galatiana 6:2) « Mifampitondrà izay mahavesatra, ary aoka izany no hahatanterahanareo ny lalàn'i Kristy. » (Galatiana 6:3) « Fa raha misy manao ny tenany ho zavatra, kanjo tsinontsinona, dia mamitaka ny tenany izy. »

Tafiditra ho anisan’ny fifampitondrana izay mavesatra ny fanampiana ireo olona sahirana mandritry ny fotoana aharariany, na ananany fahoriana, na andalovany olana ara-bola. Mety ho ao an-tsain’i Paoly koa ny fanohanana ireo misionera sy mpmpianatra any am-pivahinianana (Rom 15:1; 1Kor 9:14). Ny fifampitondrana izay mavesatra dia toetra araka an’Andriamanitra (Sal 55:22; 1 Pet 5:7).

(Galatiana 6:6-10) « Aoka izay ampianarina ny teny mba hahafoy zava-tsoa ho an'izay mampianatra.  (Galatiana 6:7) « Aza mety hofitahina ianareo; Andriamanitra tsy azo vazivazina, fa izay afafin'ny olona no hojinjany. » (Galatiana 6:8) « Fa izay mamafy ho an'ny nofony dia hijinja fahasimbana avy amin'ny nofo; ary izay mamafy ho an'ny Fanahy dia hijinja fiainana mandrakizay avy amin'ny Fanahy. »

 

Andraikitr’ireo izay ampianarina ny Tenin’Andriamanitra ny manampy ara-pitaovana ireo mpampianatra (1 Kor 9:14; 1 Tim 5:18). Ireo izay mendrika ny hampiana amin’izany dia izay anisan’ny mpanatanteraka ireo karazan’asa fanompoana dimy loha (ampit Efe 4:11), ary koa ireo loholona mpampianatra mahatoky (ampit 1 Tim 5:17-18).

(Efesiana 4:11) « Ary Izy no nanome ny sasany ho Apostoly, ary ny sasany ho mpaminany, ary ny sasany ho evanjelista, ary ny sasany ho mpiandry sy mpampianatra, »

Ny fandavana tsy handray anjara amin’ny fanampiana, raha misy ihany ny azo atao, dia midika ho famafazana fitiavan-tena, sy fijinjana fahasimbana (Galatiana 6:7-9). Ny fanampiana ireo izay manao asa fanompoana ao amin’ny Teny dia anisan’ny fanaovan-tsoa ho an’ireo izay ao anatin’ny mpianakavin’ny finoana (Galatiana 6:10). “Amin’ny foton’andro no hijinjantsika” (Galatiana 6:9valim-pitia (Mat 10:41-42) sy fiainana mandrakizay (Galatiana 6:8).

Ireo izay milaza ny tenany fa efa nateraka indray, na mpanaraka an’i Kristy sady feno ny Fanahy Masina (Galatiana 6:3), nefa sady mamafy hanaovana izay mahafaly ny nofony koa (Galatiana 5:19-21), dia tena meloka tokoa noho ny famazivaziana sy fanaovana tsinotsinona an’Andriamanitra. Aoka tsy hisy ho voafitaka amin’izany mihitsy, fa ny olona toy izany dia tsy maintsy hijinja “fahasimbana” (Galatiana 6:8) sy “fahafatesana” (Rom 6:20-23); fa tsy “fiainana mandrakizay” tsy akory (Galatiana 6:9-10).