Ny fiainana Kristiana dia fomba fiaina iray - Fiz.1

  

NY FIAINANA KRISTIANA DIA FOMBA FIAINA IRAY

 

TENIN’ANDRIAMANITRA

Eksodosy 20:1-17

Matio 5:1-16

Jakoba 2 :14-26

 

TENIN’ANDRIAMANITRA

Eksodosy 20:1-17: [Ny nanomezan'Andriamanitra ny Didy Folo] Dia nilaza izao teny rehetra izao Andriamanitra ka nanao hœ: (Eksodosy 20:1)

Izaho no Jehovah Andriamanitrao, Izay nitondra anao nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta, tamin'ny trano nahandevozana. (Eksodosy 20:2)

Aza manana andriamani-kafa, fa Izaho ihany. (Eksodosy 20:3)

Aza manao sarin-javatra voasokitra ho anao, na ny mety ho endriky ny zavatra izay eny amin'ny lanitra ambony, na izay ety amin'ny tany ambany, na izay any amin'ny rano ambanin'ny tany. (Eksodosy 20:4)

Aza miankohoka eo anatrehany, ary aza manompo azy; fa Izaho, Jehovah Andriamanitrao, dia Andriamanitra saro-piaro ka mamaly ny heloky ny ray amin'ny zanaka hatramin'ny zafiafy sy ny zafindohalika, dia amin'izay mankahala Ahy; (Eksodosy 20:5)

nefa kosa mamindra fo amin'ny olona arivo mandimby izay tia Ahy ka mitandrina ny didiko. (Eksodosy 20:6)

Aza manonona foana ny anaran'i Jehovah Andriamanitrao; fa tsy hataon'i Jehovah ho tsy manan-tsiny izay manonona foana ny anarany. (Eksodosy 20:7)

Mahatsiarova ny andro Sabata hanamasi­na azy. (Eksodosy 20:8)

Henemana no hiasanao sy hanaovanao ny raharahanao rehetra. (Eksodosy 20:9)

Fa Sabatan'i Jehovah Andriamanitrao ny andro fahafito; koa aza manao raharaha akory ianao amin'izany, na ny zanakao-lahy, na ny zanakao-vavy, na ny ankizilahinao, na ny ankizivavinao na ny biby fiompinao, na ny vahininao izay tafiditra eo am-bavahadinao. (Eksodosy 20:10)

Fa henemana no nanaovan'i Jehovah ny lanitra sy ny tany sy ny ranomasina mbamin'izay rehetra ao aminy, dia nitsahatra Izy tamin'ny andro fahafito; izany no nitahian'i Jehovah ny andro Sabata sy nanamasinany azy. (Eksodosy 20:11)

Manaja ny rainao sy ny reninao mba ho maro andro ianao ao amin'ny tany izay omen'i Jehovah Andriamanitrao ho anao. (Eksodosy 20:12)

Aza mamono olona. (Eksodosy 20:13)

Aza mijangajanga. (Eksodosy 20:14)

Aza mangalatra. (Eksodosy 20:15)

Aza mety ho vavolombelona mandainga hanameloka ny namanao. (Eksodosy 20:16)

Aza mitsiriritra ny tranon'ny namanao; aza mitsiriritra ny vadin'ny namanao, na ny ankizilahiny, na ny ankizivaviny, na ny ombiny, na ny borikiny, na izay mety ho an'ny namanao akory aza. (Eksodosy 20:17)

 

Matio 5:1-16: Ary Jesosy, nony nahita ny vahoaka, dia niakatra teo an-tendrombohitra; ary rehefa tafapetraka Izy, dia nanatona Azy ny mpianany. (Matio 5:1)

Dia niloa-bava Izy ka nampianatra azy hœ: (Matio 5:2)

Sambatra ny malahelo am-panahy; fa azy ny fanjakan'ny lanitra. (Matio 5:3)

Sambatra ny ory; fa izy no hampifalina. (Matio 5:4)

Sambatra ny malemy fanahy; fa izy no handova ny tany (Sal. 37. 11). (Matio 5:5)

Sambatra ny noana sy mangetaheta ny fahamarinana; fa izy no hovokisana. (Matio 5:6)

Sambatra ny miantra; fa izy no hiantrana. (Matio 5:7)

Sambatra ny madio am-po; fa izy no hahita an'Andriamanitra, (Matio 5:8)

Sambatra ny mpampihavana; fa izy no hatao hœ zanak'Andriamanitra. (Matio 5:9)

Sambatra izay enjehina noho ny fahamarinana; fa azy ny fanjakan'ny lanitra. (Matio 5:10)

Sambatra ianareo, raha haratsin'ny olona sy enjehiny ary asiany izay teny ratsy rehetra hitenenany lainga anareo noho ny amiko. (Matio 5:11)

Mifalia sy miravoravoa ianareo, fa lehibe ny valim-pitianareo any an-danitra; fa toy izany ihany no nanenjehany ny mpaminany izay talohanareo. (Matio 5:12)

Hianareo no fanasin'ny tany; fa raha ny fanasina no tonga matsatso, inona indray no hahasira azy? Tsy misy heriny hanaovana na inona na inona intsony izy, fa hariana any ivelany ka hohitsahin'ny olona. (Matio 5:13)

Hianareo no fahazavan'izao tontolo izao. Tsy azo afenina izay tanàna miorina eo an-tampon-tendrombohitra. (Matio 5:14)

Ary koa, tsy misy olona mandrehitra jiro ka mametraka azy ao ambanin'ny vata famarana, fa apetrany eo amin'ny fanaovan-jiro, ka dia mazava amin'izay rehetra ao an-trano izany. (Matio 5:15)

Aoka hazava eo imason'ny olona toy izany koa ny fahazavanareo, mba hahitany ny asa soa ataonareo ka hankalazany ny Rainareo Izay any an-danitra. (Matio 5:16)

 

Jakoba 2 :14-26: [Ny fahafoanan'ny finoana tsy misy asa] Inona moa no soa azo, ry rahalahiko, raha misy milaza fa manam-pinoana izy, nefa tsy manana asa? Ny finoana va mahavonjy azy? (Jakoba 2:14)

Raha misy rahalahy na anabavy tsy manan-kitafy sady tsy manan-kohanina isan'andro, (Jakoba 2:15)

ka misy aminareo manao aminy hœ: Mandehana amin'ny fiadanana, mamindroa, mivokisa, kanefa tsy omenareo azy tsinona izay tandrifiny ho an'ny tenany, inona moa no soa azo amin'izany? (Jakoba 2:16)

Ary mba toy izany koa ny finoana, raha tsy misy asa, dia maty mihitsy. (Jakoba 2:17)

Fa angamba hisy hanao hœ: Hianao manam-pinoana, ary izaho manana asa; asehoy amiko tsy amin'ny asa ny finoanao, ary izaho kosa haneho aminao ny finoako amin'ny asako. (Jakoba 2:18)

Hianao manao fa iray ihany no Andriamanitra; koa tsara izany ataonao izany,- ny demonia koa mba mino izany ka dia mangovitra. (Jakoba 2:19)

Moa tsy fantatrao va, ry olom-poana, fa tsy vanona ny finoana tsy misy asa? (Jakoba 2:20)

Tsy nohamarinina tamin'ny asa va Abrahama razantsika tamin'ny nanaterany an'isaka zanany teo ambonin'ny alitara? (Jakoba 2:21)

Hitanao fa niara-niasa tamin'ny finoana ny asany, ary ny finoana dia notanterahina tamin'ny asa; (Jakoba 2:22)

ary tanteraka ny Soratra Masina manao hœ: "Ary Abrahama nino an'Andriamanitra, ka nisaina ho fahamarinany izany" (Gen. 25.6), ary natao hœ "Sakaizan'Andriamanitra" izy (Isa. 41.8). (Jakoba 2:23)

Koa dia hitanareo fa hamarinina amin'ny asa ny olona, fa tsy amin'ny finoana ihany. (Jakoba 2:24)

Ary toy izany koa Rahaba janga, tsy nohamarinina tamin'ny asa va izy tamin'ny nandraisany ireny iraka ireny sy ny nampandehanany azy tamin'ny lalan-kafa? (Jakoba 2:25)

Fa maty ny tena, raha tsy misy fanahy, ary maty toy izany koa ny finoana, raha tsy misy asa. (Jakoba 2:26)

 

TORITENY

Dr. Rakotondravony Daniel, Fiangonan’Andriamanitra Miray

 

FOMBA fiainana tokoa ny Kristianisma. Tsy misy zavatra miorina tsara mihoatra an’izay ao amin'ny Baiboly rehetra. Fa tena inona moa izany fomba fianina izany, ary ahoana no hampahomby antsika miaina azy?

Ny teny mila hazavaina voalohany dia ny hoe Kristianisma na Kristiana. Avy aiza ireo teny ireo? Avy amin’ny hoe Kristy. Iza moa Kristy? Izy dia ny Mesia na Mpamonjy nidina avy any an-danitra hamonjy ny olombelona amin’ ny ota. Ny teny ao amin’ny Jaona 1:1-4, 14 no ahafantarantsika Azy voalohany, ary koa ny Genesisy 1:26-28.

(Genesisy 1:26) « Ary Andriamanitra nanao hoe: Andeha Isika hamorona olona tahaka ny endritsika, araka ny tarehintsika ; ary aoka izy hanjaka amin'ny hazandrano ao amin'ny ranomasina sy ny voro-manidina sy ny biby fiompy sy ny tany rehetra ary ny biby rehetra izay mandady na mikisaka amin'ny tany. » (Genesisy 1:27) « Ary Andriamanitra nahary ny olona tahaka ny endrinytahaka ny endrik'Andriamanitra no namoronany azy; lahy sy vavy no namoronany azy. » (Genesisy 1:28) « Ary Andriamanitra nitso-drano azy hoe: Maroa fara sy mihabetsaha ary mamenoa ny tany, ka mampanompoa azy; ary manjakà amin'ny hazandrano ao amin'ny ranomasina sy ny voro-manidina ary ny biby rehetra izay mihetsiketsika ambonin'ny tany. »

Iza ilay niteny hoe Andeha Isika? Ary niresaka tamin’iza Izy? Eo am-panombohana dia lazaina fa “Andriamanitra” no miteny. Ka miresaka amin’iza Izy? Fa misy Persona firy ao amin’izay lazaina eto hoe Andriamanitra? Inona no teny Hebreo nadika hoe Andriamanitra eto?

Valiny: Elohim. Teny tokana milaza fahamaroana izany, toy ny hoe Fianakaviana, Fiangonana, Fanjakana. Misy mpikambana mihoatra ny iray no mamorona ny fianakaviana, na ny fiangonana, na ny fanjakana. Andriamanitra Tsitoha sy Ny Teny no miresaka ny fikasan’izy ireo hamorona olona. Ary ny Teny na Mpitondrateny ao amin’ny Elohim no miteny eto, izay milaza koa hoe: tahaka ny endritsikaaraka ny tarehintsika! Tsy nilaza izy hoe: Andeha aho hamorona olona tahaka ny endriko, arka ny tarehiko! Satria mpikambana roa no mifampiresaka.

Izao no teny ao amin’ny Jaona 1:1-4, 14 :

(Jaona 1:1) « Tamin'ny voalohany ny Teny, ary ny Teny tao amin'Andriamanitra, ary ny Teny dia Andriamanitra. » (Jaona 1:2) « Izy dia tao amin'Andriamanitra tamin'ny voalohany. » (Jaona 1:3) « Izy no nahariana ny zavatra rehetra; ary raha tsy Izy dia tsy nisy nahariana izao zavatra ary izao, na dia iray aza. » (Jaona 1:4) « Izy no nisiam-piainana; ary ny fiainana no fanazavana ny olona. » (Jaona 1:14) « Ary ny Teny dia tonga nofo ka nonina* tamintsika; ary hitanay ny voninahiny, dia voninahitra miendrika ho an'ny Lahitokana avy tamin'ny Ray, sady feno fahasoavana sy fahamarinana[*Gr. nitoetra an-day] »

Mpikambana iray ao amin’ny Elohim ny Teny. Andriamanitra Tsitoha ny mpikambana faharoa. Ny Jaona 1:1-4, sy 14 dia manambara fa ny Teny izay mpikambana ao amin’ny Elohim dia efa nisy hatramin’ny voalohany, ary Izy nahariana ny zavatra ary rehetra, sy nisiam-piainana; taty aoriana dia tonga nofo toy ny olombelona Izy ka niara-nonina tamintsika.

Ny Jaona 1:18 sy Jaona 13:15, sy Filipiana 2:8, sy ny 2 Timoty 1:10 ary ny Hebreo 2:14 kosa dia manampy antsika hahatakatra ny antony nidinan’i Kristy tety an-tany, mba hamonjy ny olombelona amin’ny fahotana, sy hanome ohatra amin’ny fomba fiainan’Andriamanitra, hanohizana ny famoronana ara-panahy ny olombelona, hahazoany mandova ny Fanjakan’Andriamanitra.

(Jaona 1:18) « Tsy nisy nahita an'Andriamanitra na oviana na oviana ; fa ny Zanakalahy Tokana, Izay ao an-tratran'ny Ray, Izy no nanambara [Azy]. »

(Jaona 13:15) « Fianarana no nomeko anareo, mba hanaovanareo araka izay nataoko taminareo. »

Filipiana 2:8 : (Filipiana 2:8) « ary rehefa hita fa nanan-tarehy ho olona Izy, dia nanetry tena ka nanaiky hatramin'ny fahafatesana, dia ilay fahafatesana tamin'ny hazo fijaliana. »

(Hebreo 2:14) « Koa satria manana nofo aman-drà ny zaza, dia mba nandray izany koa Izy, mba handringanany amin'ny fahafatesana ilay manana ny herin'ny fahafatesana, dia ny devoly. »

(2 Timoty 1:10) « fa naharihary ankehitriny tamin'ny nisehoan'i Kristy Jesosy, Mpamonjy antsika, Izay nahafoana ny herin'ny fahafatesana, ka ny filazantsara no nampisehoany mazava ny fiainana sy ny tsi-fahalòvana mandrakizay; »

Ny Lalàn'Andriamanitra Lehibe no Rafitra

Nanome ny Didy folo Andriamanitra ho fitsipika fototra amin’ny fianana Kristiana. Voasoratra ao amin’ny Eksodosy 20:1-17 ny didy folo.

Ny fandinihana amim-pahamalinana ny Soratra Masina dia mampiseho fa mitaky fahamasinan’ny olombelona Jehovah rehefa nanome ny Didy folo. (Eksodosy 19:1, 5-11, 15), ary misy fifandraisana amin’ny Fetin’Andriamanitra lehibe iray, dia ny Pentekosta voalohany.

[Ny nitobian'ny Zanak'Isiraely teo an-efitr'i Sinay, sy ny fanekena nataon'Andriamanitra taminy]

(Eksodosy 19:1) « TAMIN'ny volana fahatelo taorian'ny nialan'ny Zanak'Isiraely tamin'ny tany Egypta, dia tamin'izany andro izany no nahatongavany tany an-efitr'i Sinay. »

(Eksodosy 19:5) « Koa ankehitriny, raha hihaino ny feoko tokoa ianareo ka hitandrina ny fanekeko, dia ho rakitra soa ho Ahy mihoatra noho ny firenena rehetra ianareo; fa Ahy ny tany rehetra. » (Eksodosy 19:6) « Dia ho fanjaka-mpisorona sy ho firenena masina ho Ahy ianareo. Ireo teny ireo no holazainao amin'ny Zanak'Isiraely. » (Eksodosy 19:7) « Dia nandeha Mosesy ka nampaka ny loholon'ny vahoaka, dia nalahany teo anatrehany ireo teny rehetra ireo, izay nandidian'i Jehovah azy. » (Eksodosy 19:8) « Dia namaly indray miredona ny olona rehetra ka nanao hoe: Izay teny rehetra nolazain'i Jehovah dia hataonay. Ary dia nentin'i Mosesy tao amin'i Jehovah kosa ny tenin'ny olona. »

[Ny fiomanan'ny Zanak'Isiraely alohan'ny nanomezan'Andriamanitra azy ny Lalàna]

(Eksodosy 19:9) «  Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Indro Aho mankeo aminao ao anatin'ny rahona maizina, mba ho ren'ny olona raha miteny aminao Aho, ka dia hino anao mandrakariva izy. Dia nambaran'i Mosesy tamin'i Jehovah ny tenin'ny olona. » (Eksodosy 19:10) « Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Mandehana ho eny amin'ny olona, ka manamasina azy anio sy ampitso, ary ampanasao ny fitafiany izy: » (Eksodosy 19:11) « ary aoka samy hiomana ho amin'ny andro fahatelo izy; fa amin'ny andro fahatelo no hidinan'i Jehovah ho eo imason'ny olona rehetra eo an-tampon'ny tendrombohitra Sinay. »

(Eksodosy 19:15) « Ary hoy izy tamin'ny olona: Miomàna ianareo ho amin'ny andro fahatelo; aza manakaiky vehivavy akory. »

(Levitikosy 11:44) « Fa Izaho no Jehovah Andriamanitrareo, dia manamasina ny tenanareo, ka dia ho masina ianareo, satria masina Aho; ary aza mandoto ny tenanareo amin'izay zavatra mandady na mikisaka amin'ny tany. »

(Levitikosy 20:26) « Ary aoka ho masina ho Ahy ianareo, satria masina Aho Jehovah; ary efa navahako tamin'ny firenena samy hafa ianareo mba ho Ahy. »

 

Fifandraisan’ny nanomezan’Andriamanitra ny Didy folo amin’ny Fety lehibe iray, dia ny Pentekosta voalohany

Ny andron’ny Fety Pentekosta dia daty tsy mitovy lalandava eo amin’ny kalandrie, satria tsy maintsy manisa 50 andro isika manomboka amin’ny alahady ao antin’ny herinandro fihinanana Mofo Tsy Misy Masirasira (ny andro fitondrana amboara iray ahevaheva) (Levitikosy 23: 15-16).

Ny lovantsofina jiosy dia manodro ny andron’ny Pentekosta voalohany ho ny 6 Sivana (volana fahatelo amin’ny kalandrien’Andriamanitra). Tsy voalaza ny anaran’ny andro nivoahan’ny Zanak’Isiraely avy teo Egypta, fa ny daty kosa dia ny faha 15 Nisana izay fanombohana ny fihinanana Mofo Tsy Misy Masirasira. Rehefa kajina anefa ny isan’ny andro manomboka ny ampitson’io ka hatramin’ny faha 6 Sivana nanomezan’Andriamanitra ny didy folo teo an-tendrombohitra sinay, dia mitontaly 50 andro marina tsara, satria 15 andro sisa amin’ny volana Nisana mandra-pahatongan’ny faran’ny volana izay misy 30 andro. Raha ampiana 29 andro amin’ny volana faha 2 Iyar io sy ny 6 andro amin’ny volana fahatelo Sivana, dia mitontaly 50 andro marina tsara ireo; izany no fe-potoana nofaritan’i Jehovah hahatongavana amin’ny Pentekosta (Levitikosy 23:15-16).

Toy izao ireo Didy folo fototra nomen’Andriamanitra hifanaraka amin’ny fomba fiainana masina Kristiana:

1.      (Eksodosy 20:1) « Dia nilaza izao teny rehetra izao Andriamanitra ka nanao hoe: » (Eksodosy 20:2) « Izaho no Jehovah Andriamanitrao, Izay nitondra anao nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta, tamin'ny trano nahandevozana. » (Eksodosy 20:3) « Aza manana andriamani-kafa, fa Izaho ihany. »

2.      (Eksodosy 20:4) « Aza manao sarin-javatra voasokitra ho anao, na ny mety ho endriky ny zavatra izay eny amin'ny lanitra ambony, na izay ety amin'ny tany ambany, na izay any amin'ny rano ambanin'ny tany. » (Eksodosy 20:5) « Aza miankohoka eo anatrehany, ary aza manompo azy; fa Izaho, Jehovah Andriamanitrao, dia Andriamanitra saro-piaro ka mamaly ny heloky ny ray amin'ny zanaka hatramin'ny zafiafy sy ny zafindohalika [taranaka 5 mifandimby], dia amin'izay mankahala Ahy; » (Eksodosy 20:6) « nefa kosa mamindra fo amin'ny olona arivo mandimby izay tia Ahy ka mitandrina ny didiko. »

3.      (Eksodosy 20:7) « Aza manonona foana ny anaran'i Jehovah Andriamanitrao; fa tsy hataon'i Jehovah ho tsy manan-tsiny izay manonona foana ny anarany. »

4.      (Eksodosy 20:8) « Mahatsiarova ny andro Sabata hanamasina azy. » (Eksodosy 20:9) « Henemana no hiasanao sy hanaovanao ny raharahanao rehetra. » (Eksodosy 20:10) « Fa Sabatan'i Jehovah Andriamanitrao ny andro fahafito; koa aza manao raharaha akory ianao amin'izany, na ny zanakao-lahy, na ny zanakao-vavy, na ny ankizilahinao, na ny ankizivavinao na ny biby fiompinao, na ny vahininao izay tafiditra eo am-bavahadinao. » (Eksodosy 20:11) « Fa henemana no nanaovan'i Jehovah ny lanitra sy ny tany sy ny ranomasina mbamin'izay rehetra ao aminy, dia nitsahatra Izy tamin'ny andro fahafito; izany no nitahian'i Jehovah ny andro Sabata sy nanamasinany azy. » [Samy didy ny mitsahatra mitandrina ny Sabata, sy ny miasa mandritry ny henemana]. [Misy hevi-panahy roa ny Sabata: fahatsiarovana ny famoronana taloha, sy fanambarana mialoha ny fitsaharan’ny fahoriana rehetra amin’ny Fanjakana arivo taona].

5.      (Eksodosy 20:12) « Manaja ny rainao sy ny reninao mba ho maro andro ianao ao amin'ny tany izay omen'i Jehovah Andriamanitrao ho anao. » [didy misy fampanantenana ho lava andro iainana].

6.      (Eksodosy 20:13) « Aza mamono olona. »

7.      (Eksodosy 20:14) « Aza mijangajanga. »

8.      (Eksodosy 20:15) « Aza mangalatra. »

9.      (Eksodosy 20:16) « Aza mety ho vavolombelona mandainga hanameloka ny namanao. »

10.  (Eksodosy 20:17) « Aza mitsiriritra ny tranon'ny namanao; aza mitsiriritra ny vadin'ny namanao, na ny ankizilahiny, na ny ankizivaviny, na ny ombiny, na ny borikiny, na izay mety ho an'ny namanao akory aza. »

 

Nitsiriritra ny toeran’Andriamanitra Mpamorona azy no nahatonga an’i Losifera hikomy sy hamadika ary hanohitra an’Andriamanitra, ka nahatonga azy ho fahavalo na Satana devoly. (Isaia 14:12-17)

(Isaia 14:12) « Endrey! latsaka avy tany an-danitra ianao, ry ilay fitarik'andro, zanaky ny maraina; Voakapa hianjera amin'ny tany ianao, ry ilay mpandripaka firenena. » (Isaia 14:13) « Ary ianao efa nanao anakampo hoe (nitsiriritra): Any an-danitra no hiakarako, ary ambonin'ny kintan'Andriamanitra no hanandratako ny seza fiandrianako; Dia hipetraka eo an-tendrombohitra; fivoriana any am-parany avaratra aho; » (Isaia 14:14) « Hiakatra ho any ambonin'ny havoan'ny rahona aho ka ho tahaka ny Avo Indrindra; » (Isaia 14:15) « Kanjo hampidinina hatrany amin'ny fiainan-tsi-hita* ho any ampara-vodilavaka ianao.[Heb. Sheola] » (Isaia 14:16) « Izay mahita anao hibanjina anao sy hihevitra anao hoe: Moa io va ilay lehilahy nampihorohoro ny tany sy nampihozongozona ny fanjakana » (Isaia 14:17) « Ary nanao izao tontolo izao ho efitra sy nandrava ny tanànany Ary tsy nandefa ny mpifatotra hody? »

 

 

Matio 5:1-16

[Toriteny teo an-tendrombohitra]: Mampianatra ny toetran’Andriamanitra takina hananan’ny Kristiana i Jesosy.

Ahoana no amaritan’ny Baiboly ny Fiainana Kristiana?

Jesosy dia nitantara ny fototry ny tena Kristianisma ao amin'ilay antsoina hoe Toriteny teo An-tendrombohitra (Matio, toko 5-7). Ity "toriteny" ity dia nanomboka ho lesona manokana ho an'ny mpianany (mpianatra na mpanaraka Azy). Nasongadin'i Jesosy ireo toetra izay hampahafantatra mazava ireo tena mpanara-dia Azy.

1. Inona no nolazain'i Jesosy momba ny "ory sy malahelo am-panahy"? Mat. 5: 3-4. (Matio 5:3) « Sambatra ny malahelo am-panahy; fa azy ny fanjakan'ny lanitra. » (Matio 5:4) « Sambatra ny ory; fa izy no hampifalina. »

Te hilaza ve izy fa tsy hanana ny Fanahin'Andriamanitra izy ireo? Rom. 8: 9; Lioka 11:13.

FANAMARIHANA: Tsia, tsy nilaza i Jesosy fa tsy hanana ny Fanahin'Andriamanitra izy ireo. Fa kosa nanohy naneho izy fa izay tena manetry tena dia hotahina satria ho ao amin'ny Fanjakan'Andriamanitra.

2. Inona no holovan'ny mpandefitra? Mat. 5: 5. Malemy fanahy ve i Jesosy? Mat. 11:29. Moa ve ny kristiana hampiseho toetra mampiavaka ny fahalemem-panahy amin'ny fomba itondrany ny fiainany isan'andro? Efes. 4: 1-2.

(Matio 5:5) « Sambatra ny malemy fanahy; fa izy no handova ny tany (Sal. 37. 11). »

FANAMARIHANA: misy mahasamihafa ny malemy fanahy sy ny malemy. Malemy fanahy Jesosy fa tsy malemy! Niaritra fanararaotana sy ratra tamim-paharetana izy ary tsy nisy lolom-po.

Ny olona malemy fanahy dia tsy hiezaka hanamarina ny tenany rehefa diso izy. Tsy mahatsapa ho ambony noho ny hafa koa izy. Tsy hiezaka hamaly faty amin'ny hafa izy, na hanandrana hamaly faty.

3. Inona no tena ilaina, na "mampangetahetany mpanara-dia an'i Kristy - na hoe Kristiana? Mat. 5: 6. Inona ny famaritan'ny Baiboly ny fahamarinana? Sal. 119: 172.

(Matio 5:6) « Sambatra ny noana sy mangetaheta ny fahamarinana; fa izy no hovokisana. »

FANAMARIHANA: Ny "hanoanana sy mangetaheta" ny fahamarinana dia entanina mafy hankatò an 'Andriamanitra-hitandrina ny lalàny, izay nomeny antsika amin'ny fiahiany am-pitiavana ny tombotsoantsika.

Ireo izay tena noana sy mangetaheta ny fahamarinana dia hianatra ny Tenin 'Andriamanitra hahazoany ny tena fahalalana. Vonona ny hiova izy ireo rehefa hitany fa diso izy, miaiky ny zavatra diso ninoany, ny hadisoany ary ny fahotany. "Mianara mba hiseho amin'Andriamanitra fa ankasitrahana ianao" (II Tim. 2:15), hoy i Paoly tamin'i Timoty.

"Fantaro ny zavatra rehetra" (1 Tes. 5:21), hoy i Paoly tamin'ny Tesaloniana.

(Matio 5:7) « Sambatra ny miantra; fa izy no hiantrana. »

4. Iza no nolazain'i Paoly fa nohamarinina eo imason'Andriamanitra - ny mpihaino sa ny mpankatò ny lalàn'Andriamanitra? Rom. 2:13. Nohazavain'i Paoly mazava tsara, fa na dia azo noho ny fahasoavan'Andriamanitra amin'ny alàlan'ny finoana ny soron'i Kristy aza ny famelana heloka bevava, dia takiana amin'ny Kristiana ihany ve ny hitandrina ny lalàn'Andriamanitra? Vakio ny Romana 3:31 sy ny toko 6 rehetra.

(Matio 5:8) « Sambatra ny madio am-po; fa izy no hahita an'Andriamanitra, »

(Matio 5:9) « Sambatra ny mpampihavana; fa izy no hatao hoe zanak'Andriamanitra. »

 

5. Iza no nolazain'i Jesosy fa hiditra amin'ny fanjakan'Andriamanitra? Mat. 7:21. Inona no nolazain'ny Apostoly Paoly mazava tsara fa zava-dehibe indrindra tokony hataon'ny Kristiana? 1 Kor. 7:19.

FANAMARIHANA: Mariho fa raha te hiditra amin'ny Fanjakan'Andriamanitra dia misy ny FANAOVANA takiana, fa tsy ny fanekena an'i Kristy ho Mpamonjy antsika fotsiny. Andriamanitra koa dia miahy fatratra ny "asantsika" ara-panahy aorian'ny nahatongavantsika ho Kristiana. Nasehony mazava fa tsy afaka miditra amin'ny fanjakan'Andriamanitra isika amin'ny alàlan'ny fieritreretana fotsiny fa nataon'i Kristy ho antsika ny famonjena rehetra.

(Matio 5:10) « Sambatra izay enjehina noho ny fahamarinana; fa azy ny fanjakan'ny lanitra. »

(Matio 5:11) « Sambatra ianareo, raha haratsin'ny olona sy enjehiny ary asiany izay teny ratsy rehetra hitenenany lainga anareo noho ny amiko. » (Matio 5:12) « Mifalia sy miravoravoa ianareo, fa lehibe ny valim-pitianareo any an-danitra; fa toy izany ihany no nanenjehany ny mpaminany izay talohanareo. »

6. Raha tsy misy ny fitiavana an'Andriamanitra, mety ho Kristiana tokoa ve isika? Vakio sy fintino ny 1 Korintiana 13: 1-8, 13 (ny teny hoe "fitiavana" ao amin'ny 1 Korintiana 13:2 dia midika hoe fitiavana araka an'Andriamanitra). Inona isika raha tsy manana ny fitiavan'Andriamanitra? 1 Korintiana 13:2.

(1 Korintiana 13:2) « Ary na dia manana faminaniana aza aho ka mahalala ny zava-miafina rehetra sady manana ny fahalalana rehetra, ary na dia manana ny finoana rehetra aza aho ka mahafindra tendrombohitra, kanefa tsy manana fitiavana, dia tsinontsinona aho. »

(Matio 5:13) « Hianareo no fanasin'ny tany; fa raha ny fanasina no tonga matsatso, inona indray no hahasira azy? Tsy misy heriny hanaovana na inona na inona intsony izy, fa hariana any ivelany ka hohitsahin'ny olona. »

(Matio 5:14) « Hianareo no fahazavan'izao tontolo izao. Tsy azo afenina izay tanàna miorina eo an-tampon-tendrombohitra. » (Matio 5:15) « Ary koa, tsy misy olona mandrehitra jiro ka mametraka azy ao ambanin'ny vata famarana, fa apetrany eo amin'ny fanaovan-jiro, ka dia mazava amin'izay rehetra ao an-trano izany. » (Matio 5:16) « Aoka hazava eo imason'ny olona toy izany koa ny fahazavanareo, mba hahitany ny asa soa ataonareo ka hankalazany ny Rainareo Izay any an-danitra. »

7. Moa ve ny fitiavan'Andriamanitra izay omeny amin'ny alàlan'ny Fanahiny, hitarika izay nahazo izany hitandrina ny Didy Folo - izy rehetra? Rom. 13: 8-10. Tamin'ny fomba ahoana no nanentanan'Andriamanitra an'i Jaona hanamafy ny tenin'i Paoly - inona ny famaritan'ny Baiboly ny fitiavan'Andriamanitra? 1 Jaona 5: 2-3. Ahoana no ahalavorarian’ny fitiavan'Andriamanitra amin'ny Kristiana? 1 Jaona 2: 5.

(1 Korintiana 13:8) « Ny fitiavana tsy ho levona mandrakizay; fa raha ny faminaniana, dia ho levona; na ny fiteny tsy fantatra, dia hitsahatra; na ny fahalalana, dia ho foana. »

(1 Jaona 2:5) « Fa na iza na iza mitandrina ny teniny, dia tanteraka ao aminy marina tokoa ny fitiavana an'Andriamanitra* izany no ahafantarantsika fa ao aminy isika. [* Na: ny fitiavan'Andriamanitra] »

Raha nomen’i Jehovah hotandremany ara-bakiteny tamin’ny soratra ny Didy folo tamin’ny Zanak’Isiraely fahiny, dia notsindrian’i Jeosy kosa ny fitandremana ny hevi-panahiny ary nohamafisiny.

(Matio 5:17) « Aza ataonareo fa tonga Aho handrava ny lalàna na ny mpaminany; tsy tonga Aho handrava, fa hanatanteraka. » (Matio 5:18) « Fa lazaiko aminareo marina tokoa: Mandra-pahafoan'ny lanitra sy ny tany, dia tsy hisy ho foana akory amin'ny lalàna, na dia litera* iray na tendron-tsoratra iray aza, mandra-pahatanterak'izy rehetra.[*Dia yod, izay litera kely indrindra amin'ny Abidy Hebreo] » (Matio 5:19) « Ary amin'izany na zovy na zovy no mamaha ny anankiray amin'ireo didy madinika indrindra ireo ka mampianatra ny olona toy izany, dia hatao hoe kely indrindra amin'ny fanjakan'ny lanitra izy. Fa na zovy na zovy no mankatò sy mampianatra ireo dia izy no hatao hoe lehibe amin'ny fanjakan'ny lanitra. » (Matio 5:20) « Fa lazaiko aminareo: Raha tsy mihoatra noho ny an'ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo ny fahamarinanareo, dia tsy hiditra amin'ny fanjakan'ny lanitra mihitsy ianareo. » (Matio 5:21) « Efa renareo fa voalaza tamin'ny ntaolo hoe: Aza mamono olona (Eks. 20. 13); ary izay mamono olona dia miendrika hohelohina amin'ny fitsarana. » (Matio 5:22) « Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe: Izay rehetra tezitra* amin'ny rahalahiny dia miendrika hohelohina amin'ny fitsarana; ary na zovy na zovy no hanao amin'ny rahalahiny hoe: Olom-poana ianao, dia miendrika hohelohina amin'ny Synedriona; ary na zovy na zovy no hanao hoe: Foka ialahy, dia miendrika ho ao amin'ny helo** mirehitra afo. [*Na: tezitra foana] [**Gr. Gehena] »

(Matio 5:23) « Ary amin'izany, raha mitondra ny fanatitrao ho eo amin'ny alitara ianao, ary eo no mahatsiaro fa ny rahalahinao manana alahelo aminao, » (Matio 5:24) « dia avelao eo anoloan'ny alitara ny fanatitrao, ka mandehana aloha, ataovy izay hihavananao amin'ny rahalahinao, ary rehefa miverina, dia vao atero ny fanatitrao. »

(Matio 5:27) « Efa, renareo fa voalaza hoe: Aza mijangajanga (Eks. 20. 14). » (Matio 5:28) « Fa Izaho kosa milaza aminareo fa izay rehetra mijery vehivavy hila azy dia efa nijangajanga taminy tam-pony sahady. »

Jakoba 2 :14-26

Ny fahafoanan'ny finoana tsy misy asa; Fomba fiaina Kristiana hafa manambara fa tsy maintsy arahin’asa ny finoana vao manan-kery sy velona.

(Jakoba 2:14) « Inona moa no soa azo, ry rahalahiko, raha misy milaza fa manam-pinoana izy, nefa tsy manana asaNy finoana va mahavonjy azy? » (Jakoba 2:15) « Raha misy rahalahy na anabavy tsy manan-kitafy sady tsy manan-kohanina isan'andro, » (Jakoba 2:16) « ka misy aminareo manao aminy hoe: Mandehana amin'ny fiadanana, mamindroa, mivokisa, kanefa tsy omenareo azy tsinona izay tandrifiny ho an'ny tenany, inona moa no soa azo amin'izany? » (Jakoba 2:17) « Ary mba toy izany koa ny finoana, raha tsy misy asa, dia maty mihitsy. » (Jakoba 2:18) « Fa angamba hisy hanao hoe: Hianao manam-pinoana, ary izaho manana asa; asehoy amiko tsy amin'ny asa ny finoanao, ary izaho kosa haneho aminao ny finoako amin'ny asako. » (Jakoba 2:19) « Hianao manao fa iray ihany no Andriamanitra; koa tsara izany ataonao izany,- ny demonia koa mba mino izany ka dia mangovitra. » (Jakoba 2:20) « Moa tsy fantatrao va, ry olom-poana, fa tsy vanona ny finoana tsy misy asa? » (Jakoba 2:21) « Tsy nohamarinina tamin'ny asa va Abrahama razantsika tamin'ny nanaterany an'Isaka zanany teo ambonin'ny alitara? » (Jakoba 2:22) « Hitanao fa niara-niasa tamin'ny finoana ny asany, ary ny finoana dia notanterahina tamin'ny asa; » (Jakoba 2:23) « ary tanteraka ny Soratra Masina manao hoe: "Ary Abrahama nino an'Andriamanitra, ka nisaina ho fahamarinany izany" (Gen. 25.6), ary natao hoe "Sakaizan'Andriamanitra" izy (Isa. 41.8). » (Jakoba 2:24) « Koa dia hitanareo fa hamarinina amin'ny asa ny olona, fa tsy amin'ny finoana ihany. » (Jakoba 2:25) « Ary toy izany koa Rahaba janga, tsy nohamarinina tamin'ny asa va izy tamin'ny nandraisany ireny iraka ireny sy ny nampandehanany azy tamin'ny lalan-kafa? » (Jakoba 2:26) « Fa maty ny tena, raha tsy misy fanahy, ary maty toy izany koa ny finoana, raha tsy misy asa. »