NY FETY FITO ISAN-TAONA (Fiz.2)
TABERNAKELY SY
FARA-FIVORIANA
TENIN’ANDRIAMANITRA
Levitikosy 23:33-44
Jaona 7:31-39
Apokalypsy 20:11-15
TENIN’ANDRIAMANITRA
Levitikosy 23:33-44
[Lalàna ny amin'ny fanamasinana ny
fotoam-pivavahana voatendrin'i Jehovah]
(Levitikosy 23:33) « Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao
hoe: » (Levitikosy 23:34) « Mitenena amin'ny Zanak'Isiraely hoe:
Amin'ny andro fahadimy ambin'ny folo amin'izany volana fahafito izany no
hiantombohan'ny andro firavoravoana fitoerana amin'ny trano rantsan-kazo hafitoana
ho an'i Jehovah. » (Levitikosy 23:35) « Amin'ny andro voalohany dia
hisy fivoriana masina: aza manao tao-zavatra akory. » (Levitikosy 23:36)
« Hafitoana no hanateranareo fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah; ary
amin'ny andro fahavalo dia hisy fivoriana masina ho anareo koa, ka hanatitra
fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah ianareo; fara-fivoriana izany, koa
aza manao tao-zavatra akory. » (Levitikosy 23:37) « Ireo no
fotoam-pivavahana voatendrin'i Jehovah, ka hantsoinareo ho fivoriana masina,
hanaterana fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah, dia fanatitra dorana sy
fanatitra hohanina sy fanatitra hafa alatsa-drà sy fanatitra aidina, samy
amin'ny fotoany avy izy rehetra, » (Levitikosy 23:38) « afa-tsy izay
fanao amin'ny Sabatan'i Jehovah sy ny zavatra omenareo sy ny fanatitra rehetra
hanalanareo voady ary ny fanati-tsitraponareo rehetra, izay omenareo ho an'i
Jehovah. » (Levitikosy 23:39) « Ary amin'ny andro fahadimy ambin'ny
folo amin'ny volana fahafito, raha manangona ny vokatry ny tany ianareo, dia
tandremo ny andro firavoravoana hafitoana ho an'i Jehovah; ny andro voalohany
dia andro fitsaharana, ary ny andro fahavalo dia andro fitsaharana koa. »
(Levitikosy 23:40) « Ary amin'ny andro voalohany dia makà voan'ny hazo
tsara tarehy, dia sampan-drofia sy rantsan'ny hazo mikirindro ary hazomalahelo
amoron'ny renirano, ho anareo; dia mifalia hafitoana eo anatrehan'i Jehovah
Andriamanitrareo ianareo. » (Levitikosy 23:41) « Ary tandremo izany
ho andro firavoravoana ho an'i Jehovah hafitoana isan-taona. Ho lalàna
mandrakizay amin'ny taranakareo hatramin'ny fara mandimby izany; amin'ny volana
fahafito no hitandremanareo azy. » (Levitikosy 23:42) « Ao amin'ny
trano rantsan-kazo no hitoeranareo hafitoana; ny tompon-tany rehetra amin'ny
Zanak'Isiraely dia samy hitoetra ao amin'ny trano rantsan-kazo avokoa, »
(Levitikosy 23:43) « mba ho fantatry ny taranakareo fa nampilasy ny
Zanak'Isiraely tao amin'ny trano rantsan-kazo Aho, raha nitondra azy nivoaka
avy tany amin'ny tany Egypta: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo. » (Levitikosy
23:44) « Ary Mosesy dia nilaza tamin'ny Zanak'Isiraely ny
fotoam-pivavahana voatendrin'i Jehovah. »
Jaona 7:31-39
Ny niakaran’i Jesosy tany Jerosalema tamin’ny andro
firavoravoana Tabernakely, sy ny nampianarany teo an-kianjan’ny tempoly, ary ny
nitadiavan’ny lehibe hisambotra Azy
(Jaona 7:31) « Ary maro ny vahoaka
no nino Azy ka nanao hoe: Raha tonga Kristy, moa hanao famantarana maro
mihoatra noho ny nataon'ity Lehilahy ity va Izy? » (Jaona 7:32) « Ny Fariseo nandre ny vahoaka nitakoritsika
izany zavatra izany ny aminy; ary ny lohan'ny mpisorona sy ny Fariseo dia
naniraka mpiandry raharaha mba hisambotra Azy. » (Jaona 7:33) « Dia
hoy Jesosy: Kely foana no itoerako aminareo, dia hankany amin'izay naniraka Ahy
Aho. » (Jaona 7:34) « Hitady Ahy ianareo, fa tsy hahita; ary izay
itoerako dia tsy azonareo haleha. » (Jaona 7:35) « Dia niresaka hoe
ny Jiosy: Hankaiza moa no halehan'ilehity, no tsy ho hitantsika? Hankany
amin'izay miely any amin'ny Grika va Izy ka hampianatra ny Grika? » (Jaona
7:36) « Ahoana re izao teny nolazainy izao hoe: Hitady Ahy ianareo, fa tsy
hahita; ary izay itoerako tsy azonareo haleha? » (Jaona 7:37) « Ary tamin'ny
andro farany, izay andro lehibe tamin'ny andro firavoravoana, dia nitsangana Jesosy
ka niantso nanao hoe: Raha misy olona mangetaheta, aoka izy hanatona Ahy ka
hisotro. » (Jaona 7:38) « Izay mino Ahy, dia hisy onin'ny rano velona
miboiboika avy ao an-kibony, araka ny voalazan'ny Soratra Masina. » (Jaona
7:39) « Ary ny Fanahy, Izay efa horaisin'ny mino Azy, no nolazainy
tamin'izany; fa ny Fanahy* tsy mbola nomena, satria Jesosy tsy mbola niditra
tamin'ny voninahiny. [* Na: Fanahy Masina] »
Apokalypsy 20:11-15
[Ny amin'ny namatorana an'i Satana, sy ny
amin'ny fitsanganana voalohany, ary ny arivo taona]
(Apokalypsy 20:11) « Ary hitako fa, indro, nisy seza fiandrianana
fotsy lehibe sy Ilay mipetraka eo amboniny; ny tany sy ny lanitra nandositra ny
tavany, ka tsy nisy hitoerany intsony. » (Apokalypsy 20:12) « Ary
nahita ny maty aho, na ny lehibe na ny kely, nitsangana teo anoloan'ny seza
fiandrianana; ary novelarina ny boky; ary nisy boky iray koa novelarina, dia ny
bokin'ny fiainana izany; ary ny maty dia notsaraina araka izay zavatra
voasoratra teo anatin'ny boky, araka ny asany. » (Apokalypsy 20:13)
« Ary ny ranomasina dia namoaka ny maty tao anatiny; ary ny fahafatesana
sy ny fiainan-tsi-hita* namoaka ny maty tao aminy; dia samy notsaraina araka ny
asany izy. [* Gr. Hadesy] » (Apokalypsy 20:14) « Ary ny fahafatesana
sy ny fiainan-tsi-hita* dia natsipy tany amin'ny farihy afo. Izany no
fahafatesana faharoa, dia ny farihy afo. [* Gr. Hadesy] » (Apokalypsy
20:15) « Ary raha nisy tsy hita voasoratra teo anatin'ny bokin'ny
fiainana, dia natsipy tany amin'ny farihy afo izy. »
TORITENY SY FAMPIANARANA
Dr. Rakotondravony Daniel, Fiangonan’Andriamanitra
Miray
16. Inona no Fety lehibe fito
andro manaraka ny Andro Fanavotana? Lev. 23: 33-35; Deot. 16:13.
(Levitikosy 23:33) « Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao
hoe: » (Levitikosy 23:34) « Mitenena amin'ny Zanak'Isiraely hoe: Amin'ny
andro fahadimy ambin'ny folo amin'izany volana fahafito izany no
hiantombohan'ny andro firavoravoana fitoerana amin'ny trano rantsan-kazo
hafitoana ho an'i Jehovah. » (Levitikosy 23:35) « Amin'ny andro
voalohany dia hisy fivoriana masina: aza manao tao-zavatra akory. »
(Deotoronomia 16:13) « Tandremo hafitoana ny andro firavoravoana
fitoerana amin'ny trano rantsan-kazo, rehefa nangoninao ny avy amin'ny
famoloanao sy ny famiazanao. »
FANAMARIHANA:
Ny Fetin'ny Tabernakely dia nantsoina koa hoe Fetin'ny
Fanangonam-bokatra (Eks. 23:16; 34:22) satria ity fetibe fito andro ity dia
nankalaza ny fijinjana tamin’ny fahavaratra sy ny fararano. Ny firenena iray
manontolo dia nitandrina izany fety izany taorian'ny nanangonana ny vokatra
lehibe (Lev. 23:39).
(Eksodosy 23:16) « Ary tandremo koa ny andro firavoravoana amin'ny fijinjana
ny voaloham-bokatry ny asanao, izay nafafinao tany an-tsaha, sy ny andro firavoravoana
amin'ny fanangonana amin'ny faran'ny taona, raha manangona ny vokatry ny asanao
avy any an-tsaha ianao. »
(Eksodosy 34:22) « Ary tandremo ny andro firavoravoana manarakaraka
ireo herinandro amin'ny fanaterana ny voaloham-bokatra, raha mijinja ny vary
tritika, sy ny andro firavoravoana amin'ny fanangonana amin'ny fitsingerenan'ny
taona. »
(Levitikosy 23:39) « Ary amin'ny andro fahadimy ambin'ny folo
amin'ny volana fahafito, raha manangona ny vokatry ny tany ianareo, dia
tandremo ny andro firavoravoana hafitoana ho an'i Jehovah; ny andro voalohany
dia andro fitsaharana, ary ny andro fahavalo dia andro fitsaharana koa. »
17. Nitandrina
ny Fetin'ny Tabernakely ve i Jesosy? Jaona 7: 2, 8-11, 14. Fantatry ny rehetra
ve fa nitandrina ny Fetin'Andriamanitra foana i Jesosy, ka nanantena Azy ho any
Jerosalema hitandrina ny Fetin'ny Tabernakely izy ireo? Jaona 7:11.
(Jaona 7:2)
« Ary efa akaiky ny andro firavoravoan'ny Jiosy, dia ny amin'ny
Tabernakely, » (Jaona 7:8) « Miakara ho amin'ny andro
firavoravoana ianareo; fa Izaho tsy mbola miakatra ho amin'ity andro
firavoravoana ity; satria tsy mbola tonga ny fotoako. »
(Jaona 7:9) « Ary rehefa nilaza izany teny izany taminy Izy, dia mbola nitoetra
tany Galilia ihany. » (Jaona 7:10) « Fa rehefa lasa niakatra ho
amin'ny andro firavoravoana ny rahalahiny, dia niakatra koa Izy, nefa tsy mba
nisehoseho, fa toa niafinafina. » (Jaona 7:11) « Ary ny Jiosy dia
nitady Azy tamin'ny andro firavoravoana ka nanao hoe: Aiza Izy? » (Jaona
7:14) « Ary rehefa nisasaka ny andro firavoravoana, dia niakatra teo
an-kianjan'ny tempoly Jesosy ka nampianatra. »
FANAMARIHANA: Noho ny fanenjehana tsy
mitsaha-mitombo, dia nisafidy tamim-pahendrena ny tsy hanao dia lavitra tany
Jodia i Jesosy (Jaona 7:1). Na izany aza, ny andininy 1-10 dia mampiseho fa
nanao vivery ny ainy hitandrina ny Fetin'ny Tabernakely izy. Na dia nandeha
mangingina aza Izy dia nampianatra ampahibemaso tao amin'ny tempoly tamin’ny
fisasahan'ny Andro firavoravoana (Jaona 7:14), izay fitsingerenan’ny andro
nahaterahany. Nitohy nampianatra Izy hatramin’ny andro fahavalo Fara-fivoriana
(Jaona 7:37-39).
18. Inona
no lohahevitra napetrak'Andriamanitra ho an'ny fankalazana isan-taona ny
Fetin'ny Tabernakely? Deot. 16: 14-15. (Mariho ireo teny hoe "mifalia
tokoa." Ny fandikan-teny hafa, toy ny Revised Standard Version, dia manao azy "ho fifaliana
tanteraka.") Tian'Andriamanitra hifaly ve ny olon-drehetra, tsy
anavahana taona na sokajy sosialy na ambaratongan-toekarena? Vakio indray ny
andininy 14.
(Deotoronomia
16:14) « Ary mifalia amin'ny andro
firavoravoanao ianao sy ny zanakao-lahy sy ny zanakao-vavy sy
ny ankizilahinao sy ny ankizivavinao ary ny Levita mbamin'ny
vahiny sy ny kamboty ary ny mpitondratena izay ao
an-tanànanao. » (Deotoronomia 16:15) « Hafitoana no itandremanao
andro firavoravoana ho an'i Jehovah Andriamanitrao eo amin'ny tany izay
hofidin'i Jehovah, satria hitahy anao Jehovah Andriamanitrao amin'ny vokatrao
rehetra sy ny asan-tananao rehetra, ka dia hifaly tokoa ianao. »
19. Tian'Andriamanitra
hifaly amin'ny fetin'ny Tabernakely ve ny lehilahy sy ny ankohonany? Deot.
16:14-15; 12: 5, 7, 12. Tokony hipetraka ao amin'ny "trano lay" ve
izy ireo – fonenana tsy maharitra (mifanaraka amin'ny trano
fandraisam-bahiny na hotely akehitriny, sns)? Lev. 23:42, 40.
(Deotoronomia
12:5) « Fa ny tany izay hofidin'i Jehovah Andriamanitrareo amin'ny
firenenareo rehetra hasiany ny anarany sy honenany no hohatoninareo sy
halehanareo. » (Deotoronomia 12:7) « ary any no hihinananareo sy ny
ankohonanareo eo anatrehan'i Jehovah Andriamanitrareo ary hifalianareo
amin'izay rehetra harin'ny tananareo, izay efa nitahian'i Jehovah
Andriamanitrao anao. » (Deotoronomia 12:12) « Dia hifaly eo anatrehan'i
Jehovah Andriamanitrareo ianareo sy ny zanakareo-lahy sy ny zanakareo-vavy sy
ny ankizilahinareo sy ny ankizivavinareo ary ny Levita izay ao an-tanànanareo;
fa ny Levita tsy mba manana anjara na lova eo aminareo. »
(Levitikosy
23:40) « Ary amin'ny andro voalohany dia makà voan'ny hazo tsara tarehy,
dia sampan-drofia sy rantsan'ny hazo mikirindro ary hazomalahelo amoron'ny
renirano, ho anareo; dia mifalia hafitoana eo anatrehan'i Jehovah
Andriamanitrareo ianareo. » (Levitikosy 23:42) « Ao amin'ny trano
rantsan-kazo no hitoeranareo hafitoana; ny tompon-tany rehetra amin'ny
Zanak'Isiraely dia samy hitoetra ao amin'ny trano rantsan-kazo avokoa, »
FANAMARIHANA: Ny Fetin'ny Tabernakely
dia feno dikany ara-panahy ho an'ny Kristiana ankehitriny. Ny Fety dia maneho an-tsary
ny Tontolo Rahampitso mahafinaritra eo ambanin'ny fanapahana marin’i Jesosy
Kristy - 1000 taonam-piadanana sy fanambinana ary fifaliana ho an'ireo olona
an'arivony tapitrisa izay hiaina amin’ity vanim-potoana nofinofy ity. Mandritry
ny Milenioma no manomboka ny
"fijinjana" fiainan’olombelona ho ao amin'ny Fanjakan'Andriamanitra,
izany hoe olona nateraka indray ho mpikambana ao amin'ny
Fianakavian'Andriamanitra.
Eritrereto
fotsiny! Horoahina avy hatrany i Satana amin'ny fiverenan'i Kristy. Manaraka
an’izay ny fiadanana sy fanambinana mandritry ny 1000 taona. Ireo izay
"voaloham-bokatra" amin'ny fijinjana ara-panahin'Andriamanitra,
teraka voalohany ao amin'ny Fianakavian'Andriamanitra sy mpiara-mandova amin'i
Jesosy Kristy, dia hiaraka Aminy hitantana ny tany. Homena azy ireo ny
fahafaha-mizara fahalalana mitondra famonjena ho an'ny olona velona amin’izany
sy ireo izay teraka mandritry ny Milenioma.
Imbetsaka
Andriamanitra no milaza amintsika fa ny Fetin'ny Tabernakely dia fotoana
fifaliana lehibe indrindra. Ho an'ny Isiraely taloha dia fotoam-pifaliana
izany satria ny fijinjam-bokatra lehibe dia vao tsy ela taloha kelin'ny Fety.
Fa amin'ny Milenioma, ny fahasambarana,
sy fifaliana ary fanambinana asehon’ny Fetin'ny Tabernakely dia hanerana izao
tontolo izao, eo ambaniny fahazavan’ny fanapahan'i Jesosy Kristy. Ny fankatoavana
an'Andriamanitra amin'ny alàlan'ny fitandremana ny Didiny sy fanarahana ny
fomba fiaina asehony dia hahatonga izao tontolo izao rahampitso ho nofy
tanteraka!
Ny
fetin’Andriamanitra amin’ny volana fahafito dia manome ho an’ny zanany
notorontoron’ny Fanahy fotoana sy toerana manokana hieritreretana ny tanjon’ny
fiainana sy ny fomba hahazoana izany. Ny Fetin'ny Tabernakely dia natao
hampisaraka sy hanafaka azy ireo amin'ny fikarakarana mahazatra an'izao tontolo
izao. Mipetraka amin'ny trano vonjimaika izy mandritry ny herinandro, lavitra
ny manodidina azy isan'andro, ary lavitry ny asany, ary miaina an’ohatra ny fahalalahana
sy ny fandriampahalemana manerantany izay hisy mandritry ny Milenioma, amin'ny alàlan'ny
fitandremana ireo fito andro ireo.
Ny Fetin'ny
Tabernakely, araka ny hita ankehitriny, dia santatra tena kely fotsiny, nefa
mahafaly, amin’ny Tontolo Rahampitso mahasambatra, rehefa ho azo omena ny
olombelona rehetra ny Fanahy Masina. Andro fampianarana mitambatra ataon'ny
minisitr'Andriamanitra ireo, sady andro fifankazaran’ny tena kristianina.
Mandritry ny Fety, ny Kristiana dia mampiseho, amin'ny fomba iarahan'izy ireo
miaina mifanaraka, ny mety sy tokony ho toetran'ity tontolo mararin’ny ota sy
mijaly ity!
Ireo
mpikamban'ny Fiangonan'Andriamanitra Miray dia miandrandra fatratra ny
hankalaza ny fetin'ny Tabernakely isaky ny volana fahafito, any amin'ny toerana
maro manerana an'izao tontolo izao. Eo anelanelan'ny fotoam-pivavahana, izy
ireo dia mandray anjara amin'ny hetsika isan-karazany mampientanentana sy
mahafinaritra, tohanan'ny Fiangonana ho an'ny mpikambana tanora sy lehibe, ary
koa amin’ny hetsika mampiavaka manokana ny toeram-pivoriana tsirairay. Ny fifampiahiana
sy ny fiombonam-po marina, ny sakafo ara-panahy sy ny fahafinaretana samy hafa
dia mampaniry sahady hanatrika ny fety amin'ny taona manaraka, ary mampihevitra
ny "fialan-tsasatra" taloha toa zava-mahazatra!
20. Ny fetin'ny Tabernakely
fito andro ve manambara fahatanterahan’ny ampahany betsaka amin’ny
Planin'Andriamanitra ho an'ny olombelona? Sitrak'Andriamanitra ve ny hahatonga
ny olona rehetra izay niaina hahalala ny famonjena? II Pet. 3: 9; 1 Tim. 2: 4.
(2 Petera 3:9) « Ny Tompo tsy mahela ny teny fikasany, araka izay
ataon'ny sasany ho fahelany; fa mahari-po aminareo Izy, ka tsy tiany hisy ho
very, fa mba ho tonga amin'ny fibebahana izy rehetra, »
(1 Timoty 2:4) « Izay tia ny olona rehetra hovonjena ka ho tonga
amin'ny fahalalana ny marina. »
FANAMARIHANA:
Hatreto dia hitantsika fa ireo izay nahazo tombontsoa nantsoin'Andriamanitra
nandritry ny vanim-potoana maro, indrindra hatramin'ny niavian'i Kristy
voalohany ka hatramin'ny faran'ny Milenioma,
dia tafiditra ao amin'ny Planina lehiben'Andriamanitra mahatalanjona.
Fa
ahoana kosa ny amin'ireo olona an'arivony tapitrisa hatramin'ny andron'i Adama
ka hatramin'izao androntsika izao (anisany, angamba, ny ankamaroan'ny
olon-tianao), izay tsy nantsoin'Andriamanitra - izany hoe tsy mbola nanana
fotoana nahafantarana sy tena nahatakarana ny fahamarinan'Andriamanitra?
An'arivony
tapitrisa maro no mbola tsy nandre ny anaran'i
Kristy akory. Voaheloka ho faty mandrakizay ve izy ireo nefa tsy nanana
fotoana nandrenesana ny fahamarinana akory? Rariny ve izany amin’ Andriamanitra
be fitiavana?
Azonao
an-tsaina ve Andriamanitra mpamindra fo sy marina manameloka ankizy kely tsy
manan-tsiny - ny sasany maty talohan'ny nahafahan'izy ireo nandeha na niresaka,
dia hijanona ho maty mandrakizay tsy misy fahalalana ny fomba fiaian'Andriamanitra,
ary tsy omena fotoana hahazoany fiainana mandrakizay?
Andriamanitra, tamin'ny hitsiny
tanteraka, dia nanomana izay rehetra efa niaina mba hanana anjara fotoana ho
amin'ny famonjena. Koa tahaka ny tsy fahafenoan'ny herinandro raha tsy misy ny
andro Sabata, dia toy izany koa, ny Planina lehiben'Andriamanitra dia tsy feno
raha tsy misy ny Andro Firavoravoana sy ny Andro Masina fahafito isan-taona.
Ao amin'ny Baiboly, ny isa fito
dia manondro fahafenoana sy ny fahatanterahana. Raha tsy misy fahalalana ity Andro Masina
fahafito fanao isan-taona ity dia tsy azonao ny fahatanterahan'ny Planina
lehiben’Andriamanitra: Tsy azonao fa ny famindrampon' Andriamanitra amin'ny
zanak'olombelona dia mihoatra ny Milenioma
aza!
Raha
te-hahatakatra ity dingana farany ity - ny fizotran'ny Planin'Andriamanitra,
dia tsy maintsy takatsika ny ANDRO MASININ'ANDRIAMANITRA ISAN-TAONA FARANY,
maneho ny FITSARANA LEHIBE FARANY.
21. Nisy
"andro fahavalo" fanompoam-pivavahana ve natao avy hatrany taorian'ny
fito andro Fetin'ny Tabernakely? Lev. 23: 34-36. Ny fety farany ve no Sabata
fitsaharana fanao isan-taona farany? Lev. 23: 39.
(Levitikosy 23:34) « Mitenena amin'ny Zanak'Isiraely hoe: Amin'ny
andro fahadimy ambin'ny folo amin'izany volana fahafito izany no hiantombohan'ny
andro firavoravoana fitoerana amin'ny trano rantsan-kazo hafitoana ho an'i
Jehovah. » (Levitikosy 23:35) « Amin'ny andro voalohany dia hisy
fivoriana masina: aza manao tao-zavatra akory. » (Levitikosy 23:36)
« Hafitoana no hanateranareo fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah;
ary amin'ny andro fahavalo dia hisy fivoriana masina ho anareo koa, ka
hanatitra fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah ianareo; fara-fivoriana
izany, koa aza manao tao-zavatra akory. »
(Levitikosy 23:39) « Ary amin'ny andro fahadimy ambin'ny folo
amin'ny volana fahafito, raha manangona ny vokatry ny tany ianareo, dia
tandremo ny andro firavoravoana hafitoana ho an'i Jehovah; ny andro voalohany dia andro fitsaharana, ary ny andro fahavalo dia andro fitsaharana koa. »
FANAMARIHANA:
Ny Sabata fanao isan-taona farany dia tandremana avy hatrany aorian'ny
fetin'ny Tabernakely. Saingy noho ny fanakekezany an'io fety fito andro io
dia nampifandraisina tamin'ny Fetin'ny Tabernakely izy, ary nantsoina hoe
"andro fahavalo". Ity Fety ity dia nanjary fantatry ny Kristiana
ho "andro farany, izay andro lehibe amin'ny andro
firavoravoana" (Jaona 7:37).
(Jaona 7:37) « Ary tamin'ny andro
farany, izay andro lehibe tamin'ny andro firavoravoana, dia nitsangana Jesosy ka
niantso nanao hoe: Raha misy olona
mangetaheta, aoka izy hanatona Ahy ka hisotro. »
22. Ny Apokalipsy
toko 20 no mitana ny lakilen'ny dikan'ny "Andro
lehibe farany". Araka ny efa fantatsika, ny andininy 4-6 dia miresaka
momba ireo olo-masina mitsangana amin'ny maty hiara-manjaka amin'i Jesosy
Kristy ety an-tany mandritry ny 1000 taona. Fa inona marina no voalaza ao
amin'ny fehezanteny voalohany amin'ny andininy 5?
(Apokalypsy 20:5) « Fa ny sisa
amin'ny maty dia tsy mbola velona mandra-pahatapitry ny arivo taona. Izany
no fitsanganana voalohany. »
FANAMARIHANA:
Tsy ireo "maty ao amin'i Kristy" ireo, fa ireo maty fotsiny - ireo an'arivony
tapitrisa maro izay tsy an'i Kristy, izay tsy mbola
natsoin'Andriamanitra, izay tsy nandre ny anaran'i Jesosy Kristy akory
ny ankamaroany.
Mariho fa ny
tapany voalohany amin'ny andininy faha-5 dia hevitra ao anaty fonoteny. Izao no fomba tokony hamakiana
azy: "(Fa ny sisa amin'ny maty dia tsy
velona mandra-pahatapitry ny arivo taona.) Izany no fitsanganana
voalohany."
Ilay
fehezan-teny hoe "Izany no fitsanganana voalohany" dia
manondro ny fitsanganan'ireo marina maty ao amin'i Kristy talohan'ny
nanombohan'ny fe-potoana 1000 taona. Fa, hoy i Jaona manazava: "ny sisa
amin'ny maty", ireo izay tsy nanana fotoana hahatakarana ny
fahamarinan'Andriamanitra - dia tsy hitsangana amin'ny maty
"mandra-pahatapitry ny arivo taona." Ity fitsanganana amin'ny
maty ity, izay mitranga aorian'ny fahataperan'ny 1000 taona, dia ny fitsanganana
faharoa.
23. Ahoana
no namariparitan'i Jaona bebe kokoa ny fitsanganana faharoa? Apok 20: 11-12.
Ahoana no itsarana an'ireo olona ireo? Apok 20:12.
(Apokalypsy 20:11) « Ary hitako fa, indro, nisy seza fiandrianana
fotsy lehibe sy Ilay mipetraka eo amboniny; ny tany sy ny lanitra nandositra ny
tavany, ka tsy nisy hitoerany intsony. » (Apokalypsy 20:12) « Ary
nahita ny maty aho, na ny lehibe na ny kely, nitsangana teo anoloan'ny seza
fiandrianana; ary novelarina ny boky; ary nisy boky iray koa novelarina, dia ny
bokin'ny fiainana izany; ary ny maty dia notsaraina araka izay zavatra voasoratra
teo anatin'ny boky, araka ny asany. »
FANAMARIHANA:
Ny teny grika nadika hoe "boky" ao amin'ny Apok. 20:12 dia biblia, ary avy amin'io teny io no
nahazoana ilay teny anglisy hoe "Bible".
Ireo "boky" sokafana dia ny bokin'ny Baiboly! Amin'ny alàlan'ny Fanahy
Masin'Andriamanitra dia hosokafana hampianarina an’ireo olona an'arivony
tapitrisa ny Baiboly; izy ireo mbola tsy nandre ny anaran'i Kristy na
nahatakatra ny tena hafatra raketin'ny Tenin'Andriamanitra, mbola tsy nandray
anjara tamin'ny Planin’ny Famonjen’Andriamanitra.
24. Haharitra
hafiriana ny fe-potoam-pitsarana azy ireo? Isa.65: 20.
(Isaia 65:20) « Ary na dia ny zaza minono any aza dia tsy ho fohy
andro, ary tsy hisy anti-panahy izay tsy nahatapitra ny androny; fa mbola
zatovo ihany izay maty na dia efa zato taona aza, ary ny mpanota aza, dia
hahatratra zato taona vao hozonina*.[Na: Ary ny mpanota izay mahatratra zato
taona ihany dia hatao ho voaozona] »
FANAMARIHANA:
Ity andininy ao amin'ny Isaia ity dia toa manondro io vanim-potoana fitsarana
io, izay milaza fa ireo izay hatsangana amin'ny maty amin'izany dia ho
velona mandritry ny 100 taona, na firy na firy taona izy ireo no maty.
25. Aiza
koa ao amin'ny Baiboly no ilazana io fitsanganana faharoa io? Ezek. 37: 1-14.
Moa ve ireo maty ireo hatsangana amin'ny fomba mazava ho amin'ny ain'olombelona
nofo, mila fofon'aina mba hahavelona ny fisiany? Ezekiela 37:5-10.
[Fanoharana ny amin'ny hampodiana ny Isiraely,
sy ny hanakambanana azy ho firenena iray hanjakan'i Davida]
(Ezekiela 37:5) « Izao no lazain'i Jehovah Tompo amin'ireto taolana
ireto: Indro, hasiako fofonaina ianareo ka ho velona; » (Ezekiela 37:6)
« ary hasiako ozatra ianareo ka hampaniriko nofo; ary hosaronako hoditra
ianareo; ary hasiako fofonaina ianareo ka ho velona; ka dia ho fantatrareo fa
Izaho no Jehovah. » (Ezekiela 37:7) « Dia naminany aho araka izay efa
nandidiana ahy, ary nony efa naminany aho. dia injany! nisy feo, ary, indreo,
nihetsiketsika sady nifanatonatona ny taolana, samy nanatona ny taolana namany
avy. » (Ezekiela 37:8) « Ary hitako fa, indro, naniry ny ozatra sy ny
nofo, ary nisarona hoditra izy, nefa tsy mbola nisy fofonaina tao aminy. »
(Ezekiela 37:9) « Dia hoy Izy tamiko: Maminania amin'ny fofonaina, eny,
maminania. ry zanak'olona, ka ataovy amin'ny fofonaina hoe: Izao no lazain'i
Jehovah Tompo: Manatona avy amin'ny rivotra efatra, ry fofonaina, ka tsotsofy
ireo voavono ireo, mba ho velona izy. »(Ezekiela 37:10) « Dia
naminany araka izay efa nandidiany ahy aho, ka dia nidiran'ny fofonaina ireo ka
velona, dia nijoro tamin'ny tongony izy maro be dia maro be tokoa. »
26. Inona
no fampanantenan'Andriamanitra an'ireo olona hatsangana amin'ny maty ireo? (Ezekiela 37:13) « ka dia ho fantatrareo fa
Izaho no Jehovah, raha manokatra ny fasanareo Aho, ry oloko, ka mampiakatra
anareo hiala amin'ny fasanareo. » (Ezekiela 37:14) « Ary hataoko ao
anatinareo ny Fanahiko, dia ho velona ianareo, ary hamponeniko any amin'ny
taninareo ianareo; ka dia ho fantatrareo fa Izaho Jehovah no efa niteny sady
nahatanteraka izany, hoy Jehovah. »
Izany
ve mitovy amin’ny fadrotsahana ny Fanahy Masin'Andriamanitra noresahin'i Jesosy
Kristy tamin'ny "andro lehibe farany" tamin'ny andro firavoravoana
Tabernakely? Jaona 7: 37-39.
(Jaona 7:37) « Ary tamin'ny andro farany, izay andro lehibe
tamin'ny andro firavoravoana, dia nitsangana Jesosy ka niantso nanao hoe: Raha
misy olona mangetaheta, aoka izy hanatona Ahy ka hisotro. » (Jaona 7:38)
« Izay mino Ahy, dia hisy onin'ny rano velona miboiboika avy ao an-kibony,
araka ny voalazan'ny Soratra Masina. » (Jaona 7:39) « Ary ny Fanahy,
Izay efa horaisin'ny mino Azy, no nolazainy tamin'izany; fa ny Fanahy* tsy
mbola nomena, satria Jesosy tsy mbola niditra tamin'ny voninahiny. [* Na:
Fanahy Masina] »
27. Ahoana
no niantsoan'i Jesosy an'io "andro" manokana na vanim-potoana
fitsarana io ho an'ny olona mbola tsy nandre sy nahatakatra ny hafatra
mahatalanjona momba ny famonjena? Matio 11: 20-24; 12: 41-42.
(Matio 11:20) « Ary tamin'izany dia vao niteny mafy ny tanàna izay
nanaovany ny ankamaroan'ny asany lehibe Izy, satria tsy nibebaka ireo, ka nanao
hoe: » (Matio 11:21) « Lozanao, ry Korazina! Lozanao, ry Betsaida! fa
raha mba tany Tyro sy Sidona no natao ny asa lehibe izay natao teo aminareo,
dia ho efa nibebaka ela tamin'ny lamba fisaonana sy ny lavenona ireny. » (Matio
11:22) « Fa lazaiko aminareo fa ho moramora kokoa ny ho amin'i Tyro sy Sidona
amin'ny andro fitsarana noho ny ho aminareo. » (Matio 11:23) « Ary
ianao, ry Kapernaomy, hasandratra hatrany an-danitra va ianao? Hietry hatrany
amin'ny fiainan-tsi-hita* ianao; fa raha mba tany Sodoma no natao ny asa lehibe
izay natao teo aminao, dia ho naharitra ambaraka androany izy. » (Matio
11:24) « Fa lazaiko aminareo fa ho moramora kokoa ny ho amin'ny tany Sodoma
amin'ny andro fitsarana noho ny ho aminao. »
(Matio 12:41) « Ny olona tany Ninive hiara-mitsangana amin'ity
taranaka ity amin'ny andro fitsarana ka hanameloka azy; fa nibebaka izy
tamin'ny nitorian'i Jona teny; nefa, indro, misy lehibe noho Jona eto. »
(Matio 12:42) « Ny mpanjakavavy avy tany atsimo hiara-mitsangana amin'ity
taranaka ity amin'ny andro fitsarana ka hanameloka azy; fa avy tany amin'ny
faran'ny tany izy hihaino ny fahendren'i Solomona; nefa, indro, misy lehibe
noho Solomona eto. »
FANAMARIHANA:
Kristy niresaka momba ny olona tany Tyro sy Sidona, sy Sodoma
ary Ninive tamin'ny andron'i Jona, sy ny Mpanjakavavy avy any Atsimo
(Mpanjakavavin'i Sheba). Ireo ohatra rehetra momba ny olona niaina tamin'ny
taranaka samy hafa ireo dia ampitahaina amin'ireo olom-pirenena monina amin'ny
tanàna sy vohitra tamin'ny andron'i Jesosy, izay tsy nahatakatra na tsy nino ny
hafany ny ankamaroany. Nilaza i Jesosy fa izy rehetra dia hitsangana amin'ny
maty miaraka amin'ilay taranaka niaina tamin'ny androny!
Jesosy
dia nanome ohatra ampy momba ny olona niaina tamin'ny fotoana samy hafa teo
amin'ny tantara mba hanaporofoana fa ny ankamaroan'ny zanak'olombelona dia ho
velona miaraka, amin'ny fotoana iray ihany eto ambonin'ny tany. Hita ao ny
lehilahy sy vehivavy talohan'ny Safo-drano, ireo foko 12 Israelita rehetra,
ireo izay niaina nandritry ny vanim-potoana antenatenany, sy izay rehetra
velona, na dia ankehitriny aza; izy ireo tsy nanana fotoana hanatonana an'i
Kristy, satria tsy nantsoin'Andriamanitra hanana fotoana ahazoana famonjena
mandritry ny androm-piainany voalohany. (Vakio Jaona 6:44, 65.)
(Jaona 6:44) « Tsy misy olona mahay manatona Ahy, raha tsy
taomin'ny Ray Izay naniraka Ahy; ary Izaho hanangana azy amin'ny andro
farany. »
(Jaona 6:65) « Ary hoy Izy: Izany no nilazako taminareo fa tsy misy
olona mahay manatona Ahy, raha tsy nomen'ny Ray azy izany. »
Ity
vondrona ity dia ahitana ny olona tamin'ny fotoana rehetra, na aiza na aiza eto
ambonin'ny tany, afa-tsy ireo izay hatsangana amin'ny maty voalohany, mazava ho
azy, na ireo ratsy fanahy tsy azo ovaina ary hatsangana amin'ny fitsanganana
fahatelo ka hatsipy any ny farihy afo (Apok. 20: 13-15). Ity vondrona farany
ity dia nahatakatra ny fahamarinan'Andriamanitra ary nanam-potoana ahazoana
fiainana mandrakizay, saingy nandà an-tsitrapo izany!
Fitsanganana
fahatelo: (Apokalypsy 20:13) « Ary ny ranomasina dia
namoaka ny maty tao anatiny; ary ny fahafatesana sy ny fiainan-tsi-hita*
namoaka ny maty tao aminy; dia samy notsaraina araka ny asany izy. [* Gr.
Hadesy] » (Apokalypsy 20:14) « Ary ny fahafatesana sy ny
fiainan-tsi-hita* dia natsipy tany amin'ny farihy afo. Izany no fahafatesana
faharoa, dia ny farihy afo. [* Gr. Hadesy] » (Apokalypsy 20:15)
« Ary raha nisy tsy hita voasoratra teo anatin'ny bokin'ny fiainana, dia
natsipy tany amin'ny farihy afo izy. »
Satria
ireo olona taloha nofaritana tao amin'ny bokin'i Matio 11:21-24 sy 12:41-42
dia tokony ho nibebaka raha tonga tany amin'izy ireo manokana i Kristy tamin'ny
androny (Tyro, Sidona, Sodoma, Ninive, Mpanjaka
vavay avy any Antsimo), dia tena azo antoka fa hibebaka rehefa hatsangana
ho amin'ny tontolo iray izay efa nanjaka’i Kristy nandritry ny arivo taona izy
ireo - izao tontolo izao anjakan'ny fifaliana, fandriampahalemana, fanambinana
ary fiadanam-po.
Ity
fitsanganana amin'ny maty goavambe ho amin'ny fiainana fizika ity dia manokatra
ny fe-potoam-pitsarana ho azy ireo, fa tsy fanamelohana. Ny fanamelohana dia
fepetra farany amin'ny fizotran'ny fitsarana. Ny didim-pitsarana dia avoaka
arakaraky ny fandraisan'ny tsirairay ny Tenin'Andriamanitra. Izany
didim-pitsarana izany dia mihatra ankehitriny amin'ireo Kristiana
notorontoronin’ny Fanahy Masin'Andriamanitra (1 Petera 4:17) « Fa tonga ny andro
hiantombohan'ny fitsarana hatrao amin'ny ankohonan*'Andriamanitra; ary raha
miantomboka amintsika izany, dia hanao ahoana kosa no hiafaran'izay tsy manaiky
ny filazantsaran'Andriamanitra? [* Gr. tranony] »
Ary
satria homena fotoana hahazoana famonjena ny olona tsirairay, dia samy handray
ny didim-pitsarany avy ny tsirairay aorian'ny safidy izay hataony mandritra io
fe-potoana fitsarana azy io.
Raha
tonga Kristiana notorontoronin’ny Fanahy ianao amin'izao vanim-potoana izao,
ary raha tsy mivadika mandra-pahafatinao, dia mahazo tombontsoa handray anjara
amin'ny "fitsanganana tsara kokoa" amin'ny Fiavian'i Kristy
Fanindroany. Tsara kokoa izany satria ireo atsangana amin'ny fitsanganana
voalohany dia ho fanahy fa tsy olombelona mety maty. Hahazo valisoa lehibe
kokoa izy noho ireo izay hiaina mandritry ny fotoam-pitsarana farany, na ireo
izay hiaina mandritra ny Milenioma
aza!
Hitantsika
fa ny fetin’Andriamanitra fanao isan-taona rehetra dia naoarina manodidina ny
taom-pijinjana isan-taona tany amin’ny Tany Nampanantenaina, izay
nitondran'Andriamanitra ny Isiraely taloha. Nefa fijinjana ara-panahy no
tanjon'Andriamanitra! Ny Isiraely tamin’ny Testamenta Taloha dia
nampahatsiahivina ny fiankinan'izy ireo sy ny fifandraisany tamin'Andriamanitra
Tsitoha, tamin'ny alalan’ny fitsingerenan’ireo fetim-pijinjam-bokatra ireo
araka ny fotoany avy. Ankehitriny kosa, ireo Kristiana mahatoky an'Andriamanitra
ao amin'ny Testamenta Vaovao, dia afaka mahazo fahalalana mamonjy aina omen’ny Planina
lehiben'Andriamanitra, ho fijinjana
azy ireo ara-panahy, rehefa mitandrina ireo ANDRO MASINA ireo ihany!
FEHINY: IZAY
TIANA HO TADIDY DIA TSY MAINTSY AVERIMBERINA MATETIKA.
Rehefa
mitandrina ny fety fanao isan-taona amin'ny fotoany avy ny kristiana notorontoronin’ny
Fanahy dia ampahatsiahivina azy ireo ny Planina lehiben'Andriamanitra ho
famonjena ny olombelona rehetra, sy ny andraikitry ny tsirairay ao. Ny fetin’Andriamanitra
fanao isan-taona dia manome ho an’ny olona iray "fahafahana manao ny
andraikitra" takin’ny Planin’ Andriamanitra amin’ny fikasany hamonjy ny
olombelona!
Nandritry
ny taona maro, ny Fiangonan'Andriamanitra Miray dia nitombo tamin'ny fahazoana
ny dikany ara-panahy amin'ireo fety fanao isan-taona ireo. Tsy toy ny
fialantsasatra ankalazain’izao tontolo izao, izay tsy misy zava-kendrena na
drafitra tena marina amin'ny fisian’ny olombelona, fa ny fetin’Andriamanitra
fanao isan-taona dia mampiseho ny fivelarany feno sy ny hevitry ny fikasany
lehibe ary ny drafitra ho an'ny olombelona.
Nianarantsika
tamin'ity lesona ity fa ny fetin’Andriamanitra fanao isan-taona dia tsy hoe mampianatra
ny Planin’ny famonjena fotsiny, fa mitondra antsika mivantana any amin'i Jesosy
Kristy Mpamonjy, satria Paska ho antsika Izy (1Kor 5: 7). Ny "fitafiana"
an'i Kristy no anesorana ny ota amin'ny fiainantsika, araka ny asehon'ny sary
amin'ny Fetin'ny Mofo Tsy Misy Masirasira.
Kristy no voalohany amin'ny
"voaloham-bokatra", ary 50 andro taorian'ny nitsanganany tamin'ny
maty no nandefasany ny Fanahy Masina tamin'ny andro Pentekosta. Ny Fanahy
Masina dia nirahina hanorontoronana ara-panahy ireo izay antsoin'ny Ray, ka
hahafahan'izy ireo manatanteraka ny Lalàny, handresy ny fahotana amin'ny
fiainany ary hitombo ara-panahy.
Kristy
hiditra an-tsehatra amin'ny raharahan'izao tontolo izao (sary asehon’ny
fetin'ny trompetra), hanangana amin'ny maty ny voaloham-bokatra, ary ho
Mpanjakan'ny mpanjaka, hanesotra ny fanapahan'i Satana mpamitaka faratampony,
araka ny asehon'ny Andro Fanavotana. Rehefa tsy misy intsony ny fitaoman'i
Satana sy ny devoly namany, ny olombelona rehetra dia hanana anjara fotoana
"hiray saina" amin'i Kristy amin'ny alàlan'ny fibebahana, ny batisa,
ary fandraisana ny Fanahy Masina.
Ho avy i Kristy
hanangana ny fanjakan'Andriamanitra ao amin'ny Milenioma, manao an'ity tany ity ho toy ny nofy tanteraka - naseho
tamin'ny Fetin'ny Tabernakely. An-tapitrisany maro no ho teraka ao amin'ny
fianakavian'Andriamanitra mandritra io vanim-potoana volamena io. Ny
olon'Andriamanitra ankehitriny, izay antsoin'ny Baiboly hoe
"olo-masina", dia solontenan'ny fanjakan'Andriamanitra ho avy tsy ho
ela.
Ary
farany, Kristy hanome famonjena ho an'ny olona rehetra izay velona teto an-tany
nefa tsy mbola nandre na nahatakatra ny fahamarinana. Mandritry ny dingana
lehibe farany ao amin'ny Planin'Andriamanitra no anaovny izany, - ny Andro
Lehibe Farany, izay sary ambaran’ny vanim-potoan’ny fitsarana farany.
Ny
Fiangonan'Andriamanitra Miray dia mahatakatra sy mampianatra ny fahamarinana
momba ny tanjon’Andriamanitra sy ny Planiny ho an'ny olombelona. Manerana
an'izao tontolo izao, ny tena Fiangonan'Andriamanitra, misy zanaka
notorontoronin'ny Fanahiny sy niova fo, dia mitandrina am-pahatokiana ny tsirairay
amin’ireo Fety sy Fivoriana Masina notendren’i Jehovah isan-taona!
HO AN’ANDRIAMANITRA IRERY ANIE NY VONINAHITRA!