TENIN’ANDRIAMANITRA
Genesisy 1:26-31; 2: 1-3
Marka 2:23-28
Hebreo 4:1-11
TENIN’ANDRIAMANITRA
Genesisy 1: 26-31; 2:1-3
[Ny namoronan'Andriamanitra izao tontolo izao]
(Genesisy 1:26)
« Ary Andriamanitra nanao hoe: Andeha Isika
hamorona olona tahaka ny endritsika, araka ny tarehintsika ; ary aoka izy
hanjaka amin'ny hazandrano ao amin'ny ranomasina sy ny voro-manidina sy ny biby
fiompy sy ny tany rehetra ary ny biby rehetra izay mandady na mikisaka amin'ny
tany. » (Genesisy 1:27) « Ary Andriamanitra nahary ny olona tahaka ny
endriny; tahaka ny endrik'Andriamanitra no namoronany azy; lahy sy vavy no
namoronany azy. » (Genesisy 1:28) « Ary Andriamanitra nitso-drano azy
hoe: Maroa fara sy mihabetsaha ary mamenoa ny tany, ka mampanompoa azy; ary
manjaka amin'ny hazandrano ao amin'ny ranomasina sy ny voro-manidina ary ny biby
rehetra izay mihetsiketsika ambonin'ny tany. »(Genesisy 1:29)
« Ary Andriamanitra nanao hoe: Indro, efa nomeko anareo ny anana
manintsam-boa rehetra izay ambonin'ny tany rehetra ary ny hazo rehetra izay
misy voa sady manintsam-boa; dia ho fihinana anareo ireny. »(Genesisy
1:30) « Ary ny amin'ny bibi-dia rehetra sy ny voro-manidina rehetra ary ny
zava-manan'aina rehetra izay mandady na mikisaka amin'ny tany, dia efa nomeko
azy ny zava-maitso rehetra ho fihinany; dia nisy izany. » (Genesisy 1:31)
« Ary hitan'Andriamanitra izay rehetra
nataony, ary, indro, tsara indrindra izany. Dia nisy hariva, ary nisy maraina, andro fahenina izany. »
(Genesisy 2:1)
« Dia vita ny lanitra sy ny tany sy izay rehetra ao aminy. »
(Genesisy 2:2) « Ary tamin'ny andro fahafito dia vitan'Andriamanitra ny
asa efa nataony; ary dia nitsahatra tamin'ny andro
fahafito Izy tamin'ny asany rehetra izay efa nataony. » (Genesisy
2:3) « Ary Andriamanitra nitahy ny andro
fahafito sy nanamasina azy, satria tamin'izany no nitsaharan'Andriamanitra
tamin'ny asany rehetra izay noforoniny tamin'ny nanaovany azy. »
Marka 2:23-28
Ny nanotazan’ny mpianatra
salohim-bary tamin’ny Sabata, sy ny naninian’ny Fariseo azy
(Marka 2:23)
« Ary nandeha namaky ny tanim-bary tamin'ny Sabata Jesosy; ary ny mpianatra
dia nanoty ny salohim-bary teny am-pandehanana. » (Marka 2:24) « Ary
ny Fariseo nanao taminy hoe: Indro, nahoana ireo no manao izay tsy mety amin'ny
Sabata? » (Marka 2:25) « Fa hoy Izy taminy: Tsy mbola novakinareo va
ny teny milaza ilay nataon'i Davida, raha reraky ny hanoanana izy mbamin'izay
nanaraka azy, » (Marka 2:26) « fa niditra tao an-tranon'Andriamanitra
tamin'ny andron'i Abiatara mpisoronabe izy ka nihinana ny mofo aseho, izay
mahadiso raha misy homana izany, afa-tsy ny mpisorona ihany, ary nomeny koa
izay nanaraka azy? » (Marka 2:27) « Ary hoy Izy taminy: Ny Sabata no natao ho ny olona, fa tsy ny olona ho an'ny
Sabata. » (Marka 2:28) « ka dia
Tompon'ny Sabata aza ny Zanak'olona. »
Hebreo 4:1-11
Fampitahana an’I Kristy sys y Mosesy
(Hebreo 4:1) « Koa
na dia mbola misy teny fikasana fa hiditra any amin'ny fitsaharany aza isika,
dia aoka isika hatahotra, fandrao mba misy eo aminareo toa tsy mahatratra
izany. » (Hebreo 4:2) « Fa isika koa dia nitoriana filazantsara
tahaka ireny ihany; kanefa ny teny izay efa reny dia tsy nahasoa azy, satria
tsy niharo finoana tao amin'izay nandre*. [* Na: satria tsy nampiraisin'ny
finoana tamin'izay nandre izy] » (Hebreo 4:3) « Fa isika izay nino no
miditra amin'izany fitsaharana izany, araka ny voalazany hoe: "Toy ny
nianiako tamin'ny fahatezerako hoe: Tsy hiditra amin'ny fitsaharako mihitsy
izy" (Sal. 95.11), na dia vita hatramin'ny nanorenana izao tontolo izao
aza ny asa. » (Hebreo 4:4) « Fa nilaza ny andro fahafito Izy eo
amin'ny teny anankiray araka izao: "Ary Andriamanitra nitsahatra tamin'ny
asany rehetra tamin'ny andro fahafito" (Gen. 2.3). » (Hebreo 4:5)
« Ary amin'izao koa: "Tsy hiditra amin'ny fitsaharako mihitsy
izy" (Sal. 95. 11]. » (Hebreo 4:6) « Koa satria mbola hiditra eo
ihany ny sasany, ary izay nitoriana filazantsara tamin'ny voalohany dia tsy
niditra noho ny tsi-finoana, » (Hebreo 4:7) « dia mametra andro
anankiray indray Izy, na dia efa ela toy izany aza, milaza ao amin'i Davida
hoe: "Anio", araka ny voalaza teo hoe: "Anio, raha hihaino ny
feony ianareo Aza manamafy ny fonareo" (Sal. 95.7, 8) » (Hebreo 4:8)
« Fa raha Josoa no nanome azy fitsaharana, dia tsy mba ho nilaza andro
hafa Izy tao aorian'izany. » (Hebreo 4:9) « Koa dia mbola misy sabata
fitsaharana ho an'ny olon'Andriamanitra. » (Hebreo 4:10) « Fa izay
niditra tao amin'ny fitsaharany, dia Izy* koa no nitsahatra tamin'ny asany,
tahaka an'Andriamanitra tamin'ny Azy. [* Na: izy] » (Hebreo 4:11)
« Koa aoka isika hazoto hiditra amin'izany fitsaharana izany, fandrao hisy
olona latsaka amin'ny tsi-finoana tahaka izany koa. »
FANAMARIHANA:
Ny teny rehetra hoe "fitsaharana ao amin’ny Baiboly dia avy amin'ny
teny grika katapausin, izay
midika hoe fitsaharana. Saingy, ao amin'ny Hebreo 4:9, ny "fitsaharana"
dia avy amin'ny teny grika sabbatismos,
izay midika ara-bakiteny hoe fitandremana ny Sabata.
Koa
noho ny "fitsaharana" ho
avy (katapausin), izany hoe ny
Fanjakan'Andriamanitra hidiran'ny
Isiraely ara-panahy, dia mbola misy sabbatismos na fitandremana
andro Sabata ho azy ireo. Izany dia midika fa hiditra amin'ny
"fitsaharana" amin'ny Fanjakan' Andriamanitra ny Kristiana, sahala
amin'ny fitandremany ny Sabata isan-kerinandro ankehitriny, izay ohatra
maneho izany!
NY FIAINANA KRISTIANA DIA FOMBA FIAINA IRAY
TORITENY SY FAMPIANARANA
Dr.
Rakotondravony Daniel, Fiangonan’Andriamanitra Miray
"Mahatsiarova ny Andro Sabata"
Ny
ankamaroan'ny olona milaza tena ho Kristiana dia mino fa ny Alahady no nanolo
ny Sabata andro fahafito. Na izany na tsy izany dia lasa nihevitra izy ireo fa
afaka mitandrina ny Didy fahefatra amin'ny alàlan'ny fitandremana ny alahady.
Ny sasany kosa mihevitra fa tsy ilaina ny mitandrina andro manokana ho
sabata. Mino izy ireo fa Sabata "ara-panahy" ny andro rehetra.
Inona
no fahamarinana ambaran'ny Tenin'Andriamanitra momba io didy lehibe io?
1. Rahoviana, sy tamin'ny fomba ahoana, ary iza no "nanaovana"
ny Sabata? Gen. 2: 1-3; Marka 2:28.
(Genesisy 2:1)
« Dia vita ny lanitra sy ny tany sy izay rehetra ao aminy. »
(Genesisy 2:2) « Ary tamin'ny andro fahafito dia vitan'Andriamanitra ny
asa efa nataony; ary dia nitsahatra tamin'ny andro
fahafito Izy tamin'ny asany rehetra izay efa nataony. » (Genesisy
2:3) « Ary Andriamanitra nitahy ny andro
fahafito sy nanamasina azy, satria tamin'izany no nitsaharan'Andriamanitra
tamin'ny asany rehetra izay noforoniny tamin'ny nanaovany azy. »
(Marka 2:28)
« ka dia Tompon'ny Sabata aza ny Zanak'olona. »
FANAMARIHANA: Jesosy Kristy no
"Tompon'ny Sabata" satria nanao azy Izy! (Tadidio tamin'ny
fanadihadiana nataontsika taloha fa i Kristy no "JEHOVAH"
Andriamanitra ao amin'ny Testamenta Taloha, ary Mpamorona ny zava-drehetra.) (Jaona 1:1-4)
Kristy namorona ny Sabata tamin'ny alàlan'ny fitsaharana tamin'ny andro
fahafito amin'ilay
antsoina hoe herinandro famoronana. Notahiany sy nohamasininy ny Sabata -
nametrahany ny fankasitrahan’Andriamanitra, ary natokana ho an'ny fampiasana
manokana sy tanjona fe-potoana 24 ora izay hitranga indray mandeha isaky ny
fito andro (Genesisy 2:1-3).
2. Ho an'iza no nolazain'i Jesosy fa nanaovana ny Sabata? Marka 2:27.
(Marka 2:27)
« Ary hoy Izy taminy: Ny Sabata no natao ho ny olona, fa tsy ny olona ho
an'ny Sabata. »
FANAMARIHANA: "Ny Sabata dia natao ho
an'ny olona", hoy i Jesosy. Natao ny ampitson'ny namoronana ny olombelona.
Natokana tao amin'ny Famoronana ny Sabata mba hahasoa ny olombelona rehetra.
(Koa satria i Adama no olona voalohany, noho izany izy dia
nitsangana ho solontenan'ny zanak'olombelona iray manontolo izay
nidina avy taminy.)
3. Ahoana
no nikasan'i Kristy ny Sabata mba hanome antsika izay ilaintsika? Eks. 20: 8-11;
Deot. 5: 12-15.
(Eksodosy 20:8) « Mahatsiarova ny andro Sabata
hanamasina azy. » (Eksodosy 20:9) « Henemana no hiasanao sy
hanaovanao ny raharahanao rehetra. » (Eksodosy 20:10) « Fa Sabatan'i
Jehovah Andriamanitrao ny andro fahafito; koa aza manao raharaha akory ianao
amin'izany, na ny zanakao-lahy, na ny zanakao-vavy, na ny ankizilahinao, na ny
ankizivavinao na ny biby fiompinao, na ny vahininao izay tafiditra eo
am-bavahadinao. » (Eksodosy 20:11) « Fa henemana no nanaovan'i
Jehovah ny lanitra sy ny tany sy ny ranomasina mbamin'izay rehetra ao aminy,
dia nitsahatra Izy tamin'ny andro fahafito; izany no nitahian'i Jehovah ny
andro Sabata sy nanamasinany azy. »
FANAMARIHANA: Mariho fa nanao ny andro
fahafito amin'ny herinandro ho masina Andro Andriamanitra -ary Izy mandidy
antsika hitandrina toy izany. Noho izany àry ny Sabata
dia fotoana masina. Ary natao ho fitahiana
lehibe ho an'ny zanak'olombelona rehetra izy io.
Ny teny
hoe "Sabata" dia midika hoe "fitsaharana", amin'ny teny hebreo tranainy. Fitsaharana
ara-batana tsotra sy fialan-tsasatra ara-tsaina aorian'ny asa mafy mandritry ny
herinandro no antony miharihary amin'ny Sabata. Fa
ny tena tanjon'ny Sabata dia mivelatra lavitra ivelan’ny fitsaharana amin'ny
asantsika, mandritra io andro io. Izany dia satria
ny Sabatan’ny andro fahafito dia mifamatotra tanteraka amin'ny
fikasan'Andriamanitra tsy manam-paharoa amin'ny famoronana ny olombelona.
Vanim-potoana
Tena mila ny zanak'olombelona io, mba hananany
"fifandraisana ara-panahy amin'Andriamanitra. Fotoana
hieritreretana bebe kokoa momba an’Andriamanitra ny Sabata, sy hivavahana Aminy amin'ny vavaka manokana, sy fianarana
Baiboly manokana, ary fiarahana amin'ny hafa.
4. Moa ve ny fitandremana ny andro Sabata rehetra [Fr. Mes sabbats] dia "famantarana"
manokana ifakafantaran’Andriamanitra sy ny Isiraely olony? Eks. 31: 13-17.
(Eksodosy 31:13)
« Ary dia milaza amin'ny Zanak'Isiraely ianao hoe: Ny Sabatako no tandremo; fa famantarana ho
amiko, sy ho aminareo hatramin'ny taranakareo fara mandimby izany, mba ho
fantatrareo fa Izaho no Jehovah Izay manamasina anareo. »
Fr. (Exode 31:13) « … vous garderez mes sabbats, car c'est un signe entre moi et
vous, en vos générations, pour que vous sachiez que c'est moi, l'Éternel, qui
vous sanctifie. »
(Eksodosy 31:14) « Koa tandremo ny
Sabata, fa masina aminareo izany; izay tsy manamasina azy dia hatao maty tokoa,
fa izay rehetra manao raharaha amin'izany dia hofongorana tsy ho amin'ny
fireneny. » (Eksodosy 31:15) « Henemana no hanaovana raharaha; fa ny
andro fahafito dia tena fitsaharana ka masina ho an'i Jehovah: izay rehetra manao
raharaha amin'ny andro Sabata dia hatao maty tokoa. » (Eksodosy 31:16)
« Dia hotandreman'ny Zanak'Isiraely ny Sabata hankatoavany azy hatramin'ny
taranany fara mandimby, dia fanekena mandrakizay izany. » (Eksodosy 31:17)
« Ho famantarana amiko sy amin'ny Zanak'Isiraely mandrakizay izany; fa
tamin'ny henemana no nanaovan'i Jehovah ny lanitra sy ny tany, ary tamin'ny
andro fahafito dia nitsahatra Izy ka niala sasatra. »
FANAMARIHANA: Ny fiverenana vetivety amin'ny ampahany amin'ny
tantaran'ny Isiraely dia ilaina eto. Tadidio fa andevo an'ny Egyptianina ny
Isiraelita. Nandritry
ny fotoana tany Egypta, dia norarana ny Isiraelita tsy hanompo an'ilay
Andriamanitra marina. Noterena hiasa fito andro isan-kerinandro izy ireo.
Rehefa nandeha ny fotoana dia hadinon'izy ireo ny fahalalana ny tena andro
Sabata izay noraisiny tamin'i Abrahama, sy Isaka ary i Jakoba razambeny.
Taorian'ny
namonjen'Andriamanitra tamin'ny fomba mahagaga ny Isiraelita teo an-tànan'ny
mpampiasa azy, dia nanambara tamin'izy ireo ny andro fahafito tamin'ny
fanomezana mana avy sasaka tamin'ny andro fahenina amin’ny herinandro (zoma),
sy ny fihazonana mana ho amin'ny andro fahafito (sabotsy), ary nibaiko azy ireo
hitsahatra amin'izany andro izany (Eks. 16: 22-30).
(Eksodosy 16:22)
« Ary nony tamin'ny andro fahenina dia nanangona avy sasaka noho ny
isan'andro ny olona, dia indroan'ny vata omera ho an'ny isan-olona avy; dia avy
ny lohan'ny fiangonana ka nanambara tamin'i Mosesy. » (Eksodosy 16:23)
« Ary hoy Mosesy taminy: Izao no lazain'i Jehovah: Rahampitso dia tena
andro fitsaharana masina ho an'i Jehovah; koa manendasa izay hendasinareo, ary
mahandroa izay handrahoinareo, ary izay sisa rehetra dia avelao ho anareo,
hotehirizina ho tra-maraina. » (Eksodosy 16:24) « Dia namela izany ho
tra-maraina izy, araka izay nandidian'i Mosesy; ary tsy mba maimbo na niteraka
olitra izany. » (Eksodosy 16:25) « Ary hoy Mosesy: Hano ireny anio,
fa Sabata ho an'i Jehovah anio, ka anio no tsy hahitanareo azy any
an-tsaha. » (Eksodosy 16:26) « Henemana no hanangonanareo azy; fa
Sabata ny andro fahafito, ka dia tsy hisy amin'izany. » (Eksodosy 16:27)
« Ary nony tamin'ny andro fahafito dia nisy olona nivoaka hanangona, fa
tsy nahita na dia kely akory aza. » (Eksodosy 16:28) « Ary hoy
Jehovah tamin'i Mosesy: Mandra-pahoviana no handavanareo tsy hitandrina ny
didiko sy ny lalàko? » (Eksodosy 16:29) « Saino fa Jehovah no nanome
anareo ny Sabata, koa izany no anomezany anareo mofo ampy ho indroa andro
amin'ny andro fahenina; samia mitoetra eo amin'ny fitoerany avy ianareo, ka
aoka tsy hisy hiala amin'ny fitoerany amin'ny andro fahafito. » (Eksodosy
16:30) « Dia nitsahatra ny olona tamin'ny andro fahafito. »
Tadidio
ihany koa fa ny fahagagana momba ny mana dia nitohy nandritry ny 40 taona
nandehanan'izy ireo tany an-efitra; (andininy faha-35). Rehefa avy nanambara ny
andro Sabata marina Andriamanitra, dia nanokana ny didin'ny Sabata tao
an-tendrombohitra Sinay, tamin'ny fampidirana azy ho iray amin'ireo didy lehibe
folo, izay nosoratany tamin'ny vato fisaka roa.
Mba
hahatsiarovan'ny Isiraelita indrindra fa Andriamanitra mandrakizay dia Mpamorona,
Mpiahy ary Mpanapaka Avo indrindra amin'ny zavaboariny rehetra,
dia notendren'Andriamanitra ny fitandremana ny Sabata ho hany "famantarana"
lehibe izay ahatsiahivan'izy ireo mandrakariva hoe iza Jehovah, ary iza izy
ireo.
Firenena
maro hafa no nanana lalàna izay nitovy tamin'ny lalàn'Andriamanitra. Ny sasany
nanana lalàna ara-pitondrantena somary henjana, mazàna heloka bevava (oh:
amin'ny famonoana olona sy ny halatra). Saingy tsy nisy lalàna nitaky azy ireo
hitandrina ny Sabatan’ny andro fahafito an'ny Mpamorona. Ary noho izany dia io
lalàn’Andriamanitra iray io no nampiavaka an'i Isiraely tamin'ny firenena hafa
rehetra.
Avy roa
heny ny fampitandreman’Andriamanitra ny Sabata tamin'ny fanaovany izany ho
fanekena manokana Aminy sy ny Isiraely olony: Ny
Sabata dia sady fahatsiarovana ny famoronana no alokaloky
Fanjakana arivo taona ho avy (samy
Sabata fitsaharana). (Ny Sabata dia efa iray
amin'ireo Didy Folo, izay nomen'Andriamanitra an'i Mosesy, fotoana fohy
talohan'ny nanaovana ny fanekena taloha.)
Ny fitandremana
ny Sabata dia natao ho fanekena mandrakizay (Eks. 31:16), ary famantarana ny
olon'Andriamanitra.
(Eksodosy 31:16)
« Dia hotandreman'ny Zanak'Isiraely ny Sabata hankatoavany azy hatramin'ny
taranany fara mandimby, dia fanekena mandrakizay izany. »
Toy
izany koa ankehitriny, ny fitandremana ny Sabata andro fahafito dia iray
amin'ireo famantarana manampy amin'ny famaritana ireo izay
vahoakan'Andriamanitra ankehitriny.
5.
Mampiharihary mazava tsara ve ny Baiboly fa ny tena Kristiana dia izay
tonga israelita ara-panahy, izay "taranak'i" Abrahama avy
amin'ny alalàn'i Jesosy Kristy? Gal 3: 28-29; Rom. 4:16; 9: 4.
(Galatiana 3:28)
« Tsy misy intsony na Jiosy na Grika, na andevo na tsy andevo, na lahy sy
vavy; fa iray ihany ianareo rehetra ao amin'i Kristy Jesosy. » (Galatiana
3:29) « Fa raha an'i Kristy ianareo, dia taranak'i Abrahama sy mpandova
araka ny teny fikasana. »
(Romana 4:16)
« Koa finoana no andovana, mba ho araka ny fahasoavana, hahatò ny teny
fikasana ho an'ny taranaka rehetra, - tsy ho an'izay amin'ny lalàna ihany, fa
ho an'izay amin'ny finoan'i Abrahama koa, dia ilay razantsika rehetra - »
(Romana 9:4)
« Izay Isiraelita sady manana ny fananganan'anaka sy ny voninahitra sy ny
fanekena sy ny fanomezana ny lalàna sy ny fombam-pivavahana ary ny teny
fikasana. »
FANAMARIHANA: Andriamanitra nanao ny
fanekena manokana momba ny Sabata tamin’ny alalan’ny "voa"
ara-batan’i Abrahama. Hankatoavina hatramin'ny taranany fara mandimby izany. Ankehitriny,
ny Kristiana rehetra notorontoronin’ny Fanahy
dia tonga "voa" ara-panahin'i Abrahama
tamin'ny alàlan'ny finoana an'i Kristy, ary noho
izany dia manana adidy hitandrina ny andro Sabata izy ireo!
6.
Jesosy Kristy ve nitandrina ny Sabata? Lioka 4:16, 31.
FANAMARIHANA: Nanatrika fotoam-pivavahana
tamin'ny andro Sabata i Jesosy "araka ny fanaony." Tamin'izany no
nanatanterahany ny didin’Izy tenany hiangona amin'ny fotoam-pivavahana isaky ny
Sabata (Lev. 23: 3). Io no andro izay hotandremany, mazava ho azy, satria Izy
no Ilay nanao ny Sabata tany am-boalohany, sy nandidy izany hotandremana ho
masina!
7. Misy
porofo ara-Baiboly ve fa nitandrina ny Sabata ny fiangonan’ny Testamenta
Vaovao? Asan'ny Apostoly 13: 14-15, 42-44; 14: 1; 17: 1-2; 18: 1-11.
(Asan'ny Apostoly
13:14) « Ary rehefa niala tany Peryga izy ireo, dia nandroso nankany
Antiokia any Pisidia, dia niditra tao amin'ny synagoga tamin'ny andro Sabata ka
nipetraka teo. » (Asan'ny Apostoly 13:15) « Ary rehefa vita ny
famakiana ny lalàna sy ny mpaminany, ny mpanapaka ny synagoga dia nampilaza
taminy ka nanao hoe: Ry rahalahy, raha misy fananarana hataonareo amin'ny
olona, dia ataovy. »
(Asan'ny Apostoly
13:42) « Ary rehefa nivoaka izy, dia nangatahiny holazaina aminy indray
izany teny izany amin'ny Sabata manaraka. » (Asan'ny Apostoly 13:43)
« Ary rehefa nirava ny fiangonana, dia maro tamin'ny Jiosy sy ny proselyta
izay nanompo an'Andriamanitra no nanaraka an'i Paoly sy Barnabasy, izay niteny
taminy ka namporisika azy haharitra amin'ny fahasoavan'Andriamanitra. »
(Asan'ny Apostoly 13:44) « Ary nony tamin'ny Sabata manaraka, dia saiky
tafangona avokoa ny tao an-tanàna hihaino ny tenin'Andriamanitra. »
[Ny nitorian'i Paoly sy Barnabasy teny tany Ikonioma sy
Lystra ary Derbe, sy ny niverenany nankany Antiokia indray] (Asan'ny Apostoly 14:1) « Ary nony tany Ikonioma
Paoly sy Barnabasy, dia niara-niditra tao amin'ny synagogan'ny Jiosy izy ka
nitori-teny, ka dia olona betsaka no nino, na Jiosy na jentilisa*. [* Gr.
Grika] »
[Ny nankanesan'i Paoly sy Silasy tany Tesalonika sy
Beria] (Asan'ny Apostoly
17:1) « Ary rehefa nandeha namaky an'i Amfipolia sy Apolonia izy, dia
tonga tao Tesalonika, ary nisy synagogan'ny Jiosy tao. » (Asan'ny Apostoly
17:2) « Ary Paoly dia niditra tao araka ny fanaony; ary Sabata telo no
niadiany hevitra avy amin'ny Soratra Masina tamin'ny olona tao. »
8. Moa
ve "fomban'i" Paoly (Asa. 17: 2), toy ny “fanaon'i” Kristy (Lio.
4:16), ny fitandremana ny Sabata, satria Paoly nahatsapa toy izany, na hoe koa
Jesosy Kristy nitoetra tao aminy? Akaikin'i Gay. 2:20. Moa ve ny sitrapon’i
Kristy tsy miova sy mitoetra mandrakizay? Heb. 13: 8.
(Hebreo 13:8)
« Jesosy Kristy no tsy miova omaly sy anio ary mandrakizay. »
FANAMARIHANA: Mazava be fa nitandrina ny
Sabata tamin'ny andro fahafito ny Apostoly Paoly. Ary raha i Kristy no miaina
ny fiainany ao amintsika anio amin'ny alàlan'ny Fanahy Masina, tahaka ny
nataony tamin'i Paoly, dia hitandrina ny andro notandreman'i Jesosy sy i Paoly
koa isika! (I Kor. 11: 1.)
(1 Korintiana 11:1)
« Aoka hanahaka ahy ianareo, dia tahaka ny anahafako an'i Kristy. »
9.
Inona no ampitandremana ny Kristiana rehetra ao amin'ny Hebreo 3: 8-13?
(Hebreo 3:8)
« Aza manamafy ny fonareo tahaka ny tamin'ny fahasosorana, tamin'ny andro
fakam-panahy tany an-efitra, » (Hebreo 3:9) « Izay nakan'ny razanareo
fanahy Ahy tamin'ny nizahany toetra Ahy, ary nahita ny asako efa-polo taona
izy. » (Hebreo 3:10) « Koa tezitra tamin'izany taranaka izany Aho ka
nanao hoe: Ireo dia maniasia amin'ny fony mandrakariva ka tsy nahalala ny lalako; »
(Hebreo 3:11) « Ary araka izany no nianianako tamin'ny fahatezerako hoe:
Tsy hiditra amin'ny fitsaharako mihitsy izy" (Sal. 95.7-11). »
(Hebreo 3:12) « Tandremo, ry rahalahy, fandrao hisy aminareo hanana fo
ratsy tsy mino ka hiala amin'Andriamanitra velona; » (Hebreo 3:13)
« fa mifananara isan'andro, raha mbola atao hoe "Anio"; fandrao
hisy aminareo ho tonga mafy fo noho ny famitahan'ny ota. »
Ny
fikomiana ve, indrindra ny fandikana ny Sabata rehetra [Fr. Mes Sabbats], no antony
nanakanan'Andriamanitra ny Zanak'Israely taloha tsy hiditra amin'ny
"fitsaharany"? Ezek. 20: 12-13, 15-16.
(Ezekiela 20:12)
« Ary nomeko azy koa ny Sabatako ho famantarana ho amiko sy ho aminy mba
ho fantany fa Izaho Jehovah no manamasina azy. » (Ezekiela 20:13)
« Kanjo niodina tamiko tany an-efitra ihany ny taranak'Isiraely, ka tsy
nandeha araka ny didiko izy, fa nanamavo ny fitsipiko, izay mahavelona ny olona
manaraka izany, ary nandoto dia nandoto ny Sabatako izy, dia hoy Izaho: Haidiko
aminy any an-efitra ny fahatezerako hahalany ringana azy. »
(Ezekiela 20:15)
« Ary Izaho dia nanangan-tanana taminy tany an-efitra koa fa tsy hitondra
azy ho any amin'ny tany efa nomeko azy, izay tondra-dronono sy tantely sady
tena endriky ny tany rehetra, » (Ezekiela 20:16) « satria efa
nanamavo ny fitsipiko izy ary tsy nandeha araka ny didiko, fa nandoto ny
Sabatako; fa ny fony dia nanaraka ny sampiny. »
FANAMARIHANA: Satria nanjary mpikomy sy
nandoto ny sabatan'Andriamanitra ny Isiraely, dia tsy navelan'Andriamanitra
hiditra ao amin'ny Tany Nampanantenaina - ny tandindon'ny
fanjakan'Andriamanitra. Ireo Isiraelita notarihin'i Mosesy ireo
dia nitodi-doha nankany amin'ny Tany Nampanantenaina, sahala amin’izay
itarihana ankehitriny ny vahoaka
notoronotoronin’ny Fanahy Masina hiditra
any amin'ny Fanjakan'Andriamanitra.
Ny teny
hoe "fitsaharana" ao amin'ny Heb. 3:11 dia nadika avy amin'ny teny grika katapausin, izay faritana ho "fitsaharana"
na "toerana fitsaharana." Araka ny ampiasana an'ity andininy
ity, ny teny dia nanondro ny "fitsaharana" ho an'ny Isiraely taloha
tamin'ny fivezivezeny tany an'efitra, rehefa niditra tao amin'ny Tany
Nampanantenaina izy. Izany dia OHATRA manondro ny fitsaharana ara-panahy
ho an'ny Kristiana teraka ho Zanaka tsy mety maty
ao amin'ny Fanjakan'ny ANDRIAMANITRA!
(Hebreo 3:11)
« Ary araka izany no nianianako tamin'ny fahatezerako hoe: Tsy hiditra
amin'ny fitsaharako mihitsy izy" (Sal. 95.7-11). »
10.
Noho ny tsy finoan'izy ireo ve no nahatonga ny Isiraelita tsy nankatò, koa dia
voasakana tsy hiditra amin'ny "fitsaharany" izy - izany hoe ny tany
Kanana? Heb. 3:19; 4: 1-2.
(Hebreo 3:19)
« Ka dia hitantsika fa tsy nahazo niditra izy ireo noho ny
tsi-finoany. » (Hebreo 4:1) « Koa na dia mbola misy teny fikasana fa
hiditra any amin'ny fitsaharany aza isika, dia aoka isika hatahotra, fandrao
mba misy eo aminareo toa tsy mahatratra izany. » (Hebreo 4:2) « Fa
isika koa dia nitoriana filazantsara tahaka ireny ihany; kanefa ny teny izay
efa reny dia tsy nahasoa azy, satria tsy niharo finoana tao amin'izay nandre*.
[* Na: satria tsy nampiraisin'ny finoana tamin'izay nandre izy] »
FANAMARIHANA: Koa satria tsy nino
an'Andriamanitra ny Isiraelita, noho izany dia tsy natoky Azy, ary "nanamafy
ny fony".
Nandoto ny Sabatan’i Jehovah rehetra izy ireo, nefa dia ny fitandremana ny
Sabata no tena itsapan’i Jehovah na hitandrina ny didiny ny olona na tsia ("mba hizahako
toetra azy ireo, na handeha manaraka ny lalàko izy na tsia" - Eks. 16: 4); koa hoy Andriamanitra ny
amin'izany taranaka izany: "Tsy hiditra amin'ny fitsaharako mihitsy izy"
(Heb. 3:11).
Ary tsy
nisy afa-tsy i Josoa sy Kaleb mahatoky tamin'io taranaka io ihany no niditra ny
Tany Nampanantenaina. Fa ny taranaka mandimby, ireo zaza teraka teny an-dalana
nandritra ny 40 taona, no niditra niaraka tamin'izy roa lahy. Tany
am-piandohana dia nampanantena an'ity tany ity tamin'i Abrahama ho an'ny
taranany Andriamanitra; ary na nanota ny Isiraelita na tsia, dia tsy maintsy
nitana ny teny nomeny Andriamanitra.
Mariho
fa talohan'ny niampitan'ny taranaka faharoan'ny israelita ny Reniranon'i
Jordana nankany amin'ny Tany Nampanantenaina, dia hoy i Josoa tamin'ireo
lehilahy avy tamin'ny foko telo: "Jehovah Andriamanitrareo manome fitsaharana ho
anareo, ary homeny ho anareo izao tany izao" (Jos 1: 13).
11. Fa raha mino sy mankatò an'Andriamanitra ny Kristiana ao amin'ny Testamenta Vaovao, azony
atao ve ny miditra amin'ny "fitsaharany" – dia ny fiainana mandrakizay ao amin'ny Fanjakan'Andriamanitra?
Heb. 4: 3, teny sivy voalohany, ary andininy 11.
(Hebreo 4:3)
« Fa isika
izay nino no miditra amin'izany fitsaharana izany, araka ny
voalazany hoe: "Toy ny nianiako tamin'ny fahatezerako hoe: Tsy hiditra
amin'ny fitsaharako mihitsy izy" (Sal. 95.11), na dia vita hatramin'ny
nanorenana izao tontolo izao aza ny asa. »
(Hebreo 4:11)
« Koa aoka isika hazoto hiditra amin'izany fitsaharana izany, fandrao hisy
olona latsaka amin'ny tsi-finoana tahaka izany koa. »
FANAMARIHANA: Mazava be ny valiny: Ny tena
finoana dia miteraka fankatoavana! Raha tena mino ny Tenin'Andriamanitra ny
olona dia mitandrina ny Sabata!
12. Moa
ve ny tena mpino hitandrina ny andro Sabata isan-kerinandro ho mariky ny
"fitsaharany" ho avy ao amin'ny Fanjakan'Andriamanitra? Heb. 4: 9.
(Hebreo 4:9)
« Koa dia mbola misy sabata fitsaharana ho an'ny
olon'Andriamanitra. »
FANAMARIHANA:
Ny teny rehetra hoe "fitsaharana ao amin’ny Baiboly dia avy amin'ny
teny grika katapausin, izay
midika hoe fitsaharana. Saingy, ao amin'ny Hebreo 4:9, ny "fitsaharana"
dia avy amin'ny teny grika sabbatismos,
izay midika ara-bakiteny hoe fitandremana ny Sabata (asehon'ny ankamaroan'ny
fandikan-teny amin’ny sisin'ny Baiboly).
Koa
noho ny "fitsaharana" ho
avy (katapausin), izany hoe ny
Fanjakan'Andriamanitra hidiran'ny
Isiraely ara-panahy, dia mbola misy sabbatismos na fitandremana
andro Sabata ho azy ireo. Izany dia midika fa hiditra amin'ny
"fitsaharana" amin'ny Fanjakan' Andriamanitra ny Kristiana, sahala
amin'ny fitandremany ny Sabata isan-kerinandro ankehitriny, izay ohatra
maneho izany!
13.
Inona no famporisihana fanampiny omena ny Kristiana momba ny fidirana amin'ny
"fitsaharany" mandrakizay? Heb. 4: 10-11.
(Hebreo 4:10)
« Fa izay niditra tao amin'ny fitsaharany, dia Izy* koa no nitsahatra
tamin'ny asany, tahaka an'Andriamanitra tamin'ny Azy. [* Na: izy] »
(Hebreo 4:11) « Koa aoka isika hazoto hiditra amin'izany fitsaharana izany,
fandrao hisy olona latsaka amin'ny tsi-finoana tahaka izany koa. »
Aiza no
mety alehan'izy ireo mba hahazoana fanampiana ilain'ny mpino hankatò
an'Andriamanitra? Hebreo 4:14-16.
(Hebreo 4:14)
« Koa satria Isika manana Mpisoronabe lehibe, Izay lasa namaky ny lanitra,
dia Jesosy, Zanak'Andriamanitra, aoka isika hihazona ilay efa
nekentsika. » (Hebreo 4:15) « Fa isika tsy manana mpisoronabe izay
tsy mahay miara-mitondra ny fahalementsika, fa Izay efa nalaim-panahy tamin'ny
zavatra rehetra tahaka antsika, kanefa tsy nanana ota. » (Hebreo 4:16)
« Koa aoka isika hanatona ny seza fiandrianan'ny fahasoavana amin'ny
fahasahiana, mba hahazoantsika famindram-po sy hahitantsika fahasoavana ho
famonjena amin'izay andro mahory*. [* Gr. tandrifin'izany] »
FANAMARIHANA: Izao anoratan’ny Revised
Standard Version ny Hebreo 4: 10-11: "Fa na iza na iza miditra amin'ny fitsaharan'Andriamanitra [ny Fanjakan'Andriamanitra] dia mitsahatra amin'ny asany koa, tahaka ny
nataon'Andriamanitra tamin'ny Azy [tamin'ny andro fahafito taorian'ny andro fiasana enina
famoronana]. Koa aoka isika
hazoto miditra amin'izany fitsaharana izany, mba tsy hisy hianjera amin'ny tsy
fankatoavana [tahaka
ny nataon'ny Isiraely taloha]. "
Tsy
tokony hatao ambanin-javatra ny fitandremana ny Sabata andro fahafito, satria sady fahatsiarovana no alokaloka ny Sabata. Fahatsiarovana
ny Famoronana ary
tandindon'ny "fitsaharana" ho avy mandrakizay, hidiran'ny
Kristiana notorontoronin’ny Fanahy rehefa teraka tao amin'ny
Fianakavian'Andriamanitra mandrakizay.
14. Nandidy
ny firenen'Israely rehetra ve Andriamanitra mba hanao “fivoriana masina” amin'ny
Sabata? Lev. 23: 3; Nom. 28:25.
(Levitikosy 23:3)
« Henemana no hanaovana raharaha; fa ny andro fahafito dia tena andro
fitsaharana, dia fivoriana masina; aza manao raharaha akory ianareo, fa
Sabata ho an'i Jehovah eny amin'izay fonenanareo rehetra izany. »
(Nomery 28:25)
« Ary amin'ny andro fahafito dia hisy fivoriana masina ho anareo;
aza manao tao-zavatra akory. »
Inona
no fananarana omena ny Kristiana amin'ny Testamenta Vaovao momba ny fivoriana
masina? Heb. 10:25.
(Hebreo 10:25)
« aza mahafoy ny fiarahantsika miangona, tahaka ny fanaon'ny sasany, fa
mifananara kosa, mainka satria hitanareo fa mihantomotra ny andro. »
FEHINY
Tahaka
ny fotoam-pivavahana nataon’ny Kristiana voalohany tao amin'ny Testamenta
Vaovao isaky ny andro Sabata, dia toy izany koa no ivorian’ny mpino amin’ny
Fiangonan'Andriamanitra Miray ankehitriny, amin'ny Sabata masina rehetra
notendren’i Jehovah: Ny andro fahafito
isan-kerinandro sy ny andro masina
fito isan-kerintaona. Ny Fiangonan'Andriamanitra Miray dia manana
fiangonana eran'izao tontolo izao. Isak’ireo Sabata ireo, ny
vahoakan'Andriamanitra dia mivory mba hahazo torolàlana ara-panahy sy
aingam-panahy avy amin'ny Tenin'Andriamanitra, araka ny fanazavana avy amin'ny
minisitr’Andriamanitra ao amin’ny Fiangonany: apostoly, mpaminany, evanjelista, mpiandry sy mpamianatra (Efes. 4:
11-13).
(Efesiana 4:11)
« Ary Izy no nanome ny sasany ho Apostoly, ary ny sasany ho mpaminany, ary
ny sasany ho evanjelista, ary ny sasany ho mpiandry sy mpampianatra, »
(Efesiana 4:12) « ho fanatanterahana ny olona masina, ho amin'ny asan'ny
fanompoana amin'ny fiangonana*, ho amin'ny fampandrosoana ny tenan'i Kristy, [*
Gr. eklesia] » (Efesiana 4:13) « mandra-pahatongantsika rehetra ho
amin'ny firaisan'ny finoana sy ny fahalalana tsara ny Zanak'Andriamanitra, ka
ho lehilahy lehibe, mahatratra ny ohatry ny halehiben'ny fahafenoan'i Kristy. »
Mihaino
am-pitandremana ireo minisitra ny mpikambana, izay mamelabelatra ny fomba
fiaina Kristiana araka ny ambaran'ny Baiboly.
Alohan'ny
sy aorinan'ny fotoam-pivoriana, ny mpikambana dia miara-mifaly sy mifampahery,
mahazo finamanana vaovao sy manamafy ny fisakaizana.
Ho an’Andriamanitra irery anie ny
voninahitra!