SEKOLY SABATA
FITANDREMANA
NY DIDY FOLO
Dr. Rakotondravony Daniel, Fiangonan’Andriamanitra
Miray
Jesosy Kristy dia nitory ny Filazantsaran'ny Fanjakan'Andriamanitra. Nanambara izy hoe: "... mibebaha ianareo ka minoa ny filazantsara"
(Marka 1:15). Imbetsaka ny Baiboly no
mampianatra ny fibebahana amin'ny ota, izany hoe miala amin’ny fandikana
ny lalàn'Andriamanitra lehibe ara-panahy, satria: (1 Jaona 3:4) « Izay rehetra manota no
mandika ny lalàna; fa ny ota no fandikana ny lalàna. » Ny lalàna dia voafintina amin'ny Didy Folo, izay
fitsipika lehibe indrindra eran'izao tontolo izao.
Araka ny efa nianarantsika
tamin'ny fianarana ny Baiboly, ny fibebahana no dingana voalohany mankany
amin'ny famonjena. Alohan'ny famelana ny fahotantsika dia tsy maintsy mibebaka
(miala) amin'ny fandikana ny lalàny isika. (Mpitoriteny 12:13) « Andriamanitra no atahory,
ary ny didiny no tandremo, fa izany no tokony hataon'ny olona rehetra. ». Andao hodinihina ankehitriny ny hevi-dehibe momba ny
Didy Folo, ary hojerena ny fampiharana azy amin'ny fomba fiaina Kristiana.
1. Voasoratra ao anaty Baiboly
ho antsika ve ny Didy Folon'Andriamanitra? Eks. 20: 1-17; Deot. 5: 6-21.
Eks 20 1-17)
[Ny nanomezan'Andriamanitra ny Didy Folo]
(Eksodosy 20:1)
« Dia nilaza izao teny rehetra izao Andriamanitra ka nanao hoe: »
(Eksodosy 20:2) « Izaho no Jehovah Andriamanitrao, Izay nitondra anao
nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta, tamin'ny trano nahandevozana. »
(Eksodosy 20:3)
« Aza manana andriamani-kafa, fa Izaho ihany. »
(Eksodosy 20:4)
« Aza manao sarin-javatra voasokitra ho anao, (Eksodosy 20:5)
« Aza miankohoka eo anatrehany, ary aza manompo azy; fa Izaho, Jehovah
Andriamanitrao, dia Andriamanitra saro-piaro ka mamaly ny heloky ny ray amin'ny
zanaka hatramin'ny zafiafy sy ny zafindohalika, dia amin'izay mankahala
Ahy; » (Eksodosy 20:6) « nefa kosa mamindra fo amin'ny olona arivo
mandimby izay tia Ahy ka mitandrina ny didiko. »
(Eksodosy 20:7)
« Aza manonona foana ny anaran'i Jehovah Andriamanitrao;
(Eksodosy 20:8)
« Mahatsiarova ny andro Sabata hanamasina azy. » (Eksodosy
20:9) « Henemana no hiasanao sy hanaovanao ny raharahanao rehetra. »
(Eksodosy 20:10) « Fa Sabatan'i Jehovah Andriamanitrao ny andro fahafito;
koa aza manao raharaha akory ianao amin'izany, na ny zanakao-lahy, na ny
zanakao-vavy, na ny ankizilahinao, na ny ankizivavinao na ny biby fiompinao, na
ny vahininao izay tafiditra eo am-bavahadinao. » (Eksodosy 20:11)
« Fa henemana no nanaovan'i Jehovah ny lanitra sy ny tany sy ny ranomasina
mbamin'izay rehetra ao aminy, dia nitsahatra Izy tamin'ny andro fahafito; izany
no nitahian'i Jehovah ny andro Sabata sy nanamasinany azy. »
(Eksodosy 20:12)
« Manaja ny rainao sy ny reninao mba ho maro andro ianao ao amin'ny
tany izay omen'i Jehovah Andriamanitrao ho anao. »
(Eksodosy 20:13)
« Aza mamono olona. »
(Eksodosy 20:14)
« Aza mijangajanga. »
(Eksodosy 20:15)
« Aza mangalatra. »
(Eksodosy 20:16)
« Aza mety ho vavolombelona mandainga hanameloka ny namanao. »
(Eksodosy 20:17)
« Aza mitsiriritra ny tranon'ny namanao; aza mitsiriritra ny
vadin'ny namanao, na ny ankizilahiny, na ny ankizivaviny, na ny ombiny, na ny
borikiny, na izay mety ho an'ny namanao akory aza. »
2. Satria tsy misy isa ny lisitra ao anaty lahatsoratra, ahoana no ahalalantsika fa misy folo ny didy? Eks. 34:28; Deot.
4:13; 10: 4.
(Eksodosy 34:28)
« Dia teo amin'i Jehovah efa-polo andro sy efa-polo alina izy sady, tsy
nihinan-kanina na nisotro rano. Ary nosoratan'i Jehovah tamin'ny vato fisaka
ny tenin'ny fanekena, dia ny Didy Folo. »
(Deotoronomia 4:13)
« Dia nambarany taminareo ny fanekeny, izay nandidiany anareo
harahina, dia ny Didy Folo ary nosoratany teo amin'ny vato fisaka
roa ireo. »
(Deotoronomia 10:4)
« Dia nasiany soratra tahaka ny teo ihany ny vato fisaka, dia ny Didy
Folo Izay nolazain'i Jehovah taminareo tao an-tendrombohitra tao amin'ny
afo tamin'ny andro nivoriana; dia nomen'i Jehovah ahy ireny. »
3. Moa ve i Abrahama patriarka
- ilay "rain'ny mpino" (Rom. 4: 16), nieritreritra fa zava-dehibe ny
fitandremana ny didin'Andriamanitra? (Romana 4:16) « Koa finoana no andovana, mba ho araka ny fahasoavana,
hahatò ny teny fikasana ho an'ny taranaka rehetra, - tsy ho an'izay amin'ny
lalàna ihany, fa ho an'izay amin'ny finoan'i Abrahama koa, dia ilay razantsika
rehetra - »
Ahoana no fiheveran'i Davida ny
fitandremana ny lalàn'Andriamanitra? Gen. 26: 5. Vakio sy fintino ny Salamo 119
rehetra. (Genesisy 26:5)
« satria efa nihaino ny feoko Abrahama ka nitandrina izay
nasaiko notandremany, dia ny didiko sy ny
teniko ary ny lalàko. »
(Salamo 119:1)
« [Salamo abidy. Fankalazana ny lalàn'Andriamanitra][ALEFA] Sambatra ny
mahitsy lalana, Izay mandeha araka ny lalàn'i Jehovah. » (Salamo 119:2)
(Salamo 119:9) « [BETA] Inona no hiarovan'ny zatovo ny lalan-kalehany tsy
ho voaloto? Ny fitandremana araka ny teninao. » (Salamo 119:17)
« [GIMELA] Asio soa aho mpanomponao, mba ho velona Ka hitandrina ny
teninao. » (Salamo 119:25) « [DALETA] Miraikitra amin'ny vovoka ny
fanahiko; Velomy aho araka ny teninao. » (Salamo 119:33) « [HE]
Jehovah ô, toroy ny lalan'ny didinao aho; Dia hotandremako hatramin'ny farany
izany. » (Salamo 119:41) « [VAO] Aoka ho tonga amiko ny
famindram-ponao, Jehovah ô, Dia ny famonjenao, araka ny teninao. » (Salamo
119:49) « [ZAINA] Tsarovy ny teny natao tamiko mpanomponao Izay
nampanantenanao ahy*.[Na: Satria nampanantenainao aho] » (Salamo 119:57)
« [HETA] Anjarako Jehovah; Minia mitandrina ny teninao aho. » (Salamo
119:65) « [TETA] Jehovah ô, efa nasianao soa ny mpanomponao, Araka ny
teninao. » (Salamo 119:73) « [JODA] Ny tananao nanao ahy sy namboatra
ahy; Ampianaro aho, mba hianarako ny didinao. » (Salamo 119:81)
« [KAFA] Ritra ny aiko, satria manina ny famonjenao aho; Ny teninao no
andrasako. » (Salamo 119:89) « [LAMEDA] Ho mandrakizay, Jehovah ô, No
nanorenanao any an-danitra ny teninao. » (Salamo 119:97) « [MEMA]
Endrey ny fitiavako ny lalànao! Fisaintsainako mandrakariva izany. »
(Salamo 119:105) « [NONA] Fanilon'ny tongotro Sy fanazavana ny lalako
ny teninao. » (Salamo 119:113) « [SAMEKA] Halako ny mpiroa
saina; Fa ny lalànao no tiako. » (Salamo 119:121) « [AINA]
Manaraka ny fitsipika sy ny fahamarinana aho; Aza manolotra ahy ho amin'ny
mpampahory ahy. » (Salamo 119:129) « [PE] Mahagaga ny
teni-vavolombelonao, Ka dia mitandrina azy ny fanahiko. » (Salamo 119:137)
« [TSADE] Marina Hianao, Jehovah ô, Ary mahitsy ny fitsipikao. »
(Salamo 119:145) « [KOFA] Ny foko rehetra no nentiko nitaraina hoe: Valio
aho, Jehovah ô; Ny didinao no hotandremako; » (Salamo 119:153)
« [RESY] Jereo ny fahoriako, ka vonjeo aho; Fa ny lalànao tsy mba
hadinoiko. » (Salamo 119:161) « [SINA] Na dia ny mpanapaka aza dia
nanenjika ahy tsy ahoan-tsy ahoana; Nefa ny teninao no atahoran'ny foko. »
FANAMARIHANA: Samy mpitandrina
ny didy i Abrahama sy i Davida. Nanaja fatratra ny lalàn'Andriamanitra izy
ireo. Izany no iray amin'ireo antony hitanan’izy roa andraikitra lehibe amin'ny
Fanjakan’Andriamanitra ho avy eto an-tany.
Nanoratra i Davida hoe: (Salamo 119: 97) "Endrey ny fitiavako ny lalànao!
Fisaintsainako mandrakariva izany." Ny
fahazaran'i Davida isan'andro dia ny misaintsaina sy mandinika ny
lalàn'Andriamanitra. (Salamo
119:105) « [NONA] Fanilon'ny tongotro sy fanazavana ny lalako ny
teninao. » (Salamo 119:98) « Ny didinao mampahahendry ahy
mihoatra noho ny fahavaloko, satria ato amiko mandrakizay ireny. » Nandritra io Salamo io dia nambaran'i Davida ny
fitiavany ny lalàn'Andriamanitra ary nampiasàny izany ho fitarihana ny
fiainany.
4. Jesosy Kristy ve nitandrina
ny Didy Folo? Jaona 15:10.
(Jaona 15:10)
« Raha mitandrina ny didiko ianareo, dia hitoetra amin'ny fitiavako,
tahaka ny nitandremako ny didin'ny Raiko sy ny itoerako amin'ny
fitiavany. »
Nampianatra ny hafa hitandrina
azy ireo ve Izy? Mat. 19: 16-19.
(Matio 19:16)
« Ary, indro, nisy anankiray nanatona Azy ka nanao hoe: Mpampianatra ô*,
inona no tsara hataoko hahazoako fiainana mandrakizay?[*Na: (Mpampianatra tsara
ô)] » (Matio 19:17) « Fa hoy Jesosy taminy: Nahoana Aho no
anontanianao ny amin'izay tsara? Iray no tsara*; fa raha te-hiditra any amin'ny
fiainana ianao, tandremo ny didy.[*Na: (Nahoana Aho no ataonao tsara? Tsy misy
tsara afa-tsy iray ihany dia Andriamanitra.)] » (Matio 19:18) « Hoy
ralehilahy taminy: Inona avy moa? Dia hoy Jesosy: Ny hoe: Aza mamono olona, Aza
mijangajanga, Aza mangalatra, Aza mety ho vavolombelona mandainga, »
(Matio 19:19) « Manajà ny rainao sy ny reninao (Eks. 20:12-16), ary: Tiava
ny namanao tahaka ny tenanao (Lev. 19:18). »
FANAMARIHANA: Ireo andininy ao
amin'ny Matio 19 ireo dia mampiseho mazava tsara fa i Jesosy dia nanambara manokana ny Didy folo. Fantany fa ny Didy
folon'Andriamanitra dia hitondra fiadanam-po sy fahafaham-po ary fifaliana ho
an'ny olona na firenena misafidy ny hitandrina izany.
5. Mampiseho ve ny Baiboly fa,
ankehitriny, ny Fiangonana naorin'i Jesosy dia hampianatra fankatoavana sy
hitandrina ara-bakiteny ny Didy Folo, miampy torolàlana hafa nomen'i Kristy?
Apok. 12:17; 14:12. (Ny toko faha-12 amin'ny Apokalypsy dia maneho ny
fiangonan'Andriamanitra toy ny vehivavy.)
(Apokalypsy 12:17)
« Dia tezitra tamin'ilay vehivavy ny dragona ka lasa nandeha hiady
tamin'ny zanany sisa, izay mitandrina ny didin'Andriamanitra sy mitana ny
filazana an'i Jesosy. Ary nitsangana teo ambonin'ny fasiky ny ranomasina
izy. »
(Apokalypsy 14:12)
« Indro ny faharetan'ny olona masina, dia izay mitandrina ny
didin'Andriamanitra sy ny finoana an'i Jesosy. »
6. Masina sy marina ary tsara
ve ny Lalàn'Andriamanitra? Rom. 7:12. Moa ve ny fiadanan-tsaina dia avy amin'ny
fitandremana ny Didy Folo? Sal. 119: 165.
(Romana 7:12)
« Ka dia masina tokoa ny lalàna, ary masina ny didy sady marina
no tsara. »
(Salamo 119:165)
« Be fiadanana izay tia ny lalànao, Ary tsy misy mahatafintohina azy. »
FANAMARIHANA: Tsy misy olona
mandika ny Lalàn'Andriamanitra tsy tapaka ka hanana fiadanan-tsaina tena izy.
Hanana tahotra sy fahasosorana izy ary koa fieritreretana meloka. Fa
izay mitandrina ny Lalàn'Andriamanitra kosa dia manana fieritreretana madio.
Mihavana amin'Andriamanitra izy, amin'ny tenany sy amin'ny mpiara-monina aminy.
Manana ny "fiadanan'Andriamanitra izy, izay mihoatra ny fahalalana
rehetra" (Fil. 4: 7).
(Filipiana 4:7)
« Ary ny fiadanan'Andriamanitra, izay mihoatra noho ny fahalalana rehetra,
hiaro ny fonareo sy ny hevitrareo ao amin'i Kristy Jesosy. »
Ny Lalàn'Andriamanitra no
làlana mankany amin'ny fiadanana, fahasambarana ary fifaliana. Nomena mba
hahasambatra ny olona izy ireo, hitondra fiainana feno sy be dia be, ary
hitarika ho any amin’ny fiainana mandrakizay. Ny ratsy rehetra eto amin'izao
tontolo izao dia vokatry ny fandikana ireo Didy lehiben'Andriamanitra ireo.
7. Ahoana no nanitaran'i Jesosy
ny fitandremana ny Didy Folo? Mat. 5: 21-22, 27-28.
(Matio 5:21)
« Efa renareo fa voalaza tamin'ny ntaolo hoe: Aza mamono olona (Eks. 20. 13); ary izay mamono olona dia miendrika
hohelohina amin'ny fitsarana. » (Matio 5:22) « Fa Izaho kosa milaza
aminareo hoe: Izay rehetra tezitra* amin'ny
rahalahiny dia miendrika hohelohina amin'ny fitsarana; ary na zovy na zovy
no hanao amin'ny rahalahiny hoe: Olom-poana ianao, dia miendrika hohelohina
amin'ny Synedriona; ary na zovy na zovy no
hanao hoe: Foka ialahy, dia miendrika ho ao amin'ny helo** mirehitra afo.
[*Na: tezitra foana] [**Gr. Gehena] »
(Matio 5:27)
« Efa, renareo fa voalaza hoe: Aza
mijangajanga (Eks. 20. 14). » (Matio 5:28) « Fa Izaho kosa milaza
aminareo fa izay rehetra mijery vehivavy hila
azy dia efa nijangajanga taminy tam-pony sahady. »
Azon'i Jaona ve io fitsipika
io? 1 Jaona 3:15.
(1 Jaona 3:15)
« Izay rehetra mankahala ny rahalahiny dia mpamono olona; ary fantatrareo
fa tsy mba misy mpamono olona manana fiainana mandrakizay mitoetra ao
anatiny. »
Azon'i Paoly ve ny lafiny
ara-panahy amin'ny lalàn'Andriamanitra? Rom. 7:14.
(Romana 7:14)
« Fa fantatsika fa araka ny fanahy ny lalàna; fa izaho kosa nofo, namidy
ho andevon'ny ota. »
FANAMARIHANA: Jesosy tsy tonga
mba hanafoana ny Didy Folo (Mat. 5:17). Fa tonga kosa Izy hampianatra sy haneho
amin'ny ohatra ny fomba hiainana amin'ny hevitra ara-panahin'ny
Lalàn'Andriamanitra.
(Matio 5:17)
« Aza ataonareo fa tonga Aho handrava ny lalàna na ny mpaminany; tsy tonga
Aho handrava, fa hanatanteraka. »
Tamin'ny andron'ny Testamenta
Taloha dia fankatoavana ara-bakiteny ihany no notakian’Andriamanitra tamin'ny
"fiangonany". Raha lazaina amin'ny teny hafa, ny fankatoavana dia tao
amin'ny Soratra ihany, sy tamin’ny nofo. Izany dia satria ny Fiangonan'ny
Andriamanitra tao amin'ny Testamenta Taloha - ny firenena Isiraely taloha - dia
tsy nomena ny Fanahy Masina hanampy azy ireo hitandrina ny hevitra
ara-panahin'ny Didy Folo.
Fa tamin'ny andron'ny
Testamenta Vaovao dia nomen'Andriamanitra ho an'ireo olona nantsoiny ny
Fanahiny Masina. Tian’Andriamanitra ny zanany notorontoronin’ny Fanahy hanaraka
Azy amin'ny fitandremana ny hevitra ara-panahy, izany hoe ny fahafenoan'ny
Lalàny.
Mba hahazoana antoka fa ireo
mpianany tamin'ny taona rehetra dia nahatakatra an'ity fomba vaovao,
"nohamafisina" amin'ny fitandremana ny lalàna ity, manao hoe: (Isaia 42:21) « Sitrak'i Jehovah noho ny
fahamarinany ny hahalehibe ny lalàna sy ny hahabe voninahitra azy », dia nasongadin'i Jesosy ireo ohatra mandrara ny
famonoana olona sy ny fanitsakitsaham-bady. Nampianatra Izy fa ankehitriny
dia tsy tokony hifady ny vonoan'olona sy ny
fanitsakitsaham-bady ara-bakiteny ihany, fa tokony hisoroka ny fankahalana sy
ny filan'ny nofo amin'ny eritreritra koa isika.
Ny fankahalana olona dia endrika
ara-panahin’ny famonoana olona. Ny filan'ny nofo dia
fanahin'ny fanitsakitsaham-bady. Nasehon'i Kristy fa mihatra amin'ny
eritreritsika sy ny toetrantsika lalina indrindra ny didin'Andriamanitra. Andao
hojerena ny fomba ahafahantsika mitandrina ny hevitra ara-panahin’ny
Lalàn'Andriamanitra, na dia mbola tsy lavorary aza satria tsy mbola naterak'Andriamanitra
isika.
8.
Ahoana no namintinan'i Kristy ny lalàn'Andriamanitra lehibe momba ny didy folo?
Mat. 22: 36-40.
(Matio 22:36)
« Mpampianatra ô, ny didy manao ahoana moa no lehibe ao amin'ny
lalàna? » (Matio 22:37) « Dia hoy Jesosy taminy: Tiava an'i Jehovah
Andriamanitrao amin'ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra ary ny sainao
rehetra (Deo. 6. 5). » (Matio 22:38) « Izany no didy lehibe sady
voalohany. » (Matio 22:39) « Ary ny faharoa, izay tahaka azy ihany,
dia izao: Tiava ny namanao tahaka ny tenanao (Lev. 19. 18). » (Matio
22:40) « Izany didy roa izany no ihantonan'ny lalàna rehetra sy ny
mpaminany. »
Inona
no toetra mampiavaka ny toetran'Andriamanitra sy ny toetrany? 1 Jaona 4: 8, 16.
(1 Jaona 4:8)
« Izay tsy tia dia tsy mba mahalala an'Andriamanitra; fa Andriamanitra dia
fitiavana. » (1 Jaona 4:16) « Ary isika efa mahalala sy mino ny
fitiavan'Andriamanitra antsika. Andriamanitra dia fitiavana; ary izay mitoetra
amin'ny fitiavana no mitoetra ao amin'Andriamanitra, ary Andriamanitra ao
aminy. »
FANAMARIHANA:
Ny Didy Folo dia fanehoana ny fitiavan'Andriamanitra satria maneho ny
toetran'Andriamanitra, izay fintinin'ny teny hoe fitiavana. Ity fitiavana ity,
araka ny nianarantsika tamin'ny lesona teo aloha, dia tsy endrika hafa amin’ny
fitiavan’olombelona fotsiny, fa ny fitiavana masina izay avy
amin'Andriamanitra, vokatry ny Fanahy Masina (Gal. 5:22).
(Galatiana 5:22)
« Fa ny vokatry ny Fanahy kosa dia fitiavana, fifaliana, fiadanana,
fahari-po fahamoram-panahy, fanaovan-tsoa, fahamarinana. »
Satria
fitiavana Andriamanitra, dia nasehon'i Jesosy fa ny fitiavana no tanjona
ara-panahy sy tanjon'ny lalàn'Andriamanitra. Ny efatra voalohany amin'ny
Didy Folo dia mampiseho amintsika ny fomba hitiavantsika
an'Andriamanitra, raha ny enina farany kosa no mampiseho ny fomba
tokony hitiavana ny mpiara-belona amintsika rehetra.
9. Raha
manana sy mampiasa ny Fanahin'Andriamanitra isika, ny fitiavana
an'Andriamanitra izay omeny ve no ahafahantsika
"manatanteraka" na mitandrina ny Lalàn'Andriamanitra ara-panahy?
Rom. 5: 5; 13:10.
(Romana 5:5)
« ary ny fanantenana dia tsy mampahamenatra, satria ny Fanahy Masina,
Izay nomena antsika, no nentiny nampidina ny fitiavan'Andriamanitra* ho ao
am-pontsika. [* Na: ny fitiavana an'Andriamanitra] » (Romana 13:10)
« Ny fitiavana tsy manisy ratsy ny namana; koa dia ny fitiavana no
fahatanterahana ny lalàna. »
FANAMARIHANA:
Ny fitiavan'Andriamanitra nomen'ny Fanahy Masina ho an'ny Kristiana niova fo
dia naseho tao anatin'ny faritry ny Lalàn'Andriamanitra-ny Didy Folo. Miseho
voalohany indrindra amin'ny fiankohofana sy ny fanompoana an'Andriamanitra ary
ny fankatoavana azy ara-bakiteny izany; ary avy eo amin'ny fiahiana,
fangorahana, hatsaram-panahy ary fanompoana amin'ny mpiara-belona.
Ny fitiavana
an'Andriamanitra dia ahafahantsika manatanteraka ny fanahin'ny lalàna.
Tahaka ny nanazavan'ny Apostoly Paoly hoe: (Rom.13: 8-10): (Romana 13:8) « Izay tia ny namany dia efa
nahatanteraka ny lalàna. » (Romana 13:9) « Fa ny hoe: Aza
mijangajanga, aza mamono olona, aza mangalatra, aza mitsiriritra zavatr'olona
(Eks. 20. 13-17), mbamin'izay didy hafa rehetra, dia samy efa ao anatin'izao
teny izao hoe: Tiava ny namanao tahaka ny tenanao (Lev. 19. 18). » (Romana
13:10) « Ny fitiavana tsy manisy ratsy ny namana; koa dia ny fitiavana no
fahatanterahana ny lalàna. »
10.
Mety hisy ve ny fahamarinana amin'ny finoana miely hoe: ny fitiavana dia
manatanteraka ny lalàn'Andriamanitra amin'ny fomba tsy tokony hitandremana
intsony ny lalàna? 1 Jaona 5: 2-3; Jaona 14:15; 15: 9-10; II Jaona 5-6.
(1 Jaona 5:2)
« Izao no ahafantarantsika fa tia ireo zanak'Andriamanitra isika, dia ny
itiavantsika an'Andriamanitra sy ny ankatoavantsika ny didiny. » (1 Jaona
5:3) « Fa izao no fitiavana an'Andriamanitra, dia ny hitandremantsika ny
didiny, sady tsy mavesatra ny didiny. »
(Jaona 14:15)
« Raha tia Ahy ianareo, dia hitandrina ny didiko. »
(Jaona 15:9)
« Tahaka ny nitiavan'ny Ray Ahy no nitiavako anareo; tomoera amin'ny
fitiavako ianareo. » (Jaona 15:10) « Raha mitandrina ny didiko
ianareo, dia hitoetra amin'ny fitiavako, tahaka ny nitandremako ny didin'ny
Raiko sy ny itoerako amin'ny fitiavany. »
(2 Jaona 5)
« Ary mangataka aminao aho ankehitriny, tompokovavy*, tsy toy ny manoratra
didy vaovao aminao, fa ilay nananantsika hatramin'ny voalohany ihany, dia aoka
hifankatia isika. [* Na: ry Kyria] » (2 Jaona 6) « Ary izao no
fitiavana, dia ny handehanantsika araka ny didiny. Izany no didy, tahaka ny efa
renareo hatramin'ny taloha ihany, dia ny handehananareo aminy. »
FANAMARIHANA:
Nanamafy ny maha-zava-dehibe ny fitiavana ny Apostoly Jaona. Nefa tsy izy na
mpanoratra Soratra Masina hafa mihitsy no nilaza fa ny fitiavana dia mandrava,
na manolo, na manimba ny lalàn'Andriamanitra. Jaona, izay sakaiza akaiky,
mpianatra sy Apostolin'i Jesosy Kristy, dia nilaza mazava fa izay tena manana
ny fitiavana an'Andriamanitra dia hitandrina ny didin'Andriamanitra.
11. Azo
atao ve ny "mahazo" ny famonjena amin'ny alàlan'ny fankatoavana
an'Andriamanitra? Rom. 6:23; Efes. 2: 8-9.
(Romana 6:23)
« Fa fahafatesana no tambin'ny ota; ary fiainana mandrakizay no
fanomezam-pahasoavana avy amin'Andriamanitra ao amin'i Kristy Jesosy
Tompontsika. »
(Efesiana 2:8)
« Fa fahasoavana no namonjena anareo amin'ny finoana; ary tsy avy aminareo
izany, fa fanomezana avy amin'Andriamanitra; » (Efesiana 2:9) « tsy
avy amin'ny asa, fandrao hisy hirehareha. »
Nefa na
izany aza, misy afaka miditra amin'ny fanjakan'Andriamanitra ve raha mpandika
lalàna? Mat. 7:21.
(Matio 7:21)
« Tsy izay rehetra manao amiko hoe: Tompoko, Tompoko, no hiditra amin'ny
fanjakan'ny lanitra, fa izay manao ny sitrapon'ny Raiko Izay any
an-danitra. »
FANAMARIHANA:
Tsy afaka "mahazo" famonjena amin'ny fitandremana Didy Folo na lalàna
hafa ny olona iray. Ny fiainana mandrakizay dia mazava fa
fanomezan'Andriamanitra! Tsy misy olona omena tsy fahafatesana noho ny
fitandremany ny Didy Folo in-10000 tamin’ny androm-piainany!
Nefa
tsy afaka miditra amin'ny fiainana mandrakizay koa ny olona iray raha mpandika
lalàna! (Rom.
6:23; jereo etsy aloha)
Jesosy
Kristy dia nanambara mazava sy nanamafy fa ny Kristiana tokony hiezaka
hitandrina ny Didy Folo amin'ny fiainany manontolo, miaraka amin'ny fanampian’ny
Fanahy Masina, mibebaka amin’izay fahadisoana nataony, ary misaotra sy matoky
an’i Jesosy noho ny sorona nataony nisolo azy noho ny fahotany (1 Jaona 1:
7-9).
(1 Jaona 1:7)
« Fa raha mandeha eo amin'ny mazava isika, tahaka Azy eo amin'ny mazava,
dia manana firaisana isika, ary ny ran'i Jesosy Zanany no manadio antsika ho
afaka amin'ny ota rehetra. » (1 Jaona 1:8) « Raha hoy isika: Tsy
manana ota isika, dia mamita-tena, ary ny marina tsy ato anatintsika. » (1
Jaona 1:9) « Raha miaiky ny fahotantsika isika, dia mahatoky sy marina Izy
ka mamela ny fahotantsika sy manadio antsika ho afaka amin'ny tsi-fahamarinana
rehetra. »
HO AN’ANDRIAMANITRA IRERY ANIE NY
VONINAHITRA!