FANAOVANA FANATITRA SY FAHAFOLON-KARENA
TENIN’ANDRIAMANITRA
Levitikosy 27:30-34
Lioka 10:1-13
Galatiana 6 :1-10
TORITENY
Dr. Rakotondravony Daniel Fiangonan’Andriamanitra Miray
Levitikosy
27:30-34
(Levitikosy 27:30) « Ary ny ampahafolon'ny vokatra rehetra ao
amin'ny tany, na avy amin'ny tanimbary, na avy amin'ny saha, dia an'i Jehovah; masina ho an'i Jehovah izany. » (Levitikosy 27:31) « Ary
raha misy tian'ny tompony havotana ny ampahafolon'ny vokatra, dia hampiany ho
tonga avy fahenina izy. » (Levitikosy 27:32) « Ary ny amin'ny ampahafolon'ny omby, na ny
ondry, na ny osy, dia ny ampahafolon'izay rehetra mandalo eo ambanin'ny
tehin'ny mpiandry, ho masina ho an'i Jehovah. » (Levitikosy 27:33)
« Tsy hizaha ny tsara na ny ratsy izy, ary tsy hanakalo azy; ary raha misy
takalozany, dia samy ho masina avokoa izy sy ny takalony ka tsy
havotana. » (Levitikosy 27:34) « Ireo no didy izay nandidian'i
Jehovah an'i Mosesy ho amin'ny Zanak'Isiraely teo an-tendrombohitra
Sinay. »
Lalàna
ny amin’ny voady sy ny fahafolon-karena no resaka eto. Manana
ny lalàny avokoa izay rehetra atao ho andriamanitra.
Isika olombelona
mazàna mieritreritra fa ny ezaka nataon’ny tsirairay no nahazony fananana.
Fantatr'i Jehovah Andriamanitra io fironan-tsaina io, ary nilaza tamin'i Mosesy
Izy mba hampitandrina ny Isiraelita tsy hieritreritra amin'ny tenany hoe: (Deoteronomia
8: 17-18) « … Ny tanjako sy ny herin'ny tanako no nahavoriako izao harena
izao; » « fa tsarovy Jehovah Andriamanitrao, fa Izy no manome anao hery
hahavory harena, mba haoriny ny fanekeny, izay nianianany tamin'ny razanao,
tahaka ny amin'izao anio izao. » Koa ny olombelona dia tokony « hanompo an'Andriamanitra amin'ny fifaliana sy
firavoravoan'ny fony, noho ny habetsahan'ny zavatra rehetra. » (Deoteronomia
28:47).
Avy aiza ny
zon'Andriamanitra hitaky ny 10 isan-jaton'ny vokatra rehetra avy amin'ny tany? Ny fitakiany dia mifototra amin'ny
fahamarinana tsotra izay tsy dia jeren’ny olona matetika: Andriamanitra no
tompon'ny zava-drehetra, satria Izy no nahary azy!
(Salamo 24:1) « Salamo nataon'i Davida. An'i Jehovah ny tany sy izay rehetra eo
aminy. Izao rehetra izao sy ny mponina eo aminy. »
Io hevitra
fototra io dia miverimberina ao amin'ny Baiboly. Ampitahao amin'ny Eksodosy
19: 5, manao hoe: « Koa
ankehitriny, raha hihaino ny feoko tokoa ianareo ka hitandrina ny fanekeko,
dia ho rakitra soa ho Ahy mihoatra noho ny firenena rehetra ianareo; fa Ahy ny tany rehetra. »
Andriamanitra dia
nitantana hatrany ny asany eto an-tany amin'ny olombelona sy tamin'ny alalan’ny
olombelona.
Koa fanirian’Andriamanitra
ny hananan’ireo izay antsoiny
andraikitra mavitrika miaraka Aminy, mba hampahafantatra ny fomba fiainany ho
an'ny hafa amin'ny alàlan'ny fanampiana ara-bola ny asa ataon'ny Fiangonany ety
an-tany.
Ny fandoavana ampahafolon-karena dia dingana voatendrin'i Jehovah, izay
antenainy hanomezantsika voninahitra Azy,
ary hanekena fa omeny antsika ny
zava-drehetra, amin'ny alàlan'ny
famerenany ny faha-10 Aminy.
Ny fitantarana
voalohany ao amin'ny Baiboly momba an'io fanao taloha io dia hita ao amin'ny Genesis 14: 18-22. Abrahama, taorian'ny nandreseny mpanjaka efatra,
dia nanome ny ampahafolon'ny zavatra
babo tamin'ny ady tamin'i Melkizedeka,
mpisoron'Andriamanitra Avo Indrindra. Mazava fa takatr'i Abrahama fa
ny fahafolonkarena dia fomba mety
amin'ny fanajana an'Andriamanitra amin'ny fananana ara-batana.
(Genesisy 14:18) « Ary Melkizedeka, mpanjakan'i
Salema, nivoaka nitondra mofo sy divay; ary izy dia mpisoron'Andriamanitra Avo
Indrindra. » (Genesisy 14:19) « Dia nitso-drano azy Izy ka nanao hoe:
Hotahin'Andriamanitra Avo indrindra anie Abrama, dia Andriamanitra Izay nahary
ny lanitra sy ny tany; » (Genesisy 14:20) « Ary isaorana anie
Andriamanitra Avo Indrindra, Izay efa nanolotra ny fahavalonao teo an-tananao.
Dia nomen'i Abrama azy ny ampahafolon'ny zavatra rehetra. » (Genesisy
14:21) « Ary hoy ny mpanjakan'i Sodoma tamin'i Abrama: Omeo ahy ny olona,
fa ny fananana ento ihany ho anao. » (Genesisy 14:22) « Fa hoy Abrama
tamin'ny mpanjakan'i Sodoma: Izaho efa nanangan-tanana tamin'i Jehovah,
Andriamanitra Avo Indrindra, Izay nahary ny lanitra sy ny tany, »
Ny fahafolonkarena, voalohany indrindra,
dia asa fankasitrahana an'Andriamanitra Izay
loharanon'ny fisiantsika, sy ny fitahiana, sy harena rehetra. I Jakoba,
tamin'ny fanarahana ny ohatr'i Abrahama raibeny, dia nanaiky izany. Rehefa
nohamafisin'Andriamanitra taminy ny fampanantenany izay nataony tamin'i
Abrahama, dia nampanantena an’Andriamanitra i Jakoba. (Genesisy
28: 20-22) « Dia nivoady Jakoba ka nanao hoe: Raha homba ahy Andriamanitra
ka hiaro ahy amin'izao lalana alehako izao, ary hanome ahy mofo hohaniko sy
lamba hitafiako, » « ka ho tafaverina soa aman-tsara any amin'ny
tranon'ny raiko aho, dia Jehovah no ho Andriamanitro, » « ary ity
vato izay naoriko ho tsangam-bato ity ho tranon'Andriamanitra, ary izay rehetra homenao ahy, dia homeko
Anao tokoa ny ampahafolony. »
Lioka 10:1-13
Jesosy Kristy naniraka ny mpianany hitondra ny filazantsara amin'izao tontolo
izao, mba hahatratra ny firenena rehetra ny fahamarinana mahagaga izay
nambarany, ary hampianarina ireo izay antsoin'Andriamanitra ny fomba fiainany
(Matio 28: 18-20).
Ary eto Jesosy naniraka
fitopolo lahy hiloha Azy ka niresaka toy izao ao amin’ny Lioka
10:1-13:
(Lioka 10:1) « Ary nony afaka izany, ny Tompo
nanendry olona hafa koa, dia fito-polo lahy, ka naniraka azy tsiroaroa hialoha
Azy any amin'ny tanàna sy ny tany rehetra izay efa halehany. » (Lioka
10:2) « Ary hoy Izy taminy: Be ny
vokatra, fa ny mpiasa no vitsy; koa amin'izany mangataha amin'ny Tompon'ny vokatra mba hampandehanany mpiasa hamory ny
vokatra. »
(Lioka 10:3) « Mandehana; indro, Izaho maniraka anareo tahaka ny zanak'ondry
eo ampovoan'ny amboadia*.[* lopa] »
Inona no ambaran’ny Zanak’ondry eo amin’ny Planin’Andriamanitra hamonjy ny
olommbelona? Valiny: Jesosy Kristy. Asa masina no anirahan’i Jesosy Kristy, ary
ohariny amin’ny Zanak’ondry Mpamonjy isika. Maniraka antsika Izy, hitory ny
Filazantsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra amin’ny olona tsy mahalala sy very noho
ny fahotana. Ny olona itoriana anefa (olombelona hovonjena) dia mety tsy hino,
ary mety hanohitra sy hankahala, toy ny amboadia te-handrapaka antsika. Nefa,
raha masina amin’i Jesosy Kristy isika, dia tsy misy mahasakana ny asa
anirahany. Ary misy fitahiana lehibe ho antsika.
(Lioka 10:4) « Aza
mitondra kitapom-bola, na kitapom-batsy, na kapa; ary aza miarahaba olona
akory eny an-dalana. » (Lioka 10:5) « Ary izay trano idiranareo, dia lazao aloha hoe: Fiadanana ho amin'ity trano
ity. » (Lioka 10:6) « Ary raha
misy zanaky ny fiadanana ao, dia hitoetra ao aminy ny fiadanana tononinareo;
fa raha tsy izany, dia hiverina ho
aminareo ihany izany. »
Mitondra fiadanana ho an’izay mandray anao ny Tenin’Andriamanitra torinao
aminy, ary manakaiky azy ny Fanjakan’Andriamanitra raha mino izy. Raha tsy mino
sy tsy mandray kosa ilay olona, dia miverina amintsika ny fiadanana notononina.
(Lioka 10:7) « Ary mitoera ao amin'izany trano izany, ka mihinàna sy misotroa izay zavatra
omeny; fa ny mpiasa miendrika hahazo ny karamany. Aza mifindrafindra trano. » (Lioka 10:8) « Ary izay
tanàna iakaranareo, ka mandray anareo ny olona, dia hano izay zavatra aroso eo anoloanareo. »
Raha zanaky ny fiadana izay olona mandray, dia hanome hanina antsika,
satria « ny mpiasa* miendrika hahazo ny haniny. »
(Matio 10:10) (*ny mpitory Filazantsara).
(Lioka 10:9) « Ary sitrano izay marary ao, ka lazao
amin'ny olona hoe: Efa mby akaiky
anareo ny fanjakan'Andriamanitra. »
Tsy misaraka ny fitoriana ny
Fanjakan’Andriamanitra sy ny fampianarana
ny fiainana Kristiana, ary ny fanasitranana
marary. Manafaka amin’ny fatoran’ny
devoly koa ny Tenin’Andriamanitra.
(Lioka 10:10) « Fa izay tanàna iakaranareo, ka tsy mandray anareo kosa ny olona, dia
mankanesa eo amin'ny lalambe, ka lazao hoe: » (Lioka 10:11) « Ny vovoky ny tanànanareo aza, izay
miraikitra amin'ny tongotray, dia fafànay hiampanga anareo; nefa aoka ho
fantatrareo fa efa mby akaiky anareo ny fanjakan'Andriamanitra. » (Lioka
10:12) « Lazaiko aminareo fa ho moramora
kokoa ny ho amin'i Sodoma amin'izany andro izany noho ny ho amin'izany tanàna
izany. » (Lioka 10:13) « Lozanao, ry Korazina! lozanao, ry
Betsaida! fa raha mba tany Tyro sy Sidona no natao ny asa lehibe izay natao teo
aminareo, dia ho nibebaka ela izy ka nitafy lamba fisaonana sy nipetraka
amin'ny lavenona. »
Mbola hiatrika fitsarana amin’ny fitsanganana faharoa avokoa ny olona tsy
nanana anjara tamin’ny fitsanganana voalohany. Koa hahazo famaizana bebe kokoa
ny tanàna tsy nandray ny fitoriana nataontsika taminy, noho ireo olona
naringana noho ny fahotany tamin’ny andro tsy fahalalany (ohatra Sodoma sy
Gomora, sy Tyro sy Sidona, izay naringana tao anatin’ny tsy fahalalany
an’Andriamanitra marina, sy ny Planin’ny famonjena, ary Jesosy Kristy
Mpamonjy).
Galatiana 6:1-10
Famporisihana
ny Galatiana tsy hahavery ny fahafahany, fa hazoto handroso amin’ny
fitondrantena tsara
(Galatiana 6:1) « Ry rahalahy, raha misy olona azon'ny ota tsy nahy aza*, dia atsanganonareo izay manana ny Fanahy amin'ny fahamorana izy, ka mihevera ny tenanao, fandrao ianao koa
mba halaim-panahy ihany. [* Na: azo olan-tanana amin'izay fahadisoana
aza] »
Ny teny hoe “atsangano” dia manambara fampivoarana toetran’olona (2 Kor
13:11). Noho izany, ny fampitsanganana olona anakiray dia midika ho fitarihana
azy ho amin’ny tena fibebahana marina sy ho amin’ny fanoloran-tena tanteraka
amin’i Jesosy Kristy, sy ny làlany. Mety hisy fandraisana fepetra
ara-pitsipi-pipehezana izany, nefa raisina amin’ny “fahamorana” fa tsy min’ny
fandatsalatsana.
Izay heverin’i Paoly eto dia tsy ny fahotana lehibe izay mitondra
fahafahambaraka ho an’ny fiangonana eo anatrehan’ny fiarahamonina tsy akory
(ampit. 1 Kor 5:5). Ny fahotana toy izany mantsy dia mety hitarika fandroahana
mandritry ny fotoana voafetra hiala amin’ny fiangonanana, mialoha ny ahazoana
manantanteraka ny fampitsanganana indray (1 Kor 5:11).
(Galatiana 6:2) « Mifampitondrà izay mahavesatra, ary aoka izany no hahatanterahanareo ny
lalàn'i Kristy. » (Galatiana 6:3) « Fa raha misy manao ny tenany
ho zavatra, kanjo tsinontsinona, dia mamitaka ny tenany izy. »
Tafiditra ho anisan’ny fifampitondrana
izay mavesatra ny fanampiana ireo
olona sahirana mandritry ny fotoana aharariany, na ananany fahoriana, na andalovany
olana ara-bola. Mety ho ao an-tsain’i Paoly koa ny fanohanana ireo misionera sy mpmpianatra any am-pivahinianana (Rom
15:1; 1Kor 9:14). Ny fifampitondrana
izay mavesatra dia toetra araka
an’Andriamanitra (Sal 55:22; 1 Pet 5:7).
(Galatiana 6:6-10) « Aoka izay ampianarina ny teny mba
hahafoy zava-tsoa ho an'izay mampianatra. (Galatiana 6:7) « Aza
mety hofitahina ianareo; Andriamanitra
tsy azo vazivazina, fa izay
afafin'ny olona no hojinjany. » (Galatiana 6:8) « Fa izay mamafy ho an'ny nofony dia hijinja
fahasimbana avy amin'ny nofo; ary izay
mamafy ho an'ny Fanahy dia hijinja fiainana mandrakizay avy amin'ny Fanahy. »
Andraikitr’ireo izay
ampianarina ny Tenin’Andriamanitra ny manampy ara-pitaovana ireo mpampianatra (1 Kor
9:14; 1 Tim 5:18). Ireo izay mendrika ny hampiana amin’izany dia izay
anisan’ny mpanatanteraka ireo
karazan’asa fanompoana dimy loha (ampit Efe 4:11), ary koa ireo loholona mpampianatra mahatoky (ampit
1 Tim 5:17-18).
(Efesiana 4:11) « Ary Izy no nanome ny sasany ho Apostoly, ary ny sasany ho mpaminany, ary ny sasany ho evanjelista, ary ny sasany ho mpiandry sy mpampianatra, »
Ny fandavana tsy handray anjara
amin’ny fanampiana, raha misy ihany ny azo atao, dia midika ho famafazana fitiavan-tena, sy fijinjana fahasimbana (Galatiana
6:7-9). Ny fanampiana ireo izay manao
asa fanompoana ao amin’ny Teny dia
anisan’ny fanaovan-tsoa ho an’ireo
izay ao anatin’ny mpianakavin’ny finoana (Galatiana 6:10). “Amin’ny
foton’andro no hijinjantsika” (Galatiana 6:9) valim-pitia (Mat 10:41-42) sy
fiainana mandrakizay (Galatiana 6:8).
Ireo izay milaza ny tenany fa efa nateraka indray, na mpanaraka an’i Kristy
sady feno ny Fanahy Masina (Galatiana 6:3), nefa sady mamafy hanaovana izay mahafaly ny
nofony koa (Galatiana 5:19-21), dia tena meloka tokoa
noho ny famazivaziana sy fanaovana tsinotsinona an’Andriamanitra. Aoka tsy hisy
ho voafitaka amin’izany mihitsy, fa ny olona toy izany dia tsy maintsy hijinja
“fahasimbana” (Galatiana 6:8) sy “fahafatesana” (Rom 6:20-23); fa tsy
“fiainana mandrakizay” tsy akory (Galatiana 6:9-10).