Ny fiainana Kristiana dia fomba fiaina iray - Fiz.2

 SEKOLY SABATA

NY FIAINANA KRISTIANA DIA FOMBA FIAINA IRAY

 

FOMBA fiainana tokoa ny Kristianisma. Tsy misy zavatra miorina tsara mihoatra an’izay ao amin'ny Baiboly rehetra. Fa tena inona moa izany fomba fianina izany, ary ahoana no hampahomby antsika miaina azy?

 

NY bokin'ny Asan'ny Apostoly dia tantaran'ny fiangonan'Andriamanitra ao amin'ny Testamenta Vaovao tany am-piandohana. Mitantara ireo hetsika lehibe amin'ny endrika famintinana fohy indrindra izany. Ity boky ity dia manamarina fa ny miaina fomba Kristiana dia miaina fomba iray - manao zavatra sasantsasany - manaraka fenitra sasantsasany.

Ny iray tamin'ireo Kristiana voalohany dia lehilahy atao hoe Apolosy. Izy dia mpandahateny mahay ary mahay momba ny Soratra Masina ao amin'ny Testamenta Taloha. Sahy nitory izy. Saingy mila fahalalana bebe kokoa i Apolosy. Mpivady iray nanolo-tena tao amin'ny Fiangonan'Andriamanitra no nanome azy torolàlana fanampiny.

Mariho ny fitantarana ao amin'ny Asan'ny Apostoly 18:26, manao hoe: "... ary rehefa nandre azy Prisila sy Akoila, dia nandray azy hankao aminy ka nampianatra azy marimarina kokoa ny amin'ny lalan'Andriamanitra.". Ny tena Kristianisma, araka ny voalaza ao amin'ny Baiboly, dia "fomba fiainana", izany hoe: “Ny làlan’Andriamanitra”!

Ny Fototra Dia Ao Amin'ny Testamenta Taloha

Mpanjaka, filoham-panjakana ary tompon'andraikitra hafa amin'ny governemanta tamin'ny andron'ny Apostoly Paoly dia nanaiky ny Kristianisma ho fomba fiaina miavaka. I Paoly, izay voasambotra tao an-trano, dia niaro ny fomba fiainany – izany hoe: ny fomba Kristiana - teo anatrehan'i Feliksa, governoran'i Jodia. Jereo ny fihetsika nasehon'i Feliksa tamin'ny tenin'i Paoly: " Ary satria fantatr'i Feliksa tsaratsara kokoa ny amin'izany fampianarana* izany, dia nampandeha azy rehetra izy aloha ka nanao hoe: Rehefa tafidinay Lysia, mpifehy arivo, dia hofotorako tsara ny raharahanareo. [* Gr. lalàna] " (Asa. 24:22).

Talohan'izay dia nanazava tamin'i Feliksa i Paoly hoe: " Fa izao no ekeko aminao, fa araka ny fampianarana* izay ataony hoe fitokoana no anompoako an'Andriamanitry ny razako, sady inoako izay rehetra voasoratra eo amin'ny lalàna sy ny mpaminany, [*Gr. lalàna] " (Asa. 24:14).

Ny hevi-dehibe tokony ho fantatra dia izao: Ny fomba fiainana Kristiana dia miorim-paka ao amin'ny Testamenta Taloha. Izy io dia miorina amin'ny Didy Folo, sy ny lalàn'Andriamanitra hafa izay mifototra amin'ny fitsipiky ny "didy folo fototra".

Ny fomba fiainan'Andriamanitra no fomba fiainana mety. Ny Tenin'Andriamanitra dia manome torolàlana mahomby amin'ny fitantanana ara-bola, amin'ny fananganana sy fanatsarana ny fanambadiana, ary amin'ny fitandroana ny fahasalamana koa aza. Raha lazaina amin'ny fomba tsotra, ny Lalàn'Andriamanitra dia làlana mankany amin'ny zavatra tsara rehetra amin'ny fiainana: amin'ny fandriam-pahalemana sy fahasambarana, ary fiainana mandrakizay misy zava-bita mahafa-po!

Ny Lalàn'Andriamanitra Lehibe no Rafitra

Ny tanjon'Andriamanitra dia ny hahatonga antsika tahaka azy - hampivoarantsika ny toetrany tonga lafatra sy ara-panahy, izay azo fintinina amin'ny teny iray hoe fitiavana. Satria Andriamanitra dia fitiavana (1 Jaona 4: 8, 16), ireo zanany notorontoronin’ny Fanahy dia tokony hitombo amin'ny fitiavany.

(1 Jaona 4:8) « Izay tsy tia dia tsy mba mahalala an'Andriamanitra; fa Andriamanitra dia fitiavana. »

(1 Jaona 4:16) « Ary isika efa mahalala sy mino ny fitiavan'Andriamanitra antsika. Andriamanitra dia fitiavana; ary izay mitoetra amin'ny fitiavana no mitoetra ao amin'Andriamanitra, ary Andriamanitra ao aminy. »

Ny Baiboly dia mamaritra ny fitiavana araka an'Andriamanitra ho antsika. I Jaona, izay matetika nantsoina hoe "Apostilin'ny fitiavana", dia nanoratra hoe:

"Fa izao no fitiavana an'Andriamanitra, dia ny fitandremantsika ny didiny. Ary tsy mavesatra ny didiny" (I Jaona 5: 3).

Ny Apostoly Jakoba dia niresaka ny Didy Folo ho toy ny lalàn'ny fahalalahana (Jak. 2: 8-12). Izany dia satria manafaka ireo izay mitandrina azy amin'ny fanandevozan'ny fomba maharary an'izao tontolo izao izy ireo. Ny Didy Folo dia maneho ny fitiavana lehibe ananan'Andriamanitra amin’ny zanany.

(Jakoba 2:8) « Kanefa raha mankatò ilay didy ambony indrindra* ianareo, araka ny Soratra Masina hoe: "Tiava ny namanao tahaka ny tenanao" (Lev. 29.18), dia manao tsara ianareo. [* Gr. andriana] » (Jakoba 2:9) « Fa raha mizaha tavan'olona kosa ianareo, dia manota ka helohin'ny lalàna ho mpanota. » (Jakoba 2:10) « Fa na iza na iza mitandrina ny lalàna rehetra, nefa diso amin'ny iray loha dia meloka amin'izy rehetra. » (Jakoba 2:11) « Fa Ilay nanao hoe: "Aza mijangajanga" no nanao hoe koa: "Aza mamono olona" (Eks. 20.13, 14). Fa raha tahìny tsy mijangajanga ianao, kanefa mamono olona ihany, dia mpandika ny lalàna ianao. » (Jakoba 2:12) « Aoka ianareo hiteny sy hanao araka izay mahamendrika anareo, izay olona hotsarain'ny lalàn'ny fahafahana. »

Talohan'ny nanomboana azy tamin'ny hazo fijaliana dia nilaza tamin'ny mpianany i Jesosy Kristy hoe: (Jaona 15:10) « Raha mitandrina ny didiko ianareo, dia hitoetra amin'ny fitiavako, tahaka ny nitandremako ny didin'ny Raiko sy ny itoerako amin'ny fitiavany. »

Mifanaraka tanteraka ny fitiavan'Andriamanitra sy ny lalàny. Tsy mifanohitra izy ireo, araka ny inoan'ny sasany. Araka ny nolazain'i Jesosy mazava tsara: (Jaona 14:15) « Raha tia Ahy ianareo, dia hitandrina ny didiko. »

Didy "Fitsapana" ny Sabata Andro Fahafito

Betsaka ireo milaza ho Kristiana no manao hoe mitandrina ny Didy Folo. Na izany aza, ny ankamaroany dia tsy te hitandrina ny Sabata andro fahafito avy amin'Andriamanitra.

Vitsy no mahatsapa fa ny fitandremana ny andro Sabata dia famantarana lehibe, famantarana ny tena Kristiana. Asehon'ny Baiboly fa ny didy fahefatra dia didy fitsapana! Ny fitandremana ny Sabata amin'ny andro fahafito dia fanondroana amin'Andriamanitra ny fanoloran-tena matotra hiaina amin'ny teny rehetra avy amin'i Jehovah.

Nianarantsika tamin’ireo lesona teo aloha fa Andriamanitra dia mamaritra ny Kristiana ho olona notorontoronin’ny Fanahiny Masina (Rom. 8: 9-11).

(Romana 8:9) « Fa ianareo tsy ao amin'ny nofo, fa ao amin'ny Fanahy, raha ny Fanahin'Andriamanitra no mitoetra ao anatinareo. Fa raha misy kosa tsy manana ny Fanahin'i Kristy, dia tsy Azy izy. » (Romana 8:10) « Fa raha Kristy no mitoetra ao anatinareo, na dia maty ihany aza ny tena noho ny ota*, dia fiainana kosa ny Fanahy noho ny fanamarinana. [*Na: na dia maty ny tena noho ny ota, fa] » (Romana 8:11) « Ary raha ny Fanahin'izay nanangana an'i Jesosy tamin'ny maty no mitoetra ao anatinareo, dia Izay nanangana an'i Kristy Jesosy tamin'ny maty no hamelona ny tenanareo mety maty amin'ny Fanahiny, Izay mitoetra ao anatinareo. »

Ny Apostoly Petera dia nanasongadina ny tena lehibe indrindra momba ireo izay omen'Andriamanitra ny Fanahiny. Diniho izay nolazainy ao amin'ny Asan'ny Apostoly 5:32, manao hoe: « Ary izahay dia vavolombelon'izany zavatra izany, [Jesosy Kristy ho Mpamonjy], ary ny Fanahy Masina koa, Izay efa nomen'Andriamanitra ny manaiky Azy. »

Ny fihetsika mankatò dia iray amin'ireo toetra tadiavin'Andriamanitra ao amin’izay olona mety ho mpikambana ao amin’ny Fianakaviny. Nanentana an'i Isaia izy mba hanoratra hoe: "(Isaia 66:2b)... «  izao no olona hotsinjoviko, dia izay malahelo sy torotoro fanahy sady mangovitra noho ny teniko. »

Ny tena kristiana dia hiezaka hitandrina ny didin'Andriamanitra rehetra - ao anatin'izany ny Didy fahefatra!

Ny Sabata andro fahafito dia fampahatsiahivana antsika isan-kerinandro fa Andriamanitra dia Mpamorona, Mpanapaka ary Mpiaro an'izao tontolo izao. Ny Sabata koa dia manondro ny fiavian'i Kristy amin'ny Fanjakana Arivo Taona, rehefa hiaina "fitsaharana" amin'ny ady, sy fahantrana, sy tahotra ary fijaliana ny olombelona.

Ny fitandremana ny Sabata indraindray dia mitaky finoana lehibe. Tsy mora mandrakariva ny mankatò an'Andriamanitra eto amin'ity fiarahamonina ity. Saingy ny fitahiana dia be dia be ho an'ireo izay manana fahasahiana sy finoana hankatò an'Andriamanitra sy hitandrina ny Sabata andro fahafito.

Ny Fotoam-Pivavahana Isan-Taona Dia Famantarana Koa

Toy ny ao amin'ilay didy mandrara ny fanitsakitsaham-bady, amin'ny ankapobeny, izay misy fandrarana ny karazana firaisana tsy ara-dalàna, ny didy fahefatra koa dia miaraka amin’ny andro manokana voatendrin'Andriamanitra. Fety fito fanao isan-taona ireo, izay misy Andro Masina manokana na Sabata Fitsaharana. Ireo fanamarihana isan-taona ireo dia manome ny antsipiriany momba ny fandaminana ny Planina lehiben'Andriamanitra ho an'ny olombelona. Ny antony tsy ahalalan'ny tontolo kristianina ny fahaizana anatin’ny olombelona sy ny Planin’ny famonjena avy amin'Andriamanitra, dia satria tsy mitandrina ny andro lazain'Andriamanitra fa masina ho azy ny fiangonana!

Levitikosy 23 no ahitana ireo fety fito fanao isan-taona notendren’i Jehovah ho tandremana mandrakizay, hatrany amin’ny taranaka fara-mandimby.

(Lev 23:1-4, 37) 1« Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe: » 2« Mitenena amin'ny Zanak'Isiraely hoe: Ny amin'ny fotoam-pivavahana voatendrin'i Jehovah, izay hantsoinareo ho fivoriana masina, dia izao no izy. »  3 « Henemana no hanaovana raharaha; fa ny andro fahafito dia tena andro fitsaharana, dia fivoriana masina; aza manao raharaha akory ianareo, fa Sabata ho an'i Jehovah eny amin'izay fonenanareo rehetra izany. » 4« Izao no fotoam-pivavahana voatendrin'i Jehovah, dia fivoriana masina hantsoinareo amin'ny fotoany avy. » 37 « Ireo no fotoam-pivavahana voatendrin'i Jehovah, ka hantsoinareo ho fivoriana masina … samy amin'ny fotoany avy izy rehetra. »

 

Nohamafisin’i Jehovah in-efatra ny fandidiana izany.

« Andramo ka izahao fa tsara Jehovah! » (Sal 34:8)

Raha hanandrana Azy ihany, ahoana ireo Andro Masina nodidiany ho mandrakizay?

Tsy maintsy MISAFIDY isika! Diniho tsara ny lanjan’ny fandidiana in-3 hoe « Fivoriana masina hantsoinareo amin'ny fotoany avy » (Lev 23), izay mitantara ny dingana rehetra amin’ny Planin’Andrianamitra hamonjena ny olombelona ho tafiditra ao amin’ny Fanjakany eto an-tany. Tsy maintsy misafidy isika na hanaraka an’i Kristy sy ireo apostoly voalohany, amin’ny fitandremana ireo dingam-pamonjena ireo, na “hanamasina” fotoana hafa araka izay heverintsika!

Lalàna Ara-Bola Tsy Dia Fantatra Loatra

Ny Sabata isan-kerinandro sy isan-kerintaona dia fotoana manokana nalahatr'Andriamanitra ho antsika amin'ny fitsaharana ara-batana sy amin'ny fanompoana ara-panahy. Amin'ny lafiny iray dia averintsika amin'Andriamanitra ireo ampahany amin'ny fotoana ireo. Rehefa manao izany isika dia omeny fahatakarana bebe kokoa ny lalany, ary velombelominy ara-batana sy ara-panahy koa aza isika amin'ireo andro ireo.

Toy izany koa, Andriamanitra dia mitaky ny hamerenan'ny zanany ny ampahan'ny vola azon'izy ireo mba hampiasaina eto an-tany. Na dia manana loharano tsy manam-petra aza Andriamanitra Mpamorona, dia nitantana hatrany ny asany amin'ny olombelona sy tamin'ny alalan’ny olombelona Izy. Anio Andriamanitra dia maniry ny hanan’ireo izay antsoiny andraikitra mavitrika miaraka Aminy, mba hampahafantra ny ny fomba fiainany ho an'ny hafa amin'ny alàlan'ny fanampiana ara-bola ny asa ataon'ny Fiangonany ety an-tany.

Taloha ela, na tamin'ny andron'i Abrahama aza, Andriamanitra dia nampiasa ny rafitra fahafolonkarenamba hanoratana ny asany tamin’io fotoana ioNy fiangonan'Andriamanitra ankehitriny dia mampiasa fomba mitovy amin'izany mba hamatsiana vola ny iraka nampanaovina azy hitory ny Filazantsara momba ny fanjakan'Andriamanitra, izay ho avy tsy ho ela eto amin'izao tontolo izao.

Ny fanaovana fahafolonkarena dia maneho ny fanekentsika ny fitondran'Andriamanitra amin'ny tany manontolo sy amintsika tsirairay avyMampiseho ny fifikirantsika am-pifaliana amin'ilay didy lehibe voalohany, dia ny fanompoana ny Andriamanitra marina sy Izy irery ihany. Ary toy ny fitandremana ny Sabata isan-kerinandro sy isan-taonany olona mitandrina ny lalàn'Andriamanitra dia mijinja ireo fitahiana ara-batana sy ara-panahy nampanantenainy ao amin'ny Teniny.

Fankatoavana Sy Fandresena

Na dia miezaka mitandrina ny lalàn'Andriamanitra rehetra aza ny tena Kristiana, dia mbola manota ihany indraindray. Tsy te hanota izy, fa indraindray kosa manao izany rehefa tsy ampy fiambenana, na tototry ny fahazarana, na ny fakam-panahy, na ny toe-javatra.

Ny fiainana kristiana, araka ny ambaran'ny Baiboly, dia fiainana mandresy sy mitombo ara-panahy mankany amin'ny fahamatorana ara-panahy sy fahalavorariana amin'i Kristy. Tamin'ny alalàn'ny fandinihana nataontsika teo aloha dia nianarana fa io fahalavorariana io tsy ho tratra tanteraka raha tsy amin'ny fitsanganan'ireo maty ao amin'i Kristy. Mandrapahatongan'izany fotoana izany, dia andrasan'Andriamanitra ny Kristiana notorontoron’ny Fanahy mba hitombo bebe kokoa amin’ny toetran'i Kristy, rehefa mianatra manaraka ny fomba fiainany izy ireo.

Nefa ny fandresena sy fihoarana ny ota dia tsy hain'ny herin'ny olombelona irery. Tsy maintsy tanterahina amin'ny fiaraha-miasa amin'Andriamanitra amin'ny alàlan'ny finoan'i Kristy, izay fanomezana avy amin'Andriamanitra amin'ny alàlan'ny Fanahiny Masina. Mampanantena Andriamanitra fa hanome antsika ny Fanahiny sy io finoana io amin'ny alalan’ny fibebahana sy ny batisa.

Na dia tafintohina ara-panahy aza ny Kristiana indraindray ary manota, ny Raintsika be fitiavana sy be famindram-po dia vonona hamela heloka ary hamerina antsika amin'ny làlana marina handresena sy hitomboana - raha miaiky ny fahotantsika isika ka mangataka ny famelany heloka.

Endrey ny hatsaran’ny lalan'Andriamanitra, mampahery sy manome valisoa izay manaraka azy!

Andao isika hianatra bebe kokoa momba ny antsipirian’ny fomba fiainana kristiana.