AFAKA MANDRESY IANAO (Fiz.2)
TENIN’ANDRIAMANITRA
Geesisy 15:1-7
Matio 6:5-13
Asan’ny Apostoly 2:36-47
TENIN’ANDRIAMANITRA
Genesisy
15:1-7
[Ny nanaovan’Andriamanitra fanekena tamin’i Abrama]
(Genesisy 15:1) « Rehefa afaka izany, dia tonga tamin'i Abrama ny
tenin'i Jehovah tamin'ny fahitana ka nanao hoe: Aza matahotra, ry Abrama; Izaho
no ampinganao sy valim-pitia lehibe indrindra ho anao. » (Genesisy 15:2)
« Ary hoy Abrama: Jehovah Tompo ô, inona no homenao ahy? fa izaho mandroso
fahanterana nefa tsy manan-janaka, ary ny ho tompon'ny ahy dia ilay Eliezera
avy any Damaskosy. » (Genesisy 15:3) « Ary hoy koa Abrama: Indro,
izaho tsy nomenao fara handimby, ka, indro, ny anankiray amin'ny ato an-tranoko
no handova ahy. » (Genesisy 15:4) « Ary, indro, ny tenin'i Jehovah
tonga taminy hoe: Tsy handova anao izany; fa izay haterakao, dia izy no handova
anao. » (Genesisy 15:5) « Dia nitondra azy nivoaka teo ivelan'ny lay
Izy ka nanao hoe: Jereo ange ny lanitra, ka isao ny kintana, raha mahisa azy
ianao. Dia hoy Izy taminy: Ho tahaka izany ny taranakao. » (Genesisy 15:6)
« Ary nino an'i Jehovah izy; ka dia nisainy ho fahamarinany izany. »
(Genesisy 15:7) « Ary hoy Izy taminy: Izaho no Jehovah Izay nitondra anao
nivoaka avy tany Oran'ny Kaldeana, mba homeko anao ity tany ity ho
lovanao. »
Genesisy 15:1-5
AMPINGANAO SY VALIM-PITIANAO LEHIBE INDRINDRA HO ANAO AHO.
Lasa nanahy sy
raikitahotra Abrama taorian’ny ady nifanandrinany tamin’ireo mpanjaka. Hany ka
nanome toky azy tamin’ny fahitana Andriamanitra fa Izy no ampingany sy
valim-pitiany. I Abrama kosa namaly izany teny fampaherezana izany ka
nampahatsiaro fa tsy manan-janaka izy ary araka izany dia tsy manam-pandova
(and 2). Vokatr’izany dia nanolo-kevitra izy mba hanangana ny iray amin’ny zanaky
ny mpanompony mba ho lasa mpandova azy. Nolavin’Andriamanitra izany heviny
izany tamin’ny fampanantenana fa Abrama hanan-janaka lahy avy amin’I Saray
vadiny izay momba (Gen 11:30) ary hanana taranaka tsy hita isa (Gen 15:5). Ny
tena tsy nampoizina sy tena mampiavaka an’I Abrama dia izy nino
an’Andriamanitra. Ny finoana an’Andriamanitra no nisaina ho fahamarinany (Gen
15:6).
Gen 15:6-7 ARY
NINO … IZY; KA DIA NISAINA HO FAHAMARINANY IZANY
Voatonona miaraka voalohany ny finoana sy ny fahamarinana eto.
Manondro
lafin-javatra roa ny finoana ao amin’ny Test T : (1) « matoky »
na « miankina”, sy (2) “fifikirana” na “fahatokiana”. Noho izany ny hoe “mino”
dia midika hoe maharitra amin’ny fahatokiana sy finoana omban’ny fifikirana feno
fankatoavana. Io ilay karazana finoana nanan’i Abrama. Niraiki-po
tamin’Andriamanitra tao anatin’ny fahatokiana maharitra sy fankatoavana ary
fanekena izy. è Mianara ny finoan’i Abrahama an’Andriamanitra isika!
Hitan’Andriamanitra
ny toe-po feno finoana tao amin’i Abrama ary nisainy ho fahamarinany izany. Ny
teny hoe “fahamarinana” dia midika hoe miaina amin’ny fifandraisana marina
amin’Andriamanitra sy ny sitrapony. Nanao fanekem-pifandraisana tamin’i Abrama
Andriamanitra taty aoriana. Tamin’izany no nahatonga an’Andriamanitra ho ampingany
sy valim-pitany (and 1), sy ny taranany ho maro be (and 5).
Avy amin’ny
finoana no hiavian’ny fitahiana sy ny fifandraisana marina Aminy ary ny
firaisana amin’Andriamanitra araka ny fanekena vaovao. Fahamarinana fototra ao
amin’ny Test. V izany (Rom 4:3; Gal 3:6; Jak 2:23). Izay koa no ilazana fa “rain’ny
mino rehetra” Abrahama (Rom 4:11).
MATIO 6:5-13
[Ny tori-teny nataon’i Jesosy Kristy teo
an-tendrombohitra]
(Matio 6:5) « Ary raha mivavaka ianareo, aza mba ho tahaka ny
mpihatsaravelatsihy; Fa izy tia ny mivavaka mitsangana eo amin'ny synagoga sy
eo an-joron-dalana hahitan'ny olona azy. Lazaiko aminareo marina tokoa fa efa
azony ny valim-pitiany. » (Matio 6:6) « Fa ianao kosa, raha mivavaka,
dia midìra ao amin'ny efi-tranonao, ka rehefa voarindrinao ny varavaranao, dia
mivavaha amin'ny Rainao, Izay ao amin'ny mangingina; ary ny Rainao, Izay mahita
ao amin'ny mangingina no hamaly anao. » (Matio 6:7) « Ary raha
mivavaka ianareo, dia aza mba manao teny maro foana tahaka ny jentilisa; Fa
ataony ho ny hamaroan'ny teniny no hihainoana azy. » (Matio 6:8)
« Koa aza manahaka azy ianareo; fa fantatry ny Rainareo izay tokony ho
anareo, raha tsy mbola mangataka aminy aza ianareo. »
(Matio 6:9) « Koa amin'izany mivavaha toy
izao ianareo: Rainay Izay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao. »
(Matio 6:10) « Ho tonga anie ny
fanjakanao. Hatao anie ny sitraponao ety an-tany tahaka ny any
an-danitra. » (Matio 6:11) « Omeo anay anio izay hanina sahaza ho
anay. » (Matio 6:12) « Ary mamelà ny helokay* tahaka ny namelanay
izay meloka** taminay. [*Na: trosa] [**Na:nitrosa] » (Matio 6:13) « Ary aza mitondra
anay ho amin'ny fakam-panahy, fa manafaha anay amin'ny* ratsy**. [*Na:
amin'ilay] [** Ampio hoe: Fa Anao ny fanjakana sy ny hery ary ny voninahitra
mandrakizay. Amena] »
Toriteny
Dr. Rakotondravony Daniel,
Fiangonan’Andriamanitra Miray
Matio 6:6 MIVAVAHA … AO AMIN’NY MANGINGINA.
Ny
zanak’Andriamanitra tsirairay avy dia tokony hanana toerana hihaonany manokana
amin’Andriamanitra. Tsy haharitra ela na ho tapatapaka ny vavaka ao amin’ny
miafina raha tsy misy izany toerana izany. Nanana toerana miafina falehany i
Jesosy (Oha. Matio 14:23, tao an-tendrombohitra). Manan-danja manokana ny vavaka ao amin’ny
mangingina. Ohatra:
Amin’ny maraina
mba hametrahana ny tontolo androntsika eo amin’Andriamanitra;
Amin’ny hariva mba
ho fisaorana noho ny famindrampony;
Amin’ny fotoana
samihafa izay asain’ny Fanahy Masina ivavahantsika. Manome toky Andriamanitra
Raintsika fa hamaly soa amin’ny fomba miharihary: amin’ny valim-bavaka; amin’ny
fanatrehany akaiky dia akaiky; ary amin’ny voninahitra maharitra mandrakizay.
Matio 6:9 KOA AMIN’IZANY MIVAVAHA TOY IZAO
IANAREO.
Modelom-bavaka
anehoan’i Kristy ireo sehatra tokony hiompanan’ny vavaky ny Kristiana no omeny
eto. Misy fangatahana enina ity vavaka ity: momba ny fahatongavan’ny
Fanjkan’Andriamanitra eto an-tany, sy ny fahamasinan’Andriamanitra, ary ny
sitrapony ny telo; ny telo kosa momba izay ilaintsika manokana. Ny hafohin’ilay
vavaka tsy midika akory hoe tokony ho fohifohy ihany ny fitondrantsika
am-bavaka ny zavatra ilaintsika. Indraindray i Kristy dia nivavaka mandritry ny
alina (Lio 6:12).
Matio 6:9-13 RAINAY IZAY ANY AN-DANITRA, HO HAMASININA ANIE NY ANARANAO. Milaza Jesosy fa Andriamanitra Izay mamaly vavaka antsika dia Ray Izay
mipetraka any an-danitra. Masina sy lehibe ary tia antsika sady saro-piaro
amin’ny anarany masina Izy, dia araka izay nampahafantariny tamin’ny Didy
efatra voalohny amin’ny Didy folo, manao hoe: (Eksodosy 20:2) « Izaho no Jehovah
Andriamanitrao. » (Eksodosy 20:3) « Aza manana andriamani-kafa, fa Izaho
ihany. » … (Eksodosy 20:5) « … Izaho, Jehovah Andriamanitrao, dia
Andriamanitra saro-piaro ka mamaly ny heloky ny ray amin'ny zanaka hatramin'ny
zafiafy sy ny zafindohalika, dia amin'izay mankahala Ahy; » (Eksodosy
20:6) « nefa kosa mamindra fo amin'ny olona arivo mandimby izay tia Ahy ka
mitandrina ny didiko. » (Eksodosy 20:7) « Aza manonona foana ny
anaran'i Jehovah Andriamanitrao; fa tsy hataon'i Jehovah ho tsy manan-tsiny
izay manonona foana ny anarany. »
Matio 6:10. HO TONGA ANIE NY FANJAKANAO. HATAO ANIE NY SITRAPONAO ETY AN-TANY TAHAKA NY ANY AN-DANITRA. Misy Fajakan’Andriamanitra na
Fitondram-panjakana, izay hapetraka ara-bakiteny eto an-tany. Asain’i Jesosy
mivavaka isika ho an’ny fahatongavan’izany Fanjakana izany, izay mila ny
fahafenoan’ny fiofanan’ireo zanak’Andriamanitra norotontoronin’ny Fanahy,
mandra-piverin’i Kristy. Ny fanaovan’ireo zanaka nantsoina ireo ny
sitrapon’Andriamanitra no itomboany amin’ny toetran’Andriamanitra sy anahafany
an’i Kristy, ary anakekezany ny fahafenoan’ny Fanahy rehefa homena fiainana mandrakizay
izy, handova ny Fanjakan’Andriamanitra. (1 Korintiana 11:1)
« Aoka hanahaka ahy ianareo, dia tahaka ny anahafako an'i Kristy, » hoy ny Apostoly Paoly.
Matio
6 :11-13 OMEO ANAY ANIO NY HANINA SAHAZA HO ANAY. MAMELÀ NY HELOKAY. MANAFAHA ANAY AMIN’NY
RATSY. Ny Ray dia afaka hanome antsika ny hanina sahaza isan’andro, sy hamela
heloka, nefa isika dia ilain’Andriamanitra hamela izay nanao ratsy tamintsika
koa. (Matio 6:26) « Tsinjovy ny
voro-manidina, fa tsy mba mamafy, na mijinja, na mitaona ho any an-tsompitra
ireny; ary ny Rainareo Izay any an-danitra mamelona azy. Moa tsy mihoatra
lavitra noho ireny va ianareo? » (Marka
11:25) « Ary raha mitsangana mivavaka ianareo, ka misy olona
anananareo alahelo, dia mamelà ny helony, mba havelan'ny Rainareo Izay any
an-danitra kosa ny helokareo. » (Marka
11:26) « Fa raha ianareo tsy mamela heloka, ny Rainareo Izay any
an-danitra kosa tsy hamela ny helokareo »
Mila manohitra
ny devoly koa isika, ary Andriamanitra manampy antsika handresy azy. (Efesiana
6:11) « Tafio avokoa ny fiadian'Andriamanitra, mba hahazoanareo
hifahatra amin'ny fanangolen'ny devoly. » (1 Petera 5:8) « Mahonòna tena, miambena: fa ny devoly
fahavalonareo mandehandeha tahaka ny liona mierona mitady izay harapany; »
(1 Petera 5:9) « tohero izy, ka
miorena tsara amin'ny finoana ianareo, satria fantatrareo fa izany fahoriana
izany dia manjo ny rahalahinareo rehetra eran'izao tontolo izao. »(Jakoba 4:7) « Ka dia maneke an’Andriamanitra
ianareo; ary manohera ny devoly, dia handositra anareo izy. »
Andriamanitra
Ray hampiditra antsika ho mpanjaka sy mpisorona ao amin’ny Fanjakany,
hiara-mandova izany amin’i Jesosy Kristy.
(1 Jaona 5:4) « Fa izay rehetra
naterak'Andriamanitra dia maharesy izao tontolo izao; ary ny fandresena izay
enti-maharesy izao tontolo izao dia ny finoantsika. » (Apokalypsy 3:21) « Izay maharesy
dia havelako hiara-mipetraka amiko eo ambonin'ny seza fiandrianako, dia tahaka
ny nandreseko kosa sy ny niarahako nipetraka amin'ny Raiko eo ambonin'ny seza
fiandrianany. » (Apokalypsy 20:6) « Sambatra
sy masina izay manana anjara amin'ny fitsanganana voalohany; ireo tsy mba
ananan'ny fahafatesana faharoa fahefana, fa ho mpisoron'Andriamanitra sy Kristy
ireo ka hiara-manjaka aminy arivo taona. »
Asan’ny Apostoly
2:36-47
[Ny nilatsahan'ny Fanahy Masina tamin'ny
Andro Pentekosta, sy ny tori-teny nataon'i Petera tamin'izany]
(Asan'ny
Apostoly 2:36) « Koa aoka ho fantatry ny taranak'isiraely rehetra
marimarina fa iny Jesosy nohomboanareo tamin'ny hazo fijaliana iny dia efa
nataon'Andriamanitra ho Tompo sy Kristy. » (Asan'ny Apostoly 2:37)
« Ary raha nandre izany ny olona, dia voatsindrona tam-pony ka nanao
tamin'i Petera sy ny Apostoly namany hoe: Ry rahalahy, inona no
hataonay? » (Asan'ny Apostoly 2:38) « Ary hoy Petera taminy: Mibebaha,
ary aoka samy hatao batisa amin'ny anaran'i Jesosy Kristy ianareo rehetra mba
hahazo famelana ny helokareo; ary ianareo handray ny fanomezana, dia ny Fanahy
Masina; » (Asan'ny Apostoly 2:39) « fa ny teny fikasana dia ho anareo
sy ny zanakareo ary ho an'izay rehetra lavitra, na iza na iza hantsoin'i
Jehovah Andriamanitsika hanatona Azy. » (Asan'ny Apostoly 2:40) « Ary
nanambara sy nananatra azy tamin'ny teny maro hafa koa izy ka nanao hoe: Aoka hovonjena ho afaka amin'ity
taranaka maditra ity ianareo. » (Asan'ny Apostoly 2:41) « Ary izay nandray tsara ny teniny dia natao batisa;
ary tokony ho telo arivo no olona nanampy ho isany tamin'izany andro
izany. » (Asan'ny Apostoly 2:42) « Ary izy ireo naharitra tamin'ny
fampianaran'ny Apostoly sy ny fiombonana sy ny famakiana ny mofo ary ny
fivavahana. »
Zava-dehibe ny mino fa Jesosy
Kristy no Tompo sy Mpamonjy ny fiainantsika. Mila mibebaka anefa isika (miaiky
ny fahotana izay vita, ary miezaka tsy hanota intsony). Ny batisa amin’ny
anaran’i Jesosy no ahazoana famelan-keloka. Ny fametrahan-tanana aorian’ny
batisa no andraisana ny Fanahy Masina izay hampianatra fahalalana tsara an’i
Jesosy Kristy sy ny Planin’ny famonjena. Ny Fanahy Masina koa no manampy,
handresena an’izao tontolo izao sy ny toetran’olombelona, ary ny fitaoman-dratsin’i
Satana. Raha mandresy isika dia hiara-mandova amin’i Kristy ny
Fanjakan’Andriamanitra rehefa miverina eto an-tany Izy.
1. Inona no tsy maintsy atao mba
handraisana ny Fanahy Masina sy ny finoan'i Jesosy Kristy? Asan'ny Apostoly
2:38.
(Asan'ny Apostoly 2:38) « Ary hoy Petera taminy: Mibebaha, ary aoka
samy hatao batisa amin'ny anaran'i Jesosy Kristy ianareo rehetra mba hahazo
famelana ny helokareo; ary ianareo handray ny fanomezana, dia ny Fanahy
Masina; »
Tokony ho vonona hankatò
an’Andriamanitra ve isika? Asan'ny Apostoly 5:32.
(Asan'ny Apostoly 5:32) « Ary izahay dia vavolombelon'izany zavatra
izany, ary ny Fanahy Masina koa, Izay efa nomen'Andriamanitra ny manaiky
Azy. »
Ary tsy maintsy maneho finoana
an'i Kristy mialoha ve isika vao homeny ny finoany? Asan'ny Apostoly 20:21; Rom.
1:17.
(Asan'ny Apostoly 20:21) « ary nambarako tamin'ny Jiosy sy ny
jentilisa* koa ny fibebahana amin'Andriamanitra sy ny finoana an'i Jesosy
Kristy Tompontsika. [* Gr. Grika] »
(Romana 1:17) « Fa amin'izany no anehoana fahamarinana avy
amin'Andriamanitra avy amin'ny finoana sy ho amin'ny finoana, araka ny
voasoratra hoe: Ny marina amin'ny finoana no ho velona* (Hab. 2. 4). [*Na: Ny
marina ho velon'ny finoana] »
FANAMARIHANA: Andriamanitra
hanome ny Fanahiny Masina, sy ny finoan'i Kristy manampy izany, ho an'izay
mahafeno ireo fepetra ireo.
Ny fibebahana dia mankany
amin'Andriamanitra ary midika izany fa nanapa-kevitra ny hanova ny fiainantsika
manontolo isika - hiala amin'ny fahotana ary maniry mafy hiaina mifanaraka amin'ny
didiny rehetra. Tsy ny fomba fiainantsika mpanota taloha ihany no halantsika
tanteraka, fa ny fironan'ny saintsika ara-nofo koa, izay nofitahan'ny
andriamanitr'izao tontolo izao, dia ny devoly (Rom. 8: 7; Efes. 2: 2; II Kor. 4: 4).
(Romana 8:7) « satria fandrafiana an'Andriamanitra ny fihevitry ny
nofo; fa tsy manaiky ny lalàn'Andriamanitra, sady tsy hainy akory izany. »
(Efesiana 2:2) « izay nalehanareo fahiny, araka ny fomban'izao
tontolo izao, araka ny mpanapaka ny fanjakana eny amin'ny rivotra, dia ny
fanahy izay miasa ankehitriny ao anatin'ny zanaky ny tsi-fanarahana; »
(2 Korintiana 4:4) « izay nohajambain'ny andriamanitr'izao tontolo
izao, dia ny sain'ny tsy mino, mba tsy hiposahan'ny fahazavan'ny
filazantsaran'ny voninahitr'i Kristy, Izay endrik'Andriamanitra. »
Manaraka
izany, tsy maintsy asehontsika ny finoana na fankatoavana ny soron'i Jesosy
Kristy, izay nandatsaka ny rany mba handoavana ny fanamelohana ho faty noho ny
fahotantsika. Ny finoana an'i Jesosy sy ny fanekena Azy ho Mpamonjy antsika
manokana, arahin'ny fibebahana sy ny batisan'ny rano, dia mitarika
an’Andriamanitra hanatanteraka ny teny fikasany hanome ny Fanahiny Masina.
Eny,
ilana ny finoantsika ny fanekena ny soron'i Jesosy Kristy noho ny fahotantsika.
Nefa io finoana io irery tsy mahavonjy antsika! Rehefa torontoronin’ny Fanahy
Masin’Andriamanitra isika, ary mandray ny finoan'i Kristy napetraka ao
anatintsika, izay vao mahazo ny finoana mahavonjy! Ary izany rehetra izany dia
fanomezana maimaimpoana avy amin'Andriamanitra. Tsy afaka "mahazo"
an'io mihitsy amin’ny ezaka isika.
2. Moa ve ny Apostoly Paoly
nilaza mazava fa niaina tao aminy i Kristy? Gal. 2:20.
(Galatiana 2:20) « Voahombo miaraka amin'i Kristy amin'ny hazo
fijaliana aho, ary tsy izaho intsony no velona, fa Kristy no velona ato
anatiko; fa izay ivelomako ankehitriny eo amin'ny nofo dia ivelomako amin'ny
finoana ny Zanak'Andriamanitra, Izay efa tia ahy ka nanolotra ny tenany hamonjy
ahy. »
Ahoana no niainan'i Kristy tao
aminy? Fil.
2: 5; Rom. 8: 9-10.
(Filipiana 2:5) « Aoka ho ao aminareo izao saina izao, izay tao
amin'i Kristy Jesosy koa, »
(Romana 8:9) « Fa ianareo tsy ao amin'ny nofo, fa ao amin'ny
Fanahy, raha ny Fanahin'Andriamanitra no mitoetra ao anatinareo. Fa raha misy
kosa tsy manana ny Fanahin'i Kristy, dia tsy Azy izy. » (Romana 8:10)
« Fa raha Kristy no mitoetra ao anatinareo, na dia maty ihany aza ny tena
noho ny ota*, dia fiainana kosa ny fanahy noho ny fanamarinana. [*Na: na dia
maty ny tena noho ny ota, fa] »
Dia niaina ny fiainany tamin'ny
finoana an'i Kristy nitoetra tao aminy ve i Paoly? Gal. 2:20 vakio indray.
FANAMARIHANA: Tsy niaina tamin'ny
finoan’ny tenany i Paoly. Ny sain'i Jesosy Kristy dia nipetraka tao amin'i
Paoly tamin'ny alàlan'ny Fanahy Masina. Ary ny Fanahin'Andriamanitra nametraka
finoana tao an-tsain'i Paoly, mitovy amin'izay mety ho ao an-tsainao koa! Ity
finoana ity - ny finoan'i Jesosy Kristy - dia hahafahanao manana fiainana
mandresy toy izay nataon'ny Apostoly Paoly!
3. Fanomezana avy
amin'Andriamanitra ve ny finoana an'i Jesosy Kristy, izay ahazoantsika
famonjena mandrakizay? Efes. 2: 8-9.
(Efesiana 2:8) « Fa fahasoavana no namonjena anareo amin'ny
finoana; ary tsy avy aminareo izany, fa fanomezana avy
amin'Andriamanitra; » (Efesiana 2:9) « tsy avy amin'ny asa, fandrao
hisy hirehareha. »
Io finoana io ve no iray amin'ny vokatry
ny fananana ny Fanahy Masina? Gal. 5:22.
(Galatiana 5:22) « Fa ny vokatry ny Fanahy kosa dia fitiavana,
fifaliana, fiadanana, fahari-po fahamoram-panahy, fanaovan-tsoa,
fahamarinana, »
FANAMARIHANA: Ny finoana
mahavonjy dia ny finoan'i Kristy. Eny, ny finoan'i Kristy fa tsy ny
finoantsika. Ary i Kristy, izay afaka miaina ao amintsika amin'ny
Fanahin'Andriamanitra, dia hanome antsika ny finoany matanjaka, izay
hahafahantsika mankatò ara-panahy sy mandresy!
4. Raha vao mahazo ny Fanahy
Masin'Andriamanitra isika, dia tokony hitombo ve ny finoana izay omeny? II Tes. 1: 3.
(2 Tesaloniana 1:3) « Tsy maintsy misaotra an'Andriamanitra
mandrakariva izahay noho ny aminareo. ry rahalahy, fa mahamendrika izany,
satria mitombo fatratra ny finoanareo, ary be ny fifankatiavanareo
rehetra, »
FANAMARIHANA: Ny finoana dia tsy
napetraka ao an-tsaintsika manontolo sy feno amin'ny fotoana andraisantsika ny
Fanahin'Andriamanitra. Tsy maintsy mitombo ny finoana. Tsy maintsy velomina
izy mba hitomboany. Mila fampiasana sy fampiharana
izany. Ny finoantsika dia tsy maintsy mitombo amin'ny alàlan'ny fitsapana
sy ny asa. Tsy maintsy finoana velona izany.
5. Andao hodinihina indray ny
ohatra momba an'i Abrahama - ilay "rain'ny mpino" (Rom. 4:16) sy ilay nantsoin'Andriamanitra hoe sakaizany. Ahoana no
nahatonga ny finoan'i Abrahama ho lavorary? Jak. 2: 21-24, indrindra ny
andininy 22.
(Romana 4:16) « Koa finoana no andovana, mba ho araka ny
fahasoavana, hahatò ny teny fikasana ho an'ny taranaka rehetra,- tsy ho an'izay
amin'ny lalàna ihany, fa ho an'izay amin'ny finoan'i Abrahama koa, dia ilay
razantsika rehetra - »
(Jakoba 2:21) « Tsy nohamarinina tamin'ny asa va Abrahama
razantsika tamin'ny nanaterany an'isaka zanany teo ambonin'ny alitara? »
(Jakoba 2:22) « Hitanao fa niara-niasa tamin'ny finoana ny asany, ary ny
finoana dia notanterahina tamin'ny asa; » (Jakoba 2:23) « ary
tanteraka ny Soratra Masina manao hoe: "Ary Abrahama nino
an'Andriamanitra, ka nisaina ho fahamarinany izany" (Gen. 15.6), ary natao
hoe "Sakaizan'Andriamanitra" izy (Isa. 41.8). » (Jakoba 2:24)
« Koa dia hitanareo fa hamarinina amin'ny asa ny olona, fa tsy amin'ny
finoana ihany. »
FANAMARIHANA: Abrahama dia
sakaizan'Andriamanitra akaiky. Vokatr'izany dia nahazo ny fanampiana ilaina izy
mba hametrahana firaketana an-tsoratra momba ny finoana miavaka. Raha
avelantsika hikoriana ao amintsika ny Fanahin'i Kristy, dia afaka ny ho
sakaizan'Andriamanitra toa an'i Abrahama koa isika, ary hanana finoana tonga
lafatra toy ny azy.
Ny mpinamana tsara dia mandany
fotoana be dia be amin'ny resaka. Mifanakalo hevitra momba ny fiainana, ny
tanjony, ny olana ary mifampihaino an-tsitrapo izy ireo. Raha
naman'Andriamanitra akaiky ianao dia te-hiresaka Aminy. Hihaino azy miresaka
aminao amin'ny alàlan'ny pejin'ny Baiboly ianao. Ary matetika ianao dia
hieritreritra sy hisaintsaina ny Teniny. Mariho izay nolazain'i Kristy momba
an'io resaka roa sosona io, izay tokony hataon'ny tena Kristiana marina
amin'Andriamanitra.
6. Nampianatra ny mpanaraka Azy
hiresaka amin'ny Ray amin'ny alàlan'ny vavaka ve i Jesosy? Lioka 11: 1.
(Lioka 11:1) « Ary Jesosy nivavaka tao amin'ny fitoerana iray, ka
rehefa nitsahatra Izy, dia hoy ny mpianany anankiray taminy: Tompoko,
mampianara anay hivavaka, tahaka ny nampianaran'i Jaona ny mpianany. »
Inona ny endrika ankapobeny
tokony harahintsika rehefa mivavaka? (Mat. 6: 9-13; vakio etsy aloha).
Tokony hamerina tsy misy tanjona
ny teny ve isika, sa amin'ny fitadidiana? Mat. 6: 7-8.
(Matio 6:7) « Ary raha mivavaka ianareo, dia aza mba manao teny
maro foana tahaka ny jentilisa; Fa ataony ho ny hamaroan'ny teniny no
hihainoana azy. » (Matio 6:8) « Koa aza manahaka azy ianareo; fa
fantatry ny Rainareo izay tokony ho anareo, raha tsy mbola mangataka aminy aza
ianareo. »
Tokony hivavaka amin'ny toerana
manokana ve isika, mba hahafahana miaraka irery amin'Andriamanitra? Mat. 6: 5-6.
(Matio 6:5) « Ary raha mivavaka ianareo, aza mba ho tahaka ny
mpihatsaravelatsihy; Fa izy tia ny mivavaka mitsangana eo amin'ny synagoga sy
eo an-joron-dalana hahitan'ny olona azy. Lazaiko aminareo marina tokoa fa efa
azony ny valim-pitiany. » (Matio 6:6) « Fa ianao kosa, raha mivavaka,
dia midìra ao amin'ny efi-tranonao, ka rehefa voarindrinao ny varavaranao, dia
mivavaha amin'ny Rainao, Izay ao amin'ny mangingina; ary ny Rainao, Izay mahita
ao amin'ny mangingina no hamaly anao. »
7. Moa ve tsy tokony hivavaka ho
an'ny zavatra ilaintsika fotsiny isika, fa koa ho an'ny asan'ny
Fiangonan'Andriamanitra, sy ireo mpanompo ao aminy ary ireo zanany notorontoronin’ny
Fanahy (ireo "olo-masina")? Efes. 6: 18-19.
(Efesiana 6:18) « ary mivavaha mandrakariva ao amin'ny Fanahy
amin'ny fivavahana rehetra sy ny fangatahana, ka miambena amin'izany amin'ny
faharetana sy ny fangatahana rehetra ho an'ny olona masina rehetra, »
(Efesiana 6:19) « ary ho ahy koa mba homena ahy ny hiloa-bava amin'ny
fahasahiana hampahafantatra ny zava-miafina momba ny filazantsara. »
Iza no namela ohatra miavaka
amin'io karazana vavaka io? Kol. 4: 12-13.
(Kolosiana 4:12) « Manao veloma anareo Epafra, ilay anankiray avy
aminareo sady mpanompon'i Kristy Jesosy ary mikely aina mandrakariva amin'ny
fangatahana ho anareo, mba hitoeranareo marina, ka hatoky tsara* amin'izay
rehetra mety ho sitrapon'Andriamanitra. [* Na: ho tanteraka] » (Kolosiana
4:13) « Fa vavolombelony aho fa mikely aina fatratra ho anareo sy ho an'ny
any Laodikia ary ho an'ny any Hierapolia izy. »
FANAMARIHANA: Rehefa mivavaka
amin'Andriamanitra ianao dia miresaka marina Aminy. Tonga eo anatrehany ianao,
mampahafantra azy ny zavatra tsapanao momba ny olana sasany sy ny
fieritreretanao ny olana sasany. Mangataka ny fitarihany, ny torohevitra, ary
fanampiana avy Aminy ianao amin'ny famahana ny olana sedrainao.
Rehefa mivavaka ho an'ny filan'ny
hafa sy ny filan'ny Fiangonan'Andriamanitra ianao dia mihaino Andriamanitra!
Tena miahy momba ny fiadanan'ny olony rehetra Izy, sy ny krizy sy ny fisedrana
mahazo azy ireo, ary koa ny fiadanany manokana.
Andriamanitra tsy lavitra na
manalavitra ny zanany notorontoronin’ny Fanahy. Tiany isika hanatona Azy
matetika, hiresaka Aminy amin'ny vavaka, mba hahazoantsika ny fanampiana
ilaintsika hiaina ny fomba Kristiana.
Tiany koa isika hihaino Azy
rehefa miresaka amintsika Izy. Ahoana no anaovany an'izany? Amin'ny alàlan'ny
Teniny voasoratra ara-tsindrimandry, ny Baiboly Masina. Rehefa mamaky sy
mandalina ny Soratra Masina ianao dia miresaka aminao Andriamanitra, satria
Teniny ho anao ireo.
Mianara mamela an'i Kristy sy ny
Ray hiresaka aminao avy amin'ny Baiboly. Raiso ny sain'i Kristy (Filipiana 2: 5) ary
avelao ny Tenin'Andriamanitra hitarika sy hanoro lalana anao eo am-piezahanao
miaina ny fomba fiaina Kristiana.
(Filipiana 2:5) « Aoka ho ao aminareo izao saina izao, izay tao
amin'i Kristy Jesosy koa. »
Feno sy tsotra ny
lalan'Andriamanitra rehefa takatra. Hajao ny tanjon’ny antso
ataoan'Andriamanitra ao amin’ny Jesosy Kristy: Aoka isika hiezaka ho
lavorary amin'ny toetran'Andriamanitra amin'ny alalan’ny FINOAN'I KRISTY -
"Kristy ao amintsika, ilay fanantenana ny voninahitra."
Tanteraka avokoa izany noho ny fananantsika ny Fanahy Masina sy mampihatra azy.
Tokony hitandrina ny
lalàn'Andriamanitra isika ka hiaina ny fiainana Kristiana, amin'ny alàlan'ny
ezaka rehetra ataontsika manokana. Andriamanitra no mameno izay tsy ampy. Toa
an'i Paoly izay nahatsapa ny fetran'ny maha olombelona azy, isika koa dia
manantenaa ny fanampian’Andriamanitra izay hanatanteraka ny fikasany amintsika
- " fa ny fahalemeko no fahatanjahako ao aminy" (II Kor. 12:10).
(2 Korintiana 12:10) « Koa dia finaritra aho amin'ny fahalemena, amin'ny
fampahoriana, amin'ny fahaterena, amin'ny fanenjehana, amin'ny fahantrana, noho
ny amin'i Kristy; fa ny fahalemeko no fahatanjahako. »
Amin'ny alalàn'i Kristy no
ahafanatsika mandresy ny ota rehetra, mandresy ny vato misakana rehetra,
mandresy ny fahavalo rehetra, ary mandresy ny sakantsakana rehetra amin’ny
fidirana ao amin'ny fianakavian'Andriamanitra!
Tsarovy fa ny Apostoly Paoly dia
naneho fahatokiana an'i Kristy. Natoky Azy izy! Nandeha, niresaka ary
niara-niaina tamin'i Kristy sy ny Ray tamin'ny alàlan'ny Fanahy Masina tao
anatiny. Nanana ny tena finoana sy toky nomen'i Jesosy Kristy izy.
Azonao atao koa izany!
Mahafeno Fepetra ARY Ve Ianao?
Raha
vao teraka ny olona iray dia omen’Andriamanitra hery sy fahaleovana ho lasa
mpikambana ao amin'ny Fianakaviany hanjaka amin'izao rehetra izao. Koa raha miantso
anao Izy ankehitriny, dia manomana anao hanana anjara amin'ny fitantanana, sy
fampianarana, ary fitarihana an'izao tontolo izao mandritry ny Milenioma sy amin’ny fotoana Fitsaran’ilay Seza Fiandrianana Fotsy Lehibe;
Ary aorian'izany, dia hanampy amin'ny
fitantanana an'izao rehetra izao
mandrakizay!
Izany
no zavatsoa tsy mampino ananan’ny olombelona, ny tanjona mahagaga
nomanin'Andriamanitra ho an'ireo izay lasa Fianakaviany!
Efa
nanomboka ny dingam-pamonjena hanatratrarana an'izany tanjona mahavariana izany
ve ianao? Diniho ny fiainanao sy ny toetranao. Nanomboka nankatò
an'Andriamanitra ve ianao? Mivoatra ara-panahy sy mitombo amin’ny
fifehezan-tena? Mitombo amin'ny fahaizana mifehy ny fanirian-dratsy sy ny
fitivan-tena, na ny zava-poana manosika? Mba efa soloinao amin'ny eritreritra
sy asa marina ve ny fahazaran-dratsy sy ny fihetsika ratsy?
Azonao
atao ve ny mitantana sy manatanteraka izay andraikitra omena anao araka izay
itiavan'Andriamanitra azy? Ny fitsapana dia izao: raha toa ankehitriny ka mitantana
tsara ny fahefana kely anananao ianao, toy ny hifehezana ny fahatezeranao, ny
feonao, ny filanao sy ny fihetsem-ponao, na ny karamanao, dia hanankinana
andraikitra lehibe kokoa ianao.
Fa raha tsy nanomboka nianatra
mifehy sy mitarika ianao ho fanorenana eo amin’ny fiainana, na dia ireo hery
kely ireo ihany aza, ahoana no hanomezan'Andriamanitra anao andraikitra lehibe
kokoa amin'ny Fanjakan'Andriamanitra? Raha tsy mahatoky ianao na dia amin'ny
fampiasana ny karamanao ankehitriny ihany aza, iza no hatoky ny fitantananao ny
tena harena sy ny hery lehibe avy amin'Andriamanitra?
Angataho amin'Andriamanitra ny
fahatakarana sy fahendrena hampiasana araka ny tokony ho izy, sy hitarihana
ireo hery sy fahaiza-manao ary fitantanana anananao ankehitriny, mba hahatonga
anao ho mpanompon’Andriamanitra mahatoky sy mamokatra.
FEHINY
Miezaha ho mahatoky amin'izay efa
nomen'Andriamanitra anao, mba hilazan'i Kristy anao indray andro any hoe:
"Tsara
izany, ry mpanompo tsara sady mahatoky; nahatoky tamin'ny kely ianao, dia
hotendreko ho mpanapaka be" (Mat. 25 : 2).
Ity fiainana eto an-tany ity no
toeram-piofanana. Mianatra mifehy mahatoky isika amin'ny fanatanterahana ireo
adidy, ary mianatra manapaka ny tenantsika
amin’ny fomba fiaina Kristiana.
Ny fiomanana hanjaka ao amin'ny
Fanjakan'Andriamanitra dia manomboka amin'ny fanekena ny fahefany ankehitriny.
Andriamanitra tsy hamonjy izay olona tsy feheziny. Ianaro àry ny
lalàn'Andriamanitra; Halalino sy eritrereto ary iaino. Ny Fanahy
Masin'Andriamanitra no manampy anao hitombo amin'ny toetrany, hahazoanao
mandresy ny toetran’olombelona, sy ny fakam-panahy mbamin’ny fitaoman'izao
tontolo izao hanota, ary ny teti-dratsin'i Satana devoly.
Mitadiava an'Andriamanitra
amin'ny fanatonana azy bebe kokoa amin'ny vavaka sy ny fianarana Baiboly.
Miovà! Mitomboa ara-panahy. Aoreno hatrany ny toetran'Andriamanitra
mandra-pahafatinao, na mandra-pahatongan'ny fiverenan'i Jesosy Kristy.
Amin’izay no hanovany eo no ho eo ny tenantsika malemy ara-batana, ho lasa tena
fanahy mahery, tsy misy ota, sy be voninahitra! (Fil. 3: 20-21)
Amin’izay isika dia ho vonona
hiara-manjaka amin'i Kristy -
hanatanteraka ny anjarantsika mahatalanjona, manampy amin'ny fitondrana ny
tany sy izao rehetra izao, ankoatry ny maha-mpikambana ao amin'ny
Fianakavian’Andriamanitra!
Nanomboka nahafeno fepetra ho
amin'izany ve ianao?