Ny Adin'ny Kristiana

 NY ADIN’NY KRISTIANA

 

TENIN’ANDRIAMANITRA

Isaia 47:1-11

Jaona 17:14-26

Galatiana 5:14-21

 

TENIN’ANDRIAMANITRA

Isaia 47:1-11

[Ny handravana an'i Babylona]

(Isaia 47:1) « Mialà, ka mipetraha amin'ny vovoka, ry Babylona, zanakavavy virijina! Mipetraha eo amin'ny tany, fa tsy amin'ny seza fiandrianana, ry Kaldea zanakavavy! Fa tsy hatao hoe vehivavy malemilemy sy mihantahanta intsony ianao. » (Isaia 47:2) « Alao ny vato fikosoham-bary, ka kosohy ny koba; esory ny fisalobonanao, akaro ny moron-tongotr'akanjonao; aoka hiseho ny fenao, ka miroboha mita ny ony. » (Isaia 47:3) « Hiseho ny fitanjahanao, eny, ho hita ny fahamenaranao; hitondra famaliana Aho ka tsy hiantra olona*.[Na: tsy hiera amin'olona; na: tsy hihaona amin'olona] » (Isaia 47:4) « Ny anaran'ny Mpanavotra anay dia Jehovah, Tompon'ny maro, Iray Masin'ny Isiraely. » (Isaia 47:5) « Mipetraha mangingina, ka midìra ao amin'ny maizina, ry Kaldea zanakavavy! Fa tsy hatao hoe Tompovavin'ny fanjakana intsony ianao. » (Isaia 47:6) « Tezitra tamin'ny oloko Aho; navelako holotoina ny lovako, ka natolotro ho eo an-tananao izy, tsy mba namindranao fo izy, fa na dia ny antitra aza dia nasianao zioga mavesatra dia mavesatra. » (Isaia 47:7) « Ary hoy ianao: Ho tompovavy mandrakizay Aho; ka dia tsy nandatsaka am-po izany zavatra izany ianao, na nitsapa izay hiafarany. » (Isaia 47:8) « Koa mihainoa, ianao izay mihantahanta sady mipetraka tsy manana ahiahy ka manao anakampo hoe: Izaho no izy, ary tsy misy hafa; tsy hipetraka ho mpitondratena aho, na hahita fahafoanan'anaka. » (Isaia 47:9) « Kanjo hanjo anao tampoka amin'ny indray andro monja ireto zavatra roa ireto, dia ny fahafoanan'anaka sy ny fananoan-tena; Hotanterahina aminao avokoa izany, na dia maro aza ny fankatovanao, ary na dia be dia be aza ny odinao. » (Isaia 47:10) « Fa nitoky tamin'ny faharatsianao* ianao ka nanao hoe: Tsy misy mahita ahy. Ny fahendrenao sy ny fahalalanao dia nampivily anao, ka dia nanao anakampo ianao hoe: Izaho no izy, fa tsy misy afa-tsy izaho.[Na: hafetsenao] » (Isaia 47:11) « Kanjo hanjo anao ny fahoriana, nefa tsy ho fantatrao izay fanafany*; Ary hahazo anao ny loza, nefa tsy ho hainao ny fanàlany; eny, hanjo anao tampoka ny fandringanana izay tsy ampoizinao.[Na: iposahany] »

Jaona 17:14-26

[Ny vavaka nataon’i Jesosy ho an’ny mpianany]

(Jaona 17:14) « Efa nomeko azy ny teninao; ary halan'izao tontolo izao izy, satria tsy naman*'izao tontolo izao, tahaka Ahy tsy naman*'izao tontolo izao. [*Gr. avy amin'] » (Jaona 17:15) « Izaho tsy mangataka aminao mba hampiala azy amin'izao tontolo izao, fa ny mba hiaro azy amin'ny ratsy*. [*Na: amin'ilay ratsy] » (Jaona 17:16) « Tsy naman* izao tontolo izao izy, tahaka Ahy tsy naman*'izao tontolo izao. [*Gr. avy amin'] » (Jaona 17:17) « Manamasina azy amin'ny fahamarinana; ny teninao no fahamarinana. » (Jaona 17:18) « Tahaka ny nanirahanao Ahy ho amin'izao tontolo izao no mba nanirahako azy kosa ho amin'izao tontolo izao. » (Jaona 17:19) « Ary ho an'ireto no anamasinako ny tenako, mba hanamasinan'ny fahamarinanao azy. » (Jaona 17:20) « Nefa tsy ho an'ireto ihany no angatahako, fa ho an'izay mino Ahy koa noho ny teniny; » (Jaona 17:21) « mba ho iray ihany izy rehetra, tahaka Anao Ray ato amiko, ary Izaho koa ao aminao, mba ho ao amintsika koa izy; mba hinoan'izao tontolo izao fa Hianao no naniraka Ahy. » (Jaona 17:22) « Ary nomeko azy ny voninahitra izay nomenao Ahy, mba ho iray izy, tahaka ny mahiray Antsika: » (Jaona 17:23) « Izaho ao aminy, ary Hianao ato amiko, mba ho tanteraka ho iray izy, mba ho fantatr'izao tontolo izao fa Hianao efa naniraka Ahy sady efa tia azy tahaka ny nitiavanao Ahy. » (Jaona 17:24) « Ray ô, tiako mba ho any amiko amin'izay itoerako ireo izay nomenao Ahy, mba hahita ny voninahitro nomenao Ahy izy; fa efa tia Ahy Hianao, fony tsy mbola ary ny fanorenan'izao tontolo izao. » (Jaona 17:25) « Ray marina ô, tsy nahalala Anao izao tontolo izao; fa Izaho nahalala Anao, ary ireto efa mahalala fa Hianao no naniraka Ahy. » (Jaona 17:26) « Ary efa nampahafantariko azy ny anaranao, ary mbola hampahafantariko ihany, mba ho ao aminy ny fitiavana izay nitiavanao Ahy, ary Izaho koa ho ao aminy. »

Galatiana 5:14-21

(Galatiana 5:14) « Fa tanteraka amin'ny teny iray ihany ny lalàna rehetra, dia izao: Tiava ny namanao tahaka ny tenanao (Lev. 19. 18). » (Galatiana 5:15) « Fa raha mifandramatra sy mifampihinana ianareo, tandremo fandrao mifandringana. » (Galatiana 5:16) « Fa hoy izaho: Mandehana araka ny Fanahy, dia tsy hahatanteraka ny filan'ny nofo ianareo. » (Galatiana 5:17) « Fa ny nofo manohitra ny Fanahy, ary ny Fanahy manohitra ny nofo; ary mifanohitra izy roroa, mba tsy hahazoanaroeo manao izay zavatra tianareo. » (Galatiana 5:18) « Fa raha tarihin'ny Fanahy ianareo, dia tsy mba ambanin'ny lalàna. » (Galatiana 5:19) « Fa miharihary ny asan'ny nofo, dia izao: Fijangajangana, fahalotoana, fijejojejoana, » (Galatiana 5:20) « fanompoan-tsampy, fanaovana ody ratsy, fandrafiana, fifandirana, adi-lahy, fiafonafonana, fifampiandaniana, fisarahana, fitokoana, » (Galatiana 5:21) « fialonana, fahamamoana, filalaovan-dratsy, ary ny toy izany, izay lazaiko aminareo rahateo, tahaka ny voalazako fahiny koa, fa izay manao izany dia tsy handova ny fanjakan'Andriamanitra. »


 

NY FIAINANA KRISTIANA DIA FOMBA FIAINA IRAY

 

TORITENY SY FAMPIANARANA

Dr. Rakotondravony Daniel, Fiangonan’Andriamanitra Miray

 

NY ADIN’NY KRISTIANA!

 

Ny Tenin'Andriamanitra dia milaza fa izay rehetra hanaraka ny fomba fiainana Kristiana dia tsy maintsy miatrika fahavalo mahafaty telo, izay samy manakivy tsy handresy ny ota sy tsy hampivelatra ny toetran'Andriamanitra.

Ireny fahavalo mahafaty ireny dia afaka mitsofoka eo anelanelantsika sy Andriamanitra - mampisaraka antsika Aminy. Matetika izy ireo mametraka sakana ao an-tsaina, izay afaka mitombo, mampisaraka antsika tsikelikely amin'ny fitarihana sy ny herin'ny Fanahy Masin'Andriamanitra, sy ny finoana an'i Jesosy Kristy - raha avelantsika hanao izany izy ireo.

Andriamanitra nilaza fa tsy maintsy resena ireo fahavalo mahafaty ireo; lazainy amintsika koa ny fomba hadresena azy!

1. ISAIA 47:1-11. RY BABYLONA, (RY KALDEA) ZANKAVAVY VIRIJINA.

Maminany ny hiafaran’i Babylona sy ny haharavany ity Soratra Masina ity.

Ny sary voalohany asehon’i Babylona dia ny kolontsaina jentilisa, mifantoka amin’ny tenany sady mpiavonavona (and 8, 10); nivelona tamin’ny fahafinaretan’ny nofo ny mponina tao aminy, ka nitoky tamin’ny fahendrena amam-pahalalany sy tamin’ny ody (and 10, 12-13).

Fitsarana tampoka sady mihoapampana no hiafaran’ny olona toy izany (and 9, 11). Rehefa mby amin’ny andro farany amin’ny fahoriana dia harodan’Andriamanitra noho ny fahatezerany i Babylona, izay sarin’ireo kolontsaina jentilisa rehetra mpanasohaso ny maha-olona manerana ny tontolo tsy mbola niaina fahateraham-baovao. Ilay vehivavy janga lehibe ao amin’ny Apok 17:1 dia manampy hahatakatra dikany hafa kosa momba an’i Babylona.

Sarin’i Babylona ara-pivavahana koa io vehivavy janga io, ary manondro ny fivavahan-diso rehetra, ka anisan’izany ny kristiana mandà ny finoana. Ao amin’ny Baiboly, ny hoe fijangajangana sy ny fankam-badin’olona rehefa ampiasaina an’ohatra dia saiky enti-milaza fihemorana ara-pivavahana sy fivadihana amin’Andriamanitra, ary manondro vahoaka mihambo ho mpanompo an’Andriamanitra, kanjo andrimani-kafa no iankohofany. I Satana ilay mpijangajanga maloto no manafy an’ireo mpanompo sampy ireo. Ny Apok 17:4 milaza azy hoe: « Ary ravehivavy dia nitafy lamba volomparasy sy jaky ary niravaka volamena sy vato soa ary perila, sady nitana kapoaka volamena teny an-tànany, feno zava-betaveta, dia ny zava-maloto momba ny fijangajangany. »

Fahafatesana mandrakizay no anjaran’ilay vehivavy janga, fiangonan-dehibe nampijangajanga ny fienena maro.

(Apokalypsy 18:21) « Ary nisy anjely mahery anankiray nibata vato tahaka ny vato lehibe fikosoham-bary, dia nanipy izany tany an-dranomasina ka nanao hoe: Hatsipy mafy toy izany no ho fandrava an'i Babylona, ilay tanàna lehibe, ka tsy ho hita intsony izy. »

2. Nasehon'i Paoly ve fa misy ezaka takina amin'ny fiainana kristiana, manao hoe ny fiainana mandrakizay dia mendrika ny iadiana, mba tsy hamela azy io hiala ao an-tsain'ny olona iray? 1 Tim. 6:12; 1: 18-19.

(1 Timoty 6:12) « Miadia ny ady tsaran'ny finoana, hazòny ny fiainana mandrakizay; fa ho amin'izany no niantsoana anao koa sy nanaovanao ilay fanekena tsara teo imason'ny vavolombelona maro. »

(1 Timoty 1:18) « Izao didy izao no omeko anao, ry Timoty zanako, araka ireo faminaniana natao fahiny ny aminao ireo, mba ho entinao miady ny ady tsara ireo, » (1 Timoty 1:19) « amin'ny itananao ny finoana sy ny fieritreretana tsara, izay efa narian'ny sasany, ka toy ny olona vaky sambo izy ny amin'ny finoana; »

"Miaramila" an'iza i Timoty? II Tim. 2: 3-4.

(2 Timoty 2:3) « Miaraha miaritra ny mafy amiko ianao tahaka ny miaramila tsaran'i Kristy Jesosy. » (2 Timoty 2:4) « Ny miaramila manafika dia tsy mba misy maningo-tena amin'ny raharahan'izao fiainana izao, mba hahafaly izay efa nifidy azy ho miaramila. »

3. Moa ve i Paoly nanaraka tamim-pahamendrehana ny fomba fiainan'Andriamanitra? Fantany ve, taloha kelin'ny nahafatesany, fa efa nandresy tamin'ny adin'ny kristiana izy? II Tim. 4: 6-8.

(2 Timoty 4:6) « Fa izaho dia efa hatolotra* sahady, ary efa mba akaiky ny andro fialàko. [* Gr. haidina ho fanatitra aidina] » (2 Timoty 4:7) « Efa niady ny ady tsara aho; nahatanteraka ny fihazakazahana aho; nitahiry ny finoana aho; » (2 Timoty 4:8) « hatrizao dia tehirizina ho ahy ny satro-boninahitry ny fahamarinana, izay homen ny Tompo, Mpitsara marina, ho ahy amin’izay andro izay; ary tsy ho ahy ihany, fa ho an'izay rehetra tia ny fisehoany koa. »

4. Amin’ny tafika ara-batana ve ny ady ataon'ny Kristiana? Sa ady ara-panahy izany? II Kor. 10: 3-4.

(2 Korintiana 10:3) « Fa na dia velona amin'ny nofo aza izahay, dia tsy mba miady araka ny nofo » (2 Korintiana 10:4) « (fa tsy avy amin'ny nofo ny fiadian'ny tafikay, fa mahery amin'Andriamanitra handrava fiarovana mafy); »

Inona no tokony hiadian'ny kristiana? II Kor. 10: 5.

(2 Korintiana 10:5) « fa mandrava ny fisainana sy ny zavatra avo rehetra izay atsangana hanohitra ny fahalalana an'Andriamanitra izahay ka mamabo ny hevitra rehetra hanaiky an'i Kristy. »

FANAMARIHANA: Ny fahavalo voalohany amin'ny ady ataon'ny Kristiana isan'andro dia ny toetran’olombelona miaraka amin'ireo filany (Gal. 5: 19-21)

(Galatiana 5:19) « Fa miharihary ny asan'ny nofo, dia izao: Fijangajangana, fahalotoana, fijejojejoana, » (Galatiana 5:20) « fanompoan-tsampy, fanaovana ody ratsy, fandrafiana, fifandirana, adi-lahy, fiafonafonana, fifampiandaniana, fisarahana, fitokoana, » (Galatiana 5:21) « fialonana, fahamamoana, filalaovan-dratsy, ary ny toy izany, izay lazaiko aminareo rahateo, tahaka ny voalazako fahiny koa, fa izay manao izany dia tsy handova ny fanjakan'Andriamanitra. »

Io toetra ao amintsika io dia mandresy lahatra amim-pahaizana, indraindray miteraka fanentanana mamitaka sy manala baraka, fitsiriritana, fitiavam-bola, sns. Voasarika hanota isika, handika ny Lalàn'Andriamanitra ara-panahy ka hiala aminy. Ny toetra dia afaka manimba antsika ara-panahy, raha tsy toherintsika ireo fanentanana diso izay mitarika amin'ny ota.

5. Inona no fahavalo faharoa mahafaty ny Kristiana rehetra?

Ny Galatiana 1: 4 dia manondro ny rafi-piaraha-monina eo amin’izao tontolo izao.

(Galatiana 1:4) « Izay nanolotra ny tenany noho ny fahotantsika, hanafahany antsika amin'izao miara-belona ratsy fanahy izao*, araka ny sitrapon'Andriamanitra Raintsika; [* Na: izao andro ratsy izao] »

Ahoana ary no tokony ho fihetsiky ny Kristiana manoloana ny rafi-piaraha-monina eo amin'izao tontolo izao miaraka amin'ny fihalotralony, ny famirapiratany, ny fitadiavany laza ary ny fisintomany? 1 Jaona 2: 15-17.

(1 Jaona 2:15) « Aza tia izao tontolo izao, na izay zavatra eo amin'izao tontolo izao. Raha misy olona tia izao tontolo izao dia tsy ao anatiny ny fitiavana ny Ray. » (1 Jaona 2:16) « Fa ny zavatra rehetra eo amin'izao tontolo izao, dia ny filan'ny nofo sy ny filan'ny maso ary ny rehaka momba izao fiainana izao, dia tsy avy amin'ny Ray, fa avy amin'izao tontolo izao ihany. » (1 Jaona 2:17) « Ary mandalo izao fiainana izao sy ny filany; fa izay manao ny sitrapon'Andriamanitra no maharitra mandrakizay. »

FANAMARIHANA: Ny Apostoly Jaona dia miresaka momba ny rafitry ny tontolo manodidina antsika. Ny teny grika "kosmos", nadika hoe "izao tontolo izao" ao amin'ny 1 Jaona 2:15, no nahazoana ireo teny anglisy toa ny cosmopolitan, cosmography, cosmopolite, sns.

I Jaona dia nanondro ny fiarahamonin'izao tontolo izao, izay, amin’ny ankapobeny, miorina sy entanin'ny fieboeboana, sy ny filana ary ny fitiavan'ny olombelona. Satria voafitaka ny ankamaroan'ny olona (Apok. 12: 9), dia tsy azon'izy ireo an-tsaina hoe firy amin'ny fomba eto amin'izao tontolo izao no mety ho diso eo imason'Andriamanitra. Na eo aza izany, ny fomban'izao tontolo izao dia manapoaka baomban’ny fakam-panahy hatrany amin’ny Kristiana, izay mety hitarika azy ireo hanalavitra an'i Kristy!

(Apokalypsy 12:9) « Ary nazera ilay dragona, dia ilay menarana ela, izay atao hoe devoly sy Satana, izay mamitaka izao tontolo izao; dia nazera tamin'ny tany izy, ary ny anjeliny koa niaraka nazera taminy. »

6. Tokony hiezaka ve ny Kristiana handositra ny ratsy izay eo amin'izao tontolo izao? II Kor. 6: 14-18; Apok. 18: 4.

(2 Korintiana 6:14) « Aza mety hasiana zioga tsy antonona anareo hikambanana amin'ny tsy mino. Fa inona no iraisan'ny fahamarinana sy ny fahotana? Ary inona no iombonana'ny mazava sy ny maizina? » (2 Korintiana 6:15) « Ary inona no ifanarahan'i Kristy sy Beliala? Ary inona no iraisan'ny anjaran'ny mino sy ny tsy mino? » (2 Korintiana 6:16) « Ary inona no ikambanan'ny tempolin'Andriamanitra amin'ny sampy ? Fa isika no tempolin'Andriamanitra velona, araka ny nataon'Andriamanitra hoe: Honina eo aminy sy handeha eo aminy Aho, ary izy ho oloko (Lev. 26. 11, 12). » (2 Korintiana 6:17) « Koa mivoaha eo aminy ianareo, ka misaraha aminy, hoy Jehovah, Ary aza manendry izay zavatra tsy madio; Ary Izaho handray anareo. » (2 Korintiana 6:18) « Ary ho Rainareo Aho, ary ianareo ho zanako-lahy sy ho zanako-vavy, hoy Jehovah Tsitoha (Isa. 52. 11, 12). »

(Apokalypsy 18:4) « Ary nahare feo iray koa avy tany an-danitra aho nanao hoe: Mialà aminy ianareo, ry oloko, mba tsy hiombonanareo ota aminy, ary mba tsy hisy hahazo anareo ny loza manjo azy. »

Midika ve izany fa tokony hiala amin'ny faritra be mponina ny Kristiana? Jaona 17: 15-18. Jereo indrindra ny tapany voalohany amin'ny andininy 15.

(Jaona 17:15) « Izaho tsy mangataka aminao mba hampiala azy amin'izao tontolo izao, fa ny mba hiaro azy amin'ny ratsy*. [*Na: amin'ilay ratsy] » (Jaona 17:16) « Tsy naman* izao tontolo izao izy, tahaka Ahy tsy naman*'izao tontolo izao. [*Gr. avy amin'] » (Jaona 17:17) « Manamasina azy amin'ny fahamarinana; ny teninao no fahamarinana. » (Jaona 17:18) « Tahaka ny nanirahanao Ahy ho amin'izao tontolo izao no mba nanirahako azy kosa ho amin'izao tontolo izao. »

FANAMARIHANA: Ny vavak'i Kristy ao amin'ny Jaona 17 dia maneho fa Andriamanitra tsy mitaky ny Kristiana hifindra any an-tendrombohitra na any an-tany efitra mba handositra ny fanelingelenana ataon'izao tontolo izao!

Tokony hiezaka ny hisaraka ara-panahy amin'izao tontolo izao kosa izy ireo, sy hifady ny fanaon’izao tontolo izao izay faritana ho ota ao amin'ny Baiboly.

Hatramin'ny fahazazana isika dia nanomboka nanaraka ny fomba amam-panao izay nianarana tamin'ny toromarika sy ohatra avy amin'ny hafa. Nanaiky fotsiny isika, tsy nisy fisalasalana, nampihatra ny ankamaroan'ny fomba fanao sy ny fomba fiainam-piarahamonina manodidina antsika.

Fa rehefa mianatra ny fomban'Andriamanitra isika dia tokony hampihatra izany amin'ny saina sy fiainana vaovao ao amin'i Kristy. "Aza manaraka ny fanaon'izao tontolo izao”, hoy i Paoly, “fa miovà amin'ny fanavaozana ny saina, hamantaranareo ny sitrapon'Andriamanitra, izay tsara sady ankasitrahana no tonga lafatra.» (Rom. 12: 2).

Raha tsy mijanona amin’ny fanarahana ireo fomban'izao tontolo izao izay mifanohitra amin'ny sitrapon'Andriamanitra isika, dia tsy hitombo amin'ny toetran'i Kristy na handresy ara-panahy. Ireo fandrika maro eto amin'izao tontolo izao dia azo ampitahaina amin'ny sakana izay manohitra, nefa manatanjaka ny miaramila tsara amin'ny fiofanana. Ny Kristiana dia tsy maintsy mianatra mandingana ireo vato misakana ireo.

7. Moa ve mankasitraka hatrany izay manandrana miaina mifanaraka amin'ny lalàn'Andriamanitra ny olona? 1 Pet. 4: 3-4; Jaona 15: 18-20; 16:33.

(1 Petera 4:3) « Fa ampy izay ny andro lasa ho nanaovana ny fanaon'ny jentilisa tamin'ny nandehanana tamin'ny fijejojejoana sy ny fanirian-dratsy sy ny fimamoana sy ny filalaovan-dratsy sy ny fisotroan-toaka ary ny fanompoan-tsampy izay fady indrindra; » (1 Petera 4:4) « ary amin'izany dia gaga izy ireo, satria tsy miara-mihazakazaka aminy ianareo amin'izany fanaranam-po amin'ny ratsy izany, ka dia teneniny ratsy; »

(Jaona 15:18) « Raha halan'izao tontolo izao ianareo, dia aoka ho fantatrareo fa Izaho efa halany talohanareo. » (Jaona 15:19) « Raha naman*'izao tontolo izao ianareo, dia ho tia ny azy izao tontolo izao; fa satria tsy naman*'izao tontolo izao ianareo, fa Izaho efa nifidy anareo tamin'izao tontolo izao, dia halan'izao tontolo izao ianareo. [*Gr. avy amin'] » (Jaona 15:20) « Tsarovy ny teny izay nolazaiko taminareo hoe: Ny mpanompo tsy lehibe noho ny tompony. Raha nanenjika Ahy izy, dia hanenjika anareo koa; ary raha nitandrina ny teniko izy, dia hitandrina ny anareo koa. »

(Jaona 16:33) « Izany teny izany efa nolazaiko taminareo mba hanananareo fiadanana amiko. Aty amin'izao tontolo izao no ahitanareo fahoriana; nefa matokia; Izaho efa naharesy izao tontolo izao. »

Ahoana no tokony hamalian'ny Kristiana ireo izay mety manohitra ny fiainany ao amin'i Kristy? Mat. 5: 43-47; Rom. 12: 20-2l.

(Matio 5:43) « Efa renareo fa voalaza hoe: Tiava ny namanao (Lev. 19. 18), ary mankahalà ny fahavalonao. » (Matio 5:44) « Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe: Tiava ny fahavalonareo, ary mivavaha ho an'izay manenjika anareo, » (Matio 5:45) « mba ho tonga zanaky ny Rainareo Izay any an-danitra ianareo; fa Izy mampiposaka ny masoandrony amin'ny ratsy fanahy sy ny tsara fanahy ary mampilatsaka ny ranonorana amin'ny marina sy ny tsy marina. » (Matio 5:46) « Fa raha izay tia anareo ihany no tianareo, inona no valim-pitia azonareo? Moa na dia ny mpamory hetra aza tsy mba manao izany koa va? » (Matio 5:47) « Ary raha ny rahalahinareo ihany no arahabainareo, inona no ataonareo mihoatra noho ny sasany? Moa na dia ny jentilisa aza tsy mba manao toy izany ihany va? »

(Romana 12:20) « Fa raha noana ny fahavalonao, omeo hanina izy; raha mangetaheta izy, omeo hosotroiny; fa raha manao izany ianao, dia hanambatra vainafo ho eo an-dohany (Oha. 25. 21, 22). » (Romana 12:21) « Aza mety ho resin'ny ratsy ianao, fa reseo amin'ny soa ny ratsy. »

FANAMARIHANA: Tsy tian'Andriamanitra isika hankahala ny olona eo amin'izao tontolo izao, izay tsy nofidiny hantsoina amin'izao fotoana izao, na dia mety hanenjika sy haneso antsika aza ny sasany amin'ny fanarahantsika ny fomban'Andriamanitra. Mbola mety ho zanak'Andriamanitra izy ireo, ary ampianarina hitia azy ireo isika! Hosokafan'Andriamanitra ny sain'izy ireo amin'ny farany, ary hasehony azy ireo ny fahamarinana be voninahitra mba ho tonga Kristiana koa izy ireo, araka ny asehon'ny dingana farany ao amin'ny Planina Masin'Andriamanitra

8. Inona, na iza, no fahavalo lehibe fahatelo ho an'ny Kristiana rehetra? 1 Pet. 5: 8-9; Jak. 4: 7.

(1 Petera 5:8) « Mahonòna tena, miambena: fa ny devoly fahavalonareo mandehandeha tahaka ny liona mierona mitady izay harapany; » (1 Petera 5:9) « tohero izy, ka miorena tsara amin'ny finoana ianareo, satria fantatrareo fa izany fahoriana izany dia manjo ny rahalahinareo rehetra eran'izao tontolo izao. »

(Jakoba 4:7) « Ka dia maneke an’Andriamanitra ianareo; ary manohera ny devoly, dia handositra anareo izy. »

Tsy i Satana devoly ve no tompon'andraikitra farany amin'ny fitaomana ny olombelona hanana ny toetra mampiavaka azy amin’ny faharatsiana rehetra eto an-tany? II Kor. 4: 4; Efes. 2: 2.

(2 Korintiana 4:4) « izay nohajambain'ny andriamanitr'izao tontolo izao, dia ny sain'ny tsy mino, mba tsy hiposahan'ny fahazavan'ny filazantsaran'ny voninahitr'i Kristy, Izay endrik'Andriamanitra. »

(Efesiana 2:2) « izay nalehanareo fahiny, araka ny fomban'izao tontolo izao, araka ny mpanapaka ny fanjakana eny amin'ny rivotra, dia ny fanahy izay miasa ankehitriny ao anatin'ny zanaky ny tsi-fanarahana; »

Tena namitaka an'izao tontolo izao tokoa va izy? Apok. 12: 9.

(Apokalypsy 12:9) « Ary nazera ilay dragona, dia ilay menarana ela, izay atao hoe devoly sy Satana, izay mamitaka izao tontolo izao; dia nazera tamin'ny tany izy, ary ny anjeliny koa niaraka nazera taminy. »

FANAMARIHANA: I Satana devoly, fantatra taloha tamin'ny maha arkanjely Losifera, izay noforonina tonga lafatra tamin'ny lalany (Ezekiela 28:15) dia nampivelatra ny toetran'i Satana tamin'ny fisainana sy safidiny manokana ; izao no voasoratra eo : « Tsy nanan-tsiny ianao tamin'ny nalehanao hatramin'ny andro namoronana anao ka mandra-pahita heloka tao aminao ».

Araka ny nianarantsika tamin'ny lesona tany aloha (faha-9), ny olombelona dia nahazo ny toetran'i Satana, izay antsointsika hoe "toetran'olombelona." Mariho ny fomba nilazalazan'i Paoly an'io toe-tsainamiaraka amin’ny nofo” io: (Romana 8:7) « … fandrafiana an'Andriamanitra ny fihevitry ny nofo; fa tsy manaiky ny lalàn'Andriamanitra, sady tsy hainy akory izany. »

Fa raha vao ampidirina ao an-tsain'ny olona iray kosa ny Fanahy Masin'Andriamanitra, dia manana hery izy hanoherana izay ampitain'i Satana ao an-tsainy, dia izao : fiheveran-tena ho tia tena, fitsiriritana, fitiavam-bola, fieboeboana, fialonana, lolom-po, fifaninanana, fifandirana, ary fankahalana.

Tsy misy olona terena hamaly sy hankatò ireo fitaoman'i Satana ireo. Ny devoly tsy manan-kery hanery ny olona hieritreritra na hanao ratsy! Fa ireo tsy mataho-tody dia mandeha ho azy fa tsy mahatsapa izay mitranga ao an-tsainy. Mandehandeha fotsiny ny ankamaroan'ny olona, mamaly ny fihetsem-po sy ny famporisihana izay, matetika no maneho fihetsiky ny nofo sy fikatsahana zava-poana.

Ary Satana, ilay "andriamanitr'izao tontolo izao", "ilay andrianan'ny herin'ny rivotra", dia miasa "ao an-tsain'ny olona" tsy miahiahy, manerana izao tontolo izao (Efes. 2: 2). Izany no mahatonga "ity tontolo ankehitriny ity", ho voafitaka sy ratsy tanteraka!

(Efesiana 2:2) « izay nalehanareo fahiny, araka ny fomban'izao tontolo izao, araka ny mpanapaka ny fanjakana eny amin'ny rivotra, dia ny fanahy izay miasa ankehitriny ao anatin'ny zanaky ny tsi-fanarahana; »

9. Taorian'ny nanorontoronan’ny Fanahy Masin'Andriamanitra anao, izay mahatonga anao ho Kristiana, dia hitohy miezaka hamitaka anao ve ny devoly, sy hitarika anao hanalavitra an'i Kristy sy ny fombany? II Kor. 11: 2-4.

(2 Korintiana 11:2) « Fa fahasaro-piaro araka an'Andriamanitra no mahasaro-piaro ahy aminareo; fa nataoko fofombadin'ny lehilahy iray ianareo, mba hatolotra tahaka ny virijina madio ho an'i Kristy. » (2 Korintiana 11:3) « Fa matahotra aho, fandrao ny sainareo ho simba hiala amin'ny fahitsiam-po sy ny fahadiovana amin'i Kristy, tahaka ny namitahan'ny menarana an'i Eva tamin'ny fihendreny. » (2 Korintiana 11:4) « Fa raha misy tonga ka mitory Jesosy hafa izay tsy notorinay, na ianareo mandray fanahy hafa izay tsy noraisinareo, hay! tsara ny andeferanareo amin'izany! »

Nisy Kristiana sasany tamin'ny andron'i Paoly ve nanomboka niharan'ny herin'ny devoly indray? 2 Korintiana 11:13-15; Gal. 1: 6-8; 3: 1-2.

(2 Korintiana 11:13) « Fa Apostoly sandoka izy ireny, mpiasa mamitaka, ka dia mampiova ny endriny ho tahaka ny Apostolin'i Kristy. » (2 Korintiana 11:14) « Ary tsy mahagaga izany, fa Satana aza mampiova ny endriny ho tahaka ny anjelin'ny mazava. » (2 Korintiana 11:15) « Koa tsy zavatra lehibe tsy akory, raha ny mpanompony koa no mba mampiova ny endriny ho tahaka ny mpanompon'ny fahamarinana; nefa ny farany ho araka ny asany ihany. »

(Galatiana 1:6) « [Fananarana ny Galatiana noho ny fivadibadihany, sy ny fanambarana ny mah'Apostoly an'i Paoly] Gaga aho, raha mifindra faingana toy izao ianareo hiala amin'izay efa niantso anareo tamin'ny fahasoavan'i Kristy ho amin'ny filazantsara hafa, » (Galatiana 1:7) « izay tsy filazantsara akory*, fa saingy misy ny sasany mampitabataba anareo ka ta-hamadika ny filazantsaran'i Kristy. [* Gr. anankiray koa] » (Galatiana 1:8) « Fa na izahay, na anjely avy any an-danitra aza, no mitory filazantsara hafa aminareo afa-tsy* izay efa notorinay taminareo, aoka ho voaozona** izy. [* Na: manohitra] [** Gr. anatema] »

(Galatiana 3:1) « [Ny famonjena sy ny fahafahan'ny mino an'i Kristy ampitahaina amin'ny fahamelohana sy ny fahandevozan'izay miankina amin'ny lalàna] Ry Galatiana adala, iza no nanimba* anareo; kanefa teo imasonareo indrindra no nanehoana marimarina an'i Jesosy Kristy voahombo tamin'ny hazo fijaliana? [* Gr. mamosavy] » (Galatiana 3:2) « Izao ihany no tiako holazainareo amiko: Moa ny asan'ny lalàna va no nandraisanareo ny Fanahy, sa ny fitoriana ny finoana*? [* Na: fandrenesana amin'ny finoana] »

FANAMARIHANA: Ny fiovam-po dia tsy miaro anao amin'ny "onjampeon’i Satana". Manohy mandefa ny toetrany izy. Rehefa niresaka ny amin'ny fandresena i Jesosy dia nanondro ny fandresena ireo fomban'i Satana ireo, izay mifanohitra amin'ny fomban'Andriamanitra.

Ireo izay niala tamin'ny làlan'i Satana dia miady mba HANDRESY ny fitaka ataony, ary miezaka ny tsy hivadika amin'ny làlan'Andriamanitra, izany hoe ny Fanjakan' Andriamanitra. Ny olona toy izany no halan'i Satana, sady mahaliana azy handringanana! Saingy afaka mandresy isika noho ny fiarovan'Andriamanitra sy ny heriny mihazona an'i Satana, izay ampanantenainy fa homeny raha mijanona ho akaiky Azy isika!

Alohan'ny hahafahan'i Jesosy Kristy hamerina amin'ny laoniny eto an-tany ny Fanjakan’Andriamanitra, ary hitondra ny firenena rehetra, dia tsy maintsy niaritra ny fakam-panahy mafy indrindra nataon'i Satana Izy. Izany tolona faratampony izany dia voarakitra ao amin'ny Matio 4. Jereo fa nilavolefona ny devoly izay nanandrana namitaka an'i Jesosy Kristy hanota amin'Andriamanitra.

10. Rehefa noana mafy Jesosy dia ahoana no nanintonan’ny devoly ny fieboeboana sy ny hanoanan'ny olombelona? Mat. 4: 1-3.

(Matio 4:1) « Ary Jesosy dia nentin'ny Fanahy nankany an-efitra, mba halain'ny devoly* fanahy.[*Devoly = mpiampanga, na mpanendrikendrika] » (Matio 4:2) « Ary nifady hanina efa-polo andro sy efa-polo alina Izy, koa nony afaka izany, dia noana. » (Matio 4:3) « Dia nanatona ny mpaka fanahy ka nanao taminy hoe: Raha Zanak'Andriamanitra Hianao, dia teneno ho tonga mofo ireto vato ireto. »

Ary amin'ny fanirian'ny olombelona laza sy voninahitra ary fahefana? Matio 4:5-9.

(Matio 4:4) « Fa Izy kosa namaly ka nanao hoe: Voasoratra hoe: Tsy mofo ihany no hiveloman'ny olona, fa ny teny rehetra izay aloaky ny vavan'Andriamanitra (Deo. 8. 3). » (Matio 4:5) « Ary ny devoly nitondra Azy nankany amin'ny tanàna masina ka nampitoetra Azy teo an-tampon ny tempoly, » (Matio 4:6) « dia nanao taminy hoe: Raha Zanak'Andriamanitra Hianao, mianjerà any ambany any; fa voasoratra hoe: Izy handidy ny anjeliny ny aminao; Ary eny an-tànany no hitondran'ireo Anao, fandrao ho tafintohina amin'ny vato ny tongotrao (Sal. 91. 11, 12). » (Matio 4:7) « Hoy Jesosy taminy: Voasoratra hoe koa: Aza maka fanahy an'i Jehovah Andriamanitrao (Deo. 6. 16). » (Matio 4:8) « Ary ny devoly nitondra Azy Indray nankany an-tendrombohitra avo dia avo ka naneho Azy ny fanjakana rehetra amin'izao tontolo izao mbamin'ny voninahiny, » (Matio 4:9) « dia nanao taminy hoe: Izao rehetra izao dia homeko Anao, raha hiankohoka eto anatrehako Hianao. »

Inona no navalin'i Jesosy teo noho eo? Matio 4:4, 7, 10.

(Matio 4:10) « Fa hoy Jesosy taminy: MANDEHANA IANAO, RY SATANA: FA VOASORATRA HOE; JEHOVAH ANDRIAMANITRAO NO HIANKOHOFANAO, ARY IZY IRERY IHANY NO HOTOMPOINAO (Deo. 6. 13). »

Inona no vokatr'io ady ara-panahy goavana io? Matio 4:11.

(Matio 4:11) « DIA NANDAO AZY NY DEVOLY, ary indreo, nisy anjely tonga ka nanompo Azy. »

FANAMARIHANA: Jesosy Kristy nandresy ny devoly. Nanohitra an'i Satana izy ary nandresy azy, ary nasehony azy ny HERINY teo aminy! Rehefa nanome baiko ny devoly Izy dia tsy maintsy manoa io. Nandositra izy, fantany fa resy tamin'ity fihaonana ara-panahy faratampony hatrizay ity.

Nandresy ny hafetsen'ny devoly tamin'ny alàlan'ny Tenin'Andriamanitra i Kristy. Namaly ny fakam-panahin'ny devoly Izy, tamin'ny fanononana ny andinin-tSoratra Masina sahaza izay toe-javatra tsirairay. Fantany tsara ny Tenin’Andriamanitra. Mahafantatra ny sitrapon'Andriamanitra Izy, ary nankatò izany. Noho izany dia tsy afaka namitaka Azy ny devoly!

11. Moa ve ny Kristiana amin'izao fotoana izao koa mba tokony hanohitra ny devoly amin'ny fahamarinana nambaran' Andriamanitra azy ireo? 1 Pet. 5: 9.

(1 Petera 5:9) « tohero izy, ka miorena tsara amin'ny finoana ianareo, satria fantatrareo fa izany fahoriana izany dia manjo ny rahalahinareo rehetra eran'izao tontolo izao. »

Inona no tsy maintsy ataon'ny devoly raha toherina mafy izy? Jak. 4: 7.

(Jakoba 4:7) « Ka dia maneke an’Andriamanitra ianareo; ary manohera ny devoly, dia handositra anareo izy. »

12. Inona no torolàlana amin'ny ady fanoherana ny devoly sy ny fihetsiny, nomen'Andriamanitra antsika tamin'ny alàlan'i Paoly? Efes. 6: 10-12.

[Ny adim-panahin'ny Kristiana, sy ny fiadiana atolotr'Andriamanitra azy]

(Efesiana 6:10) « Farany, mahereza ao amin'ny Tompo sy amin'ny herin'ny faherezany. » (Efesiana 6:11) « Tafio avokoa ny fiadian'Andriamanitra, mba hahazoanareo hifahatra amin'ny fanangolen'ny devoly. » (Efesiana 6:12) « Fa isika tsy mitolona amin'ny nofo aman-drà, fa amin'ny fanapahana sy amin'ny fanjakana sy amin'ny mpanjakan'izao fahamaizinana izao, dia amin'ny fanahy ratsy eny amin'ny rivotra*. [* Gr. lanitra] »

Inona no tokony hotafian'ny Kristiana mba handresena amin'ity ady ara-panahy ity" Efesiana 6:11, 13.

(Efesiana 6:13) « Ary noho izany, dia raiso avokoa ny fiadian'Andriamanitra, mba hahazoanareo hanohitra amin'ny andro mahory; ary rehefa vitanareo avokoa, dia hahafahatra ianareo. »

Mirakitra inona ny fiadian'Andriamanitra? Efesiana 6:14-20.

(Efesiana 6:14) « Mifahara ary, ka sikino fahamarinana ny valahanareo, ary mitafia ny rariny ho fiarovan-tratra, » (Efesiana 6:15) « ary kiraroy ny fahavononam-panahy avy amin'ny filazantsaran'ny fihavanana ny tongotrareo; » (Efesiana 6:16) « ary ho fanampin'izany rehetra izany dia tano ny finoana ho ampinga, izay hahazoanareo hamono ny zana-tsipìka mirehitra rehetra izay alefan'ilay ratsy. » (Efesiana 6:17) « Ary raiso ny famonjena ho fiarovan-doha sy ny tenin'Andriamanitra ho sabatry ny Fanahy; » (Efesiana 6:18) « ary mivavaha mandrakariva ao amin'ny Fanahy amin'ny fivavahana rehetra sy ny fangatahana, ka miambena amin'izany amin'ny faharetana sy ny fangatahana rehetra ho an'ny olona masina rehetra, » (Efesiana 6:19) « ary ho ahy koa mba homena ahy ny hiloa-bava amin'ny fahasahiana hampahafantatra ny zava-miafina momba ny filazantsara » (Efesiana 6:20) « (iraka* migadra noho izany aho), mba hiteny izany amin'ny fahasahiana aho, toy izay mety hoteneniko. [* Gr. ambasadôra] »

FANAMARIHANA: "Ny fahamarinana" dia manondro ny Tenin'ANDRIAMANITRA (Jaona 17:17) « Manamasina azy amin'ny fahamarinana; ny teninao no fahamarinana », ilay ampahany voalohany amin'ny fiadiana ara-panahin'ny Kristiana. Ny "fiarovan-tratra fahamarinana" dia ny fankatoavana ny didin'Andriamanitra (Salamo 119:172) « Hihira ny teninao ny lelako, Fa marina ny didinao rehetra »; ny "filazantsaran'ny fihavanana" dia ny hafatry ny Fanjakan'Andriamanitra ho avy, rehefa hitondra an'ity tany ity i Kristy ary hitondra fiadanana ho azy.

Ny "ampingan'ny finoana" dia manondro ny finoana an'i Jesosy Kristy, izay mety ho ao anatintsika (Gal. 2:20; Apok. 14:12; Fil. 3: 9), fa tsy ny finoantsika olombelona fotsiny.

(Galatiana 2:20) « Voahombo miaraka amin'i Kristy amin'ny hazo fijaliana aho, ary tsy izaho intsony no velona, fa Kristy no velona ato anatiko; fa izay ivelomako ankehitriny eo amin'ny nofo dia ivelomako amin'ny finoana ny Zanak'Andriamanitra, Izay efa tia ahy ka nanolotra ny tenany hamonjy ahy. »

(Apokalypsy 14:12) « Indro ny faharetan'ny olona masina, dia izay mitandrina ny didin'Andriamanitra sy ny finoana an'i Jesosy. »

(Filipiana 3:9) « ary mba ho hita ao aminy aho tsy manana ny fahamarinako, izay avy amin'ny lalàna, fa izay avy amin'ny finoana an'i Kristy, dia ny fahamarinan'Andriamanitra amin'ny finoana; »

Ity finoana ity dia fanomezan'Andriamanitra tamin'ny alalan’ny Fanahy Masina (Gal. 5:22), finoana an'i Kristy apetraka ao anatintsika, hahafahana manapaka sy mandresy ny ota!

(Galatiana 5:22) « Fa ny vokatry ny Fanahy kosa dia fitiavana, fifaliana, fiadanana, fahari-po fahamoram-panahy, fanaovan-tsoa, fahamarinana, »

Ny «fiarovan-doha famonjena» dia ny fahalalana ny atao hoe famonjena, ny zavatra ilaina amin’izany sy ny momba azy, ny zava-kendren'ny fiainana rehetra. Raha lazaina amin'ny teny hafa, dia fahalalana ny TANJONA MARINA sy ny mety ho fiafaran'ny olombelona - ny fahatongavana ho mpikambana masina ao amin'ny Fianakavian'Andriamanitra!

Ny "sabatry ny Fanahy" dia manondro ny Tenin'Andriamanitra voasoratra - izany no hany fitaovam-piadiana entin'ny Kristiana miady amin'ny devoly sy ny hafetseny (Heb. 4:12). Manapaka ny paikadin'ny fahavalo sy ny fandrika ataony ny Tenin’Andriamanitra, ary mampiseho amintsika ny tanjon'ny fahavalo.

(Hebreo 4:12) « Fa velona sy mahery ny tenin'Andriamanitra ka maranitra noho ny sabatra roa lela, ka manindrona hatramin'ny fampisarahana ny aina sy ny fanahy ary ny tonona sy ny tsoka, ka mahay mamantatra ny eritreritra sy ny fisainan'ny fo. »

Ny zavatra farany noresahin'i Paoly tamin'ny ady amin'i Satana sy ny hafetseny dia ny "vavaka". Ny Kristiana dia tokony hanakaiky an'Andriamanitra amin'ny vavaka maharitra (l Tes. 5:17), mivavaka ho an'ny olon'Andriamanitra rehetra, ny asa fanompoana ao amin'ny Fiangonan'Andriamanitra ary ny tenan'izy ireo.

(1 Tesaloniana 5:17) « Mivavaha, ka aza mitsahatra. »

Ity no fomba hanonganana sy HANDRESENA an’i Satana, ary hanery azy handositra! Ity no paikady tonga lafatra handresena ny toetran'olombelona sy ny fanintonan'izao tontolo izao, satria izy roa dia samy asetsiky ny devoly. Raha manaraka tsara an'io fomba fiady io ny Kristiana, dia hahomby sy handresy ireo fahavalony telo mahafaty.