Fety Fito Isan-taona - Fiz.2

  NY FETY FITO ISAN-TAONA (Fiz.2)

TABERNAKELY SY FARA-FIVORIANA

 

TENIN’ANDRIAMANITRA

Levitikosy 23:33-44

Jaona 7:31-39

Apokalypsy 20:11-15

 

TENIN’ANDRIAMANITRA

Levitikosy 23:33-44

[Lalàna ny amin'ny fanamasinana ny fotoam-pivavahana voatendrin'i Jehovah]

(Levitikosy 23:33) « Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe: » (Levitikosy 23:34) « Mitenena amin'ny Zanak'Isiraely hoe: Amin'ny andro fahadimy ambin'ny folo amin'izany volana fahafito izany no hiantombohan'ny andro firavoravoana fitoerana amin'ny trano rantsan-kazo hafitoana ho an'i Jehovah. » (Levitikosy 23:35) « Amin'ny andro voalohany dia hisy fivoriana masina: aza manao tao-zavatra akory. » (Levitikosy 23:36) « Hafitoana no hanateranareo fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah; ary amin'ny andro fahavalo dia hisy fivoriana masina ho anareo koa, ka hanatitra fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah ianareo; fara-fivoriana izany, koa aza manao tao-zavatra akory. » (Levitikosy 23:37) « Ireo no fotoam-pivavahana voatendrin'i Jehovah, ka hantsoinareo ho fivoriana masina, hanaterana fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah, dia fanatitra dorana sy fanatitra hohanina sy fanatitra hafa alatsa-drà sy fanatitra aidina, samy amin'ny fotoany avy izy rehetra, » (Levitikosy 23:38) « afa-tsy izay fanao amin'ny Sabatan'i Jehovah sy ny zavatra omenareo sy ny fanatitra rehetra hanalanareo voady ary ny fanati-tsitraponareo rehetra, izay omenareo ho an'i Jehovah. » (Levitikosy 23:39) « Ary amin'ny andro fahadimy ambin'ny folo amin'ny volana fahafito, raha manangona ny vokatry ny tany ianareo, dia tandremo ny andro firavoravoana hafitoana ho an'i Jehovah; ny andro voalohany dia andro fitsaharana, ary ny andro fahavalo dia andro fitsaharana koa. » (Levitikosy 23:40) « Ary amin'ny andro voalohany dia makà voan'ny hazo tsara tarehy, dia sampan-drofia sy rantsan'ny hazo mikirindro ary hazomalahelo amoron'ny renirano, ho anareo; dia mifalia hafitoana eo anatrehan'i Jehovah Andriamanitrareo ianareo. » (Levitikosy 23:41) « Ary tandremo izany ho andro firavoravoana ho an'i Jehovah hafitoana isan-taona. Ho lalàna mandrakizay amin'ny taranakareo hatramin'ny fara mandimby izany; amin'ny volana fahafito no hitandremanareo azy. » (Levitikosy 23:42) « Ao amin'ny trano rantsan-kazo no hitoeranareo hafitoana; ny tompon-tany rehetra amin'ny Zanak'Isiraely dia samy hitoetra ao amin'ny trano rantsan-kazo avokoa, » (Levitikosy 23:43) « mba ho fantatry ny taranakareo fa nampilasy ny Zanak'Isiraely tao amin'ny trano rantsan-kazo Aho, raha nitondra azy nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo. » (Levitikosy 23:44) « Ary Mosesy dia nilaza tamin'ny Zanak'Isiraely ny fotoam-pivavahana voatendrin'i Jehovah. »

Jaona 7:31-39

Ny niakaran’i Jesosy tany Jerosalema tamin’ny andro firavoravoana Tabernakely, sy ny nampianarany teo an-kianjan’ny tempoly, ary ny nitadiavan’ny lehibe hisambotra Azy

(Jaona 7:31) « Ary maro ny vahoaka no nino Azy ka nanao hoe: Raha tonga Kristy, moa hanao famantarana maro mihoatra noho ny nataon'ity Lehilahy ity va Izy? » (Jaona 7:32) « Ny Fariseo nandre ny vahoaka nitakoritsika izany zavatra izany ny aminy; ary ny lohan'ny mpisorona sy ny Fariseo dia naniraka mpiandry raharaha mba hisambotra Azy. » (Jaona 7:33) « Dia hoy Jesosy: Kely foana no itoerako aminareo, dia hankany amin'izay naniraka Ahy Aho. » (Jaona 7:34) « Hitady Ahy ianareo, fa tsy hahita; ary izay itoerako dia tsy azonareo haleha. » (Jaona 7:35) « Dia niresaka hoe ny Jiosy: Hankaiza moa no halehan'ilehity, no tsy ho hitantsika? Hankany amin'izay miely any amin'ny Grika va Izy ka hampianatra ny Grika? » (Jaona 7:36) « Ahoana re izao teny nolazainy izao hoe: Hitady Ahy ianareo, fa tsy hahita; ary izay itoerako tsy azonareo haleha? » (Jaona 7:37) « Ary tamin'ny andro farany, izay andro lehibe tamin'ny andro firavoravoana, dia nitsangana Jesosy ka niantso nanao hoe: Raha misy olona mangetaheta, aoka izy hanatona Ahy ka hisotro. » (Jaona 7:38) « Izay mino Ahy, dia hisy onin'ny rano velona miboiboika avy ao an-kibony, araka ny voalazan'ny Soratra Masina. » (Jaona 7:39) « Ary ny Fanahy, Izay efa horaisin'ny mino Azy, no nolazainy tamin'izany; fa ny Fanahy* tsy mbola nomena, satria Jesosy tsy mbola niditra tamin'ny voninahiny. [* Na: Fanahy Masina] »

Apokalypsy 20:11-15

[Ny amin'ny namatorana an'i Satana, sy ny amin'ny fitsanganana voalohany, ary ny arivo taona]

(Apokalypsy 20:11) « Ary hitako fa, indro, nisy seza fiandrianana fotsy lehibe sy Ilay mipetraka eo amboniny; ny tany sy ny lanitra nandositra ny tavany, ka tsy nisy hitoerany intsony. » (Apokalypsy 20:12) « Ary nahita ny maty aho, na ny lehibe na ny kely, nitsangana teo anoloan'ny seza fiandrianana; ary novelarina ny boky; ary nisy boky iray koa novelarina, dia ny bokin'ny fiainana izany; ary ny maty dia notsaraina araka izay zavatra voasoratra teo anatin'ny boky, araka ny asany. » (Apokalypsy 20:13) « Ary ny ranomasina dia namoaka ny maty tao anatiny; ary ny fahafatesana sy ny fiainan-tsi-hita* namoaka ny maty tao aminy; dia samy notsaraina araka ny asany izy. [* Gr. Hadesy] » (Apokalypsy 20:14) « Ary ny fahafatesana sy ny fiainan-tsi-hita* dia natsipy tany amin'ny farihy afo. Izany no fahafatesana faharoa, dia ny farihy afo. [* Gr. Hadesy] » (Apokalypsy 20:15) « Ary raha nisy tsy hita voasoratra teo anatin'ny bokin'ny fiainana, dia natsipy tany amin'ny farihy afo izy. »

TORITENY SY FAMPIANARANA

Dr. Rakotondravony Daniel, Fiangonan’Andriamanitra Miray

 

16. Inona no Fety lehibe fito andro manaraka ny Andro Fanavotana? Lev. 23: 33-35; Deot. 16:13.

(Levitikosy 23:33) « Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe: » (Levitikosy 23:34) « Mitenena amin'ny Zanak'Isiraely hoe: Amin'ny andro fahadimy ambin'ny folo amin'izany volana fahafito izany no hiantombohan'ny andro firavoravoana fitoerana amin'ny trano rantsan-kazo hafitoana ho an'i Jehovah. » (Levitikosy 23:35) « Amin'ny andro voalohany dia hisy fivoriana masina: aza manao tao-zavatra akory. »

(Deotoronomia 16:13) « Tandremo hafitoana ny andro firavoravoana fitoerana amin'ny trano rantsan-kazo, rehefa nangoninao ny avy amin'ny famoloanao sy ny famiazanao. »

FANAMARIHANA: Ny Fetin'ny Tabernakely dia nantsoina koa hoe Fetin'ny Fanangonam-bokatra (Eks. 23:16; 34:22) satria ity fetibe fito andro ity dia nankalaza ny fijinjana tamin’ny fahavaratra sy ny fararano. Ny firenena iray manontolo dia nitandrina izany fety izany taorian'ny nanangonana ny vokatra lehibe (Lev. 23:39).

(Eksodosy 23:16) « Ary tandremo koa ny andro firavoravoana amin'ny fijinjana ny voaloham-bokatry ny asanao, izay nafafinao tany an-tsaha, sy ny andro firavoravoana amin'ny fanangonana amin'ny faran'ny taona, raha manangona ny vokatry ny asanao avy any an-tsaha ianao. »

(Eksodosy 34:22) « Ary tandremo ny andro firavoravoana manarakaraka ireo herinandro amin'ny fanaterana ny voaloham-bokatra, raha mijinja ny vary tritika, sy ny andro firavoravoana amin'ny fanangonana amin'ny fitsingerenan'ny taona. »

(Levitikosy 23:39) « Ary amin'ny andro fahadimy ambin'ny folo amin'ny volana fahafito, raha manangona ny vokatry ny tany ianareo, dia tandremo ny andro firavoravoana hafitoana ho an'i Jehovah; ny andro voalohany dia andro fitsaharana, ary ny andro fahavalo dia andro fitsaharana koa. »

17. Nitandrina ny Fetin'ny Tabernakely ve i Jesosy? Jaona 7: 2, 8-11, 14. Fantatry ny rehetra ve fa nitandrina ny Fetin'Andriamanitra foana i Jesosy, ka nanantena Azy ho any Jerosalema hitandrina ny Fetin'ny Tabernakely izy ireo? Jaona 7:11.

(Jaona 7:2) « Ary efa akaiky ny andro firavoravoan'ny Jiosy, dia ny amin'ny Tabernakely, » (Jaona 7:8) « Miakara ho amin'ny andro firavoravoana ianareo; fa Izaho tsy mbola miakatra ho amin'ity andro firavoravoana ity; satria tsy mbola tonga ny fotoako. » (Jaona 7:9) « Ary rehefa nilaza izany teny izany taminy Izy, dia mbola nitoetra tany Galilia ihany. » (Jaona 7:10) « Fa rehefa lasa niakatra ho amin'ny andro firavoravoana ny rahalahiny, dia niakatra koa Izy, nefa tsy mba nisehoseho, fa toa niafinafina. » (Jaona 7:11) « Ary ny Jiosy dia nitady Azy tamin'ny andro firavoravoana ka nanao hoe: Aiza Izy? » (Jaona 7:14) « Ary rehefa nisasaka ny andro firavoravoana, dia niakatra teo an-kianjan'ny tempoly Jesosy ka nampianatra. »

FANAMARIHANA: Noho ny fanenjehana tsy mitsaha-mitombo, dia nisafidy tamim-pahendrena ny tsy hanao dia lavitra tany Jodia i Jesosy (Jaona 7:1). Na izany aza, ny andininy 1-10 dia mampiseho fa nanao vivery ny ainy hitandrina ny Fetin'ny Tabernakely izy. Na dia nandeha mangingina aza Izy dia nampianatra ampahibemaso tao amin'ny tempoly tamin’ny fisasahan'ny Andro firavoravoana (Jaona 7:14), izay fitsingerenan’ny andro nahaterahany. Nitohy nampianatra Izy hatramin’ny andro fahavalo Fara-fivoriana (Jaona 7:37-39).

18. Inona no lohahevitra napetrak'Andriamanitra ho an'ny fankalazana isan-taona ny Fetin'ny Tabernakely? Deot. 16: 14-15. (Mariho ireo teny hoe "mifalia tokoa." Ny fandikan-teny hafa, toy ny Revised Standard Version, dia manao azy "ho fifaliana tanteraka.") Tian'Andriamanitra hifaly ve ny olon-drehetra, tsy anavahana taona na sokajy sosialy na ambaratongan-toekarena? Vakio indray ny andininy 14.

(Deotoronomia 16:14) « Ary mifalia amin'ny andro firavoravoanao ianao sy ny zanakao-lahy sy ny zanakao-vavy sy ny ankizilahinao sy ny ankizivavinao ary ny Levita mbamin'ny vahiny sy ny kamboty ary ny mpitondratena izay ao an-tanànanao. » (Deotoronomia 16:15) « Hafitoana no itandremanao andro firavoravoana ho an'i Jehovah Andriamanitrao eo amin'ny tany izay hofidin'i Jehovah, satria hitahy anao Jehovah Andriamanitrao amin'ny vokatrao rehetra sy ny asan-tananao rehetra, ka dia hifaly tokoa ianao. »

19. Tian'Andriamanitra hifaly amin'ny fetin'ny Tabernakely ve ny lehilahy sy ny ankohonany? Deot. 16:14-15; 12: 5, 7, 12. Tokony hipetraka ao amin'ny "trano lay" ve izy ireo – fonenana tsy maharitra (mifanaraka amin'ny trano fandraisam-bahiny na hotely akehitriny, sns)? Lev. 23:42, 40.

(Deotoronomia 12:5) « Fa ny tany izay hofidin'i Jehovah Andriamanitrareo amin'ny firenenareo rehetra hasiany ny anarany sy honenany no hohatoninareo sy halehanareo. » (Deotoronomia 12:7) « ary any no hihinananareo sy ny ankohonanareo eo anatrehan'i Jehovah Andriamanitrareo ary hifalianareo amin'izay rehetra harin'ny tananareo, izay efa nitahian'i Jehovah Andriamanitrao anao. » (Deotoronomia 12:12) « Dia hifaly eo anatrehan'i Jehovah Andriamanitrareo ianareo sy ny zanakareo-lahy sy ny zanakareo-vavy sy ny ankizilahinareo sy ny ankizivavinareo ary ny Levita izay ao an-tanànanareo; fa ny Levita tsy mba manana anjara na lova eo aminareo. »

(Levitikosy 23:40) « Ary amin'ny andro voalohany dia makà voan'ny hazo tsara tarehy, dia sampan-drofia sy rantsan'ny hazo mikirindro ary hazomalahelo amoron'ny renirano, ho anareo; dia mifalia hafitoana eo anatrehan'i Jehovah Andriamanitrareo ianareo. » (Levitikosy 23:42) « Ao amin'ny trano rantsan-kazo no hitoeranareo hafitoana; ny tompon-tany rehetra amin'ny Zanak'Isiraely dia samy hitoetra ao amin'ny trano rantsan-kazo avokoa, »

FANAMARIHANA: Ny Fetin'ny Tabernakely dia feno dikany ara-panahy ho an'ny Kristiana ankehitriny. Ny Fety dia maneho an-tsary ny Tontolo Rahampitso mahafinaritra eo ambanin'ny fanapahana marin’i Jesosy Kristy - 1000 taonam-piadanana sy fanambinana ary fifaliana ho an'ireo olona an'arivony tapitrisa izay hiaina amin’ity vanim-potoana nofinofy ity. Mandritry ny Milenioma no manomboka ny "fijinjana" fiainan’olombelona ho ao amin'ny Fanjakan'Andriamanitra, izany hoe olona nateraka indray ho mpikambana ao amin'ny Fianakavian'Andriamanitra.

Eritrereto fotsiny! Horoahina avy hatrany i Satana amin'ny fiverenan'i Kristy. Manaraka an’izay ny fiadanana sy fanambinana mandritry ny 1000 taona. Ireo izay "voaloham-bokatra" amin'ny fijinjana ara-panahin'Andriamanitra, teraka voalohany ao amin'ny Fianakavian'Andriamanitra sy mpiara-mandova amin'i Jesosy Kristy, dia hiaraka Aminy hitantana ny tany. Homena azy ireo ny fahafaha-mizara fahalalana mitondra famonjena ho an'ny olona velona amin’izany sy ireo izay teraka mandritry ny Milenioma.

Imbetsaka Andriamanitra no milaza amintsika fa ny Fetin'ny Tabernakely dia fotoana fifaliana lehibe indrindra. Ho an'ny Isiraely taloha dia fotoam-pifaliana izany satria ny fijinjam-bokatra lehibe dia vao tsy ela taloha kelin'ny Fety. Fa amin'ny Milenioma, ny fahasambarana, sy fifaliana ary fanambinana asehon’ny Fetin'ny Tabernakely dia hanerana izao tontolo izao, eo ambaniny fahazavan’ny fanapahan'i Jesosy Kristy. Ny fankatoavana an'Andriamanitra amin'ny alàlan'ny fitandremana ny Didiny sy fanarahana ny fomba fiaina asehony dia hahatonga izao tontolo izao rahampitso ho nofy tanteraka!

Ny fetin’Andriamanitra amin’ny volana fahafito dia manome ho an’ny zanany notorontoron’ny Fanahy fotoana sy toerana manokana hieritreretana ny tanjon’ny fiainana sy ny fomba hahazoana izany. Ny Fetin'ny Tabernakely dia natao hampisaraka sy hanafaka azy ireo amin'ny fikarakarana mahazatra an'izao tontolo izao. Mipetraka amin'ny trano vonjimaika izy mandritry ny herinandro, lavitra ny manodidina azy isan'andro, ary lavitry ny asany, ary miaina an’ohatra ny fahalalahana sy ny fandriampahalemana manerantany izay hisy mandritry ny Milenioma, amin'ny alàlan'ny fitandremana ireo fito andro ireo.

Ny Fetin'ny Tabernakely, araka ny hita ankehitriny, dia santatra tena kely fotsiny, nefa mahafaly, amin’ny Tontolo Rahampitso mahasambatra, rehefa ho azo omena ny olombelona rehetra ny Fanahy Masina. Andro fampianarana mitambatra ataon'ny minisitr'Andriamanitra ireo, sady andro fifankazaran’ny tena kristianina. Mandritry ny Fety, ny Kristiana dia mampiseho, amin'ny fomba iarahan'izy ireo miaina mifanaraka, ny mety sy tokony ho toetran'ity tontolo mararin’ny ota sy mijaly ity!

Ireo mpikamban'ny Fiangonan'Andriamanitra Miray dia miandrandra fatratra ny hankalaza ny fetin'ny Tabernakely isaky ny volana fahafito, any amin'ny toerana maro manerana an'izao tontolo izao. Eo anelanelan'ny fotoam-pivavahana, izy ireo dia mandray anjara amin'ny hetsika isan-karazany mampientanentana sy mahafinaritra, tohanan'ny Fiangonana ho an'ny mpikambana tanora sy lehibe, ary koa amin’ny hetsika mampiavaka manokana ny toeram-pivoriana tsirairay. Ny fifampiahiana sy ny fiombonam-po marina, ny sakafo ara-panahy sy ny fahafinaretana samy hafa dia mampaniry sahady hanatrika ny fety amin'ny taona manaraka, ary mampihevitra ny "fialan-tsasatra" taloha toa zava-mahazatra!

20. Ny fetin'ny Tabernakely fito andro ve manambara fahatanterahan’ny ampahany betsaka amin’ny Planin'Andriamanitra ho an'ny olombelona? Sitrak'Andriamanitra ve ny hahatonga ny olona rehetra izay niaina hahalala ny famonjena? II Pet. 3: 9; 1 Tim. 2: 4.

(2 Petera 3:9) « Ny Tompo tsy mahela ny teny fikasany, araka izay ataon'ny sasany ho fahelany; fa mahari-po aminareo Izy, ka tsy tiany hisy ho very, fa mba ho tonga amin'ny fibebahana izy rehetra, »

(1 Timoty 2:4) « Izay tia ny olona rehetra hovonjena ka ho tonga amin'ny fahalalana ny marina. »

FANAMARIHANA: Hatreto dia hitantsika fa ireo izay nahazo tombontsoa nantsoin'Andriamanitra nandritry ny vanim-potoana maro, indrindra hatramin'ny niavian'i Kristy voalohany ka hatramin'ny faran'ny Milenioma, dia tafiditra ao amin'ny Planina lehiben'Andriamanitra mahatalanjona.

Fa ahoana kosa ny amin'ireo olona an'arivony tapitrisa hatramin'ny andron'i Adama ka hatramin'izao androntsika izao (anisany, angamba, ny ankamaroan'ny olon-tianao), izay tsy nantsoin'Andriamanitra - izany hoe tsy mbola nanana fotoana nahafantarana sy tena nahatakarana ny fahamarinan'Andriamanitra?

An'arivony tapitrisa maro no mbola tsy nandre ny anaran'i Kristy akory. Voaheloka ho faty mandrakizay ve izy ireo nefa tsy nanana fotoana nandrenesana ny fahamarinana akory? Rariny ve izany amin’ Andriamanitra be fitiavana?

Azonao an-tsaina ve Andriamanitra mpamindra fo sy marina manameloka ankizy kely tsy manan-tsiny - ny sasany maty talohan'ny nahafahan'izy ireo nandeha na niresaka, dia hijanona ho maty mandrakizay tsy misy fahalalana ny fomba fiaian'Andriamanitra, ary tsy omena fotoana hahazoany fiainana mandrakizay?

Andriamanitra, tamin'ny hitsiny tanteraka, dia nanomana izay rehetra efa niaina mba hanana anjara fotoana ho amin'ny famonjena. Koa tahaka ny tsy fahafenoan'ny herinandro raha tsy misy ny andro Sabata, dia toy izany koa, ny Planina lehiben'Andriamanitra dia tsy feno raha tsy misy ny Andro Firavoravoana sy ny Andro Masina fahafito isan-taona.

Ao amin'ny Baiboly, ny isa fito dia manondro fahafenoana sy ny fahatanterahana. Raha tsy misy fahalalana ity Andro Masina fahafito fanao isan-taona ity dia tsy azonao ny fahatanterahan'ny Planina lehiben’Andriamanitra: Tsy azonao fa ny famindrampon' Andriamanitra amin'ny zanak'olombelona dia mihoatra ny Milenioma aza!

Raha te-hahatakatra ity dingana farany ity - ny fizotran'ny Planin'Andriamanitra, dia tsy maintsy takatsika ny ANDRO MASININ'ANDRIAMANITRA ISAN-TAONA FARANY, maneho ny FITSARANA LEHIBE FARANY.

21. Nisy "andro fahavalo" fanompoam-pivavahana ve natao avy hatrany taorian'ny fito andro Fetin'ny Tabernakely? Lev. 23: 34-36. Ny fety farany ve no Sabata fitsaharana fanao isan-taona farany? Lev. 23: 39.

(Levitikosy 23:34) « Mitenena amin'ny Zanak'Isiraely hoe: Amin'ny andro fahadimy ambin'ny folo amin'izany volana fahafito izany no hiantombohan'ny andro firavoravoana fitoerana amin'ny trano rantsan-kazo hafitoana ho an'i Jehovah. » (Levitikosy 23:35) « Amin'ny andro voalohany dia hisy fivoriana masina: aza manao tao-zavatra akory. » (Levitikosy 23:36) « Hafitoana no hanateranareo fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah; ary amin'ny andro fahavalo dia hisy fivoriana masina ho anareo koa, ka hanatitra fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah ianareo; fara-fivoriana izany, koa aza manao tao-zavatra akory. »

(Levitikosy 23:39) « Ary amin'ny andro fahadimy ambin'ny folo amin'ny volana fahafito, raha manangona ny vokatry ny tany ianareo, dia tandremo ny andro firavoravoana hafitoana ho an'i Jehovah; ny andro voalohany dia andro fitsaharana, ary ny andro fahavalo dia andro fitsaharana koa. »

FANAMARIHANA: Ny Sabata fanao isan-taona farany dia tandremana avy hatrany aorian'ny fetin'ny Tabernakely. Saingy noho ny fanakekezany an'io fety fito andro io dia nampifandraisina tamin'ny Fetin'ny Tabernakely izy, ary nantsoina hoe "andro fahavalo". Ity Fety ity dia nanjary fantatry ny Kristiana ho "andro farany, izay andro lehibe amin'ny andro firavoravoana" (Jaona 7:37).

(Jaona 7:37) « Ary tamin'ny andro faranyizay andro lehibe tamin'ny andro firavoravoana, dia nitsangana Jesosy ka niantso nanao hoe: Raha misy olona mangetaheta, aoka izy hanatona Ahy ka hisotro. »

22. Ny Apokalipsy toko 20 no mitana ny lakilen'ny dikan'ny "Andro lehibe farany". Araka ny efa fantatsika, ny andininy 4-6 dia miresaka momba ireo olo-masina mitsangana amin'ny maty hiara-manjaka amin'i Jesosy Kristy ety an-tany mandritry ny 1000 taona. Fa inona marina no voalaza ao amin'ny fehezanteny voalohany amin'ny andininy 5?

(Apokalypsy 20:5) « Fa ny sisa amin'ny maty dia tsy mbola velona mandra-pahatapitry ny arivo taona. Izany no fitsanganana voalohany. »

FANAMARIHANA: Tsy ireo "maty ao amin'i Kristy" ireo, fa ireo maty fotsiny - ireo an'arivony tapitrisa maro izay tsy an'i Kristy, izay tsy mbola natsoin'Andriamanitra, izay tsy nandre ny anaran'i Jesosy Kristy akory ny ankamaroany.

Mariho fa ny tapany voalohany amin'ny andininy faha-5 dia hevitra ao anaty fonoteny. Izao no fomba tokony hamakiana azy: "(Fa ny sisa amin'ny maty dia tsy velona mandra-pahatapitry ny arivo taona.) Izany no fitsanganana voalohany."

Ilay fehezan-teny hoe "Izany no fitsanganana voalohany" dia manondro ny fitsanganan'ireo marina maty ao amin'i Kristy talohan'ny nanombohan'ny fe-potoana 1000 taona. Fa, hoy i Jaona manazava: "ny sisa amin'ny maty", ireo izay tsy nanana fotoana hahatakarana ny fahamarinan'Andriamanitra - dia tsy hitsangana amin'ny maty "mandra-pahatapitry ny arivo taona." Ity fitsanganana amin'ny maty ity, izay mitranga aorian'ny fahataperan'ny 1000 taona, dia ny fitsanganana faharoa.

23. Ahoana no namariparitan'i Jaona bebe kokoa ny fitsanganana faharoa? Apok 20: 11-12. Ahoana no itsarana an'ireo olona ireo? Apok 20:12.

(Apokalypsy 20:11) « Ary hitako fa, indro, nisy seza fiandrianana fotsy lehibe sy Ilay mipetraka eo amboniny; ny tany sy ny lanitra nandositra ny tavany, ka tsy nisy hitoerany intsony. » (Apokalypsy 20:12) « Ary nahita ny maty aho, na ny lehibe na ny kely, nitsangana teo anoloan'ny seza fiandrianana; ary novelarina ny boky; ary nisy boky iray koa novelarina, dia ny bokin'ny fiainana izany; ary ny maty dia notsaraina araka izay zavatra voasoratra teo anatin'ny boky, araka ny asany. »

FANAMARIHANA: Ny teny grika nadika hoe "boky" ao amin'ny Apok. 20:12 dia biblia, ary avy amin'io teny io no nahazoana ilay teny anglisy hoe "Bible". Ireo "boky" sokafana dia ny bokin'ny Baiboly! Amin'ny alàlan'ny Fanahy Masin'Andriamanitra dia hosokafana hampianarina an’ireo olona an'arivony tapitrisa ny Baiboly; izy ireo mbola tsy nandre ny anaran'i Kristy na nahatakatra ny tena hafatra raketin'ny Tenin'Andriamanitra, mbola tsy nandray anjara tamin'ny Planin’ny Famonjen’Andriamanitra.

24. Haharitra hafiriana ny fe-potoam-pitsarana azy ireo? Isa.65: 20.

(Isaia 65:20) « Ary na dia ny zaza minono any aza dia tsy ho fohy andro, ary tsy hisy anti-panahy izay tsy nahatapitra ny androny; fa mbola zatovo ihany izay maty na dia efa zato taona aza, ary ny mpanota aza, dia hahatratra zato taona vao hozonina*.[Na: Ary ny mpanota izay mahatratra zato taona ihany dia hatao ho voaozona] »

FANAMARIHANA: Ity andininy ao amin'ny Isaia ity dia toa manondro io vanim-potoana fitsarana io, izay milaza fa ireo izay hatsangana amin'ny maty amin'izany dia ho velona mandritry ny 100 taonana firy na firy taona izy ireo no maty.

25. Aiza koa ao amin'ny Baiboly no ilazana io fitsanganana faharoa io? Ezek. 37: 1-14. Moa ve ireo maty ireo hatsangana amin'ny fomba mazava ho amin'ny ain'olombelona nofo, mila fofon'aina mba hahavelona ny fisiany? Ezekiela 37:5-10.

[Fanoharana ny amin'ny hampodiana ny Isiraely, sy ny hanakambanana azy ho firenena iray hanjakan'i Davida]

(Ezekiela 37:5) « Izao no lazain'i Jehovah Tompo amin'ireto taolana ireto: Indro, hasiako fofonaina ianareo ka ho velona; » (Ezekiela 37:6) « ary hasiako ozatra ianareo ka hampaniriko nofo; ary hosaronako hoditra ianareo; ary hasiako fofonaina ianareo ka ho velona; ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah. » (Ezekiela 37:7) « Dia naminany aho araka izay efa nandidiana ahy, ary nony efa naminany aho. dia injany! nisy feo, ary, indreo, nihetsiketsika sady nifanatonatona ny taolana, samy nanatona ny taolana namany avy. » (Ezekiela 37:8) « Ary hitako fa, indro, naniry ny ozatra sy ny nofo, ary nisarona hoditra izy, nefa tsy mbola nisy fofonaina tao aminy. » (Ezekiela 37:9) « Dia hoy Izy tamiko: Maminania amin'ny fofonaina, eny, maminania. ry zanak'olona, ka ataovy amin'ny fofonaina hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Manatona avy amin'ny rivotra efatra, ry fofonaina, ka tsotsofy ireo voavono ireo, mba ho velona izy. »(Ezekiela 37:10) « Dia naminany araka izay efa nandidiany ahy aho, ka dia nidiran'ny fofonaina ireo ka velona, dia nijoro tamin'ny tongony izy maro be dia maro be tokoa. »

26. Inona no fampanantenan'Andriamanitra an'ireo olona hatsangana amin'ny maty ireo? (Ezekiela 37:13) « ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah, raha manokatra ny fasanareo Aho, ry oloko, ka mampiakatra anareo hiala amin'ny fasanareo. » (Ezekiela 37:14) « Ary hataoko ao anatinareo ny Fanahiko, dia ho velona ianareo, ary hamponeniko any amin'ny taninareo ianareo; ka dia ho fantatrareo fa Izaho Jehovah no efa niteny sady nahatanteraka izany, hoy Jehovah. »

Izany ve mitovy amin’ny fadrotsahana ny Fanahy Masin'Andriamanitra noresahin'i Jesosy Kristy tamin'ny "andro lehibe farany" tamin'ny andro firavoravoana Tabernakely? Jaona 7: 37-39.

(Jaona 7:37) « Ary tamin'ny andro farany, izay andro lehibe tamin'ny andro firavoravoana, dia nitsangana Jesosy ka niantso nanao hoe: Raha misy olona mangetaheta, aoka izy hanatona Ahy ka hisotro. » (Jaona 7:38) « Izay mino Ahy, dia hisy onin'ny rano velona miboiboika avy ao an-kibony, araka ny voalazan'ny Soratra Masina. » (Jaona 7:39) « Ary ny Fanahy, Izay efa horaisin'ny mino Azy, no nolazainy tamin'izany; fa ny Fanahy* tsy mbola nomena, satria Jesosy tsy mbola niditra tamin'ny voninahiny. [* Na: Fanahy Masina] »

27. Ahoana no niantsoan'i Jesosy an'io "andro" manokana na vanim-potoana fitsarana io ho an'ny olona mbola tsy nandre sy nahatakatra ny hafatra mahatalanjona momba ny famonjena? Matio 11: 20-24; 12: 41-42.

(Matio 11:20) « Ary tamin'izany dia vao niteny mafy ny tanàna izay nanaovany ny ankamaroan'ny asany lehibe Izy, satria tsy nibebaka ireo, ka nanao hoe: » (Matio 11:21) « Lozanao, ry Korazina! Lozanao, ry Betsaida! fa raha mba tany Tyro sy Sidona no natao ny asa lehibe izay natao teo aminareo, dia ho efa nibebaka ela tamin'ny lamba fisaonana sy ny lavenona ireny. » (Matio 11:22) « Fa lazaiko aminareo fa ho moramora kokoa ny ho amin'i Tyro sy Sidona amin'ny andro fitsarana noho ny ho aminareo. » (Matio 11:23) « Ary ianao, ry Kapernaomy, hasandratra hatrany an-danitra va ianao? Hietry hatrany amin'ny fiainan-tsi-hita* ianao; fa raha mba tany Sodoma no natao ny asa lehibe izay natao teo aminao, dia ho naharitra ambaraka androany izy. » (Matio 11:24) « Fa lazaiko aminareo fa ho moramora kokoa ny ho amin'ny tany Sodoma amin'ny andro fitsarana noho ny ho aminao. »

(Matio 12:41) « Ny olona tany Ninive hiara-mitsangana amin'ity taranaka ity amin'ny andro fitsarana ka hanameloka azy; fa nibebaka izy tamin'ny nitorian'i Jona teny; nefa, indro, misy lehibe noho Jona eto. » (Matio 12:42) « Ny mpanjakavavy avy tany atsimo hiara-mitsangana amin'ity taranaka ity amin'ny andro fitsarana ka hanameloka azy; fa avy tany amin'ny faran'ny tany izy hihaino ny fahendren'i Solomona; nefa, indro, misy lehibe noho Solomona eto. »

FANAMARIHANA: Kristy niresaka momba ny olona tany Tyro sy Sidona, sy Sodoma ary Ninive tamin'ny andron'i Jona, sy ny Mpanjakavavy avy any Atsimo (Mpanjakavavin'i Sheba). Ireo ohatra rehetra momba ny olona niaina tamin'ny taranaka samy hafa ireo dia ampitahaina amin'ireo olom-pirenena monina amin'ny tanàna sy vohitra tamin'ny andron'i Jesosy, izay tsy nahatakatra na tsy nino ny hafany ny ankamaroany. Nilaza i Jesosy fa izy rehetra dia hitsangana amin'ny maty miaraka amin'ilay taranaka niaina tamin'ny androny!

Jesosy dia nanome ohatra ampy momba ny olona niaina tamin'ny fotoana samy hafa teo amin'ny tantara mba hanaporofoana fa ny ankamaroan'ny zanak'olombelona dia ho velona miaraka, amin'ny fotoana iray ihany eto ambonin'ny tany. Hita ao ny lehilahy sy vehivavy talohan'ny Safo-drano, ireo foko 12 Israelita rehetra, ireo izay niaina nandritry ny vanim-potoana antenatenany, sy izay rehetra velona, na dia ankehitriny aza; izy ireo tsy nanana fotoana hanatonana an'i Kristy, satria tsy nantsoin'Andriamanitra hanana fotoana ahazoana famonjena mandritry ny androm-piainany voalohany. (Vakio Jaona 6:44, 65.)

(Jaona 6:44) « Tsy misy olona mahay manatona Ahy, raha tsy taomin'ny Ray Izay naniraka Ahy; ary Izaho hanangana azy amin'ny andro farany. »

(Jaona 6:65) « Ary hoy Izy: Izany no nilazako taminareo fa tsy misy olona mahay manatona Ahy, raha tsy nomen'ny Ray azy izany. »

Ity vondrona ity dia ahitana ny olona tamin'ny fotoana rehetra, na aiza na aiza eto ambonin'ny tany, afa-tsy ireo izay hatsangana amin'ny maty voalohany, mazava ho azy, na ireo ratsy fanahy tsy azo ovaina ary hatsangana amin'ny fitsanganana fahatelo ka hatsipy any ny farihy afo (Apok. 20: 13-15). Ity vondrona farany ity dia nahatakatra ny fahamarinan'Andriamanitra ary nanam-potoana ahazoana fiainana mandrakizay, saingy nandà an-tsitrapo izany!

Fitsanganana fahatelo(Apokalypsy 20:13) « Ary ny ranomasina dia namoaka ny maty tao anatiny; ary ny fahafatesana sy ny fiainan-tsi-hita* namoaka ny maty tao aminy; dia samy notsaraina araka ny asany izy. [* Gr. Hadesy] » (Apokalypsy 20:14) « Ary ny fahafatesana sy ny fiainan-tsi-hita* dia natsipy tany amin'ny farihy afo. Izany no fahafatesana faharoa, dia ny farihy afo. [* Gr. Hadesy] » (Apokalypsy 20:15) « Ary raha nisy tsy hita voasoratra teo anatin'ny bokin'ny fiainana, dia natsipy tany amin'ny farihy afo izy. »

Satria ireo olona taloha nofaritana tao amin'ny bokin'i Matio 11:21-24 sy 12:41-42 dia tokony ho nibebaka raha tonga tany amin'izy ireo manokana i Kristy tamin'ny androny (TyroSidonaSodomaNiniveMpanjaka vavay avy any Antsimo), dia tena azo antoka fa hibebaka rehefa hatsangana ho amin'ny tontolo iray izay efa nanjaka’i Kristy nandritry ny arivo taona izy ireo - izao tontolo izao anjakan'ny fifaliana, fandriampahalemana, fanambinana ary fiadanam-po.

Ity fitsanganana amin'ny maty goavambe ho amin'ny fiainana fizika ity dia manokatra ny fe-potoam-pitsarana ho azy ireo, fa tsy fanamelohana. Ny fanamelohana dia fepetra farany amin'ny fizotran'ny fitsarana. Ny didim-pitsarana dia avoaka arakaraky ny fandraisan'ny tsirairay ny Tenin'Andriamanitra. Izany didim-pitsarana izany dia mihatra ankehitriny amin'ireo Kristiana notorontoronin’ny Fanahy Masin'Andriamanitra (1 Petera 4:17) « Fa tonga ny andro hiantombohan'ny fitsarana hatrao amin'ny ankohonan*'Andriamanitra; ary raha miantomboka amintsika izany, dia hanao ahoana kosa no hiafaran'izay tsy manaiky ny filazantsaran'Andriamanitra? [* Gr. tranony] »

Ary satria homena fotoana hahazoana famonjena ny olona tsirairay, dia samy handray ny didim-pitsarany avy ny tsirairay aorian'ny safidy izay hataony mandritra io fe-potoana fitsarana azy io.

Raha tonga Kristiana notorontoronin’ny Fanahy ianao amin'izao vanim-potoana izao, ary raha tsy mivadika mandra-pahafatinao, dia mahazo tombontsoa handray anjara amin'ny "fitsanganana tsara kokoa" amin'ny Fiavian'i Kristy Fanindroany. Tsara kokoa izany satria ireo atsangana amin'ny fitsanganana voalohany dia ho fanahy fa tsy olombelona mety maty. Hahazo valisoa lehibe kokoa izy noho ireo izay hiaina mandritry ny fotoam-pitsarana farany, na ireo izay hiaina mandritra ny Milenioma aza!

Hitantsika fa ny fetin’Andriamanitra fanao isan-taona rehetra dia naoarina manodidina ny taom-pijinjana isan-taona tany amin’ny Tany Nampanantenaina, izay nitondran'Andriamanitra ny Isiraely taloha. Nefa fijinjana ara-panahy no tanjon'Andriamanitra! Ny Isiraely tamin’ny Testamenta Taloha dia nampahatsiahivina ny fiankinan'izy ireo sy ny fifandraisany tamin'Andriamanitra Tsitoha, tamin'ny alalan’ny fitsingerenan’ireo fetim-pijinjam-bokatra ireo araka ny fotoany avy. Ankehitriny kosa, ireo Kristiana mahatoky an'Andriamanitra ao amin'ny Testamenta Vaovao, dia afaka mahazo fahalalana mamonjy aina omen’ny Planina lehiben'Andriamanitra, ho fijinjana azy ireo ara-panahy, rehefa mitandrina ireo ANDRO MASINA ireo ihany!

FEHINY: IZAY TIANA HO TADIDY DIA TSY MAINTSY AVERIMBERINA MATETIKA.

Rehefa mitandrina ny fety fanao isan-taona amin'ny fotoany avy ny kristiana notorontoronin’ny Fanahy dia ampahatsiahivina azy ireo ny Planina lehiben'Andriamanitra ho famonjena ny olombelona rehetra, sy ny andraikitry ny tsirairay ao. Ny fetin’Andriamanitra fanao isan-taona dia manome ho an’ny olona iray "fahafahana manao ny andraikitra" takin’ny Planin’ Andriamanitra amin’ny fikasany hamonjy ny olombelona!

Nandritry ny taona maro, ny Fiangonan'Andriamanitra Miray dia nitombo tamin'ny fahazoana ny dikany ara-panahy amin'ireo fety fanao isan-taona ireo. Tsy toy ny fialantsasatra ankalazain’izao tontolo izao, izay tsy misy zava-kendrena na drafitra tena marina amin'ny fisian’ny olombelona, fa ny fetin’Andriamanitra fanao isan-taona dia mampiseho ny fivelarany feno sy ny hevitry ny fikasany lehibe ary ny drafitra ho an'ny olombelona.

Nianarantsika tamin'ity lesona ity fa ny fetin’Andriamanitra fanao isan-taona dia tsy hoe mampianatra ny Planin’ny famonjena fotsiny, fa mitondra antsika mivantana any amin'i Jesosy Kristy Mpamonjy, satria Paska ho antsika Izy (1Kor 5: 7). Ny "fitafiana" an'i Kristy no anesorana ny ota amin'ny fiainantsika, araka ny asehon'ny sary amin'ny Fetin'ny Mofo Tsy Misy Masirasira.

Kristy no voalohany amin'ny "voaloham-bokatra", ary 50 andro taorian'ny nitsanganany tamin'ny maty no nandefasany ny Fanahy Masina tamin'ny andro Pentekosta. Ny Fanahy Masina dia nirahina hanorontoronana ara-panahy ireo izay antsoin'ny Ray, ka hahafahan'izy ireo manatanteraka ny Lalàny, handresy ny fahotana amin'ny fiainany ary hitombo ara-panahy.

Kristy hiditra an-tsehatra amin'ny raharahan'izao tontolo izao (sary asehon’ny fetin'ny trompetra), hanangana amin'ny maty ny voaloham-bokatra, ary ho Mpanjakan'ny mpanjaka, hanesotra ny fanapahan'i Satana mpamitaka faratampony, araka ny asehon'ny Andro Fanavotana. Rehefa tsy misy intsony ny fitaoman'i Satana sy ny devoly namany, ny olombelona rehetra dia hanana anjara fotoana "hiray saina" amin'i Kristy amin'ny alàlan'ny fibebahana, ny batisa, ary fandraisana ny Fanahy Masina.

Ho avy i Kristy hanangana ny fanjakan'Andriamanitra ao amin'ny Milenioma, manao an'ity tany ity ho toy ny nofy tanteraka - naseho tamin'ny Fetin'ny Tabernakely. An-tapitrisany maro no ho teraka ao amin'ny fianakavian'Andriamanitra mandritra io vanim-potoana volamena io. Ny olon'Andriamanitra ankehitriny, izay antsoin'ny Baiboly hoe "olo-masina", dia solontenan'ny fanjakan'Andriamanitra ho avy tsy ho ela.

Ary farany, Kristy hanome famonjena ho an'ny olona rehetra izay velona teto an-tany nefa tsy mbola nandre na nahatakatra ny fahamarinana. Mandritry ny dingana lehibe farany ao amin'ny Planin'Andriamanitra no anaovny izany, - ny Andro Lehibe Farany, izay sary ambaran’ny vanim-potoan’ny fitsarana farany.

Ny Fiangonan'Andriamanitra Miray dia mahatakatra sy mampianatra ny fahamarinana momba ny tanjon’Andriamanitra sy ny Planiny ho an'ny olombelona. Manerana an'izao tontolo izao, ny tena Fiangonan'Andriamanitra, misy zanaka notorontoronin'ny Fanahiny sy niova fo, dia mitandrina am-pahatokiana ny tsirairay amin’ireo Fety sy Fivoriana Masina notendren’i Jehovah isan-taona!

HO AN’ANDRIAMANITRA IRERY ANIE NY VONINAHITRA!