Tombo-kasen'Andriamanitra sa Mariky ny Bibi-dia?

 


Maro ny mpikaroka sy mpitondra fivavahana no milaza fa ny mariky ny bibi-dia dia marika apetaka amin'ny vatan'ny olona, toy ny tatoo na tombokavatsa, na puce asisika amin'ny hoditra. Ao koa ny mino fa ny laharan'ny securité sociale izay omena ny olona tsirairay io marika io. Ary isika koa aza dia efa nandre filazana sasany milaza fa vaksiny io marika io, na marika hamantarana ny endriky ny olona mba hahafahany miditra amin'ny toerana iray, na hisitraka tombontsoa manokana. Ireo rehetra voalaza ireo dia zavatra efa nisy hatry ny ela teo amin'ny fiaraha-monina misy antsika. Fomba entina hanamorana ny famantarana ny olona izy ireny. Ireo marika ampiasain'ny fiarahamonina ireo dia nampiasaina mba hiarovana ny olona manana azy sy hanamora ny fifandraisana eo amin'ny mpiara-miasa, ary koa hanamora ny fampiasana fitaovana ara-teknolojia toy ny guichet fangalana vola amin'ny banky, na fidirana ao amin'ny toeram-piasana.  Ireo dia ampiasaina hanamora ny fifaneraserana sy fampiasana teknolojia ankehitriny. Fa tsy ireny akory no mariky ny bibi-dia. 


FILAZANA ANKAPOBENY MOMBA ILAY MARIKY NY BIBIDIA


Nefa raha mamaky tsara ny Baiboly isika, dia mahita fa holazaina ampahibemaso ny firenena rehetra rehefa hametaka ilay marika amin'ny olona ny bibi-dia. Fanampin'izany koa dia misy faritra manokana eo amin'ny vatan'ny olombelona hametahana ilay marika. Ary hisy fepetra ho raisina hanasaziana sy hanafaizana izay rehetra tsy mety mandray io marika io. Ny mariky ny bibidia dia voalaza fa ilaina mba hahafahana manao varotra sy mividy. Izany hoe, rehefa mampiasa vola ianao dia mila manana ilay marika; fa raha tsy izany dia sady tsy afaka mivarotra no tsy afaka mividy na inona na inona. 


Apokalypsy 13: 15. "Ary navela hanisy aina ny sarin'ny bibi-dia izy, mba hahateny ny sarin'ny bibi-dia, ary hampamono izay rehetra tsy mety miankohoka eo anoloan'ny sarin'ny bibi-dia. Apokalypsy 13:  16. Ary ny olona rehetra, na ny kely na ny lehibe, na ny manan-karena na ny malahelo, na ny tsy andevo na ny andevo, dia ampandraisiny marika eo amin'ny tànany ankavanana na eo amin'ny handriny avokoa, 17. mba tsy hisy hahazo hividy na hivarotra, afa-tsy izay manana ny marika, dia ny anaran'ny bibi-dia, na ny isan'ny anarany."


 Izay mandray ny mariky ny bibi-dia na ny isan'ny anarany dia eo ambany fahefany ary manaiky hotapahiny. Io mariky ny bibidia io dua hapetaka eo amin'ny tanana ankavanana sy eo amin'ny handrin'ny olona. Famantarana izay rehetra manaiky ny fahefan'ny bibidia hanapaka ny fiainany io marika io. Ny famantarana dia antsoina hoe "marika" amin'ny bibidia, fa tombokase kosa no ilazana azy amin'Andriamanitra. Izany hoe, misy koa marika hapetaka amin'ny olon'Andriamanitra ho famantarana izay rehetra mino sy mankatò an'Andriamanitra. 


FILAZANA ANKAPOBENY MOMBA ILAY TOMBO-KASEN'ANDRIAMANITRA


Apokalypsy 7: 2. Ary hitako fa, indro, nisy anjely hafa koa niakatra avy tany amin'ny fiposahan'ny masoandro, nanana ny fanombohan-kasen'Andriamanitra velona; ary iry niantso ny anjely efatra izay navela hanimba ny tany sy ny ranomasina tamin'ny feo mahery nanao hoe: 3. Aza manimba ny tany, na ny ranomasina, na ny hazo, mandra-panisinay tombo-kase eo anin'ny handrin'ny mpanompon'Andriamanitsika.


Eo amin'ny handrin'ny mpanompon'Andriamanitra no hametahana ilay tombo-kasen'Andriamanitra.


Apokalypsy 14: Ny amin'ny Zanak'ondry sy ny mpanaraka Azy:

1. "Ary hitako fa, indro, ny Zanak'ondry nitsangana teo an-tendrombohitra Ziona, ary nisy efatra arivo amby efatra alina sy iray hetsy nomba Ary, samy manana ny anarany sy ny anaran'ny Rainy voasoratra eo amin'ny handriny."


Araka io teny io, dia ny anaran'Andriamanitra sy ny anaran'ny Zanak'ondry no voasoratra eo amin'ny handrin'ireo olona ireo. Ireo dia olona manaraka an'Andriamanitra. Tombokase no hiantsoana ilay famantarana,  fa tsy marika akory. Izany hoe, tombokasen'Andriamanitra, fa tsy marik'Andriamanitra no filazana ilay famantarana. 


Inona no atao hoe tombokase na marika? Nahoana no ilaina ny famantarana? 


Ny teny hoe "tombokase" na "marika" dia samy maneho fanekena hotapahin'ny fahefana iray. Manambara izay fahefana ekena sy manapaka ny olona iray ny famantarana eny entiny. Hita miharihary izany famantarana izany, satria eo amin'ny handrina sy ny tanana ankavanana no hametahana azy. Ny marika no hahafatarana ny hery sy fahefana tompoin'ilay olona, na io ny bibidia na Andriamanitra. Izany hoe, ikay famantarana no hanavahana ny olona, na an'ny bibidia izy, na an'Andriamanitra.


Inona no tombokasen'Andriamanitra?


Eo amin'ny tanana sy ny handrina ary eo amin'ny tolam-baravaran'ny trano sy ny vavahady no hahitana ny famantarana.

 Deotoronomia 6: 6. "Ary aoka ho ao am-ponao izao teny andidiako anao anio izao. 7. Dia ampianaro tsara ny zanakao izany, ary resaho, na mipetraka ao an-tranonao ianao, na mandeha any an-dalana, na mandry, na mifoha; 8. ary fehezo ho famantarana eo amin'ny tananao ireny, ary aoka ho fehy fampahatsiarovana eo ambonin'ny handrinao, 9. ary soraty eo amin'ny tolam-baravaran'ny tranonao sy eo amin'ny vavahadinao."


Ny fankatoavana ny tenin'Andriamanitra dia famantarana eo amin'ny fo, tanana ary handrina.

Deotoronomia 11: 18. "Koa alatsaho ao amin'ny fonareo sy ao amin'ny fanahinareo izao teniko izao, ary fehezo ho famantarana eo amin'ny tananareo izy, ka aoka ho fehy fampahatsiarovana eo ambonin'ny handrinareo;"


Ny fitandremana ny didin'Andriamanitra dia famantarana satria izany no mibaiko ny tanana sy ny saina, na mibaiko ny hetsika ataontsika sy ny fo ary ny saina.

Ny Sabata dia famantarana ho amin'Andriamanitra sy ny olon'Andriamanitra. 

Eksodosy 31: Ny amin'ny fitandremana ny Sabata. 12. "Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe: 13. Ary dia milaza amin'ny Zanak'Isiraely ianao hoe: Ny Sabatako no tandremo; fa famantarana ho amiko, sy ho aminareo hatramin'ny taranakareo fara mandimby izany, mba ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah Izay manamasina anareo."


Ny sabata dia famantarana lehibe izay olona rehetra manaraka an'Andriamanitra sy mankatò Azy. Ny Sabata no mifehy ny asa na hetsika ataontsika, satria arska ny didin'Andriamanitra dia tsy mahazo mividy zavatra isika ary tsy mahazo manao raharaha akory amin'ny andro Sabata. Ny varotra dia anisan'ny asa fanaon'ny olona hahazoana vola. Tsy mahazo mivarotra isika amin’ny andro Sabata. Mahavelona izay manaraka azy ny fitandremana ny Sabata.

Ezekiela 20: 11. "Dia nomeko azy ny didiko, ary nampahafantariko azy ny fitsipiko, izay mahavelona ny olona manaraka izany. 12. Ary nomeko azy koa ny Sabatako ho famantarana ho amiko sy ho aminy mba ho fantany fa Izaho Jehovah no manamasina azy."


Didin'Andriamanitra ny fanajana ny Sabata sady famantarana na tombokasen'Andriamanitra ho amin'ny olony.  Ny olon'Andriamanitra ihany no mitandrina ny didin'Andriamanitra. Ny fitandremana ny Sabatan'i Jehovah amin'ny fotoany avy no marika tena miharihary maneho amin'ny olona rehetra ny fankatoavana an'Andriamanitra. Eo amin'ny handrina sy ny tanana ankavanana no mipetaka izany famantarana izany, satria io no mibaiko ny ataontsika rehetra. Andriamanitra dia manome safidy ny olona na handray ny famantarana omeny sy hiankohoka eo anatrehany ka hanompo Azy, na handray ny mariky ny bibidia. 

Eksodosy 20: 8. "Mahatsiarova ny andro Sabata hanamasi­na azy. 9. Henemana no hiasanao sy hanaovanao ny raharahanao rehetra. 10. Fa Sabatan'i Jehovah Andriamanitrao ny andro fahafito; koa aza manao raharaha akory ianao amin'izany, na ny zanakao-lahy, na ny zanakao-vavy, na ny ankizilahinao, na ny ankizivavinao na ny biby fiompinao, na ny vahininao izay tafiditra eo am-bavahadinao. 11. Fa henemana no nanaovan'i Jehovah ny lanitra sy ny tany sy ny ranomasina mbamin'izay rehetra ao aminy, dia nitsahatra Izy tamin'ny andro fahafito; izany no nitahian'i Jehovah ny andro Sabata sy nanamasinany azy."



Inona no  mariky ny bibidia?


Ny bibidia koa dia manana famantarana haoetany amin'ny olona manaiky azy. Izany hoe, manana safidy ny olona,  na hanaiky ny tombokasen'Andriamanitra, na ny mariky ny bibidia. Tsy maintsy hisy fanenjehana sy fampahoriana izay rehetra tsy manaiky mandray ny mariky ny bibidia any amparany any. Izany hoe, fahafatesana ara-nofo no miandry izay rehetra tsy mety mandray io marika io. Hanery ny olona handray marika sy ny isan'ny anarany ny bibidia, ary izay tsy mety miankohoka eo anoloany dia hovonoiny.


 Misy bibidia roa ambaran'ny Apokalypsy. Ny voalohany hivoaka avy amin’ny ranomasina,  ary ny faharoa kosa dia avy amin’ny tany.

Ny bibidia avy amin’ny ranomasina dia hery sy fahefana ara-politika sy miaramila, nandray ny fahefany avy tamin’ny Satana devoly.

Apokalypsy 13: Ny amin'ny biby roa izay mpanompon'ny dragona. 1. "Ary hitako fa, indro, nisy bibi-dia niakatra avy tamin'ny ranomasina, nanan-tandroka folo sy loha fito, ary tamin'ny tandrony dia nisy diadema folo; ary tamin'ny lohany dia nisy anarana fitenenan-dratsy. [ Gr. blasfemia; izahao Mat. IX, 3] 2. Ary ny bibi-dia izay efa hitako dia tahaka ny leoparda, ary ny tongony tahaka ny an'ny bera, ary ny vavany tahaka ny vavan'ny liona; ary ilay dragona nanome azy ny heriny sy ny seza fiandrianany ary fahefana lehibe." 


Ny bibidia faharoa dia avy amin’ny tany, maneho fahefana ara-pivavahana na fiangonana lehibe,  izay manao fagagagana maro sy mamitaka ny olona ambonin'ny tany. Ny dragina no nanome azy ny fahefany. 

Apokalypsy 13: 11. Ary hitako fa, indro, nisy bibi-dia iray koa niakatra avy tamin'ny tany; ary nanan-tandroka roa tahaka ny an'ny zanak'ondry izy sady niteny tahaka ny dragona. 12. Ary ny fahefana rehetra nananan'ilay bibi-dia voalohany dia asehony eo anatrehany, ary ny tany mbamin'izay monina eo dia asainy miankohoka eo alohan'ilay bibi-dia voalohany, izay efa sitrana tamin'ilay feriny saiky nahafaty azy. 13. Ary manao famantarana lehibe izy, ka dia mampidina afo avy any an-danitra ho amin'ny tany eo imason'ny olona aza. 


Maneho fivavahan-diso na sandoka ny bibidia faharoa, ary fantatra koa amin'ny anarana hoe vehivavy janga lehibe (Apokalypsy 17). Fahefam-piangonana mifehy ny olona io vehivavy io,  manapaka izay ho tompoin'ny olona sy ny fomba fivavahana amin'Andriamanitra izy. Nomena fahefana izy, ary ny dragona no nanome azy ny fahefany. Araka izany, ny mariky ny bibidia dia sady manana endrika ara-politika no ara-pivavahana. 


Inona no hataon'Andriamanitra amin'ny olona mandray ny mariky ny bibidia na ny isan'ny anarany,  na miankohoka eo anoloan'ny sariny?


Apokalypsy 14: 

Ny amin'ny anjely telo izay nitory, sy ny fahasambaran'izay maty ao amin'ny Tompo, ary ny andro fijinjana. 6. Ary hitako fa, indro, nisy anjely iray koa nanidina teo afovoan'ny lanitra, nanana filazantsara mandrakizay hotorina amin'izay monina ambonin'ny tany sy amin'ny firenena sy ny fokom-pirenena sy ny samy hafa fiteny ary ny olona rehetra, 7. nanao tamin'ny feo mahery hoe: Matahora an'Andriamanitra, ka omeo voninahitra Izy; fa tonga ny andro fitsarany; ary miankohofa eo anoloan'izay nanao ny lanitra sy ny tany sy ny ranomasina ary ny loharano. [ Gr. ora] 8. Ary nisy iray koa, dia anjely faharoa, nanaraka ka nanao hoe: Rava! rava Babylona lehibe! izay nampisotro ny firenena rehetra ny divain'ny fahatezerana noho ny fijangajangany. 9. Ary nisy iray koa, dia anjely fahatelo, nanaraka ireny ka nanao tamin'ny feo mahery hoe: Raha misy miankohoka eo anoloan'ny bibi-dia sy ny sariny ka mandray ny marika eo amin'ny handriny na amin'ny tànany, Apokalypsy 14: 10. dia izy koa no hisotro ny divain'ny fahatezeran'Andriamanitra, izay naidina tao anatin'ny kapoaky ny fahatezerany tsy miharoharo zavatra, sady hampijalina amin'ny afo sy solifara eo anatrehan'ny anjely masina sy eo anatrehan'ny Zanak'ondry izy; 11. ary ny setroky ny fijaliany dia miakatra mandrakizay mandrakizay; ary tsy manam-pitsaharana na andro na alina izay miankohoka eo anoloan'ny bibi-dia sy ny sariny, na izay mandray ny mariky ny anarany. 


Ny nofin'ny mpanjaka Nebokadnezara dia nampiseho fahitana ny fiafaran'ny fanjakana eto amin’izao tontolo izao sy ny hiavian'ny Fanjakan'Andriamanitra tamin'i  Daniela. Ny nofy dia nampiseho sary lehibe iray, na sary vongana, ary avy eo ny mpanjaka dia nampanao izany sary izany ka nanery ny olona hiankohoka teo amin'ny sary, ary nampamono izay rehetra tsy nety niankohoka teo anoloany. Toy izany koa no hitranga amin'ny ho avy.


Ny bibidia nefa dia hanery ny olona tsy hitandrina ny Sabatan'i Jehovah. Ahoana ary oviana no hanomezam-boninahitra an'i Jehovah Andriamanitra? Ny fotoana sy ny fomba fanompoana an'Andriamanitra dia famantarana. Ny Sabata dia famantarana. Ny fitandremana ny Sabatan'i Jehovah dia fomba fanompoana Azy. Ny bibidia nefa dia hanery ny olona tsy hitandrina ny Sabatan'i Jehovah ka hanery ny olona hivavaka aminy amin'ny andro alahady sy tsy hamela ny olona hitandrina ireo Sabata Lehiben'Andriamanitra.  


Ny bibidia dia hanery ny olona handray ny marika eo amin'ny tànany sy ny handriny.  Izany hoe, tsy vokatry ny safidin'ny olona malalaka ny fandraisana ilay marika. Nefa, mazava tsara ny tenin'Andriamanitra fa izay rehetra mandray izany marika izany dia hisotro ny divain'ny fahatezeran'Andriamanitra, sady hampijalina amin'ny afo sy solifara eo anatrehan'ny anjely masina sy eo anatrehan'ny Zanak'ondry izy. Inina io divain'ny fahatezeran'Andriamanitra io? Apokalypsy 16 no hahitana io divain'ny fahatezeran'Andriamanitra io.


Apokalypsy 16: 1. Ary nahare feo mahery avy tao amin'ny tempoly aho nanao tamin'ny anjely fito hoe: Mandehana, aidino amin'ny tany ny ao amin'ny lovia fito feno ny fahatezeran'Andriamanitra. 2. Ary ny voalohany nandeha, dia nampidina ny tao an-doviany tamin'ny tany; dia nisy vay ratsy sady mampahory tamin'ny olona izay nanana ny mariky ny bibi-dia sy niankohoka teo anatrehan'ny sariny. 3. Ary ny faharoa nampidina ny tao an-doviany tamin'ny ranomasina; dia nody rà tahaka ny ran'ny olona maty ny ranomasina: ary maty ny zava-manan'aina rehetra tao aminy. 4. Ary ny fahatelo nampidina ny tao an-doviany tamin'ny ony sy ny loharano; dia nody rà ireny. 5. Ary nahare ny anjelin'ny rano aho nanao hoe: Marina Hianao, ilay ankehitriny sy taloha, dia ny Iray Masina, satria efa nitsara toy izany Hianao; 6. fa ny ran'ny olona masina sy ny mpaminany no nalatsany, ka dia rà kosa no nomenao hosotromy; ary tandrifiny ho azy irany. 7. Ary reko ny alitara nanao hoe: Eny, Tompo ô, Andriamanitra Tsitoha, marina sy mahitsy ny fitsaranao. 8. Ary ny fahelatra nampidina ny tao an-doviany tamin'ny masoandro; dia nasaina nandoro ny olona tamin'ny afo izy. 9. Ary main'ny hafanana be ny olona, dia niteny ratsy ny anaran'Andriamanitra, Izay manam-pahelana amin'ireny loza ireny, izy sady tsy nibebaka mba hanome voninahitra Azy. [ Gr. nanao blasfemia; izahao Mat. IX. 3] 10. Ary ny fahadimy nampidina ny tao an-doviany tamin'ny seza fiandrianan'ilay bibi-dia; dia tonga maizina ny fanjakany, ary ny olona nitsakotsako ny lelany noho ny fanaintainana, 11. dia niteny ratsy an'Andriamanitry ny lanitra izy noho ny fanaintainany sy ny vainy sady tsy nibebaka tamin'ny asany. [ Gr. nanao blasfemia; izahao Mat. IX. 3] 12. Ary ny fahenina nampidina ny tao an-doviany tamin'i Eofrata, ony lehibe; dia ritra ny ranony hanamboarana ny lalan'ireny mpanjaka avy any amin'ny fiposahan'ny masoandro. 13. Ary nahita aho fa indreo fanahy maloto telo tahaka ny sahona avy tamin'ny vavan'ilay dragona sy tamin'ny vavan'ilay bibi-dia ary tamin'ny vavan'ilay mpaminany sandoka. 



Inona no hataon'Andriamanitra amin'ny olona izay maharitra amin'ny didin'Andriamanitra sy ny finoana? 


Izay maty ao amin'ny Tompo no hitsahatra amin'ny asany...

Apokalypsy 14: 12. Indro ny faharetan'ny olona masina, dia izay mitandrina ny didin'Andriamanitra sy ny finoana an'i Jesosy. 13. Ary nahare feo avy tany an-danitra aho nanao hoe: Soraty: Sambatra ny maty, dia izay maty ao amin'ny Tompo hatramin'izao. Eny, hoy ny Fanahy, fa hitsahatra amin'izay nisasarany izy; fa ny asany manaraka azy.


Ny mitsahatra amin'ny asa dia midika hoe tsy manao raharaha akory. Ny andro asain'Andriamanitra hitsaharana dia ny andro Sabata. Sabata andro fahafito io sy ireo sabata lehibe fito isantaona. Ny fitandremana ny Sabatan'i Jehovah no nanenjehana sy namonoana ireo olon'Andriamanitra ireo. Nefa niharitra tamin’ny fitandremana ny didin'Andriamanitra izy, na dia nisy aza izany fampahoriana sy famonoana izany. Ny didy voalohany dia ny fankatoavana an'i Jehovah Andriamanitra. Ny didy efatra voalohany amin'ny Didy Folo dia miompana amin'ny fankatoavana an'Andriamanitra.  Ny bibidia dia mankahala an'Andriamanitra ary mandika ny didy voalohany, faharoa, fahatelo, ary fahefatra. 


Jehovah Andriamanitra no manamasina ny Sabata. Izy no manoro antsika hoe Iza no tompointsika, ahoana no fomba hanompoana Azy, ary inona no antony hitandremana ny Sabata.

Eksodosy 20: 8. Mahatsiarova ny andro Sabata hanamasi­na azy. 9. Henemana no hiasanao sy hanaovanao ny raharahanao rehetra. 10. Fa Sabatan'i Jehovah Andriamanitrao ny andro fahafito; koa aza manao raharaha akory ianao amin'izany, na ny zanakao-lahy, na ny zanakao-vavy, na ny ankizilahinao, na ny ankizivavinao na ny biby fiompinao, na ny vahininao izay tafiditra eo am-bavahadinao. 11. Fa henemana no nanaovan'i Jehovah ny lanitra sy ny tany sy ny ranomasina mbamin'izay rehetra ao aminy, dia nitsahatra Izy tamin'ny andro fahafito; izany no nitahian'i Jehovah ny andro Sabata sy nanamasinany azy.


Iza? Iza no ho tompointsika? 

Valiny: Jehovah Andriamanitra

Iza? Iza no nandidy ny Sabata? Valiny: Jehovah Andriamanitra

Oviana? Oviana no hanompoana an'i Jehovah Andriamanitra?  Valiny: amin'ny Sabata.

Ahoana? Ahoana no fitandremana ny Sabata?  Valiny: Tsy mahazo manao raharaha akory,  izany hoe tsy mahazo miasa amin'io andro io. 

Inona no antony?  Inona no antony hitandremana ny Sabata? Valiny: Sabatan'i Jehovah io. Satria nitsahatra tamin’ny assny izy tamin’ny andro Sabata. Izany no nanamasinany azy. Hatao maty tokoa izay tsy mety mitandrina ny Sabata. 


Tamin'ny andron'ny zanak'Isiraely dia notoraham-bato ary natao maty tokoa izay tsy mitandrina ny Sabata. Amin'ny fotoana ankehitriny kosa dia fahafatesana ara-panahy no anjaran'izay tsy mety mitandrina ny Sabatan'i Jehovah ka manao izany ho tsy masina.


Ny fankatoavana an'Andriamanitra dia tombokase ary ny fitandremana ny Sabata dia tombokasen'Andriamanitra raisintsika eo amin'ny handrina sy ny tanantsika. Tsy hoe andro fitsaharana fotsiny ny Sabata,  fa tena tombokase,  miantoka ny fahavelomana sy fiainana mandrakizay. 


Ny mariky ny bibidia dia fitaovana entina manenjika izay rehetra mitandrina ny didin'Andriamanitra. Hitondra fahoriana lehibe amin’ny olon'Andriamanitra izany amin'ny ho avy. Fantatr'i satana fa efa kely sisa ny androny. Ny olona mitandrina ny Sabata dia tsy hety handray ny mariky ny bibidia sady tsy hety hiankohoka eo anoloan'ny sariny. Haharitra 1260 andro ny fanenjehana , izany hoe telo taona sy tapany na 42 volana. Ny fanenjehana mpino Kristiana tamin’ny andro fahiny dia modely mampiseho izany fahoriana lehibe izany.


Ny andro iray amin'Andriamanitra dia taona iray amin'ny olombelona. Ny boky Apokalypsy dia maneho trangan-javatra voalahatra tsara ara-potoana amin'ny ho avy. Ny Apokalypsy 12 sy 13 dia natsofoka hanazavana zavatra manokana. Ny Apokalypsy 12 dia milaza momba ny vehivavy izay nenjehan'ny dragona. 

Apokalypsy 12: Ny amin'ny vehivavy mitafy ny masoandro, izay nenjehin'ny dragona


1. Ary nisy famantarana lehibe hita tany an-danitra, dia vehivavy mitafy ny masoandro, ary ny volana no eo ambanin'ny tongony, ary misy satro-boninahitra kintana roa ambin'ny folo amin'ny lohany, 2. sady bevohoka izy; ary mihetsi-jaza izy ka mitaraina, satria marary fatratra efa hiteraka. 3. Ary nisy famantarana hafa koa hita tany an-danitra, ka, indro, nisy dragona mena lehibe manan-doha fito sy tandroka folo, ary misy diadema fito amin'ny lohany. 4. Ary ny rambony dia manala ny ampahatelon'ny kintana amin'ny lanitra ka manjera ireny ho amin'ny tany; ary ny dragona nijanona teo anatrehan'ilay vehivavy efa hiteraka mba handrapaka ny zanany, raha vao teraka; 5. ary niteraka zazalahy izy, izay efa hanapaka ny firenena rehetra amin'ny tehim-by; ary ny zanany novonjena faingana nakarina ho any amin'Andriamanitra, dia ho any amin'ny seza fiandrianany. [ Gr. handry] 6. Ary ravehivavy kosa nandositra nankany an-efitra, izay nisy fitoerany namboarin'Andriamanitra, mba hovelomina any enim-polo amby roan-jato amby arivo andro izy.

Apokalypsy 12: 17. Dia tezitra tamin'ilay vehivavy ny dragona ka lasa nandeha hiady tamin'ny zanany sisa, izay mitandrina ny didin'Andriamanitra sy mitana ny filazana an'i Jesosy. Ary nitsangana teo ambonin'ny fasiky ny ranomasina izy. 


Ny dragona dia manenjika ny zanaka sisa izay mitandrina ny didin'Andriamanitra sy maharitra amin'ny finoana. Mazava araka izany fa tsy olona no ambaran'ny vehivavy fa fiangonana. Tsy ny Jiosy akory no vehivavy lazaina eto, satria ny Jiosy no namono ny Mesia,  ary tsy mitandrina ny didin'Andriamanitra ny Jiosy. Ohatra, tsy mitandrina ny Paskan'i Jehovah amin'ny fotoany ny Jiosy. Ny Fiangonan’Andriamanitra no zanaka sisa voalaza eto. Isika izany zanaka sisa lazainy izany. 

Ny Emperora Justinian no nanome fahefana ny Papan'ny Katolika Romana. Ary izany ihany koa no hitranga amin'ny 1260 andro. Ny fiangonana Romana dia manana fahefana politika sy ara-tafika. Izzny fahefana izany no nampiasainy nanenjehana ny  Fiangonan'Andriamanitra izay nitandrina ny didin'Andriamanitra. Nenjehina ny Fiangonan'Andriamanitra satria tsy nanaiky ny fanovana ny Paskan'i Jehovah ( Passover 14 Abiba ) ho fety avy amin’ny fomban-tsampy Easter. Tsy nanaiky ny fanovana ny Sabata ho alahady ny Fiangonan'Andriamanitra. Ny council of Nicea tamin’ny taona 306 no nitondra izany fanovana jzany. Ary izay rehetra tsy nanaiky izany dia nolazaina fa heretika sy anatema, ary rehefa nenjehina dia nandeha nandositra tany an'efitra, alavitra ny fahefan'ny miaramila Romana. Toy izany koa no ambaran'ny Apokalypsy 12 io. Hiverina amin'ny fahefany ny Romana ary mbola hanenjika ny Fiangonan'Andriamanitra izay mitandrina ny didin'Andriamanitra sy maharitra amin'ny finoana, ka hanery ny olona handray ny mariky ny bibidia,  dia tsy inona fa ny andro hafa sy fomba hafa hivavahana amin'ny andriamaniny. Nefa izay mandray izany no hisotro ny divain'ny fahatezeran'Andriamanitra sy haringana'Andriamanitra.


Apokalypsy 14: 12. Indro ny faharetan'ny olona masina, dia izay mitandrina ny didin'Andriamanitra sy ny finoana an'i Jesosy. 13. Ary nahare feo avy tany an-danitra aho nanao hoe: Soraty: Sambatra ny maty, dia izay maty ao amin'ny Tompo hatramin'izao. Eny, hoy ny Fanahy, fa hitsahatra amin'izay nisasarany izy; fa ny asany manaraka azy. 


Church of God International, Memphis, Tennessee,  Sabbath 21/05/22.