FAHAFOLON-KARENA SY FANATITRA AMIN’NY FANAHY VAOVAO
TENIN’ANDRIAMANITRA
Genesisy 14:17-24
Mtio 23:23-28
Hebreo 7:1-4
TENIN’ANDRIAMANITRA
Genesisy 14:17-24
[Ny namaboana an’i Lota sy ny namonjen’i Abrama
azy, ary ny nitsenan’i Melkizedeka an’i Abrama]
(Genesisy 14:17) « Dia nivoaka ny mpanjakan'i Sodoma hitsena an'i
Abrama teo an-dohasaha Save (Lohasahan'ny mpanjaka izany), rehefa niverina izy
avy nandresy an'i Kedorlaomera sy ireo mpanjaka nomba azy. » (Genesisy
14:18) « Ary Melkizedeka, mpanjakan'i Salema, nivoaka nitondra mofo sy
divay; ary izy dia mpisoron'Andriamanitra Avo Indrindra. » (Genesisy
14:19) « Dia nitso-drano azy Izy ka nanao hoe: Hotahin'Andriamanitra Avo
indrindra anie Abrama, dia Andriamanitra Izay nahary ny lanitra sy ny
tany; » (Genesisy 14:20) « Ary isaorana anie Andriamanitra Avo
Indrindra, Izay efa nanolotra ny fahavalonao teo an-tananao. Dia nomen'i Abrama
azy ny ampahafolon'ny zavatra rehetra. » (Genesisy 14:21) « Ary hoy
ny mpanjakan'i Sodoma tamin'i Abrama: Omeo ahy ny olona, fa ny fananana ento
ihany ho anao. » (Genesisy 14:22) « Fa hoy Abrama tamin'ny
mpanjakan'i Sodoma: Izaho efa nanangan-tanana tamin'i Jehovah, Andriamanitra
Avo Indrindra, Izay nahary ny lanitra sy ny tany, » (Genesisy 14:23)
« fa tsy handray na taretra na fehin-kapa aza amin'izay rehetra mety ho
anao andrao hataonao hoe: Izaho no nampanan-karena an'i Abrama), »
(Genesisy 14:24) « afa-tsy izay efa nohanin'ny zatovo sy ny anjaran'ny
olona izay niaraka tamiko, dia Anera sy Eskola ary Mamre; aoka horaisin'ireo ny
anjarany. »
Matio 23:23-28
[Ny nilazan’i Jesosy ny faharatsian’ny mpanora-dalana sy
ny Fariseo]
(Matio 23:23) « Lozanareo, mpanora-dalàna sy Fariseo,
mpihatsaravelatsihy! fa mandoa ny fahafolon'ny solila sy ny aneta ary ny
komina* ianareo, nefa navelanareo izay lehibe amin'ny lalàna, dia ny rariny sy
ny famindram-po ary ny finoana; ireto tokony ho nataonareo, nefa tsy tokony
havelanareo ireroana.[*Anaran-java-maniry ireo] » (Matio 23:24) « Ry
mpitarika jamba! tantavaninareo ny moka, nefa atelinareo ny rameva. » (Matio
23:25) « Lozanareo, mpanora-dalàna sy Fariseo, mpihatsaravelatsihy! fa
diovinareo ny vohon'ny kapoaka sy ny lovia, nefa ny ao anatiny dia feno rombaka
sy tsi-fahononana. » (Matio 23:26) « Ry Fariseo jamba! diovy aloha ny
atin'ny kapoaka sy ny lovia, mba ho madio koa ny vohony. »
(Matio 23:27) « Lozanareo, mpanora-dalàna sy Fariseo,
mpihatsaravelatsihy! fa ianareo dia tahaka ny fasana voalalotra fotsy, izay
miseho tsara tarehy eo ivelany, nefa ny ao anatiny dia feno taolan'ny maty
mbamin'ny fahalotoana rehetra. » (Matio 23:28) « Dia tahaka izany koa
ianareo: raha amin'ny eo ivelany dia miseho amin'ny olona ho marina, nefa ny ao
anatinareo dia feno fihatsaram-belatsihy sy tsi-fankatoavan-dalàna. »
Hebreo 7:1-10
[Fampitahana an’i Kristy sy Melkizedeka]
(Hebreo 7:1) « Fa io Melkizedeka io, izay mpanjakan'i Salema sy
mpisoron'Andriamanitra Avo Indrindra, ilay nitsena an'i Abrahama, rehefa
niverina avy nandresy ny mpanjaka maro izy ka nitso-drano azy, » (Hebreo
7:2) « sady nomen'i Abrahama ny ampahafolon'ny zavatra rehetra aza
(voalohany, raha adika ny anarany, dia Mpanjakan'ny fahamarinana, dia vao
Mpanjakan'i Salema koa, izany hoe: Mpanjakan'ny fiadanana; » (Hebreo 7:3)
« tsy manan-dray, tsy manan-dreny, tsy manana tantaram-pirazanana, tsy
manana voalohan'andro na faran'ny fiainana, fa natao tahaka ny
Zanak'Andriamanitra),- izy dia mitoetra ho mpisorona mandrakariva. » (Hebreo
7:4) « Ary hevero ny halehiben'io lehilahy io -, izay nomen'i Abrahama
patriarka ny ampahafolon'izay tsara tamin'ny zavatra nobaboina. » (Hebreo
7:5) « Ary izay avy tamin'ny taranak'i Levy ka mandray ny fisoronana no
mahazo teny haka ny fahafolon-karena amin'ny olona araka ny lalàna, dia amin'ny
rahalahiny izany, na dia teraky ny kibon'i Abrahama aza ireny; » (Hebreo
7:6) « nefa izay tsy isan'ny firazanan'ireo akory no nandray ny
fahafolon-karena tamin'i Abrahama sy nitso-drano ilay nanana ny teny
fikasana. » (Hebreo 7:7) « Ary tsy azo lavina akory anefa fa ny kely
no mahazo tso-drano amin'ny lehibe noho ny tenany. » (Hebreo 7:8)
« Ary ety dia izay olona mety maty no mandray ny fahafolon-karena, fa any
kosa dia izay nambara fa velona. » (Hebreo 7:9) « Ary toa azo lazaina
fa Levy aza, izay mandray ny fahafolon-karena, dia mba nandoa ny
fahafolon-karena koa tao anatin'i Abrahama, » (Hebreo 7:10) « satria
mbola tao an-kibon-drainy ihany izy tamin'ny nitsenan'i Melkizedeka an'i
Abrahama. »
TORITENY SY FAMPIANARANA
FAHAFOLON-KARENA SY FANATITRA AMIN’NY FANAHY VAOVAO
Dr. Rakotondravony Daniel, Fiangonan’Andriamanitra
Miray
Hitantsika
fa ny fety fanao isan-taona sy ny lalàn'ny
Testamenta Taloha maro hafa dia tandreman'ny
Kristiana ankehitriny amin'ny fomba sy
fanahy hafa sy vaovao. Mat. 5: 21-22, 27-28.
(Matio 5:21) « Efa renareo fa voalaza tamin'ny ntaolo hoe: Aza
mamono olona (Eks. 20. 13); ary izay mamono olona dia miendrika hohelohina
amin'ny fitsarana. » (Matio 5:22) « Fa Izaho kosa milaza aminareo
hoe: Izay rehetra tezitra* amin'ny rahalahiny dia miendrika hohelohina amin'ny
fitsarana; ary na zovy na zovy no hanao amin'ny rahalahiny hoe: Olom-poana
ianao, dia miendrika hohelohina amin'ny Synedriona; ary na zovy na zovy no
hanao hoe: Foka ialahy, dia miendrika ho ao amin'ny helo** mirehitra afo. [*Na:
tezitra foana] [**Gr. Gehena] »
(Matio 5:27) « Efa, renareo fa voalaza hoe: Aza mijangajanga (Eks.
20. 14). » (Matio 5:28) « Fa Izaho kosa milaza aminareo fa izay
rehetra mijery vehivavy hila azy dia efa nijangajanga taminy tam-pony
sahady. »
An’i
Jehovah ny andro sy fotoana rehetra, izay nomeny anao hiainana sy hiasana; andro iray isan-kerinandro (Sabata) sy fety fito isan-kerintaona ihany no andidiany an’izay mino Azy hitsaharana sy
ho tandremana, mba hianarana momba ny
Filazantsaran’ ny Fanjakan’Andriamanitra.
Ho
hitantsika izao fa ny lalàn'Andriamanitra amin'ny fahafolonkarena
dia manana heviny vaovao koa ankehitriny.
Tsarovy fa ny Apostoly Paoly nanoratra hoe: Andriamanitra dia "nanao
antsika ho minisitry ny Testamenta vaovao [na ny fanekena vaovao]" (II
Kor. 3: 4-6).
(2 Korintiana 3:4) « Ary manana izany fahatokiana izany ny
amin'Andriamanitra izahay amin'ny alalan'i Kristy. » (2 Korintiana 3:5)
« Kanefa tsy mihambo hanana fahaleovana*
[*Gr. = fahafaha-manao]
avy aminay hihevitra na amin'inona na amin'inona izahay; fa ny fahaleovanay dia
avy amin'Andriamanitra, » (2 Korintiana 3:6) « Izay efa nampahaleo** [**Gr. = nampahamendrika] anay koa ho
mpanompo amin'izay fanekena vaovao, nefa tsy amin'ny soratra, fa amin'ny
Fanahy; fa ny soratra mahafaty, fa ny Fanahy no mahavelona. »
Fomba
fiaina tokoa ny Kristianisma. Misy ifandraisany amin'ny fomba fiainantsika
isan'andro io, ny fiainantsika andavanandro, ny fiaraha-miasa isan'andro
amin'ny hafa, ny fanaontsika amin'ny raharaham-barotra, na ny fomba fitantanana
ny volantsika aza.
Tsarovy
fa Mpamorona Andriamanitra, Manana sy Tompon’ny zavatra rehetra hita manodidina
antsika. Andriamanitra noho izany dia manana alalana voalohany hitaky ny
fananana izay rehetra novokarina avy tamin'ny tany. Tahaka ny nanoratan'i
Davida hoe: "An'i Jehovah ny tany sy izay rehetra eo aminy, izao tontolo izao sy
izay monina eo aminy" (Sal. 24: 1). An'Andriamanitra ny volamena sy ny volafotsy rehetra (Hag. 2: 8). Andriamanitra no nahary ny
zava-drehetra, ary noho io fahariana io, dia tompony izy, anisan'izany ny
olombelona. Tena tsy misy fomba ahafahantsika "manonitra" an’Andriamanitra tamin'ny zavatra
nataony amin’ny maha Mpahary antsika Azy.
Noho izany, maninona no tokony
hanome ny ampahafolon'ny vokatra azo ho an'Andriamanitra ny tsirairay?
Ny fahafolonkarena dia fomba “fanomezana” manaraka ny
lalam-piainan’Andriamanitra. Tian'Andriamanitra isika hianatra ny fomba “manome” sy
mizara mba hahasoa ny hafa, ary hahasoa ny tenantsika manokana!
Mampiasa ny fahafolon-karena takiany ho an'ny tenany Andriamanitra, hitoriana
ny Filazantsaran’ny Fanjakan’ Andriamanitra amin'izao tontolo izao, ho
fihavanana, fifaliana, fahasambarana, fanambinana ary fiainana mandrakizay.
Noho ny tsy fahampian'ity fahalalana ity dia voaozona izao tontolo izao!
Ny lalàn'Andriamanitra momba
izay vokarintsika sy azontsika dia azo ampitahaina amin'ny fifanarahana iray. Tian’Andriamanitra
ho fantatsika fa miara-miasa Aminy amin'ny fomban’ny fikambanana isika. Avelany
hiaina sy hiasa amin'ny taniny ny olombelona – hamboly ny tany sy hamokatra sakafo
hohanina. Avelany isika hanapaka ny hazony hanorenana trano fonenana, ary
hampiasa ny fananany rehetra amin'ny famokarana zavatra
an'arivony, hampiasaina araka izay ilaina.
Nefa
Andriamanitra dia mpiara-miasa be famindrampo. Amin'ny ankapobeny dia tsy
mitazona afa-tsy 10 isan-jato Izy hanatanterahana ny asany eto
an-tany.
Tao amin'ny zaridainan'i Edena dia hazo iray ihany no
notehirizin'Andriamanitra ho azy. Nijanona ho Azy izany. Tsy nomeny an'i Adama
sy i Eva hampiasain'izy ireo velively ny hazo iray. Tsy manan-jo hihinana ny
voany izy ireo. Rehefa naninjitra ny tànany izy ireo ary naka ny voan'io
hazo voarara io dia nanota izy ireo - NANGALATRA tamin'Andriamanitra.
Androany,
ilay Satana namitaka an'i Eva dia te-hampino anao amim-pifaliana fa ny vola
miditra rehetra - na ny vokatry ny taninao dia anao avokoa. Nefa, moa tsy mino
ny toy izany tokoa ve ianao? Andao ho fantarintsika izay lazain'ny Baiboly
momba ny fahafolonkarena.
1. Ahoana
no nanomezan'ny patriarka Abrahama voninahitra ny Mpamorona, Tompony sady
Mpanjaka amin’ny zavatra rehetra? Gen. 14: 17-20; Heb. 7: 1-4.
(Genesisy 14:17) « Dia nivoaka ny mpanjakan'i Sodoma hitsena an'i
Abrama teo an-dohasaha Save (Lohasahan'ny mpanjaka izany), rehefa niverina izy
avy nandresy an'i Kedorlaomera sy ireo mpanjaka nomba azy. » (Genesisy
14:18) « Ary Melkizedeka, mpanjakan'i Salema, nivoaka nitondra mofo sy
divay; ary izy dia mpisoron'Andriamanitra Avo Indrindra. » (Genesisy
14:19) « Dia nitso-drano azy Izy ka nanao hoe: Hotahin'Andriamanitra Avo
indrindra anie Abrama, dia Andriamanitra Izay nahary ny lanitra sy ny
tany; » (Genesisy 14:20) « Ary isaorana anie Andriamanitra Avo
Indrindra, Izay efa nanolotra ny fahavalonao teo an-tananao. Dia nomen'i Abrama
azy ny ampahafolon'ny zavatra rehetra. »
Izao moa Melkizedeka izay nomen’i Abrahama ny fahafolokarena? (Hebreo
7:1-4)
(Hebreo 7:1) « [Fampitahana
an'i Kristy sy Melkizedeka] Fa io Melkizedeka io, izay mpanjakan'i Salema
sy mpisoron'Andriamanitra Avo Indrindra, ilay nitsena an'i Abrahama, rehefa
niverina avy nandresy ny mpanjaka maro izy ka nitso-drano azy, » (Hebreo
7:2) « sady nomen'i Abrahama ny ampahafolon'ny zavatra rehetra aza
(voalohany, raha adika ny anarany, dia Mpanjakan'ny fahamarinana, dia vao
Mpanjakan'i Salema koa, izany hoe: Mpanjakan'ny fiadanana; » (Hebreo 7:3)
« tsy manan-dray, tsy manan-dreny, tsy manana tantaram-pirazanana, tsy
manana voalohan'andro na faran'ny fiainana, fa natao tahaka ny
Zanak'Andriamanitra), - izy dia mitoetra ho mpisorona mandrakariva. » (Hebreo
7:4) « Ary hevero ny halehiben'io lehilahy io -, izay nomen'i Abrahama
patriarka ny ampahafolon'izay tsara tamin'ny zavatra nobaboina. »
Hatraiza
no nitahian'Andriamanitra an'i Abrahama mpankatò? Gen. 13: 2.
(Genesisy 13:2) « Ary Abrama nanana harena be, dia omby aman'ondry
sy volafotsy ary volamena. »
FANAMARIHANA:
Mpanao fahafolon-karena i Abrahama. Nomeny ho an'Andriamanitra ny
ampahafolon'ny babo tamin'ny ady. Ny teny manodidina ny andininy ao amin'ny
Genesisy 14 dia mampiseho mazava tsara fa efa nomena an’Andriamanitra ny anjarany
talohan'ny nizarana ny entana tamin’ny hafa. Nanaiky
i Abrahama fa Andriamanitra no loharanon'ny fitahiana azony rehetra.
Ary
tonga mpanankarena tokoa Abrahama, satria notahin'Andriamanitra izy. Ary ny
firaketana an-tsoratra ao amin'ny Baiboly dia mampiseho fa nanohy nankatò
an'Andriamanitra izy tamin'ny andro sisa niainany (Gen. 26: 5).
(Genesisy 26:5) « satria efa nihaino ny feoko Abrahama ka
nitandrina izay nasaiko notandremany, dia ny didiko sy ny teniko ary ny
lalàko. »
2. Mpisoron'Andriamanitra
ve i Melkizedeka? Gen. 14:18; Heb.7: 1-3.
(Genesisy 14:18) « Ary Melkizedeka, mpanjakan'i Salema, nivoaka
nitondra mofo sy divay; ary izy dia mpisoron'Andriamanitra Avo
Indrindra. »
(Hebreo 7:1) « [Fampitahana
an'i Kristy sy Melkizedeka] Fa io Melkizedeka io, izay mpanjakan'i Salema
sy mpisoron'Andriamanitra Avo Indrindra, ilay nitsena an'i Abrahama, rehefa
niverina avy nandresy ny mpanjaka maro izy ka nitso-drano azy, » (Hebreo
7:2) « sady nomen'i Abrahama ny ampahafolon'ny zavatra rehetra aza (voalohany,
raha adika ny anarany, dia Mpanjakan'ny fahamarinana, dia vao Mpanjakan'i
Salema koa, izany hoe: Mpanjakan'ny fiadanana; » (Hebreo 7:3) « tsy
manan-dray, tsy manan-dreny, tsy manana tantaram-pirazanana, tsy manana
voalohan'andro na faran'ny fiainana, fa natao tahaka ny Zanak'Andriamanitra),-
izy dia mitoetra ho mpisorona mandrakariva. »
FANAMARIHANA: Ny fahafolonkarena dia naseho
ao amin'ny Baiboly ho rafitr'Andriamanitra amin'ny famatsiana ara-bola ny asa
fanompoana nataony teto an-tany. Talohan'ny fisoronana Levita sy ny fanekena
taloha, ny fanompoana dia an'i Melkizedeka. Amin'ny maha-solontenan'Andriamanitra
azy teto an-tany, dia nahazo ny ampahafolon-karena avy tamin'ny
mpanompon'Andriamanitra mahatoky i Melkizedeka tamin'izany fotoana izany.
Melkizedeka,
"tsy
misy fiandohan'ny andro na faran'ny fiainana ... dia mitoetra mandrakariva ho
pisoron’Andriamanitra Avo Indrindrindra" (Heb. 7: 3). Ity andininy ity dia manondro fa mety
ho Mpisoronabe Izy na dia tamin'ny andron'i Adama aza! Ny patriarika taloha
dia namatsy vola ny asa fanompoana nataon'Andriamanitra teto an-tany tamin'ny
alàlan'ny rafitry ny fahafolonkarena.
3. Inona
no nampanantenain'i Jakoba an'Andriamanitra fa hataony amin'ny hareny rehetra?
Gen. 28: 20-22.
(Genesisy 28:20) « Dia nivoady Jakoba ka nanao hoe: Raha homba ahy
Andriamanitra ka hiaro ahy amin'izao lalana alehako izao, ary hanome ahy mofo
hohaniko sy lamba hitafiako, » (Genesisy 28:21) « ka ho tafaverina
soa aman-tsara any amin'ny tranon'ny raiko aho, dia Jehovah no ho Andriamanitro, »
(Genesisy 28:22) « ary ity vato izay naoriko ho tsangam-bato ity ho
tranon'Andriamanitra, ary izay rehetra homenao ahy, dia homeko Anao tokoa ny
ampahafolony. »
Nahazo
tombony ve izy? Gen. 30:43.
(Genesisy 30:43) « Dia nitombo harena indrindra ralehilahy ka
nanana ondry aman'osy betsaka ary andevovavy sy andevolahy ary rameva sy
boriky. »
FANAMARIHANA:
Nampanantena i Jakoba fa hanome ny ampahafolon'izay vokatra azony tamin'izay
fotoana izay. Nandritry ny taona maro niainany dia nitahy azy tokoa Andriamanitra
noho ny toetrany mahatoky. Notahiana tamin’ny omby aman'ondry sy mpanompo ary
fananana hafa i Jakoba. Toa hita fa nanohy ho mpanao ampahafolon-karena
hatramin'ny farany i Jakoba, tsy nanadino Ilay nahatonga azy hambinina (Gen.
48:15-6).
(Genesisy 48:15) « Dia nitso-drano an'i Josefa izy ka nanao hoe:
Andriamanitra, Izay nandehanan'i Abrahama sy Isaka razako teo anatrehany,
Andriamanitra, Izay Mpiandry ahy hatrizay niainako ka mandraka androany, »
(Genesisy 48:16) « ny Anjely Izay Mpamonjy ahy tamin'ny loza rehetra: Izy
anie hitahy ireto zaza ireto; ary aoka ny anarako sy ny anaran'i Abrahama sy
Isaka raiko no hanononana azy, ary hitombo ho maro dia maro eo amin'ny tany
anie izy. »
4. Talohan'ny
andron'i Mosesy, ny fahafolonkarena dia efa naloa mivantana tamin'i Melkizedeka. Fa
taorian'ny nanafahana an'Isiraely avy tany Egypta, iza no
nolazain'Andriamanitra fa handray ny ampahafolony? Nom. 18:21, 24.
(Nomery 18:21) « Ary, indro, ny taranak'i Levy efa nomeko ny
fahafolon-karena rehetra amin'ny Isiraely ho fananany noho ny fanompoana izay
ataony, dia ny fanompoana ny amin'ny trano-lay fihaonana. » (Nomery 18:24)
« Fa ny fahafolon-karen'ny Zanak'Isiraely, izay ateriny ho fanatitra ho
an'i Jehovah, dia efa nomeko ho an'ny taranak'i Levy ho fananany; izany no nilazako
taminy hoe: Tsy hanana lova eo amin'ny Zanak'Isiraely izy. »
Iza no
handoavan’ny Levita ny fahafolonkarena azony tamin'ny vahoaka? Nom. 18:26-28.
(Nomery 18:26) « Mitenena indray amin'ny Levita hoe: Rehefa
raisinareo amin'ny zanak'Isiraely ny fahafolon-karena, izay efa nomeko ho
fanananareo avy aminy, dia hanalanareo ampahafolony kosa ho an'i Jehovah
izany. » (Nomery 18:27) « Ary ny fanatitra alainareo dia hisaina ho
anareo toy ny vary avy eo am-pamoloana sy ny divay avy eo amin'ny famiazana. »
(Nomery 18:28) « Toy izany koa no hanateranareo fanatitra ho an'i Jehovah
avy amin'ny fahafolon-karenareo rehetra, izay horaisinareo amin'ny
Zanak'Isiraely; ary avy amin'izany no hanateranareo ho an'i Jehovah, dia ho
an'i Arona mpisorona. »
FANAMARIHANA:
Andriamanitra nanendry ny fianakavian'i Arona ho fahefana fara tampony
amin'ny Levita (Nomery 18:2-3, 6). Amin'ny
maha-mpisorona azy ireo dia tokony handray ny
ampahafolon'ny fanomezana azon'ny Levita hafa rehetra izy ireo.
(Nomery 18:2) « Ary ny rahalahinao avy amin'ny firenen'i Levy izay
firenen'ny razanao koa dia ento miaraka aminao, mba hikambana aminao izy ka
hanompo anao; fa ianao sy ny zanakao ho eo anoloan'ny trano-lain'ny
Vavolombelona. » (Nomery 18:3) « Dia hitandrina ny anjara-raharahanao
sy ny anjara-raharaha rehetra momba ny trano-lay izy; kanefa ny fanaky ny
fitoerana masina sy ny alitara dia tsy mba hakekeny, fandrao maty ireo sy ny
tenanareo koa. » (Nomery 18:6) « Ary, indro, Izaho efa naka ny Levita
rahalahinareo avy tamin'ny Zanak'Isiraely; omena anareo izy ho fanomezana ho
an'i Jehovah mba hanao ny fanompoana momba ny trano-lay fihaonana. »
5. Inona
no fampiasana ny fahafolon-karena nandritry ny fisoronan’ny Levita? Nom. 18:21.
(Nomery 18:21) « Ary, indro, ny taranak'i Levy efa nomeko ny
fahafolon-karena rehetra amin'ny Isiraely ho fananany noho ny fanompoana izay
ataony, dia ny fanompoana ny amin'ny trano-lay fihaonana. »
FANAMARIHANA: Melkizedeka, mpikambana
ao amin'ny fianakavian'Andriamanitra, tonga Jesosy Kristy, dia nanidy ny Levita
ho minisitra. Ny asan'Andriamanitra tamin'ny alàlan'ny fisoronan’ny Levita dia
fanompoana ara-nofo sy fombafomba fampahatsiahivana tamin'ny firenena nofo ny
tsy fahombiazan'izy ireo nitandrina ny lalàn'Andriamanitra.
Ka i
Kristy (Melkizedeka) dia nanendry fanovana teo amin’ny lalàn'ny
fahafolonkarena. Ny ampahafolony izay noraisiny manokana dia navadika ho an'ny
Levita; avy eo nafindrany ho fanampiana ny Levita ny ampahafolony tamin'ny
fisoronan’izy ireo.
Saingy
tsy nisy iraka hitory ny Filazantsara amin'izao tontolo izao tamin'izany
fotoana izany. Ny drafitr'Andriamanitra ho an'ity fotoampitantanana ity dia
niantso fotsiny ny Levita hampianatra ny olona ny taratasin'ny Lalàna, ary
hitantana ireo fombafomba ara-batana sy sorona ho fampahatsiahivana ny
fahotana. Noho izany, ny ampahafolonkren’ny vahoaka izay nasaina nentiny dia
natao hanampiana azy ireo indrindra.
Ny
Hebreo toko fahafito dia mampiseho mazava tsara fa ny fahafolonkarena dia
lalàna ara-bola efa ela tamin'ny fotoana nametrahan'Andriamanitra ny lalàna sivily
taloha tamin'ny alàlan'i Mosesy.
Nohazavain'i
Paoly mazava tsara fa ny fahafolonkarena dia tsy an'ny Levita (an'ny taranak'i
Levy) na "fombafomba" (vakio Hebreo 7:5, 8-10).
(Hebreo 7:5) « Ary izay avy tamin'ny taranak'i Levy ka mandray ny
fisoronana no mahazo teny haka ny fahafolon-karena amin'ny olona araka ny
lalàna, dia amin'ny rahalahiny izany, na dia teraky ny kibon'i Abrahama aza
ireny; »
(Hebreo 7:8) « Ary ety dia izay olona mety maty no mandray ny
fahafolon-karena, fa any kosa dia izay nambara fa velona. » (Hebreo 7:9)
« Ary toa azo lazaina fa Levy aza, izay mandray ny fahafolon-karena, dia
mba nandoa ny fahafolon-karena koa tao anatin'i Abrahama, » (Hebreo 7:10)
« satria mbola tao an-kibon-drainy ihany izy tamin'ny nitsenan'i
Melkizedeka an'i Abrahama. »
Tsy
natomboka tamin'ny fitantanan'ny Levita izany ary tsy nety ho nitsahatra rehefa
tsy nilaina intsony ny fisoronan’ny Levita. Fa, araka ny Hebreo 7:11-17, Andriamanitra dia nanova ny fisoronana hiverina
amin'ny fisoronana ara-panahin'i Melkizedeka.
(Hebreo 7:11) « Koa raha nisy
fanatanterahana tamin'ny fisoronan'i Levy (fa tamin'izany no nahazoan'ny olona
ny lalàna), ahoana no mbola ilana mpisorona hafa hiseho araka ny fanaon'i
Melkizedeka ihany, izay tsy hotononina ho araka ny fanaon'i Arona? »
(Hebreo 7:12) « Fa raha ovana ny fisoronana, dia tsy maintsy ovana koa ny
lalàna. » (Hebreo 7:13) « Fa Izay nolazaina amin'izany teny izany dia
avy tamin'ny firenena hafa, izay tsy nisy olona manompo eo amin'ny
alitara. » (Hebreo 7:14) « Fa hita marimarina fa avy tamin'ny Joda no
nisehoan'ny Tompontsika, ary izany firenena izany dia tsy nisy nolazain'i
Mosesy akory ny amin'izay ho mpisorona. » (Hebreo 7:15) « Ary hita
marimarina kokoa indray izany, raha misy Mpisorona hafa miseho ka tahaka an'i
Melkizedeka, » (Hebreo 7:16) « izay natao tsy araka ny lalàn'izay
didy momba ny nofo, fa araka ny herin'ny fiainana tsy
manam-pahataperana. » (Hebreo 7:17) « Fa Izy dia nambara hoe:
"Hianao no Mpisorona mandrakizay Araka ny fanaon'i Melkizedeka"
(Sal.110.4). »
Ny fisoronana Levita dia
notapahan'ny fisoronan'i Jesosy Kristy, izany
hoe ny fisoronana Melkizedeka naverina tamin'ny laoniny! Ary toy
izany koa dia nisy fiovana hoe iza izao no tokony handray ny fahafolonkarena (Hebreo 7:12).
I
Kristy dia nanome alalana ny mpanao asa fanompoana ao amin'ny Testamenta Vaovao
handray ny ampahafolon-karena, mba hanatanterahana ny asa ara-panahy nanirahana
azy ho an'ny Fiangonany (Mat. 28: 19-20).
(Matio 28:19) « koa mandehana ianareo, dia ataovy mpianatra ny
firenena rehetra, manao batisa azy ho amin'ny anaran'ny Ray sy ny Zanaka ary ny
Fanahy Masina » (Matio 28:20) « sady mampianatra azy hitandrina izay
rehetra nandidiako anareo; ary, indro, Izaho momba anareo mandrakariva
ambara-pahatongan'ny fahataperan'izao tontolo izao. »
Ny
vanim-potoanan'ny Testamenta Vaovao dia naseho tamin'ny fotoana nahatongavan'i Melkizedeka
na Kristy izay Mpisoronabentsika mandrakizay (Heb. 7: 3; 4: 14-16), tonga olombelona mety maty
ka azo atao sorona ho an'ny otan'ny olombelona rehetra. Nataony azo omena ihany
koa ny Fanahy Masina ho an'izay antsoin'Andriamanitra.
(Hebreo 7:3) « tsy manan-dray, tsy manan-dreny, tsy manana
tantaram-pirazanana, tsy manana voalohan'andro na faran'ny fiainana, fa natao
tahaka ny Zanak'Andriamanitra),- izy dia mitoetra ho mpisorona
mandrakariva. »
(Hebreo 4:14) « [Fampitahana
an'i Kristy sy ny mpisoronabe] Koa satria Isika manana Mpisoronabe
lehibe, Izay lasa namaky ny lanitra, dia Jesosy, Zanak'Andriamanitra, aoka
isika hihazona ilay efa nekentsika. » (Hebreo 4:15) « Fa isika tsy
manana mpisoronabe izay tsy mahay miara-mitondra ny fahalementsika, fa Izay efa
nalaim-panahy tamin'ny zavatra rehetra tahaka antsika, kanefa tsy nanana
ota. » (Hebreo 4:16) « Koa aoka isika hanatona ny seza fiandrianan'ny
fahasoavana amin'ny fahasahiana, mba hahazoantsika famindram-po sy hahitantsika
fahasoavana ho famonjena amin'izay andro mahory*. [* Gr.
tandrifin'izany] »
Tonga
teto an-tany i Kristy hanokatra karazana asa fanompoana vaovao, dia fanompoana
ara-panahy. Izy io dia minisiteran'ny FAMONJENA, minisiteran'ny FAMINANIANA,
minisiteran'ny FAMPITANDREMANA, ary ministeran’ny FILAZANTSARA.
Ny
iraka nampanaovin'i Kristy an'ireo tena minisitra rehetra dia ny hoe: "Koa mandehana, dia
ampianaro ny firenena rehetra ... Mampianatra azy hitandrina izay rehetra
nandidiako anareo"
(Mat.
28: 19-20, jereo
etsy aloha). Ary
raha niresaka ny androntsika Izy dia nilaza hoe: (Matio 24:14) « Ary hotorina amin'izao
tontolo izao ity filazantsaran'ny fanjakana ity ho vavolombelona amin'ny
firenena rehetra, dia vao ho tonga ny farany. »
Jesosy Kristy dia tonga mba
hahafeno fepetra hisolo an'i Satana amin'ny maha-Mpanapaka an'izao tontolo izao
Azy. Ary tonga Izy hampiofana mpitondra hafatra
izay hitory amin'izao tontolo izao ny fiverenany hamerina amin'ny laoniny ny
Fanjakan'Andriamanitra ety an-tany. I Kristy
manokana dia nifidy ireo Apostoly roa ambin'ny folo tany am-boalohany, na
minisitra, hanohy ny asa fitoriana ny Filazantsaran'ny Fanjakan'Andriamanitra.
Amin’izao andro izao, ireo tena minisitr'i Jesosy Kristy dia manatanteraka io
iraka io manerantany!
Rehefa manakaiky ny faran'ity vanim-potoana ity dia manatanteraka ny iraka
nampanaovin'i Kristy amin'i HERY ireo tena minisitr'Andriamanitra. Ataon'izy
ireo mazava tsara ny FILAZANTSARAN’NY FANJAKAN'ANDRIAMANITRA izay ho avy tsy ho
ela. Manazava ny lalàn'io Fanjakana io izy ireo, ary koa manazava ireo
faminaniana an-jatony miresaka momba io fotoana farany io.
Amin'izao
andro mikorontana izao, manakaiky ny faran'ny vanim-potoana mialoha ny
Fiavian'i Kristy Fanindroany. Ny asa tena fanompoana an'Andriamanitra dia ezaka
manerantany mampianatra vahoaka AN-TAPITRISANY. Asa goavana izany, mitaky
fampiasana minisitra an-jatony sy mpiasa hafa, ary fotodrafitrasa teknolojika
avo lenta amin'ny fitoriana ny Filazantsaran'i Jesosy momba ny
Fanjakan'Andriamanitra, "amin'ny firenena rehetra"!
Ireo fotodrafitrasa
namboarina ho an'ny tanjon'Andriamanitra, dia ny onjampeo sy ny fahitalavitra,
milina fanontam-pirinty ary internet,
izay mahatratra olona marobe tsy tahaka ny taloha, ary mila vola betsaka.
Amin’izao
andro izao, Andriamanitra dia manolotra ny rafitra fahafolonkarena ihany ho
famatsiam-bola amin'ny asa fanompoana ara-panahy mahery vaika, rafitra izay
nampiasainy nandritry ny arivo taona maro mifandimby.
6. Mampiseho
ve ny Baiboly fa mangalatra mivantana amin'Andriamanitra ny firenena sy ny
isam-batan'olona tsy mandoa fahafolonkarena Aminy? Mal. 3: 7-12.
(Malakia 3:7) « Hatramin'ny andron'ny
razanareo dia efa niala tamin'ny didiko ianareo ka tsy nitandrina azy. Miverena
amiko, dia mba hiverina ho aminareo kosa Aho, hoy Jehovah, Tompon'ny maro. Nefa
hoy ianareo: Ahoana ary no ho fiverinay? » (Malakia 3:8) « Handroba
an'Andriamanitra va ny olona, no mandroba Ahy ianareo ? Nefa hoy ianareo:
Amin'inona moa no androbanay Anao ? Amin'ny fahafolon-karena sy ny fanatitra*. [Heb.
fanatitra asandratra] » (Malakia 3:9) « Voaozona amin'ny ozona
ianareo nefa Izaho no robainareo, dia izao ianareo rehetra iray firenena
izao. » (Malakia 3:10) « Entonareo ny fahafolon-karena rehetra ho ao
amin'ny trano firaketako, mba hasian-kanina ao an-tranoko, ary izahao toetra
amin'izany Aho, hoy Jehovah, Tompon'ny maro, raha tsy hovohako ny varavaran'ny
lanitra ho anareo ka hampidinako fitahiana manana amby ampy ho anareo. »
(Malakia 3:11) « Ary hasiako teny mafy ny valala* noho ny aminareo, ka tsy
hanimba ny vokatry ny tany intsony ireny, ka dia hahavanom-boa ny voalobokareo
any an-tsaha, hoy Jehovah, Tompon'ny maro. [Heb. mpandany] » (Malakia
3:12) « Ary ianareo hataon'ny firenena rehetra hoe sambatra; fa ho tany
mahafinaritra ianareo, hoy Jehovah, Tompon'ny maro. »
FANAMARIHANA:
Misy mahavita mandroba an'Andriamanitra ve? 'Ny fangalarana amin'Andriamanitra
dia raharaha lehibe tokoa! Tsy misy vola miditra aminao hoe tena anao.
An'Andriamanitra daholo izany. Fa ampahafolon'izay fotsiny no
takian'Andriamanitra. Notehiriziny ho an'ny tenany ny fahafolon-karena
voalohany! Aorian'ny fanekentsika ny fitakian'Andriamanitra mialoha momba ny
ampahafolon'ny vokatra azontsika, vao mahazo mitaky ara-dalàna ireo ampahafolony
hafa isika.
7. Inona
no mahazo ny olona rehefa mandika ity lalàn'Andriamanitra momba ny
fitantanam-bola ity izy? Mal. 3: 9 (Voaozona, Jereo
etsy aloha).
8. Inona
no vahaolana tsotra nomen'Andriamanitra momba ny olantsika ara-bola? Mal. 3:10 (jereo esty aloha). Moa ve Izy mihaika antsika hametraka
fanandramana, "manaporofo", hahitana raha tena hitahy antsika Izy? Io andininy io ihany.
FANAMARIHANA:
Andriamanitra tsy manome antsika vahaolana sarotra, tsy azo takarina amin'ny
olantsika ara-bola sy ny ozona. Tsotra ny vahaolana. Avereno amin'Andriamanitra
izay angatahiny ho azy, dia hitahy antsika Izy. Andriamanitra dia manana fomba
an’arivony hanamboarana izay ataontsika ho lehibe kokoa. Raha miasa
am-pahazotoana isika ary mahatoky amin'ny fanomezana Azy ny anjarany, dia miasa
miaraka amintsika Izy, mitahy ny ezaka ataontsika amin'ny famokarana ny
fiaraha-miasa Aminy, ary hahazoana bebe kokoa!
Ireo
izay manome am-pahatokiana an'Andriamanitra ny fahafolon-karenany dia mahita fa
izay sisa tavela dia maha lasa lavitra kokoa noho ny vola feno azony teo aloha.
Mpanao fahafolonkarena an'arivony no nanamarika fa misy lalàna tsy voasoratra
izay tsy azo dikana momba ny teti-bola - lalàna iray izay mitarika ny volan'izy
ireo hitombo hatrany rehefa mahatoky amin’ny ampahafolon-karena izy ireo.
(Vakio ireto andinin-tSoratra Masina manaraka ireto mifandraika amin'ity
fitsipika ity: 1 Mpanjaka 17: 8-24; II Mpanjaka 4: 1-7, 42-44; Mat 14: 17-21;
15: 34-38; Heb 13: 8.)
9.
Ahoana no tokony ho fihetsitsika amin'ny fanomezana ny fahafolon'ny vola
miditra ho an'ny Fiangonan'Andriamanitra, satria Azy, na koa izay fanatitra
tsindraindray arak'izay vitantsika? II Kor. 9: 6-7.
(2 Korintiana 9:6) « Fa izao no lazaiko: Izay mamafy kely, dia kely
no hojinjany; fa izay mamafy be, dia be kosa no hojinjany. » (2 Korintiana
9:7) « Aoka ny olona rehetra samy hanao araka izay inian'ny fony avy, tsy
amin'ny alahelo, na amin'ny faneriterena; fa ny mpanome amin'ny fifaliana no
tian'Andriamanitra (Oha. 22. 8). »
FANAMARIHANA:
Ny toe-tsaina malala-tanana dia fototry ny fomba fiainana "manome"
avy amin'Andriamanitra. Mpanome malala-tanana Andriamanitra! Tiany ny zanany
hanaja fahalalaha-tanana toy izany, arakaraka izay ananany. Nanazava an'io
tsara ny Apostoly Paoly: (II Kor. 9: 6-7; jereo etsy aloha).
Ny
torolalana momba ny fanomezana dia voalaza amin'ny pejy maro ao amin'ny
Baiboly. Nasehon'i Jesosy fa ny fanahy manome dia mitondra vokany toy ny “boomerang” (“tamberina”).
(Lioka 6:38) « omeo, dia mba homena
ianareo; fatra tsara sady ahintsana no afatratra ka mihoatra no homeny ho ao
am-pofoanareo. Fa izay fatra ataonareo no hamarana ho anareo kosa. »
Mbola
namerina izany fahamarinana izany ihany koa i Salomona tao amin'ny asa sorany: (Mpitoriteny 11:1) « Atsipazo eny
ambonin'ny rano ny haninao, fa ho hitanao ihany izy rehefa ela. »
(Mpitoriteny 11:2) « Samy omeo anjara ny fito, ary na dia ny valo aza, fa
tsy fantatrao izay fahoriana hanjo aty ambonin'ny tany. »
Ny
fitahian'Andriamanitra dia ho avy amin'ny fotoan'Andriamanitra sy amin'ny
fomban'Andriamanitra. Ary izao koa: (Ohabolana 11:24) « Misy mahafoy*, nefa mitombo fananana ihany; Ary
misy fatra-pahihitra loatra**, nefa tonga malahelo ihany.[*Heb. mamafy][**Na:
mihazona ny hareny] » (Ohabolana 11:25) « Izay manisy soa olona
hohatavezina; Ary izay mandena dia mba holemana kosa*. [Heb. Ary izay
mampisotro dia mba hampisotroina kosa] ».
Ireo
andininy ireo dia mamerina amin'ny teny samy hafa ilay fitsipika voasedra
ara-potoana hita manerana ny Baiboly: (Galatiana 6:7) « Aza mety hofitahina ianareo; Andriamanitra tsy
azo vazivazina, fa izay afafin'ny olona no hojinjany. »
10. Ahoana
no nitandreman'i Jesosy ny lalàn'ny fahafolonkarena? Mat. 23:23. Jereo ny tapany farany
amin'ilay andininy.
(Matio 23:23)
« Lozanareo, mpanora-dalàna sy Fariseo, mpihatsaravelatsihy! fa mandoa ny
fahafolon'ny solila sy ny aneta ary ny komina* ianareo, nefa navelanareo izay
lehibe amin'ny lalàna, dia ny rariny sy ny famindram-po ary ny finoana; ireto tokony ho nataonareo, nefa tsy tokony
havelanareo ireroana.[*Anaran-java-maniry ireo] »
FANAMARIHANA:
Tsy mazava ve izany? Jesosy nilaza fa ny toe-panahy tsara toy ny rariny, ny
famindram-po ary finoana dia zava-dehibe kokoa noho ny fandoavana am-pitandremana
ny ampahafolony amin'ny zavatra rehetra mety maniry ao an-jaridainanao,
indrindra rehefa mitarika ho amin'ny fanamarinan-tena izany fikirizana izany.
Fa hoy i Kristy “ ireto tokony ho nataonareo, nefa tsy tokony
havelanareo ireroana”.
11. Moa
ve ny fandoavana fahafolonkarena karazana fanompoana, sady fanehoana finoana an'Andriamanitra?
Heb. 11: 6; Jak. 2:20.
(Hebreo 11:6) « Fa raha tsy amin'ny finoana, dia tsy misy azo atao
hahazoana sitraka aminy; fa izay manatona an'Andriamanitra dia tsy maintsy mino
fa misy Izy sady Mpamaly soa izay mazoto mitady Azy. »
(Jakoba 2:20) « Moa tsy fantatrao va, ry olom-poana, fa tsy vanona
ny finoana tsy misy asa? »
FANAMARIHANA:
Ny fahafolonkarena dia asa fanompoana an'Andriamanitra - fanehoana fitiavana,
fankasitrahana, fanajana, voninahitra ary fanajana ny Mpamorona - mariky ny
fanekena ny sitrapon'Andriamanitra, fanekena ny fahefany sy ny fanapahany.
Ny
fandoavana fahafolonkarena koa dia fihetsika maneho finoana an’Andriamanitra.
Araka izany dia foiben'ny fotom-pinoana kristiana sy ny fiovam-po io. Ny
fahafolonkarena dia fanompoana manokana ataon'ny kristiana rehefa atao amin'ny
finoana. Fanekena izany fa misy Andriamanitra - tena misy Izy ary afaka
"manome izay rehetra ilainao araka ny hareny amin'ny voninahitra ao amin'i
Kristy Jesosy" (Fil. 4:19).
(Filipiana 4:19) « Fa Andriamanitro hahatanteraka izay rehetra
tokony ho anareo araka ny hareny amin'ny voninahitra ao amin'i Kristy
Jesosy. »
Tsy
misy fomba ahafahan'ny olona manakana an'Andriamanitra tsy hitahy ireo izay
miakatra amin'ny finoana sy ny fahafolonkarena ho any amin'ny Mpamorona azy. Ny
fanandramana (Experience) dia
voaporofo fa misy fitahiana mandeha ho azy amin'ny fankatoavana
an'Andriamanitsika mandrakizay raha toa ka miaraka amin'ny finoana izany
fankatoavana izany.
Tsarovy
fa manome ampahafolon-karena ho an'Andriamanitra ianao, fa tsy ho an’olona!
Rehefa mandoa ny fahafolon-karena ianao, dia mampiseho fankatoavana
an'Andriamanitra hitaky ny vola tokony hanany aminao. Fantatrao fa misy Izy,
ary Izy dia "Mpamaly soa izay mazoto mitady azy"! Eny, ny fandoavana
fahafolonkarena dia asan'ny finoana, ary raha tsy misy finoana dia tsy azo atao
ny mampifaly an'Andriamanitra (Heb. 11: 6, Jereo etsy aloha).
Fa raha
misy miteny hoe: "Tsy matoky ny fomba hampiasana ny fahafolonkarena aho.
Mety handà ny handoa fahafolonkarena ve izy? Manome alalana azy ve ny Baiboly
hamaritra ny antony hampiasana azy? Andao ho fantarina.
Ny
andraikitry ny olona dia ny mandoa ny ampahafolony an'Andriamanitra amin'ireo
olom-boafidiny izay voaporofo fa manao ny asan'Andriamanitra amin'izao fotoana
farany izao. Tsy andraikitry ny mpandoa fahafolonkarena ny manapa-kevitra ny
amin'ny fomba ampiasana ny ampahafolony na ny fandaniana azy raha vao omena
izany. Andraikitr'Andriamanitra izany. An'Andriamanitra io ampahafolony io, ary
anjarany ny mitarika ny fomba fampiasan'ny mpanompony ny vola.
12. Tokony
ho "mpiara-miasa" amin'ny fahamarinana ve ny Kristiana? III Jaona 8.
"mpiara-miasa" amin'ny fampielezana ny Filazantsara ve izy ireo? Fil
4: 3; 1 Kor 3: 9; II Kor 6: 1.
(3 Jaona 8) « Koa isika dia tokony handray tsara izay toy izany,
mba ho mpiara-miasa aminy amin'ny fahamarinana. »
(Filipiana 4:3) « Eny, mangataka aminao koa aho, ry ilay tena
mpiara-miasa amiko, manampia azy roa vavy, fa niara-niasa fatratra tamiko teo
amin'ny filazantsara izy, mbamin'i Klementa koa sy ny mpiara-miasa amiko sisa,
izay voasoratra ao amin'ny bokin'ny fiainana. »
(1 Korintiana 3:9) « Fa mpiara-miasa amin'Andriamanitra izahay; ary
sahan'Andriamanitra sy trano arafitr'Andriamanitra ianareo. »
(2 Korintiana 6:1) « Ary izahay mpiara-miasa aminy dia mangataka
aminareo koa mba tsy handraisanareo foana ny fahasoavan'Andriamanitra »
FANAMARIHANA:
Nanana fitomboana mahatalanjona tamin'ny hery sy fahombiazana ny
Fiangonan'Andriamanitra nandritry ny taona maro. Tanteraka izany noho ny ezaka
mitambatra nataon'ny olona an'arivony maro, izay nantsoin'Andriamanitra hanampy
amin'ny fanohanana ara-bola ny asan'ny Fiangonany, amin'ny alàlan'ny
fahafolonkarenana sy ny fanatitr'izy ireo. Tamin'ireo taona voalohan'ny
vanim-potoanan'ny Fiangonan'Andriamanitra Filadelfia, olona an-jatony
vitsivitsy monja no tratry ny Filazantsara. Saingy rehefa nitombo ny isan'ny
mpikambana mazoto sy ny mpiara-miasa nanolo-tena an-tsitrapo handrotsaka
fahafolonkarena, dia nitombo toy izany koa ny habe sy ny herin'ny asan'ny Fiangonana.
FEHINY
Ny ezaka iraisan'ny maro izay
nantsoin'Andriamanitra hifampizara ilay fotoana be voninahitra maha
"mpiara-miasa", dia ahafahan'izao tontolo izao mandre sy mamaky ny
tena Filazantsaran'i Kristy ankehitriny. Na dia ny fanontana sy
fandefasana ireo lesona fampianarana Baiboly an-taratasy ho an'ny mpianatra
rehetra aza dia natao tamin'ny fahafolonkarena sy ny fanomezana natolotry ny
Fiangonan'Andriamanitra.
Ny
lalan'Andriamanitra dia ny manome maimaimpoana ny fahamarinany amin'izay
rehetra mangataka izany. Amin'ny alàlan'ny fampidirany ireo "mpiara-miasa
Aminy" ao anatin'ity iraka mahatalanjona ity, ireo mpiara-miasa ireo dia
mizara ny fitahiana manampy amin’ny fitondrana ny hafa ho ao amin'ny
fianakavian'Andriamanitra.
Marina
tokoa fa "sambatra kokoa ny manome noho ny mandray" (Asa. 20:35). Amin'ny fanomezam-boninahitra
an'Andriamanitra amin'ny fananantsika no hanomezany izay ilaintsika manokana,
satria mampanantena Izy hoe: (Matio 6:33) « Fa katsaho aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany,
dia hanampy ho anareo izany rehetra izany. »
HO AN’ANDRIAMANITRA IRERY
ANIE NY VONINAHITRA!