Pages

Pages

Afaka mandresy ianao - Fiz.2

 AFAKA MANDRESY IANAO (Fiz.2)

 

TENIN’ANDRIAMANITRA

Geesisy 15:1-7

Matio 6:5-13

Asan’ny Apostoly 2:36-47

 

TENIN’ANDRIAMANITRA

Genesisy 15:1-7

[Ny nanaovan’Andriamanitra fanekena tamin’i Abrama]

(Genesisy 15:1) « Rehefa afaka izany, dia tonga tamin'i Abrama ny tenin'i Jehovah tamin'ny fahitana ka nanao hoe: Aza matahotra, ry Abrama; Izaho no ampinganao sy valim-pitia lehibe indrindra ho anao. » (Genesisy 15:2) « Ary hoy Abrama: Jehovah Tompo ô, inona no homenao ahy? fa izaho mandroso fahanterana nefa tsy manan-janaka, ary ny ho tompon'ny ahy dia ilay Eliezera avy any Damaskosy. » (Genesisy 15:3) « Ary hoy koa Abrama: Indro, izaho tsy nomenao fara handimby, ka, indro, ny anankiray amin'ny ato an-tranoko no handova ahy. » (Genesisy 15:4) « Ary, indro, ny tenin'i Jehovah tonga taminy hoe: Tsy handova anao izany; fa izay haterakao, dia izy no handova anao. » (Genesisy 15:5) « Dia nitondra azy nivoaka teo ivelan'ny lay Izy ka nanao hoe: Jereo ange ny lanitra, ka isao ny kintana, raha mahisa azy ianao. Dia hoy Izy taminy: Ho tahaka izany ny taranakao. » (Genesisy 15:6) « Ary nino an'i Jehovah izy; ka dia nisainy ho fahamarinany izany. » (Genesisy 15:7) « Ary hoy Izy taminy: Izaho no Jehovah Izay nitondra anao nivoaka avy tany Oran'ny Kaldeana, mba homeko anao ity tany ity ho lovanao. »

Genesisy 15:1-5 AMPINGANAO SY VALIM-PITIANAO LEHIBE INDRINDRA HO ANAO AHO.

Lasa nanahy sy raikitahotra Abrama taorian’ny ady nifanandrinany tamin’ireo mpanjaka. Hany ka nanome toky azy tamin’ny fahitana Andriamanitra fa Izy no ampingany sy valim-pitiany. I Abrama kosa namaly izany teny fampaherezana izany ka nampahatsiaro fa tsy manan-janaka izy ary araka izany dia tsy manam-pandova (and 2). Vokatr’izany dia nanolo-kevitra izy mba hanangana ny iray amin’ny zanaky ny mpanompony mba ho lasa mpandova azy. Nolavin’Andriamanitra izany heviny izany tamin’ny fampanantenana fa Abrama hanan-janaka lahy avy amin’I Saray vadiny izay momba (Gen 11:30) ary hanana taranaka tsy hita isa (Gen 15:5). Ny tena tsy nampoizina sy tena mampiavaka an’I Abrama dia izy nino an’Andriamanitra. Ny finoana an’Andriamanitra no nisaina ho fahamarinany (Gen 15:6).

Gen 15:6-7 ARY NINO … IZY; KA DIA NISAINA HO FAHAMARINANY IZANY

Voatonona miaraka voalohany ny finoana sy ny fahamarinana eto.

Manondro lafin-javatra roa ny finoana ao amin’ny Test T : (1) « matoky » na « miankina”, sy (2) “fifikirana” na “fahatokiana”. Noho izany ny hoe “mino” dia midika hoe maharitra amin’ny fahatokiana sy finoana omban’ny fifikirana feno fankatoavana. Io ilay karazana finoana nanan’i Abrama. Niraiki-po tamin’Andriamanitra tao anatin’ny fahatokiana maharitra sy fankatoavana ary fanekena izy. è Mianara ny finoan’i Abrahama an’Andriamanitra isika!

Hitan’Andriamanitra ny toe-po feno finoana tao amin’i Abrama ary nisainy ho fahamarinany izany. Ny teny hoe “fahamarinana” dia midika hoe miaina amin’ny fifandraisana marina amin’Andriamanitra sy ny sitrapony. Nanao fanekem-pifandraisana tamin’i Abrama Andriamanitra taty aoriana. Tamin’izany no nahatonga an’Andriamanitra ho ampingany sy valim-pitany (and 1), sy ny taranany ho maro be (and 5).

Avy amin’ny finoana no hiavian’ny fitahiana sy ny fifandraisana marina Aminy ary ny firaisana amin’Andriamanitra araka ny fanekena vaovao. Fahamarinana fototra ao amin’ny Test. V izany (Rom 4:3; Gal 3:6; Jak 2:23). Izay koa no ilazana fa “rain’ny mino rehetra” Abrahama (Rom 4:11).

MATIO 6:5-13

[Ny tori-teny nataon’i Jesosy Kristy teo an-tendrombohitra]

(Matio 6:5) « Ary raha mivavaka ianareo, aza mba ho tahaka ny mpihatsaravelatsihy; Fa izy tia ny mivavaka mitsangana eo amin'ny synagoga sy eo an-joron-dalana hahitan'ny olona azy. Lazaiko aminareo marina tokoa fa efa azony ny valim-pitiany. » (Matio 6:6) « Fa ianao kosa, raha mivavaka, dia midìra ao amin'ny efi-tranonao, ka rehefa voarindrinao ny varavaranao, dia mivavaha amin'ny Rainao, Izay ao amin'ny mangingina; ary ny Rainao, Izay mahita ao amin'ny mangingina no hamaly anao. » (Matio 6:7) « Ary raha mivavaka ianareo, dia aza mba manao teny maro foana tahaka ny jentilisa; Fa ataony ho ny hamaroan'ny teniny no hihainoana azy. » (Matio 6:8) « Koa aza manahaka azy ianareo; fa fantatry ny Rainareo izay tokony ho anareo, raha tsy mbola mangataka aminy aza ianareo. »

(Matio 6:9) « Koa amin'izany mivavaha toy izao ianareo: Rainay Izay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao. » (Matio 6:10) « Ho tonga anie ny fanjakanao. Hatao anie ny sitraponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra. » (Matio 6:11) « Omeo anay anio izay hanina sahaza ho anay. » (Matio 6:12) « Ary mamelà ny helokay* tahaka ny namelanay izay meloka** taminay. [*Na: trosa] [**Na:nitrosa] » (Matio 6:13) « Ary aza mitondra anay ho amin'ny fakam-panahy, fa manafaha anay amin'ny* ratsy**. [*Na: amin'ilay] [** Ampio hoe: Fa Anao ny fanjakana sy ny hery ary ny voninahitra mandrakizay. Amena] »

 

Toriteny

Dr. Rakotondravony Daniel, Fiangonan’Andriamanitra Miray

 

Matio 6:6 MIVAVAHA … AO AMIN’NY MANGINGINA.

Ny zanak’Andriamanitra tsirairay avy dia tokony hanana toerana hihaonany manokana amin’Andriamanitra. Tsy haharitra ela na ho tapatapaka ny vavaka ao amin’ny miafina raha tsy misy izany toerana izany. Nanana toerana miafina falehany i Jesosy (Oha. Matio 14:23, tao an-tendrombohitra). Manan-danja manokana ny vavaka ao amin’ny mangingina. Ohatra:

Amin’ny maraina mba hametrahana ny tontolo androntsika eo amin’Andriamanitra;

Amin’ny hariva mba ho fisaorana noho ny famindrampony;

Amin’ny fotoana samihafa izay asain’ny Fanahy Masina ivavahantsika. Manome toky Andriamanitra Raintsika fa hamaly soa amin’ny fomba miharihary: amin’ny valim-bavaka; amin’ny fanatrehany akaiky dia akaiky; ary amin’ny voninahitra maharitra mandrakizay.

Matio 6:9 KOA AMIN’IZANY MIVAVAHA TOY IZAO IANAREO.

Modelom-bavaka anehoan’i Kristy ireo sehatra tokony hiompanan’ny vavaky ny Kristiana no omeny eto. Misy fangatahana enina ity vavaka ity: momba ny fahatongavan’ny Fanjkan’Andriamanitra eto an-tany, sy ny fahamasinan’Andriamanitra, ary ny sitrapony ny telo; ny telo kosa momba izay ilaintsika manokana. Ny hafohin’ilay vavaka tsy midika akory hoe tokony ho fohifohy ihany ny fitondrantsika am-bavaka ny zavatra ilaintsika. Indraindray i Kristy dia nivavaka mandritry ny alina (Lio 6:12).

Matio 6:9-13 RAINAY IZAY ANY AN-DANITRA, HO HAMASININA ANIE NY ANARANAO. Milaza Jesosy fa Andriamanitra Izay mamaly vavaka antsika dia Ray Izay mipetraka any an-danitra. Masina sy lehibe ary tia antsika sady saro-piaro amin’ny anarany masina Izy, dia araka izay nampahafantariny tamin’ny Didy efatra voalohny amin’ny Didy folo, manao hoe: (Eksodosy 20:2) « Izaho no Jehovah Andriamanitrao. » (Eksodosy 20:3) « Aza manana andriamani-kafa, fa Izaho ihany. » … (Eksodosy 20:5) « … Izaho, Jehovah Andriamanitrao, dia Andriamanitra saro-piaro ka mamaly ny heloky ny ray amin'ny zanaka hatramin'ny zafiafy sy ny zafindohalika, dia amin'izay mankahala Ahy; » (Eksodosy 20:6) « nefa kosa mamindra fo amin'ny olona arivo mandimby izay tia Ahy ka mitandrina ny didiko. » (Eksodosy 20:7) « Aza manonona foana ny anaran'i Jehovah Andriamanitrao; fa tsy hataon'i Jehovah ho tsy manan-tsiny izay manonona foana ny anarany. »

Matio 6:10. HO TONGA ANIE NY FANJAKANAO. HATAO ANIE NY SITRAPONAO ETY AN-TANY TAHAKA NY ANY AN-DANITRA. Misy Fajakan’Andriamanitra na Fitondram-panjakana, izay hapetraka ara-bakiteny eto an-tany. Asain’i Jesosy mivavaka isika ho an’ny fahatongavan’izany Fanjakana izany, izay mila ny fahafenoan’ny fiofanan’ireo zanak’Andriamanitra norotontoronin’ny Fanahy, mandra-piverin’i Kristy. Ny fanaovan’ireo zanaka nantsoina ireo ny sitrapon’Andriamanitra no itomboany amin’ny toetran’Andriamanitra sy anahafany an’i Kristy, ary anakekezany ny fahafenoan’ny Fanahy rehefa homena fiainana mandrakizay izy, handova ny Fanjakan’Andriamanitra. (1 Korintiana 11:1) « Aoka hanahaka ahy ianareo, dia tahaka ny anahafako an'i Kristy, » hoy ny Apostoly Paoly.

Matio 6 :11-13 OMEO ANAY ANIO NY HANINA SAHAZA HO ANAY. MAMELÀ NY HELOKAY. MANAFAHA ANAY AMIN’NY RATSY. Ny Ray dia afaka hanome antsika ny hanina sahaza isan’andro, sy hamela heloka, nefa isika dia ilain’Andriamanitra hamela izay nanao ratsy tamintsika koa. (Matio 6:26) « Tsinjovy ny voro-manidina, fa tsy mba mamafy, na mijinja, na mitaona ho any an-tsompitra ireny; ary ny Rainareo Izay any an-danitra mamelona azy. Moa tsy mihoatra lavitra noho ireny va ianareo? » (Marka 11:25) « Ary raha mitsangana mivavaka ianareo, ka misy olona anananareo alahelo, dia mamelà ny helony, mba havelan'ny Rainareo Izay any an-danitra kosa ny helokareo. » (Marka 11:26) « Fa raha ianareo tsy mamela heloka, ny Rainareo Izay any an-danitra kosa tsy hamela ny helokareo »

Mila manohitra ny devoly koa isika, ary Andriamanitra manampy antsika handresy azy. (Efesiana 6:11) « Tafio avokoa ny fiadian'Andriamanitra, mba hahazoanareo hifahatra amin'ny fanangolen'ny devoly. » (1 Petera 5:8) « Mahonòna tena, miambena: fa ny devoly fahavalonareo mandehandeha tahaka ny liona mierona mitady izay harapany; » (1 Petera 5:9) « tohero izy, ka miorena tsara amin'ny finoana ianareo, satria fantatrareo fa izany fahoriana izany dia manjo ny rahalahinareo rehetra eran'izao tontolo izao. »(Jakoba 4:7) « Ka dia maneke an’Andriamanitra ianareo; ary manohera ny devoly, dia handositra anareo izy. »

Andriamanitra Ray hampiditra antsika ho mpanjaka sy mpisorona ao amin’ny Fanjakany, hiara-mandova izany amin’i Jesosy Kristy.

(1 Jaona 5:4) « Fa izay rehetra naterak'Andriamanitra dia maharesy izao tontolo izao; ary ny fandresena izay enti-maharesy izao tontolo izao dia ny finoantsika. » (Apokalypsy 3:21) « Izay maharesy dia havelako hiara-mipetraka amiko eo ambonin'ny seza fiandrianako, dia tahaka ny nandreseko kosa sy ny niarahako nipetraka amin'ny Raiko eo ambonin'ny seza fiandrianany. » (Apokalypsy 20:6) « Sambatra sy masina izay manana anjara amin'ny fitsanganana voalohany; ireo tsy mba ananan'ny fahafatesana faharoa fahefana, fa ho mpisoron'Andriamanitra sy Kristy ireo ka hiara-manjaka aminy arivo taona. »

Asan’ny Apostoly 2:36-47

[Ny nilatsahan'ny Fanahy Masina tamin'ny Andro Pentekosta, sy ny tori-teny nataon'i Petera tamin'izany]

(Asan'ny Apostoly 2:36) « Koa aoka ho fantatry ny taranak'isiraely rehetra marimarina fa iny Jesosy nohomboanareo tamin'ny hazo fijaliana iny dia efa nataon'Andriamanitra ho Tompo sy Kristy. » (Asan'ny Apostoly 2:37) « Ary raha nandre izany ny olona, dia voatsindrona tam-pony ka nanao tamin'i Petera sy ny Apostoly namany hoe: Ry rahalahy, inona no hataonay? » (Asan'ny Apostoly 2:38) « Ary hoy Petera taminy: Mibebaha, ary aoka samy hatao batisa amin'ny anaran'i Jesosy Kristy ianareo rehetra mba hahazo famelana ny helokareo; ary ianareo handray ny fanomezana, dia ny Fanahy Masina; » (Asan'ny Apostoly 2:39) « fa ny teny fikasana dia ho anareo sy ny zanakareo ary ho an'izay rehetra lavitra, na iza na iza hantsoin'i Jehovah Andriamanitsika hanatona Azy. » (Asan'ny Apostoly 2:40) « Ary nanambara sy nananatra azy tamin'ny teny maro hafa koa izy ka nanao hoe: Aoka hovonjena ho afaka amin'ity taranaka maditra ity ianareo. » (Asan'ny Apostoly 2:41) « Ary izay nandray tsara ny teniny dia natao batisa; ary tokony ho telo arivo no olona nanampy ho isany tamin'izany andro izany. » (Asan'ny Apostoly 2:42) « Ary izy ireo naharitra tamin'ny fampianaran'ny Apostoly sy ny fiombonana sy ny famakiana ny mofo ary ny fivavahana. »

Zava-dehibe ny mino fa Jesosy Kristy no Tompo sy Mpamonjy ny fiainantsika. Mila mibebaka anefa isika (miaiky ny fahotana izay vita, ary miezaka tsy hanota intsony). Ny batisa amin’ny anaran’i Jesosy no ahazoana famelan-keloka. Ny fametrahan-tanana aorian’ny batisa no andraisana ny Fanahy Masina izay hampianatra fahalalana tsara an’i Jesosy Kristy sy ny Planin’ny famonjena. Ny Fanahy Masina koa no manampy, handresena an’izao tontolo izao sy ny toetran’olombelona, ary ny fitaoman-dratsin’i Satana. Raha mandresy isika dia hiara-mandova amin’i Kristy ny Fanjakan’Andriamanitra rehefa miverina eto an-tany Izy.

1. Inona no tsy maintsy atao mba handraisana ny Fanahy Masina sy ny finoan'i Jesosy Kristy? Asan'ny Apostoly 2:38.

(Asan'ny Apostoly 2:38) « Ary hoy Petera taminy: Mibebaha, ary aoka samy hatao batisa amin'ny anaran'i Jesosy Kristy ianareo rehetra mba hahazo famelana ny helokareo; ary ianareo handray ny fanomezana, dia ny Fanahy Masina; »

Tokony ho vonona hankatò an’Andriamanitra ve isika? Asan'ny Apostoly 5:32.

(Asan'ny Apostoly 5:32) « Ary izahay dia vavolombelon'izany zavatra izany, ary ny Fanahy Masina koa, Izay efa nomen'Andriamanitra ny manaiky Azy. »

Ary tsy maintsy maneho finoana an'i Kristy mialoha ve isika vao homeny ny finoany? Asan'ny Apostoly 20:21; Rom. 1:17.

(Asan'ny Apostoly 20:21) « ary nambarako tamin'ny Jiosy sy ny jentilisa* koa ny fibebahana amin'Andriamanitra sy ny finoana an'i Jesosy Kristy Tompontsika. [* Gr. Grika] »

(Romana 1:17) « Fa amin'izany no anehoana fahamarinana avy amin'Andriamanitra avy amin'ny finoana sy ho amin'ny finoana, araka ny voasoratra hoe: Ny marina amin'ny finoana no ho velona* (Hab. 2. 4). [*Na: Ny marina ho velon'ny finoana] »

FANAMARIHANA: Andriamanitra hanome ny Fanahiny Masina, sy ny finoan'i Kristy manampy izany, ho an'izay mahafeno ireo fepetra ireo.

Ny fibebahana dia mankany amin'Andriamanitra ary midika izany fa nanapa-kevitra ny hanova ny fiainantsika manontolo isika - hiala amin'ny fahotana ary maniry mafy hiaina mifanaraka amin'ny didiny rehetra. Tsy ny fomba fiainantsika mpanota taloha ihany no halantsika tanteraka, fa ny fironan'ny saintsika ara-nofo koa, izay nofitahan'ny andriamanitr'izao tontolo izao, dia ny devoly (Rom. 8: 7; Efes. 2: 2; II Kor. 4: 4).

(Romana 8:7) « satria fandrafiana an'Andriamanitra ny fihevitry ny nofo; fa tsy manaiky ny lalàn'Andriamanitra, sady tsy hainy akory izany. »

(Efesiana 2:2) « izay nalehanareo fahiny, araka ny fomban'izao tontolo izao, araka ny mpanapaka ny fanjakana eny amin'ny rivotra, dia ny fanahy izay miasa ankehitriny ao anatin'ny zanaky ny tsi-fanarahana; »

(2 Korintiana 4:4) « izay nohajambain'ny andriamanitr'izao tontolo izao, dia ny sain'ny tsy mino, mba tsy hiposahan'ny fahazavan'ny filazantsaran'ny voninahitr'i Kristy, Izay endrik'Andriamanitra. »

Manaraka izany, tsy maintsy asehontsika ny finoana na fankatoavana ny soron'i Jesosy Kristy, izay nandatsaka ny rany mba handoavana ny fanamelohana ho faty noho ny fahotantsika. Ny finoana an'i Jesosy sy ny fanekena Azy ho Mpamonjy antsika manokana, arahin'ny fibebahana sy ny batisan'ny rano, dia mitarika an’Andriamanitra hanatanteraka ny teny fikasany hanome ny Fanahiny Masina.

Eny, ilana ny finoantsika ny fanekena ny soron'i Jesosy Kristy noho ny fahotantsika. Nefa io finoana io irery tsy mahavonjy antsika! Rehefa torontoronin’ny Fanahy Masin’Andriamanitra isika, ary mandray ny finoan'i Kristy napetraka ao anatintsika, izay vao mahazo ny finoana mahavonjy! Ary izany rehetra izany dia fanomezana maimaimpoana avy amin'Andriamanitra. Tsy afaka "mahazo" an'io mihitsy amin’ny ezaka isika.

2. Moa ve ny Apostoly Paoly nilaza mazava fa niaina tao aminy i Kristy? Gal. 2:20.

(Galatiana 2:20) « Voahombo miaraka amin'i Kristy amin'ny hazo fijaliana aho, ary tsy izaho intsony no velona, fa Kristy no velona ato anatiko; fa izay ivelomako ankehitriny eo amin'ny nofo dia ivelomako amin'ny finoana ny Zanak'Andriamanitra, Izay efa tia ahy ka nanolotra ny tenany hamonjy ahy. »

Ahoana no niainan'i Kristy tao aminy? Fil. 2: 5; Rom. 8: 9-10.

(Filipiana 2:5) « Aoka ho ao aminareo izao saina izao, izay tao amin'i Kristy Jesosy koa, »

(Romana 8:9) « Fa ianareo tsy ao amin'ny nofo, fa ao amin'ny Fanahy, raha ny Fanahin'Andriamanitra no mitoetra ao anatinareo. Fa raha misy kosa tsy manana ny Fanahin'i Kristy, dia tsy Azy izy. » (Romana 8:10) « Fa raha Kristy no mitoetra ao anatinareo, na dia maty ihany aza ny tena noho ny ota*, dia fiainana kosa ny fanahy noho ny fanamarinana. [*Na: na dia maty ny tena noho ny ota, fa] »

Dia niaina ny fiainany tamin'ny finoana an'i Kristy nitoetra tao aminy ve i Paoly? Gal. 2:20 vakio indray.

FANAMARIHANA: Tsy niaina tamin'ny finoan’ny tenany i Paoly. Ny sain'i Jesosy Kristy dia nipetraka tao amin'i Paoly tamin'ny alàlan'ny Fanahy Masina. Ary ny Fanahin'Andriamanitra nametraka finoana tao an-tsain'i Paoly, mitovy amin'izay mety ho ao an-tsainao koa! Ity finoana ity - ny finoan'i Jesosy Kristy - dia hahafahanao manana fiainana mandresy toy izay nataon'ny Apostoly Paoly!

3. Fanomezana avy amin'Andriamanitra ve ny finoana an'i Jesosy Kristy, izay ahazoantsika famonjena mandrakizay? Efes. 2: 8-9.

(Efesiana 2:8) « Fa fahasoavana no namonjena anareo amin'ny finoana; ary tsy avy aminareo izany, fa fanomezana avy amin'Andriamanitra; » (Efesiana 2:9) « tsy avy amin'ny asa, fandrao hisy hirehareha. »

Io finoana io ve no iray amin'ny vokatry ny fananana ny Fanahy Masina? Gal. 5:22.

(Galatiana 5:22) « Fa ny vokatry ny Fanahy kosa dia fitiavana, fifaliana, fiadanana, fahari-po fahamoram-panahy, fanaovan-tsoa, fahamarinana, »

FANAMARIHANA: Ny finoana mahavonjy dia ny finoan'i Kristy. Eny, ny finoan'i Kristy fa tsy ny finoantsika. Ary i Kristy, izay afaka miaina ao amintsika amin'ny Fanahin'Andriamanitra, dia hanome antsika ny finoany matanjaka, izay hahafahantsika mankatò ara-panahy sy mandresy!

4. Raha vao mahazo ny Fanahy Masin'Andriamanitra isika, dia tokony hitombo ve ny finoana izay omeny? II Tes. 1: 3.

(2 Tesaloniana 1:3) « Tsy maintsy misaotra an'Andriamanitra mandrakariva izahay noho ny aminareo. ry rahalahy, fa mahamendrika izany, satria mitombo fatratra ny finoanareo, ary be ny fifankatiavanareo rehetra, »

FANAMARIHANA: Ny finoana dia tsy napetraka ao an-tsaintsika manontolo sy feno amin'ny fotoana andraisantsika ny Fanahin'Andriamanitra. Tsy maintsy mitombo ny finoana. Tsy maintsy velomina izy mba hitomboany. Mila fampiasana sy fampiharana izany. Ny finoantsika dia tsy maintsy mitombo amin'ny alàlan'ny fitsapana sy ny asa. Tsy maintsy finoana velona izany.

5. Andao hodinihina indray ny ohatra momba an'i Abrahama - ilay "rain'ny mpino" (Rom. 4:16) sy ilay nantsoin'Andriamanitra hoe sakaizany. Ahoana no nahatonga ny finoan'i Abrahama ho lavorary? Jak. 2: 21-24, indrindra ny andininy 22.

(Romana 4:16) « Koa finoana no andovana, mba ho araka ny fahasoavana, hahatò ny teny fikasana ho an'ny taranaka rehetra,- tsy ho an'izay amin'ny lalàna ihany, fa ho an'izay amin'ny finoan'i Abrahama koa, dia ilay razantsika rehetra - »

(Jakoba 2:21) « Tsy nohamarinina tamin'ny asa va Abrahama razantsika tamin'ny nanaterany an'isaka zanany teo ambonin'ny alitara? » (Jakoba 2:22) « Hitanao fa niara-niasa tamin'ny finoana ny asany, ary ny finoana dia notanterahina tamin'ny asa; » (Jakoba 2:23) « ary tanteraka ny Soratra Masina manao hoe: "Ary Abrahama nino an'Andriamanitra, ka nisaina ho fahamarinany izany" (Gen. 15.6), ary natao hoe "Sakaizan'Andriamanitra" izy (Isa. 41.8). » (Jakoba 2:24) « Koa dia hitanareo fa hamarinina amin'ny asa ny olona, fa tsy amin'ny finoana ihany. »

FANAMARIHANA: Abrahama dia sakaizan'Andriamanitra akaiky. Vokatr'izany dia nahazo ny fanampiana ilaina izy mba hametrahana firaketana an-tsoratra momba ny finoana miavaka. Raha avelantsika hikoriana ao amintsika ny Fanahin'i Kristy, dia afaka ny ho sakaizan'Andriamanitra toa an'i Abrahama koa isika, ary hanana finoana tonga lafatra toy ny azy.

Ny mpinamana tsara dia mandany fotoana be dia be amin'ny resaka. Mifanakalo hevitra momba ny fiainana, ny tanjony, ny olana ary mifampihaino an-tsitrapo izy ireo. Raha naman'Andriamanitra akaiky ianao dia te-hiresaka Aminy. Hihaino azy miresaka aminao amin'ny alàlan'ny pejin'ny Baiboly ianao. Ary matetika ianao dia hieritreritra sy hisaintsaina ny Teniny. Mariho izay nolazain'i Kristy momba an'io resaka roa sosona io, izay tokony hataon'ny tena Kristiana marina amin'Andriamanitra.

6. Nampianatra ny mpanaraka Azy hiresaka amin'ny Ray amin'ny alàlan'ny vavaka ve i Jesosy? Lioka 11: 1.

(Lioka 11:1) « Ary Jesosy nivavaka tao amin'ny fitoerana iray, ka rehefa nitsahatra Izy, dia hoy ny mpianany anankiray taminy: Tompoko, mampianara anay hivavaka, tahaka ny nampianaran'i Jaona ny mpianany. »

Inona ny endrika ankapobeny tokony harahintsika rehefa mivavaka? (Mat. 6: 9-13; vakio etsy aloha).

Tokony hamerina tsy misy tanjona ny teny ve isika, sa amin'ny fitadidiana? Mat. 6: 7-8.

(Matio 6:7) « Ary raha mivavaka ianareo, dia aza mba manao teny maro foana tahaka ny jentilisa; Fa ataony ho ny hamaroan'ny teniny no hihainoana azy. » (Matio 6:8) « Koa aza manahaka azy ianareo; fa fantatry ny Rainareo izay tokony ho anareo, raha tsy mbola mangataka aminy aza ianareo. »

Tokony hivavaka amin'ny toerana manokana ve isika, mba hahafahana miaraka irery amin'Andriamanitra? Mat. 6: 5-6.

(Matio 6:5) « Ary raha mivavaka ianareo, aza mba ho tahaka ny mpihatsaravelatsihy; Fa izy tia ny mivavaka mitsangana eo amin'ny synagoga sy eo an-joron-dalana hahitan'ny olona azy. Lazaiko aminareo marina tokoa fa efa azony ny valim-pitiany. » (Matio 6:6) « Fa ianao kosa, raha mivavaka, dia midìra ao amin'ny efi-tranonao, ka rehefa voarindrinao ny varavaranao, dia mivavaha amin'ny Rainao, Izay ao amin'ny mangingina; ary ny Rainao, Izay mahita ao amin'ny mangingina no hamaly anao. »

7. Moa ve tsy tokony hivavaka ho an'ny zavatra ilaintsika fotsiny isika, fa koa ho an'ny asan'ny Fiangonan'Andriamanitra, sy ireo mpanompo ao aminy ary ireo zanany notorontoronin’ny Fanahy (ireo "olo-masina")? Efes. 6: 18-19.

(Efesiana 6:18) « ary mivavaha mandrakariva ao amin'ny Fanahy amin'ny fivavahana rehetra sy ny fangatahana, ka miambena amin'izany amin'ny faharetana sy ny fangatahana rehetra ho an'ny olona masina rehetra, » (Efesiana 6:19) « ary ho ahy koa mba homena ahy ny hiloa-bava amin'ny fahasahiana hampahafantatra ny zava-miafina momba ny filazantsara. »

Iza no namela ohatra miavaka amin'io karazana vavaka io? Kol. 4: 12-13.

(Kolosiana 4:12) « Manao veloma anareo Epafra, ilay anankiray avy aminareo sady mpanompon'i Kristy Jesosy ary mikely aina mandrakariva amin'ny fangatahana ho anareo, mba hitoeranareo marina, ka hatoky tsara* amin'izay rehetra mety ho sitrapon'Andriamanitra. [* Na: ho tanteraka] » (Kolosiana 4:13) « Fa vavolombelony aho fa mikely aina fatratra ho anareo sy ho an'ny any Laodikia ary ho an'ny any Hierapolia izy. »

FANAMARIHANA: Rehefa mivavaka amin'Andriamanitra ianao dia miresaka marina Aminy. Tonga eo anatrehany ianao, mampahafantra azy ny zavatra tsapanao momba ny olana sasany sy ny fieritreretanao ny olana sasany. Mangataka ny fitarihany, ny torohevitra, ary fanampiana avy Aminy ianao amin'ny famahana ny olana sedrainao.

Rehefa mivavaka ho an'ny filan'ny hafa sy ny filan'ny Fiangonan'Andriamanitra ianao dia mihaino Andriamanitra! Tena miahy momba ny fiadanan'ny olony rehetra Izy, sy ny krizy sy ny fisedrana mahazo azy ireo, ary koa ny fiadanany manokana.

Andriamanitra tsy lavitra na manalavitra ny zanany notorontoronin’ny Fanahy. Tiany isika hanatona Azy matetika, hiresaka Aminy amin'ny vavaka, mba hahazoantsika ny fanampiana ilaintsika hiaina ny fomba Kristiana.

Tiany koa isika hihaino Azy rehefa miresaka amintsika Izy. Ahoana no anaovany an'izany? Amin'ny alàlan'ny Teniny voasoratra ara-tsindrimandry, ny Baiboly Masina. Rehefa mamaky sy mandalina ny Soratra Masina ianao dia miresaka aminao Andriamanitra, satria Teniny ho anao ireo.

Mianara mamela an'i Kristy sy ny Ray hiresaka aminao avy amin'ny Baiboly. Raiso ny sain'i Kristy (Filipiana 2: 5) ary avelao ny Tenin'Andriamanitra hitarika sy hanoro lalana anao eo am-piezahanao miaina ny fomba fiaina Kristiana.

(Filipiana 2:5) « Aoka ho ao aminareo izao saina izao, izay tao amin'i Kristy Jesosy koa. »

Feno sy tsotra ny lalan'Andriamanitra rehefa takatra. Hajao ny tanjon’ny antso ataoan'Andriamanitra ao amin’ny Jesosy Kristy: Aoka isika hiezaka ho lavorary amin'ny toetran'Andriamanitra amin'ny alalan’ny FINOAN'I KRISTY - "Kristy ao amintsika, ilay fanantenana ny voninahitra." Tanteraka avokoa izany noho ny fananantsika ny Fanahy Masina sy mampihatra azy.

Tokony hitandrina ny lalàn'Andriamanitra isika ka hiaina ny fiainana Kristiana, amin'ny alàlan'ny ezaka rehetra ataontsika manokana. Andriamanitra no mameno izay tsy ampy. Toa an'i Paoly izay nahatsapa ny fetran'ny maha olombelona azy, isika koa dia manantenaa ny fanampian’Andriamanitra izay hanatanteraka ny fikasany amintsika - " fa ny fahalemeko no fahatanjahako ao aminy" (II Kor. 12:10).

(2 Korintiana 12:10) « Koa dia finaritra aho amin'ny fahalemena, amin'ny fampahoriana, amin'ny fahaterena, amin'ny fanenjehana, amin'ny fahantrana, noho ny amin'i Kristy; fa ny fahalemeko no fahatanjahako. »

Amin'ny alalàn'i Kristy no ahafanatsika mandresy ny ota rehetra, mandresy ny vato misakana rehetra, mandresy ny fahavalo rehetra, ary mandresy ny sakantsakana rehetra amin’ny fidirana ao amin'ny fianakavian'Andriamanitra!

Tsarovy fa ny Apostoly Paoly dia naneho fahatokiana an'i Kristy. Natoky Azy izy! Nandeha, niresaka ary niara-niaina tamin'i Kristy sy ny Ray tamin'ny alàlan'ny Fanahy Masina tao anatiny. Nanana ny tena finoana sy toky nomen'i Jesosy Kristy izy.

Azonao atao koa izany!

Mahafeno Fepetra ARY Ve Ianao?

Raha vao teraka ny olona iray dia omen’Andriamanitra hery sy fahaleovana ho lasa mpikambana ao amin'ny Fianakaviany hanjaka amin'izao rehetra izao. Koa raha miantso anao Izy ankehitriny, dia manomana anao hanana anjara amin'ny fitantanana, sy fampianarana, ary fitarihana an'izao tontolo izao mandritry ny Milenioma sy amin’ny fotoana Fitsaran’ilay Seza Fiandrianana Fotsy Lehibe; Ary aorian'izany, dia hanampy amin'ny fitantanana an'izao rehetra izao mandrakizay!

Izany no zavatsoa tsy mampino ananan’ny olombelona, ny tanjona mahagaga nomanin'Andriamanitra ho an'ireo izay lasa Fianakaviany!

Efa nanomboka ny dingam-pamonjena hanatratrarana an'izany tanjona mahavariana izany ve ianao? Diniho ny fiainanao sy ny toetranao. Nanomboka nankatò an'Andriamanitra ve ianao? Mivoatra ara-panahy sy mitombo amin’ny fifehezan-tena? Mitombo amin'ny fahaizana mifehy ny fanirian-dratsy sy ny fitivan-tena, na ny zava-poana manosika? Mba efa soloinao amin'ny eritreritra sy asa marina ve ny fahazaran-dratsy sy ny fihetsika ratsy?

Azonao atao ve ny mitantana sy manatanteraka izay andraikitra omena anao araka izay itiavan'Andriamanitra azy? Ny fitsapana dia izao: raha toa ankehitriny ka mitantana tsara ny fahefana kely anananao ianao, toy ny hifehezana ny fahatezeranao, ny feonao, ny filanao sy ny fihetsem-ponao, na ny karamanao, dia hanankinana andraikitra lehibe kokoa ianao.

Fa raha tsy nanomboka nianatra mifehy sy mitarika ianao ho fanorenana eo amin’ny fiainana, na dia ireo hery kely ireo ihany aza, ahoana no hanomezan'Andriamanitra anao andraikitra lehibe kokoa amin'ny Fanjakan'Andriamanitra? Raha tsy mahatoky ianao na dia amin'ny fampiasana ny karamanao ankehitriny ihany aza, iza no hatoky ny fitantananao ny tena harena sy ny hery lehibe avy amin'Andriamanitra?

Angataho amin'Andriamanitra ny fahatakarana sy fahendrena hampiasana araka ny tokony ho izy, sy hitarihana ireo hery sy fahaiza-manao ary fitantanana anananao ankehitriny, mba hahatonga anao ho mpanompon’Andriamanitra mahatoky sy mamokatra.

FEHINY

Miezaha ho mahatoky amin'izay efa nomen'Andriamanitra anao, mba hilazan'i Kristy anao indray andro any hoe: "Tsara izany, ry mpanompo tsara sady mahatoky; nahatoky tamin'ny kely ianao, dia hotendreko ho mpanapaka be" (Mat. 25 : 2).

Ity fiainana eto an-tany ity no toeram-piofanana. Mianatra mifehy mahatoky isika amin'ny fanatanterahana ireo adidy, ary mianatra manapaka ny tenantsika amin’ny fomba fiaina Kristiana.

Ny fiomanana hanjaka ao amin'ny Fanjakan'Andriamanitra dia manomboka amin'ny fanekena ny fahefany ankehitriny. Andriamanitra tsy hamonjy izay olona tsy feheziny. Ianaro àry ny lalàn'Andriamanitra; Halalino sy eritrereto ary iaino. Ny Fanahy Masin'Andriamanitra no manampy anao hitombo amin'ny toetrany, hahazoanao mandresy ny toetran’olombelona, sy ny fakam-panahy mbamin’ny fitaoman'izao tontolo izao hanota, ary ny teti-dratsin'i Satana devoly.

Mitadiava an'Andriamanitra amin'ny fanatonana azy bebe kokoa amin'ny vavaka sy ny fianarana Baiboly. Miovà! Mitomboa ara-panahy. Aoreno hatrany ny toetran'Andriamanitra mandra-pahafatinao, na mandra-pahatongan'ny fiverenan'i Jesosy Kristy. Amin’izay no hanovany eo no ho eo ny tenantsika malemy ara-batana, ho lasa tena fanahy mahery, tsy misy ota, sy be voninahitra! (Fil. 3: 20-21)

Amin’izay isika dia ho vonona hiara-manjaka amin'i Kristy - hanatanteraka ny anjarantsika mahatalanjona, manampy amin'ny fitondrana ny tany sy izao rehetra izao, ankoatry ny maha-mpikambana ao amin'ny Fianakavian’Andriamanitra!

Nanomboka nahafeno fepetra ho amin'izany ve ianao?