Pages

Pages

Afaka mandresy ianao - Fiz.1

 AFAKA MANDRESY IANAO (Fiz.1)

 

TENIN’ANDRIAMANITRA

Estera 9:1-10

Jaona 15:1-10

Romana 7: 7-25

 

TENIN’ANDRIAMANITRA

Estera 9:1-10

[Ny naharesen'ny Jiosy ny fahavalony izay nikasa handringana azy]

(Estera 9:1) « Ary tamin'ny andro fahatelo ambin'ny folo tamin'ny volana faharoa ambin'ny folo (volana Adara izany), rehefa akaiky ny andro hanatanterahana ny tenin'ny mpanjaka sy ny didiny, dia ny andro izay efa nantenain'ny fahavalon'ny Jiosy haharesena azy indrindra (kanjo navadika izany, ka ny Jiosy kosa no naharesy izay nankahala azy), » (Estera 9:2) « dia nivory tany an-tanànany avy ny Jiosy, tany amin'ny isan-tokony eran'ny fanjakan'i Ahasoerosy mpanjaka, mba hamely izay nitady hanisy ratsy azy; ary tsy nisy olona nahajanona teo anoloany, fa efa nahazo ny olona rehetra ny fahatahorana azy. » (Estera 9:3) « Ary ny mpanapaka rehetra isan-tokony tamin'ny fanjakana sy ny solo-mpanjaka sy ny governora mbamin'ny mpanao raharahan'ny mpanjaka dia nanampy ny Jiosy, satria azon'ny fahatahorana an'i Mordekay izy. » (Estera 9:4) « Fa Mordekay dia lehibe tao an-tranon'ny mpanjaka, ary ny lazany niely tany amin'ny isan-tokony eran'ny fanjakana; fa nitombo sy nisandratra ihany io lehilahy Mordekay io. » (Estera 9:5) « Ary nasian'ny Jiosy ny fahavalony rehetra ka nokapainy sabatra sy novonoiny ary naringany, fa nahazo nanao araka izay sitraky ny fony tamin'izay nankahala azy izy. » (Estera 9:6) « Ary tany Sosana renivohitra aza ny Jiosy dia nahavono sy naharingana diman-jato lahy; » (Estera 9:7) « ary Parsandata sy Dalfona sy Aspata » (Estera 9:8) « sy Porata sy Adalia sy Aridata » (Estera 9:9) « sy Parmasta sy Arisay sy Ariday ary Vaizata, » (Estera 9:10) « izy folo lahy, zanak'i Hamana, zanak'i Hamedota, fahavalon'ny Jiosy, dia novonoiny koa; kanefa ny fananany tsy mba norobainy tsy akory. »

Jaona 15:1-10

[Ny fanoharana ny amin’ny voalobka sy ny sampany, ary ny firaisan’i Jesosy sy ny mpianany]

(Jaona 15:1) « Izaho no tena voaloboka, ary ny Raiko no mpamboatra. » (Jaona 15:2) « Ny sampany rehetra eo amiko izay tsy mamoa dia esoriny; fa ny sampany rehetra izay mamoa kosa dia amboariny*, mba hamoa bebe kokoa. [*Gr dioviny] » (Jaona 15:3) « Efa madio rahateo ianareo noho ny teniko, izay nolazaiko taminareo. » (Jaona 15:4) « Tomoera amiko ary Izaho aminareo. Tahaka ny sampany tsy mahay mamoa ho azy, raha tsy miray amin'ny voaloboka izy, dia toy izany koa ianareo, raha tsy miray amiko. » (Jaona 15:5) « Izaho no voaloboka, ianareo no sampany. Izay miray amiko, ary Izaho aminy, dia mamoa be izy; fa raha misaraka amiko kosa ianareo, dia tsy mahay manao na inona na inona. » (Jaona 15:6) « Raha misy tsy miray amiko, dia ariana eny ivelany tahaka ny sampany izy ka malazo; ary angonina izy ka atsipy ao anaty afo, dia ho may. » (Jaona 15:7) « Raha miray amiko ianareo, ka mitoetra ao anatinareo ny teniko, dia angataho izay tianareo na inona na inona, fa ho tonga aminareo izany. » (Jaona 15:8) « Izany no ankalazana ny Raiko, mba hamoazanareo be ka ho tonga mpianatro ianareo. » (Jaona 15:9) « Tahaka ny nitiavan'ny Ray Ahy no nitiavako anareo; tomoera amin'ny fitiavako ianareo. » (Jaona 15:10) « Raha mitandrina ny didiko ianareo, dia hitoetra amin'ny fitiavako, tahaka ny nitandremako ny didin'ny Raiko sy ny itoerako amin'ny fitiavany. »

Romana 7: 15-25

[Ny fahafahan’ny mino an’i Kristy amin’ny herin’ny ota, ary ny fanamasinana azy]

(Romana 7:15) « Fa izay ataoko dia tsy fantatro; fa tsy izay sitrako no ataoko; fa izay halako no ataoko. » (Romana 7:16) « Fa raha manao ny tsy sitrako aho, dia manaiky fa tsara ny lalàna. » (Romana 7:17) « Ary amin'izany tsy izaho intsony no manao izany, fa ny ota izay mitoetra ato anatiko. » (Romana 7:18) « Fa fantatro fa tsy misy zavatra tsara mitoetra ato amiko, dia ato amin'ny nofoko; fa ato anatiko ihany ny fikasana, saingy ny hahatanteraka ny tsara no tsy ato. » (Romana 7:19) « Fa tsy ny tsara izay sitrako no ataoko; fa ny ratsy izay tsy sitrako no ataoko. » (Romana 7:20) « Fa raha ny tsy sitrako no ataoko, dia tsy izaho intsony no manao izany, fa ny ota izay mitoetra ato amiko. » (Romana 7:21) « Koa hitako izao lalàna izao: raha ta-hanao ny marina aho*, dia ato amiko ihany ny ratsy. [* Na: koa hitako fa raha ta-hanaraka ny lalàna aho hanaovako ny marina] » (Romana 7:22) « Fa mankasitraka ny lalàn'Andriamanitra aho araka ny toetra anaty; » (Romana 7:23) « nefa mahita lalàna hafa amin'ny momba ny tenako aho, miady amin'ny lalàn'ny saiko ka mamabo ahy ho an'ny lalàn'ny ota izay ao amin'ny momba ny tenako. » (Romana 7:24) « Indrisy! olo-mahantra aho! Iza no hanafaka ahy amin'ny tenan'ity fahafatesana ity? » (Romana 7:25) « Misaotra an'Andriamanitra aho amin'ny alalan'i Jesosy Kristy Tompontsika. Koa raha ny amiko, dia mankatò ny lalàn'Andriamanitra aho amin'ny saiko, fa ny lalàn'ny ota kosa amin'ny nofoko. »

FANAMARIHANA

Ny toetra araka ny nofo: manohitra an’Andriamanitra, satria avy amin’ny devoly è Mila resena.

(Romana 8:7) « satria fandrafiana an'Andriamanitra ny fihevitry ny nofo; fa tsy manaiky ny lalàn'Andriamanitra, sady tsy hainy akory izany. » (Romana 8:8) « Ary izay ao amin'ny nofo dia tsy mahay manao ny sitrapon'Andriamanitra. »

 (Jakoba 3:15) « Izany fahendrena izany dia tsy ny avy any ambony, fa araka ny ety an-tany ihany, araka ny nofo, araka ny an'ny demonia. »

 

Toriteny

Dr. Rakotondravony Daniel, Fiangonan’Andriamanitra Miray

 

AFAKA MANDRESY IANAO!

FAMINTINANA NY BOKIN’I ESTERA

NY NANDRESEN’NY JIOSY NY FAHAVALONY NOHO NY FAHATAHORANY AN’I JEHOVAH

Tsy nety nandohalika sy niankohoka teo anoloan’i Hamana i Mordekay noho ny fahatahorany an’i Jehovah, satria Jehovah irery ihany no tokony hiankohofana sy hivavahana (Est 3:2; Deo 6:13; Mat 4:10).

è Izany koa no tokony hataontsika Kristiana.

(Estera 3:2) « Ary ny mpanompon'ny mpanjaka rehetra izay teo am-bavahadin'ny mpanjaka dia nandohalika sy niankohoka teo anatrehan'i Hamana; fa izany no didin'ny mpanjaka. Fa Mordekay kosa tsy mba nety nandohalika na niankohoka. »

(Deotoronomia 6:13) « Matahora an'i Jehovah Andriamanitrao ianao, ka manompoa Azy, ary aoka ny anarany no hianiananao. »

(Matio 4:10) « Fa hoy Jesosy taminy: Mandehana ianao, ry Satana: fa voasoratra hoe; Jehovah Andriamanitrao no hiankohofanao, ary Izy irery ihany no hotompoinao (Deo. 6. 13). »

Andriamanitra nandefa ny Jiosy ho any amin’ny fahababoana mba hanadiovany azy ireo amin’ny fanompoan-tsampiny. è Raha mandalo fizahan-toetra isika dia ny mba hanitsian’Andriamanitra ny diantsika sy hampiorenany ny finoantsika Azy.

 Tokony ho zava-dehibe amintsika ny maha-Kristiana. è Tahaka an’i Mordekay dia tsy maintsy mijoro tsara sy mazava ary miaina araka ny didy sy fitsipik’Andriamanitra sy Kristy isika. è Tsy mitady voninahitra eto amin’izao tontolo izao.

Ny andro namoahan’i Hamana didim-panjakana handringanana ny Jiosy dia mitovy amin’ny andro nandidian’ny lohan’ny mpisorona hamonoana an’i Jesosy (Faha 13 Nisana, Est 3:12; Mar 14:1-3).

(Estera 3:12) « Dia nantsoina ny mpanoratry ny mpanjaka tamin'ny andro fahatelo ambin'ny folo tamin'ny volana voalohany, ka nosoratana izany araka izay rehetra nandidian'i Hamana ho an'ny solo-mpanjaka sy ny governora tamin'ny isan-tokony ary ny mpanapaka ny firenena rehetra, ho any amin'ny isan-tokony araka ny sorany avy, ary ho amin'ny isam-pirenena araka ny fiteniny avy; dia tamin'ny anaran'i Ahasoerosy mpanjaka no nanoratany azy ka notombohiny tamin'ny peratra fanombohan'ny mpanjaka. »

(Marka 14:1) « Rehefa indroa andro no sisa tsy hahatongavan'ny Paska, fihinanana ny mofo tsy misy masirasira, dia nitady hisambotra an'i Jesosy tamin'ny fitaka ny lohan'ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna mba hamonoany Azy. » (Marka 14:2) « Nefa hoy izy: Tsy amin'ny andro firavoravoana, fandrao hampitabataba ny vahoaka. » (Marka 14:3) « Ary nony tany Betania Jesosy tao an-tranon'i Simona boka ka nipetraka nihinana, dia avy ny vehivavy anankiray nitondra tavoara alabastara feno menaka manitra nisy narda saro-bidy indrindra; dia novakiny ny tavoara, ka naidiny tamin'ny lohan'i Jesosy ny menaka. »

Koa satria ny fahafatesan’i Jesosy Kristy dia famonjena ho an’izay mino Azy, è dia nivadika ho fandringanana an’i Hamana sy ny taranany ary ny fahavalon’ny Jiosy ny teti-dratsy nataon’izy ireo (Est 7:9-10). Nivadika ho famonjena sy fisandratana ho an’ny Jiosy izay natahotra an’i Jehovah izany ny teti-dratsin’i Hamana sy ireo namany handringana ny Jiosy, (Est 8:1-2, 9). (Isaia 54:17): «Ny fiadiana rehetra izay voaforona hamelezana anao dia tsy hisy hambinina, ary ny lela rehetra izay miady aminao dia horesenao lahatra. Izany no lovan'ny mpanompon'i Jehovah sy fahamarinany avy amiko, hoy Jehovah. »

 è Aza miteniteny foana na manao fikasan-dratsy amin’ny fotoan’ireo andro firavoravoana voatendrin’i Jehovah ireo, fa ny tenan’ireny dia an’i Kristy. « Aloky ny zavatra ho avy ireny, fa ny tenany dia an'i Kristy. » (Kolosiana 2:17).

Tamin’ny andro Pentekosta no navoaka ny didim-panjakana manome fandresena ho an’ny Jiosy rehetra eo anoloan’ny fahavalony (Est 8:9), koa dia nifaly sy niravoravo izy ireo.

(Estera 8:9) « Dia nantsoina tamin'izay ny mpanoratry ny mpanjaka, tamin'ny andro fahatelo amby roa-polo tamin'ny volana fahatelo (volana Sivana izany); ary nosoratana araka izay rehetra nandidian'i Mordekay izany ho any amin'ny Jiosy sy ny solo-mpanjaka sy ny governora ary ny mpanapaka amin'ny isan-tokony hatrany India ka hatrany Etiopia, dia fito amby roa-polo amby zato toko, ny isan-tokony araka ny sorany avy, ary ny isam-pireneny araka ny fiteniny avy, ary ny Jiosy araka ny sorany sy araka ny fiteniny. »

è Ny Pentekosta dia andro notendren’i Jehovah ho firavoravoan’ireo izay nandray ny batisan’ny Fanahy Masina.

è Ny Pentekosta koa dia andro nandraisana hery avy any amin’ny Avo ho enti-mandresy ny fahavalo, dia Satana sy ny devoly namany.

è Ny Pentekosta koa dia andro nandraisana fanomezam-pahasoavana ho enti-manompo an’i Jehovah sy Jesosy Kristy.

è è Tonga ny fiankohofan’ny fahavalonao eo an-tongotrao: MANDRESY IANAO!

 

TOHIN’NY FANAZAVANA

Ny Kristiana vao avy notorontoronin’ny Fanahy dia nanomboka fomba fiainana vaovao sy manaitra. Nefa toa an'i Abrahama, sy Isaka, sy Jakoba, sy Davida ary i Paoly, dia fantatr'Andriamanitra fa ny Kristiana dia mbola afaka manota ihany indraindray (1 Jaona 1: 8-9). Nefa Andriamanitra be famindram-po dia mampanantena famelankeloka raha mibebaka isika; hampahery antsika Izy, hahafahana manohy mandresy sy hahazo fiainana mandrakizay ao amin'ny Fanjakany be voninahitra.

(1 Jaona 1:8) « Raha hoy isika: Tsy manana ota isika, dia mamita-tena, ary ny marina tsy ato anatintsika. » (1 Jaona 1:9) « Raha miaiky ny fahotantsika isika, dia mahatoky sy marina Izy ka mamela ny fahotantsika sy manadio antsika ho afaka amin'ny tsi-fahamarinana rehetra. »

Saingy ahoana marina no ahafahana manohy mandresy, manohy mankany amin'ny tanjona mandrakizay, miezaka mampivelatra amin’ny fiainantsika ny toetran'i Jesosy Kristy lavorary sy masina ary marina, hahateraka antsika ao amin’ny Fianakavian' Andriamanitra? Amin'ny alàlan'ny FINOAN'NY KRISTY - "Kristy ao anatinareo, fanantenana ny voninahitra" (Kol. 1:27).

(Kolosiana 1:27) « izay efa tian'Andriamanitra ho nampahafantarina ny haren'ny voninahitr'ity zava-niafina ity any amin'ny jentilisa, dia Kristy ao anatinareo, Izay fanantenana ny voninahitra; »

Hoy i Paoly: "MAHAY manao ny zavatra rehetra aho - handresy izay fitsapana, na fisedrana, na olana, na ota, amin'ny alàlan'i KRISTY izay manome hery ahy!" (Fil. 4: 13.)

(Filipiana 4:13) « Mahay ny zavatra rehetra aho ao amin'ilay mampahery ahy. »

Ary toy izany koa isika!

Eny, amin'ny alalàn'i Kristy no ahafahantsika mampifaly an'Andriamanitra, manatanteraka ny lalàny ary MANDRESY! Andao hofantarina.

 

1. Moa ve ny Apostoly Paoly izay nahazo tsindrimandry avy tamin'ny Fanahy Masin'Andriamanitra nilaza fa ny Kristiana dia tsy maintsy "miasa" ny famonjena azy ireo? Fil. 2:12. Jereo koa ny II Petera 1:10.

(Filipiana 2:12) « Koa amin'izany, ry malalako, tahaka ny nanekenareo mandrakariva, tsy fony teo aminareo ihany aho, fa ankehitriny dia bebe kokoa aza raha tsy eo aho, miasà amin'ny tahotra sy ny hovitra hahatanteraka ny famonjena anareo. »

(2 Petera 1:10) « Ary amin'izany dia mazotoa kokoa, ry rahalahy, hampitoetra ny fiantsoana sy ny fifidianana anareo; fa raha manao izany zavatra izany ianareo, dia tsy ho tafintohina akory mandrakizay; »

FANAMARIHANA: Vantany vao miova fo voalohany ny Kristiana dia manana zavatra tsy maintsy atomboka hataony, tsy amin’izany ihany, fa mandritry ny fiainany manontolo. Ny fiainana Kristiana dia misy "asa" - misy zavatra tsy maintsy ataony! Ny Kristiana dia tokony hiezaka mafy handresy. Hoy i Kristy: "Ny Raiko miasa mandraka ankehitriny, ary Izaho koa miasa" (Jaona 5:17). Ny fomba fiainan'Andriamanitra dia iray amin'ny famokarana (fitoriana ny Filazantsaran’ny Fanjakany), sy ny fitomboana (amin’ny toe-panahy araka an’Andriamanitra) ary ny fanamby manaitra (fandresena ny fahavalo telo mahafaty).

2. Raha izany, azo atao ve ny mahazo famonjena amin'ny alalan’ny asantsika manokana? Rom. 6:23; Fil. 2:13; Efes. 2: 8-9.

(Romana 6:23) « Fa fahafatesana no tambin'ny ota; ary fiainana mandrakizay no fanomezam-pahasoavana avy amin'Andriamanitra ao amin'i Kristy Jesosy Tompontsika. »

(Filipiana 2:13) « Fa Andriamanitra no miasa ao anatinareo na ny fikasana na ny fanaovana hahatanteraka ny sitrapony. »

(Efesiana 2:8) « Fa fahasoavana no namonjena anareo amin'ny finoana; ary tsy avy aminareo izany, fa fanomezana avy amin'Andriamanitra; » (Efesiana 2:9) « tsy avy amin'ny asa, fandrao hisy hirehareha. »

FANAMARIHANA: Araka ny efa voalaza tetsy aloha, ny fiainana mandrakizay dia fanomezan'Andriamanitra. Tsy afaka mahazo ny famonjenao amin'ny alalan’ny asanao ianao. Na izany aza, mbola manana andraikitra ny Kristiana.

Milaza ny Baiboly fa tokony hiala amin'ny fahazarana sy ny ota manandevo isika. Tokony hanohitra ny fahazarana sy ny eritreritra tsy araka an’Andriamanitra sy tsy Kristiana isika, izay hitarika any amin'ny fahafatesana mandrakizay (Rom. 6:23). Saingy ahoana? Amin'ny herin'ny tenantsika irery ihany ve? Tsia, satria isika tsy afaka mandresy ny fitaoman'izao tontolo izao sy ny nofo sy ny devoly amin’ny herin'ny olombelona irery ihany.

3. Inona ireo fahasosorana mitovy amin'izay nahazo an'i Paoly tamin'ny fiezahany nandresy ny maha-izy azy? Vakio ny Romana 7: 15-25. Jereo indrindra ny andininy 15, 19 ary 23-24.

(Romana 7:15) « Fa izay ataoko dia tsy fantatro; fa tsy izay sitrako no ataoko; fa izay halako no ataoko. » (Romana 7:19) « Fa tsy ny tsara izay sitrako no ataoko; fa ny ratsy izay tsy sitrako no ataoko. » (Romana 7:23) « nefa mahita lalàna hafa amin'ny momba ny tenako aho, miady amin'ny lalàn'ny saiko ka mamabo ahy ho an'ny lalàn'ny ota izay ao amin'ny momba ny tenako. (Romana 7:24) « Indrisy! olo-mahantra aho! Iza no hanafaka ahy amin'ny tenan'ity fahafatesana ity? »

FANAMARIHANA: Hitan'i Paoly fa rehefa manandrana manohitra ny maha olombelona azy izy dia tsy hoesorina mora foana ny fahazaran-dratsy sy ny fahotana. Raha ny marina, rehefa nanintona ny famongorana ny fahotany manokana ny sainy, dia toa vao mainka niharihary izany. Paoly, ilay apostoly nomen'ny tsindrimandrin'Andriamanitra hanoratra boky telo ambin'ny folo ao amin'ny Testamenta Vaovao, dia niantso hoe: "Lehilahy ratsy fanahy aho! Iza no hanafaka ahy amin'ny tenan'ity fahafatesana ity?" (Romana 7:24.)

Mazava ho azy fa nandresy tokoa i Paoly. Fotoana kely talohan'ny nahafatesany, dia nanoratra izao teny manaraka izao tamin'i Timoty zanany lahy tanora izy: (II Tim. 4: 6-8).

(2 Timoty 4:6) « Fa izaho dia efa hatolotra* sahady, ary efa mba akaiky ny andro fialàko. [* Gr. haidina ho fanatitra aidina] » (2 Timoty 4:7) « Efa niady ny ady tsara aho; nahatanteraka ny fihazakazahana aho; nitahiry ny finoana aho; » (2 Timoty 4:8) « hatrizao dia tehirizina ho ahy ny satro-boninahitry ny fahamarinana, izay homen’ny Tompo, Mpitsara marina, ho ahy amin izay andro izay; ary tsy ho ahy ihany, fa ho an'izay rehetra tia ny fisehoany koa. »

Mariho tsara ny fomba nahombiazan'i Paoly tamin'ny fandresena.

4. Inona, sa iza, no lakilen'ny fandresen'ny Kristiana? Fil. 4:13; Jaona 15: 5; 1 Jaona 4: 4; Rom. 8:37.

(Filipiana 4:13) « Mahay ny zavatra rehetra aho ao amin'ilay mampahery ahy. »

(Jaona 15:5) « Izaho no voaloboka, ianareo no sampany. Izay miray amiko, ary Izaho aminy, dia mamoa be izy; fa raha misaraka amiko kosa ianareo, dia tsy mahay manao na inona na inona. »

(1 Jaona 4:4) « Anaka, ianareo dia avy amin'Andriamanitra ary efa naharesy ireny, satria lehibe Izay ao aminareo noho izay ao amin'izao tontolo izao. »

(Romana 8:37) « Kanefa amin'izany rehetra izany dia manoatra noho ny mpandresy isika amin'ny alalan'ilay tia antsika. »

FANAMARIHANA: Jesosy Kristy, izay efa nandresy an'i Satana (Mat. 4) ary mahafeno fepetra ho tonga "Mpanjakan'ny mpanjaka sy Tompon'ny tompo", dia hanampy ny Kristiana handresy an'i Satana sy ny fitaoman'izao tontolo izao amin'ny alàlan'ny Fanahy Masina izay mitoetra ao anatiny!

Nilaza tamin’ny mpianany i Jesosy mba hionona satria Izy efa naharesy an'izao tontolo izao (Jao. 16:33).

(Jaona 16:33) « Izany teny izany efa nolazaiko taminareo mba hanananareo fiadanana amiko. Aty amin'izao tontolo izao no ahitanareo fahoriana; nefa matokia; Izaho efa naharesy izao tontolo izao. »

Nilaza koa i Jaona fa Ilay mitoetra ao amin'ny tena Kristiana marina amin'ny alàlan'ny Fanahin'Andriamanitra dia lehibe noho i satana (1 Jao. 4: 4).

(1 Jaona 4:4) « Anaka, ianareo dia avy amin'Andriamanitra ary efa naharesy ireny, satria lehibe Izay ao aminareo noho izay ao amin'izao tontolo izao. »

5. Saingy nilaza ve Jesosy fa tsy afaka nanao na inona na inona raha Izy irery? Jaona 5:30.

(Jaona 5:30) « Raha Izaho ihany, dia tsy mahay manao na inona na inona; araka izay reko no itsarako; ary marina ny fitsarako; fa tsy mitady ny sitrapoko Aho, fa ny sitrapon'izay naniraka Ahy. »

FANAMARIHANA: Eritrereto izany. Na ny Zanak'Andriamanitra mihitsy aza dia nilaza fa tsy afaka manao na inona na inona (na asa ara-panahy) amin'ny heriny olombelona fotsiny Izy. Raha i Kristy aza, tao amin'ny nofo, tsy natoky ny Tenany, tsy mainka ve izany izaho sy ianao, no tsy hatoky tena hoe handresy irery?

Vitsy no mahatsapa fa ny fankatoavan'i Kristy, ary na dia ireo fahagagana nataony aza dia tsy hery manokana mahagaga nananany no nahavitany izany. Ny asany ara-panahy REHETRA dia natao ara-bakiteny tamin'ny alàlan'ny finoana ny herin'Andriamanitra, ary ohatra tsara dia tsara ho antsika izany.

6. Inona no loharanon'ny finoana mavitrika ananan'i Kristy? Jaona 14: 10-11.

(Jaona 14:10) « Tsy mino va ianao fa Izaho ao amin'ny Ray, ary ny Ray ato amiko? Ny teny izay lazaiko aminareo, dia tsy avy amiko izany lazaiko izany; fa ny Ray mitoetra ato amiko no manao ny asa. » (Jaona 14:11) « Minoa Ahy fa Izaho ao amin'ny Ray, ary ny Ray ato amiko; fa raha tsy izany, dia minoa Ahy noho ny asa ihany aza. »

FANAMARIHANA: Ilay Ray niaina tao amin'i Jesosy tamin'ny alàlan'ny Fanahy Masina no nahatonga ny fankatoavany ny Lalàn'Andriamanitra! Kristy dia manana ny tena finoan'Andriamanitra.

7. Tokony hiaina amin'ny finoana ve ny Kristiana? Heb. 10:38; Rom. 1:17.

(Hebreo 10:38) « Ary "ny oloko marina* dia ho velon'ny finoana;" Fa raha mihemotra izy, dia tsy sitraky ny fanahiko (Hab. 2.3, 4). [* (ny marina)] »

(Romana 1:17) « Fa amin'izany no anehoana fahamarinana avy amin'Andriamanitra avy amin'ny finoana sy ho amin'ny finoana, araka ny voasoratra hoe: Ny marina amin'ny finoana no ho velona* (Hab. 2. 4). [*Na: Ny marina ho velon'ny finoana] »

Nefa ny fananana finoana an'Andriamanitra ihany ve no takiana? Rom. 3:31. Ny finoana tsy misy fankatoavana an'Andriamanitra ve dia finoana maty? Jak. 2: 20-22.

(Romana 3:31) « Koa mahafoana ny lalàna amin'ny finoana va isika? Sanatria izany! fa mampiorina tsara ny lalàna isika. »

(Jakoba 2:20) « Moa tsy fantatrao va, ry olom-poana, fa tsy vanona ny finoana tsy misy asa? » (Jakoba 2:21) « Tsy nohamarinina tamin'ny asa va Abrahama razantsika tamin'ny nanaterany an'isaka zanany teo ambonin'ny alitara? » (Jakoba 2:22) « Hitanao fa niara-niasa tamin'ny finoana ny asany, ary ny finoana dia notanterahina tamin'ny asa; »

FANAMARIHANA: Ny Baiboly dia mampiseho mazava tsara fa ny Kristiana tsirairay avy dia samy manana ny anjarany amin'ny fizotran'ny famonjena. Na eo aza izany, maro ireo milaza tena ho Kristiana no nampianarina fa Jesosy efa niaina fiainana tsara ho antsika; ary efa nankatò ny lalàn'Andriamanitra hisolo antsika Izy. Saingy hitantsika anefa fa ny Kristiana iray dia tsy maintsy mandresy, tsy maintsy mitombo amin'ny toetra ara-panahy, ary tsy maintsy miaritra na dia eo aza ny fanoherana rehetra sy ny fakam-panahy hiala. Ny Soratra Masina dia manazava tsara fa ny fananana finoana dia tsy manala tsiny antsika tsy hananao asa ara-panahy.

Zava-miafina lehibe ho an'izay tsy mahatakatra izany. Koa satria tsy maintsy atao ireo zavatra ireo raha te ho voavonjy, kanefa tsy vitantsika tanteraka samirery izany, dia ara-dalàna raha manatsoaka hevitra izy ireo fa, na Andriamanitra naniraka an'i Jesosy hanao izany ho antsika, ary amin'izany dia manala tsiny antsika amin'ny tsy fankatoavana an'Andriamanitra Izy, na kivy sy mamoy fo isika ary alaim-panahy hiala amin'ny fanandramana!

Ny tena valiny no fanalahidin'ny famonjena: ny FINOANA; Finoana ny Herin'Andriamanitra - ilay karazana finoana velona nananan'i Jesosy!

8. Finoana an'iza no ahafahan’ny Kristiana manao "fahamarinana", izany hoe mankatò ny Lalàn'Andriamanitra ara-panahy? Apok. 14:12.

(Apokalypsy 14:12) « Indro ny faharetan'ny olona masina, dia izay mitandrina ny didin'Andriamanitra sy ny finoana an'i Jesosy. »

FR : (Apocalypse 14:12) « C’est ici la persévérance des saints qui gardent les commandements de Dieu et la foi de Jésus. »

FANAMARIHANA: Ny Kristiana notorontoronin’ny Fanahy dia manana ny "finoana an'i Jesosy". Tsy ny finoantsika Azy fotsiny, fa ny finoany, izany hoe ny finoana izay nitehirizany ny lalàn'Andriamanitra napetraka ao amintsika sy miasa ao amintsika!

9. Milaza an'i Jesosy ho “tompony” sy “mpanefa” ny finoantsika ve ny Baiboly? Heb. 12: 2-4.

(Hebreo 12:2) « mijery an'i Jesosy, Tompon'ny finoantsika sy Mpanefa azy, Izay naharitra ny hazo fijaliana, fa tsy nitandro henatra, mba hahazoany ny fifaliana napetraka teo anoloany, ka dia efa mipetraka eo amin'ny ankavanan'ny seza fiandrianan'Andriamanitra Izy. » (Hebreo 12:3) « Fa hevero tsara Ilay naharitra ny fanoherana nataon'ny mpanota taminy*, fandrao ho ketraka ianareo, ka ho reraka ny fanahinareo. [* Na: ireo mpanota manimba tena] » (Hebreo 12:4) « Hianareo tsy mbola nanohitra niady tamin'ny ota hatramin'ny fahalatsahan-drà. »

FANAMARIHANA: Ny fandikan-teny marina kokoa ny andian-teny hoe "tompony sy mpanefa" dia "mpisava lalana sy mpandavorary." Jesosy no nitarika ny làlana, tamin'ny naha mpisava lalana Azy ho antsika, ary nanome antsika ny ohatra faratampony amin'ny finoana velona. Fa Izy koa dia mandavorary ny finoany antsika! Izay nataony tamin’ny Apostoly Paoly no ohatra maneho ny fomba anaovany izany.

FEHINY

Miezaha ho mahatoky amin'izay efa nomen'Andriamanitra anao, mba hilazan'i Kristy anao indray andro any hoe: "Tsara izany, ry mpanompo tsara sady mahatoky; nahatoky tamin'ny kely ianao, dia hotendreko ho mpanapaka be" (Mat. 25 : 2).

Ity fiainana eto an-tany ity no toeram-piofanana. Mianatra mifehy mahatoky isika amin'ny fanatanterahana ireo adidy, ary mianatra manapaka ny tenantsika amin’ny fomba fiaina Kristiana.

Ny fiomanana hanjaka ao amin'ny Fanjakan'Andriamanitra dia manomboka amin'ny fanekena ny fahefany ankehitriny. Andriamanitra tsy hamonjy izay olona tsy feheziny. Ianaro àry ny lalàn'Andriamanitra; Halalino sy eritrereto ary iaino. Ny Fanahy Masin'Andriamanitra no manampy anao hitombo amin'ny toetran'Andriamanitra, hahazoanao mandresy ny toetran’ olombelona, sy ny fakam-panahy mbamin’ny fitaoman'izao tontolo izao hanota, ary ny teti-dratsin'i Satana devoly.

Mitadiava an'Andriamanitra amin'ny fanatonana azy bebe kokoa amin'ny vavaka sy ny fianarana Baiboly. Miovà! Mitomboa ara-panahy. Aoreno hatrany ny toetran'Andriamanitra mandra-pahafatinao, na mandra-pahatongan'ny fotoana hiverenan'i Jesosy Kristy. Amin’izay no hanovany eo no ho eo ny tenantsika malemy ara-batana, ho lasa tena fanahy mahery, tsy misy ota, sy be voninahitra! (Fil. 3: 20-21)

(Filipiana 3:20) « Fa ny fanjakantsika dia any an-danitra, ary avy any koa no iandrasantsika Mpamonjy, dia Jesosy Kristy Tompo, » (Filipiana 3:21) « Izay hanova ny tenan'ny fietren-tenantsika ka hitovy endrika amin'ny tenan'ny voninahiny, araka ny fiàsan'ny heriny, izay ahaizany hampanaiky ny zavatra rehetra ho Azy. »

Amin’izay isika dia ho vonona hiara-manjaka amin'i Kristy - hanatanteraka ny anjarantsika mahatalanjona, manampy amin'ny fitondrana ny tany sy izao rehetra izao, ankoatry ny maha-mpikambana ao amin'ny Fianakavian’Andriamanitra!

Mahatalanjona sy manaitra izany. Antso tsy mampino! Ho avy be voninahitra sy mahafinaritra! Nanomboka nahafeno fepetra ho amin'izany ve ianao?