Pages

Pages

Ny Didy Folo Sy Ny Filazantsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra

  NY DIDY FOLO SY NY FILAZANTSARAN’NY FANJAKAN’ANDRIAMANITRA

 

TENIN’ANDRIAMANITRA

Eksodosy 20: 1-17

Marka 1:9-15

1 Jaona 3:1-9

 

TORITENY

Dr. Rakotondravony Daniel, Fiangonan’Andriamanitra Miray

Ny Didy Folo no lalam-panorenan’ny Fanjakan’Andriamanitra. Toetra fototra eo amin’ny Kristiana hiara-manjaka amin’i Kristy ny faharetany mitandrina ny Didin’Andriamanitra sy ny finoany an’i Jesosy. Ny asa ataony dia mitory ny Filazantsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra izay notoriny koa: (Apokalypsy 14:12) « Indro ny faharetan'ny olona masina, dia izay mitandrina ny didin'Andriamanitra sy ny finoana an'i Jesosy. » (Mar 16:15-16) « Ary hoy Izy taminy: Mandehana any amin'izao tontolo izao ianareo, ka mitoria ny filazantsara amin'ny olombelona rehetra. » « Izay mino sy atao batisa no hovonjena; fa izay tsy mety mino no hohelohina. »

Eks 20 1-17) Ny Nanomezan'Andriamanitra Ny Didy Folo

(Eksodosy 20:1) « Dia nilaza izao teny rehetra izao Andriamanitra ka nanao hoe: » (Eksodosy 20:2) « Izaho no Jehovah Andriamanitrao, Izay nitondra anao nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta, tamin'ny trano nahandevozana. »

(Eksodosy 20:3) « Aza manana andriamani-kafa, fa Izaho ihany. »

(Eksodosy 20:4) « Aza manao sarin-javatra voasokitra ho anao, (Eksodosy 20:5) « Aza miankohoka eo anatrehany, ary aza manompo azy; fa Izaho, Jehovah Andriamanitrao, dia Andriamanitra saro-piaro ka mamaly ny heloky ny ray amin'ny zanaka hatramin'ny zafiafy sy ny zafindohalika, dia amin'izay mankahala Ahy; » (Eksodosy 20:6) « nefa kosa mamindra fo amin'ny olona arivo mandimby izay tia Ahy ka mitandrina ny didiko. »

(Eksodosy 20:7) « Aza manonona foana ny anaran'i Jehovah Andriamanitrao; fa tsy hataon'i Jehovah ho tsy manan-tsiny izay manonona foana ny anarany. »

(Eksodosy 20:8) « Mahatsiarova ny andro Sabata hanamasi­na azy. » (Eksodosy 20:9) « Henemana no hiasanao sy hanaovanao ny raharahanao rehetra. » (Eksodosy 20:10) « Fa Sabatan'i Jehovah Andriamanitrao ny andro fahafito; koa aza manao raharaha akory ianao amin'izany, na ny zanakao-lahy, na ny zanakao-vavy, na ny ankizilahinao, na ny ankizivavinao na ny biby fiompinao, na ny vahininao izay tafiditra eo am-bavahadinao. » (Eksodosy 20:11) « Fa henemana no nanaovan'i Jehovah ny lanitra sy ny tany sy ny ranomasina mbamin'izay rehetra ao aminy, dia nitsahatra Izy tamin'ny andro fahafito; izany no nitahian'i Jehovah ny andro Sabata sy nanamasinany azy. »

(Eksodosy 20:12) « Manaja ny rainao sy ny reninao mba ho maro andro ianao ao amin'ny tany izay omen'i Jehovah Andriamanitrao ho anao. »

(Eksodosy 20:13) « Aza mamono olona. »

(Eksodosy 20:14) « Aza mijangajanga. »

(Eksodosy 20:15) « Aza mangalatra. »

(Eksodosy 20:16) « Aza mety ho vavolombelona mandainga hanameloka ny namanao. »

(Eksodosy 20:17) « Aza mitsiriritra ny tranon'ny namanao; aza mitsiriritra ny vadin'ny namanao, na ny ankizilahiny, na ny ankizivaviny, na ny ombiny, na ny borikiny, na izay mety ho an'ny namanao akory aza. »

Marka 1:9-15 Ny Nanaovana Batisa An’i Jesosy Sy Ny Nakan’ny Devoly Fanahy Azy, Ary Ny Nitoriany Ny Fanjakan’Andriamanitra

(Marka 1:9) Jesosy Nataon'i Jaona Batisa. « Ary tamin'izany andro izany dia tonga avy tany Nazareta any Galilia Jesosy ka nataon'i Jaona batisa tao Jordana. »

Nataon’i Jaona batisa i Jesosy noho ireto antony ireto :

Mba hahatanteraka ny “fahamarinana”. Rehefa vita ny firobohana tao amin’ny ranon’ny batisa dia nisokatra ny lanitra, ary nidina nankeo ambonin’i Jesosy ny Fanahy ka nanosotra sy nampahery Azy.

(Matio 3:15-17): (Matio 3:15) « Fa namaly Jesosy ka niteny taminy hoe: Ekeo ihany ankehitriny, fa izao no mety amintsika hahatanteraka ny fahamarinana rehetra. Ka dia nekeny Izy. » (Matio 3:16) « Ary raha vao natao batisa Jesosy, dia niakatra avy teo amin'ny rano niaraka tamin'izay Izy; ary, indro, nisokatra taminy ny lanitra, ary hitany ny Fanahin'Andriamanitra nidina tahaka ny voromailala ka nankeo amboniny. » (Matio 3:17) « Ary, injao! nisy feo avy tany an-danitra nanao hoe: Ity no Zanako malalako Izay sitrako. »

(Galatiana 4:4-5): (Galatiana 4:4) « fa rehefa tonga ny fotoan'andro, dia nirahin'Andriamanitra ny Zanany, nateraky ny vehivavy, nateraka tao ambanin'ny lalàna, » (Galatiana 4:5) « hanavotany izay ambanin'ny lalàna, mba handraisantsika ny fananganan'anaka. »

Mba handringanany amin’ny herin’ny fahafatesana ilay manana ny herin’ny fahafatesana, dia ny devoly. (Hebreo 2:14) « Koa satria manana nofo aman-drà ny zaza, dia mba nandray izany koa Izy, mba handringanany amin'ny fahafatesana ilay manana ny herin'ny fahafatesana, dia ny devoly. »). Io no tanjony tamin’ny nahatongavany ho nofo, dia ny handringanany amin'ny fahafatesana ilay manana ny herin'ny fahafatesana. Ny fahafatesany ho onitry ny fahotana no fomba hamonjeny ny olombelona. Mariho fa raha natao batisa i Jesosy dia tsy hoe akory nisy fahotana vitany ka tokony ho nibebahany: (2 Korintiana 5:21) « Izay tsy nahalala ota dia efa nataony ota hamonjy antsika, mba ho tonga fahamarinan'Andriamanitra ao aminy kosa isika. » (1 Petera 2:24) « ary Izy nitondra ny fahotantsika (Isa. 53. 12) tamin'ny tenany teo ambonin'ny hazo, mba ho faty ny amin'ny ota isika, fa ho velona ny amin'ny fahamarinana; ary "ny dian-kapoka taminy no nahasitranana anareo" (Isa. 53.5). »

Ho fiombonany amin’ny asa fanompoan’i Jaona Mpanao batisa, ilay mpialoha lalana ny Mesia, sy mba hahatanteraka ny faminanian’Isaia (40:3).

(Jaona 1:23, 32-33) (Jaona 1:23) « Dia hoy izy: Izaho dia feon'ny miantso mafy any an-efitra hoe: Ataovy mahitsy ny lalan'i Jehovah (Isa. 40. 3), araka izay nolazain'Isaia mpaminany. » (Jaona 1:32) « Ary Jaona nanambara ka nanao hoe: Izaho nahita ny Fanahy midina avy any an-danitra tahaka ny voro-mailala ka nitoetra teo amboniny. » (Jaona 1:33) « Ary izaho tsy nahalala Azy; fa Izay naniraka ahy hanao batisa amin'ny rano no nilaza tamiko hoe: Izay ho hitanao idinan'ny Fanahy sy itoerany, dia Izy no Mpanao batisa amin'ny Fanahy Masina. »

Mba hahatanteraka ny faminanian’i Malakia (3:1). (Malakia 3:1) « Indro, haniraka ny irako Aho, ary izy hanamboatra lalana eo alohako; ary ny Tompo Izay tadiavinareo dia ho avy tampoka ho eo an-tempoliny; ary ny Anjelin*'ny fanekena Izay irinareo, dia, indro, tamy Izy, hoy Jehovah, Tompon'ny maro. [Na: Iraky] »

(Marka 1:10-11) Ny Fanahy Mampahery Sy Manosotra. (Marka 1:10) « Ary raha vao niakatra avy teo amin'ny rano Izy, dia hitany ny lanitra nisokatra, ary ny Fanahy nidina tahaka ny voromailala ka nankeo amboniny. » (Marka 1:11) « Ary nisy feo avy tany an-danitra nanao hoe: Hianao no Zanako malalako, Hianao no sitrako. »

Tamin’ny herin’ny Fanahy Masina no nanaovan’i Jesosy ny zava-drehetra:

Ny toriteniny,

Ny fanasitranany,

Ny fijaliany,

Ny fandreseny ny fahotana,

Ny fandreseny an’i Satana.

Raha i Jesosy aza tsy nahefa na inona na inona raha tsy teo ny asan’ny Fanahy Masina, tsy vao mainka ve isika no mila ny fampaherezan’ny Fanahy.

Mila ny fampaherezan’ny Fanahy koa isika, toa an’i Jesosy (Lioka 4:1, 14, 18): (Lioka 4:1) « Ary Jesosy feno ny Fanahy Masina dia niverina avy tany Jordana, ary nentin'ny Fanahy tany an-efitra efa-polo andro Izy » (Lioka 4:14) « Ary Jesosy niverina tamin'ny herin'ny Fanahy nankany Galilia; dia niely tamin'ny tany rehetra manodidina ny lazany. » (Lioka 4:18) « Ny Fanahin'i Jehovah no ato amiko, Satria nanosotra Ahy hitory teny soa mahafaly amin'ny malahelo Izy; Naniraka Ahy hitory fandefasana amin'ny mpifatotra Izy, Sy fampahiratana amin'ny jamba, Hanafaka izay nampahorina. ».

I Jesosy mihitsy aty aoriana no manao batisa ireo mpanaraka Azy mba hananan’izy ireo ny fampaherezan’ny Fanahy Masina koa (Asa 1:5, 8; Lioka 24:49; Asa 2:1, 4). (Asan'ny Apostoly 1:5) « fa Jaona nanao batisa tamin'ny rano; fa ianareo kosa hatao batisa amin'ny Fanahy Masina, rehefa afaka andro vitsivitsy. » (Asan'ny Apostoly 1:8) « Fa hahazo hery ianareo amin'ny hilatsahan'ny Fanahy Masina aminareo, ary ho vavolombeloko any Jerosalema sy eran'i Jodia sy Samaria ary hatramin'ny faran'ny tany. » (Lioka 24:49) « Ary, indro, Izaho mampitondra ny teny fikasan'ny Raiko ho anareo; fa mitoera eto an-tanàna mandra-panafiana anareo amin'ny hery avy any amin'ny avo. » (Asan'ny Apostoly 2:1) « [Ny nilatsahan'ny Fanahy Masina tamin'ny Andro Pentekosta] Ary nony tonga ny Andro Pentekosta, dia teo amin'ny fitoerana iray izy rehetra. » (Asan'ny Apostoly 2:4) « Ary samy feno ny Fanahy Masina izy rehetra, ka dia niteny tamin'ny fiteny maro samy hafa, araka ny nampitenenan'ny Fanahy Masina azy. »

(Marka 1:12-13) Jesosy Nalain'i Satana Fanahy, Ary Nandresy. (Marka 1:12) « Ary niaraka tamin'izay dia nampandehanin'ny Fanahy ho any an-efitra Izy. » (Marka 1:13) « Ary tany an-efitra efa-polo andro Izy ka nalain'i Satana fanahy; ary teo amin'ny bibi-dia Izy, ary ny anjely nanompo Azy. »

Izao nakan’ny devoly fanahy an’i Jesosy izao dia fiezahana hanangoly an’i Jesosy hiala amin’ny lalan’ny fankatoavana ny sitrapon’Andriamanitra. Nefa isaky ny fankam-panahy tsirairay dia ny fahefan’ny Tenin’Andriamanitra no neken’i Jesosy fa tsy ny fanirian’i Satana. Inona ary no lesona azontsika tsoahina amin’izao nakana fanahy an’i Jesosy izao?

Satana no fahavalontsika lehibe indrindra. Manana ady ara-panahy ifanaovana amin’ny herin’ny ratsy ny Kristiana (Efesiana 6:12) « Fa isika tsy mitolona amin'ny nofo aman-drà, fa amin'ny fanapahana sy amin'ny fanjakana sy amin'ny mpanjakan'izao fahamaizinana izao, dia amin'ny fanahy ratsy eny amin'ny rivotra*. [* Gr. lanitra] »

Ny Fanahy Masina sy ny fampiasana ny Soratra Masina araka ny tokony ho izy no ahazoan’ny Kristiana mandresy ny fahotana sy ny fankam-panahy.

Ny Tenin’Andriamanitra no ahazoana hery hanoherana ny fihantsiana rehetra ataon’i Satana. Hoy Jesosy(Jaona 15:3) « Efa madio rahateo ianareo noho ny teniko, izay nolazaiko taminareo. » (Jaona 15:7) « Raha miray amiko ianareo, ka mitoetra ao anatinareo ny teniko, dia angataho izay tianareo na inona na inona, fa ho tonga aminareo izany. »

Raiketo, izany hoe ianaro tsianjery ao am-po sy ao an-tsaina ny Tenin’Andriamanitra.

Saintsaino andro aman’alina izay andininy nianaranao tsianjery.

Raha alaim-panahy ianao dia lazao amin’ny tenanao sy amin’Andriamanitra ilay Soratra Masina nianaranao tsianjery (Matio 4:7): Hoy Jesosy taminy: Voasoratra hoe:  “Aza maka fanahy an’i Jehovah Andriamanitrao”; (Matio 4:10): Hoy Jesosy taminy: “Mandehana ianao, ry Satana, fa voasoratra hoe: Jehovah Andriamanitrao irery ihany no hiankohofanao, ary Izy irery ihany no ho tompoinao.”

Ekeo sady tanteraho ny fitarihan’ny Fanahy Masina hankatò ny Tenin’Andriamanitra. Ohatra: (Romana 8:13) « Fa raha velona araka ny nofo ianareo, dia tsy maintsy maty; fa raha ny Fanahy no amonoanareo ny asan'ny tena dia ho velona ianareo. » (Romana 8:14) « Fa izay tarihin'ny Fanahin'Andriamanitra no zanak'Andriamanitra. » (Galatiana 5:18) « Fa raha tarihin'ny Fanahy ianareo, dia tsy mba ambanin'ny lalàna. »

(Marka 1:14-15; 16:15- 16) Nirahina Jesosy Hitory Ny Fanjakan’Andriamanitra, Ary Naniraka Ny Kristiana Hitory Izany Koa Izy.

(Mar 1:1) « Ny niandohan'ny filazantsaran'i Jesosy Kristy, Zanak'Andriamanitra. » (Marka (Marka 1:14) « Ary rehefa voasambotra Jaona, dia nankany Galilia Jesosy nitory ny filazantsaran'Andriamanitra » Marka 1:15) « ka nanao hoe: Efa tonga ny fotoana, ka efa akaiky ny fanjakan'Andriamanitra; mibebaha ianareo ka minoa ny filazantsara. »

Tapitra ny asa maha-pialoha lalana an’i Jaona Mpanao-batisa eo anatrehan’ny Mesia. Tonga ny fotoana hitorian’i Jesosy ny Filazantsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra, sy hanombohany manatanteraka ny Planin’ny Famonjena. Koa miantso ny olona hibebaka Izy, sy hino ny Filazantsara izay toriny.

Ary izao no nolazain’i Jesosy sy nataony:

(Lio 4:43) « Fa hoy Izy taminy: Tsy maintsy mitory ny teny soa mahafaly ny amin'ny fanjakan'Andriamanitra any amin'ny tanàna hafa koa Aho, satria izany no nanirahana Ahy. »

 (Lio 8:1) « Ary taoriana kelin'izany, dia lasa Jesosy nitety ny tanàna sy ny vohitra nitory ny filazantsaran'ny fanjakan'Andriamanitra; ary ny roa ambin'ny folo lahy nanaraka Azy. »

(Lio 9:1) « Ary Jesosy niantso ny roa ambin'ny folo lahy hankeo aminy ka nanome azy hery sy fahefana hamoaka ny demonia rehetra sy hahasitrana aretina. » (Lio 9:2) « Ary Izy naniraka ireo handeha hitory ny fanjakan'Andriamanitra sy hahasitrana ny marary. »

(Lio 10:1) « Ary nony afaka izany, ny Tompo nanendry olona hafa koa, dia fito-polo lahy, ka naniraka azy tsiroaroa hialoha Azy any amin'ny tanàna sy ny tany rehetra izay efa halehany. »

Mbola nitory koa Izy taorian’ny nitsangananay tamin’ny maty

(Asa 1:3) « Jesosy niseho tamin'ny famantarana maro taorian'ny nijaliany fa velona Izy, ka niseho tamin’ny mpianany efa-polo andro, ary nilaza ny amin'ny fanjakan'Andriamanitra. »

(Mar 16:15-16) « Ary hoy Izy taminy: Mandehana any amin'izao tontolo izao ianareo, ka mitoria ny filazantsara amin'ny olombelona rehetra. » « Izay mino sy atao batisa no hovonjena; fa izay tsy mety mino no hohelohina. »

1 Jaona 3:1-9 Fahazotoan'ny Zanak'andriamanitra Hanao ny Sitrapon'ny Rainy sy Hifankatia Amin'ny Namany, ary ny Fahatokiana Ananany

1 Jaona 3:1-5 Zanak’Andriamanitra

(1 Jaona 3:1) « Endrey! manao ahoana ny fitiavana nasehon*'ny Ray ho antsika, dia ny niantsoana antsika hoe zanak'Andriamanitra, sady izany tokoa isika! Koa noho izany dia tsy mahalala antsika izao tontolo izao, satria tsy nahalala Azy izy. [* Gr. nomen'] »

Isan’ny iray amin’ireo fanambarana lehibe ao amin’ny Test. V ilay fahamarinana hoe: zanak’Andriamnitra isika.

Voniahitra lehibe sy tombotsoa manokana eo amin’ny famonjena antsika (Galatiana 4:7) izany maha-zanak’Andriamnitra izany; zanaka natsangana tamin’ny alalan’i Kristy toy ny tena zanany tokoa (Efesiana 1:5).

(Galatiana 4:7) « Ka dia tsy mpanompo intsony ianao, fa zanaka: ary raha zanaka, dia mpandova koa noho ny ataon'Andriamanitra. »

(Efesiana 1:5) « rehefa notendreny rahateo amin'ny fitiavana isika mba ho Azy* amin'ny fananganan'anaka amin'ny alalan'i Jesosy Kristy, araka izay ankasitrahan'ny fony, [* Na: amin'ny fitiavana, rehefa notendreny rahateo ho Azy isika] »

 (1 Jaona 3:2) « Ry malala, ankehitriny aza dia zanak'Andriamanitra isika, nefa tsy mbola naseho izay ho toetsika rahatrizay. Fantatsika fa raha hiseho Izy, dia ho tahaka Azy isika, fa ho hitantsika Izy, dia izay tena endriny tokoa. »

Ny maha-zanak’Andriamanitra dia fototry ny finoantsika sy fitokisana amin’Andriamanitra (Matio 6:25-34); fanantenana an’ilay voninahitra ho avy koa ny maha-zanak’Andriamanitra. Satria zanany isika, dia mpandova an’Andriamanitra sady mpiara-mandova amin’i Kristy (Romana 8:16-17); Galatiana 4:7).

Ny ho toetsika rahatrizay dia fanahyrehefa atsangana amin’ny matymanana fiainana mandrakizayamin’ny fivernan’i Kristy.

 

(1 Jaona 3:3) « Ary izay rehetra manana izany fanantenana miorina aminy izany dia manadio ny tenany mba hadio tahaka Azy. » (1 Jaona 3:4) « Izay rehetra manota no mandika ny lalàna; fa ny ota no fandikana ny lalàna. » (1 Jaona 3:5) « Ary fantatrareo fa Izy no naseho hanaisotra* ny ota; ary tsy mba misy ota ao aminy. [* Na: hitondra] »

Tian’Andriamanitra isika hitombo amin’ny fahatsapa-tena ho zanak’Andriamanitra, noho “ilay fanahin’ny zanaka natsangana”: (Romana 8:15) « Fa tsy nandray ny fanahim-pahandevozana ho amin'ny tahotra indray ianareo, fa nandray ny fanahin'ny zanaka natsangana, izay iantsoantsika hoe: Aba, Ray ô. » Io fanahy io no manome ny faniriana te ho tarihin’ny Fanahin’Andriamanitra (Romana 8:14) « Fa izay tarihin'ny Fanahin'Andriamanitra no zanak'Andriamanitra. »

Fototra iorenan’ny fitsikipa apetraky ny Ray (Hebreo 12:6-7, 11) sady fototra iorenan’ny antony hahavelomantsika hanao araka izay mahafaly an’Andriamanitra ny maha-zanaka notorontoronina (Romana 12:9; 4:17-19). Ny hamonjena antsika mandrakizay (Jaona 3:16) sy ny hitoviantsika endrika amin’ny Zanany Lahy (Romana 8:29) no tanjon’Andriamanitra raha notorontoroniny ho zanany isika.

(Jaona 3:16) “Fa toy izao no nitavan’Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zanani-lahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay”.

(Romana 8:9) « Fa ianareo tsy ao amin'ny nofo, fa ao amin'ny Fanahy, raha ny Fanahin'Andriamanitra no mitoetra ao anatinareo. Fa raha misy kosa tsy manana ny Fanahin'i Kristy, dia tsy Azy izy. »

1 Jaona 3:6-8 Tsy Nahita na Nahalala Azy

(1 Jaona 3:6) « Izay rehetra mitoetra ao aminy dia tsy manota; izay rehetra manota dia tsy nahita na nahalala Azy. » (1 Jaona 3:7) « Anaka, aza avela hisy hamitaka anareo: izay manao ny marina no marina; eny, marina tahaka Azy. » (1 Jaona 3:8) « Izay manota dia avy amin'ny devoly, satria ny devoly manota hatramin'ny voalohany. Izao no nisehoan'ny Zanak'Andriamanitra, dia ny handrava ny asan'ny devoly. »

Ny matoateny “nahita” sy “nahalala” dia samy amin’ny filazam-potoana lasa, manambara asa efa tanteraka, nefa mbola mitohy ankehitriny. Izay rehetra manota dia tsy nahita an’Andriamanitra, ary mbola tsy mahita Azy, sady tsy nahalala Azyary mbola tsy mahalala AzyHihatra amin’ireo izay tsy tena mino marina an’i Kristy izany, na ireo izay manambara fa efa nahalala an’Andriamanitra saingy tsy nitohy tamin’izany fahalalana Azy izany ankehitriny.

1 Jaona 3:9 Tsy Nahay Nanota

(1 Jaona 3:9) « Izay rehetra naterak'Andriamanitra no tsy manota, satria ny voany mitoetra ao anatiny, ary tsy mahay manota izy, satria naterak*'Andriamanitra. » [*Gr. notorontoronina]

Ny matoanteny “manota” dia asa ankehitriny, saingy ahitana taratra ny amin’ny fitohizan’ny asa. Tsy afaka manao ny fahotana ho tena fomba fiainany intsony ireo efa notorontoronin’ny Fanahin’Andriamanitra. Tsy hanjaka eo amin’ireo izay mbola manota na zatra manota mihitsy ny fiainana araka an’Andriamanitra.

Miteraka fiainana ara-panahy ny fanorontoronan’ny Fanahy, sady mitarika ho any amin’ny fifandraisana amin’Andriamanitra hatrany (fiomanana ho amin’ny fahateraham-baovao).

Mety hiala amin’ny fitandremana ny fitsipika avy amin’Andriamanitra ihany indrindray ny mpino, saingy tsy hanao fanahy iniana hitohy amin’izany fahotana izany izy ka hanao izany ho fomba fiainana.

Mitahiry ireo olona mahatoky tsy hinia manota sy hanam-pahazarana manota ny “voan’Andriamanitra” (Fanahin’Andriamanitra) izay mitoetra ao anatiny (1 Jaona 5:11-12; Jaona 15:4; 2Petera 1:4).

(1 Jaona 5:11) « Ary izao no fanambarany: Fiainana mandrakizay no omen'Andriamanitra antsika, ary ao amin'ny Zanany izany fiainana izany. » (1 Jaona 5:12) « Izay manana ny Zanaka no manana ny fiainana; izay tsy manana ny Zanak'Andriamanitra no tsy manana ny fiainana. »

(Jaona 15:4) « Tomoera amiko ary Izaho aminareo. Tahaka ny sampany tsy mahay mamoa ho azy, raha tsy miray amin'ny voaloboka izy, dia toy izany koa ianareo, raha tsy miray amiko. »

(2 Petera 1:4) « Ary izany no nahatanterahany amintsika ireo teny fikasana sady soa no lehibe indrindra, mba ho tonga mpiray amin'ny fomban'Andriamanitra amin'izany ianareo, rehefa afa-nandositra ny fahalotoana izay eo amin'izao tontolo izao noho ny filàna. »

FEHINY

Amin’ny finoana (5:4) sy noho i Kristy izay monina ao anatiny ary ny herin’ny Fanahy sy ny Soratra Masina no ahafahan’ny mpino rehetra miaina lavitry ny fandriky ny herin’ny ota isan’andro isan’andro.

(1 Jaona 5:4) « Fa izay rehetra naterak*'Andriamanitra dia maharesy izao tontolo izao; ary ny fandresena izay enti-maharesy izao tontolo izao dia ny finoantsika. » [*Gr. Notorontoronin’]