Pages

Pages

Miara-mandeha amin'Andriamanitra ny Tena Kristiana - Fiz.2

 SEKOLY SABATA

MIARA-MANDEHA AMIN’ANDRIAMANITRA NY TENA KRISTIANA

 

Dr.Rakotondravony Daniel, Fiangonan’Andriamanitra Miray

 

FOMBA fiaina tokoa ny Kristianisma. Tsy misy zavatra miorina tsara mihoatra an’izay ao amin'ny Baiboly rehetra. Miara-mandeha amin’Andriamanitra ny tena Kristiana. Fa inona marina moa no lazaina hoe “miara-mandeha amin’Andriamanitra”, ary ahoana no hampahomby antsika miaina izany fomba izany?

 

1. Moa ve ny tena Kristiana iray miezaka manara-dia an'i Kristy - maka tahaka ny ohatra nomeny – izany hoe "mandeha" miaraka Aminy? 1 Pet. 2:21; 1 Jaona 2: 6.

(1 Petera 2:21) « Fa ho amin'izany no niantsoana anareo; fa Kristy aza efa nijaly hamonjy anareo ka namela fianarana ho anareo, mba hanarahanareo ny diany; »

(1 Jaona 2:6) « Izay* milaza fa mitoetra ao aminy izy, dia tsy maintsy mandeha toy izay nandehanany koa. [* Na: Izao no ahafantarantsika fa ao aminy isika: Izay etc] »

2. Iza no lehilahy voalohany ao amin'ny Baiboly izay "niara-nandeha" tamin'Andriamanitra? Gen. 5: 22-24.

(Genesisy 5:22) « Ary niara-nandeha tamin'Andriamanitra telon-jato taona Enoka taorian'ny niterahany an'i Metosela; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy. » (Genesisy 5:23) « Ary ny andro rehetra niainan'i Enoka dia dimy amby enim-polo amby telon-jato taona. » (Genesisy 5:24) « Ary niara-nandeha tamin'Andriamanitra Enoka; ka tsy hita izy, fa nentin'Andriamanitra. »

Inona koa no ambara amintsika momba an'i Enoka? Heb. 11: 5, tapany farany. Ho amin'ny fitsanganana voalohany ve izy? Heb. 11:13, 39-40.

(Hebreo 11:5) « Finoana no namindrana an'i Enoka tsy hiharan'ny fahafatesana; ka dia tsy hita izy, satria nafindran'Andriamanitra; fa talohan'ny namindrana azy dia nambara fa nankasitrahan'Andriamanitra izy. »

(Hebreo 11:13) « Ireo rehetra ireo dia maty tamin'ny finoana, kanefa tsy mbola nahazo ny teny fikasana; fa nahatazana azy eny lavitra eny izy ka ravoravo niarahaba azy, dia nanaiky fa vahiny sy mpivahiny tety ambonin'ny tany izy. »

(Hebreo 11:39) « Ary ireo rehetra ireo, na dia efa nahazo laza tsara noho ny finoana aza, dia tsy mba nandray ny teny fikasana, » (Hebreo 11:40) « fa Andriamanitra efa namboatra izay tsara lavitra ho antsika, mba tsy hatao tanteraka ireo raha tsy efa mby eo koa isika. »

3. Patriarika lehibe iza koa no niara-nandeha tamin'Andriamanitra tao amin'ny tontolo talohan’ny safodrano? Gen. 6: 9.

(Genesisy 6:9) « Ary izao no tantaran'i Noa: Noa dia lehilahy marina sady tsy nisy tsiny teo amin'ny olona niara-belona taminy; eny, niara-nandeha tamin'Andriamanitra Noa. »

Nahita fahasoavana teo imason'Andriamanitra ve i Noa? Andininy 8. Lehilahy mahatoky sy marina nampifaly an'Andriamanitra ve i Noa? Heb. 11: 7.

(Hebreo 11:7) « Finoana no nanamboaran'i Noa sambo fiara hamonjena ny ankohonany, fa natahotra izy, rehefa notoroan'Andriamanitra hevitra ny amin'ny zavatra tsy mbola hita; koa izany no nanamelohany izao tontolo izao sy nahatongavany ho mpandova ny fahamarinana araka ny finoana. »

4. Inona no baikon'Andriamanitra tamin'i Abrahama? Gen. 17: 1.

(Genesisy 17:1) « [Ny nanovan'Andriamanitra ny anaran'i Abrama mivady, sy ny nanendreny ny fora ho famantarana ny fanekena nataony taminy, ary ny amin'ny hahaterahan'Isaka] Ary rehefa sivy amby sivi-folo taona Abrama, dia nisehoan'i Jehovah izy ka nitenenany hoe: Izaho no Andriamanitra Tsitoha; mandehana eo anatrehako, ka aoka ho tsy misy tsiny ianao. »

Nahoana no azo lazaina fa niara-nandeha tamin'Andriamanitra tokoa izy? Gen. 26: 5; Heb. 11: 8-10.

(Genesisy 26:5) « satria efa nihaino ny feoko Abrahama ka nitandrina izay nasaiko notandremany, dia ny didiko sy ny teniko ary ny lalàko. »

(Hebreo 11:8) « Finoana no naneken'i Abrahama, rehefa nantsoina, hiainga hankany amin'izay tany ho azony ho lova; ka dia niainga izy, nefa tsy fantany izay halehany. » (Hebreo 11:9) « Finoana no nivahiniany tany amin'ny tany nolazain'ny teny fikasana, toy ny any an-tanin'olona, mitoetra an-day, mbamin'isaka sy Jakoba, mpiara-mandova izany teny fikasana izany aminy; »

5. Andriamanitra ve namana sy sakaizan’i Abrahama koa? II Tant. 20: 7; Isa. 41: 8; Jak. 2:23.

(2 Tantara 20:7) « Ry Andriamanitray ô, tsy Hianao va no nandroaka ny mponina tamin'ity tany ity hiala teo anoloan'ny Isiraely olonao ka nanome azy mandrakizay ho an'ny taranak'i Abrahama sakaizanao? »

(Isaia 41:8) « Fa ianao kosa, ry Isiraely mpanompoko, sy Jakoba, izay nofidiko, Taranak'i Abrahama sakaizako, »

(Jakoba 2:23) « ary tanteraka ny Soratra Masina manao hoe: "Ary Abrahama nino an'Andriamanitra, ka nisaina ho fahamarinany izany" (Gen. 25.6), ary natao hoe "Sakaizan'Andriamanitra" izy (Isa. 41.8). »

Niresaka tamin'i Abrahama toy ny namana akaiky ve Andriamanitra? Gen. 18: 17-19,23-33. (Tsarovy tamin'ny fandalinanao taloha fa ny "Jehovah" ao amin'ny Testamenta Taloha dia mpikambana ao amin'ny Fianakavian’Andriamanitra, izay tonga Jesosy Kristy taty aoriana.)

(Genesisy 17:17) « Dia niankohoka Abrahama ary nitsiky, dia nanao anakampo hoe: Hiteraka va aho, izay efa zato taona? ary hiteraka va Saraha, izay efa sivi-folo taona? » (Genesisy 17:18) « Ary hoy Abrahama tamin'Andriamanitra : Enga anie ka Isimaela no ho velona eo anatrehanao! » (Genesisy 17:19) « Ary hoy Andriamanitra: Tsia, fa Saraha vadinao hiteraka zazalahy aminao; ary ny anarany dia hataonao hoe Isaka; ary ny fanekeko haoriko aminy ho fanekena mandrakizay ho an'ny taranany mandimby azy. »

(Genesisy 17:22) « Ary rehefa vita ny teny nataony taminy, dia niakatra Andriamanitra niala teo amin'i Abrahama. » (Genesisy 17:23) « Koa dia nalain'i Abrahama Isimaela zanany sy ny ompikeliny rehetra mbamin'izay rehetra novidiny vola dia ny lehilahy rehetra tao an-tranony; dia noforany androtrizay indrindra ireo araka izay nolazain'Andriamanitra taminy. »

6. Andriamanitra ve niresaka tamin'i Mosesy toy ny amin'ny namana akaiky koa? Eks. 33:11; Nom. 12: 7-8; Deot. 34:10.

(Eksodosy 33:11) « Ary Jehovah niteny nifanatrika tamin'i Mosesy, tahaka ny olona miresaka amin'ny sakaizany. Ary niverina nankeo amin'ny toby izy; fa ny mpanompony, dia Josoa zatovo, zanak'i Nona, tsy niala tamin'ny lay. »

(Nomery 12:7) « Fa tsy toy izany kosa Mosesy mpanompoko, izay mahatoky amin'ny tranoko rehetra. » (Nomery 12:8) « Mifanatrika no itenenako aminy, dia amin'ny fahitana, fa tsy amin'ny teny saro-pantarina, ary mijery ny endrik'i Jehovah izy; ka nahoana ianareo no tsy natahotra hanome tsiny an'i Mosesy mpanompoko? »

(Deotoronomia 34:10) « Ary tsy nisy mpaminany intsony niseho teo amin'ny Isiraely tahaka an'i Mosesy, izay fantatr'i Jehovah nifanatrika »

7. Ahoana no ahafahantsika ho tonga naman'i Jesosy Kristy? Jaona 15: 14-15.

(Jaona 15:14) « Hianareo no sakaizako, raha manao araka izay andidiako anareo. » (Jaona 15:15) « Tsy hataoko hoe mpanompo intsony ianareo, fa ny mpanompo tsy mahalala izay ataon'ny tompony; fa efa nataoko hoe sakaiza ianareo, satria izay rehetra reko tamin'ny Raiko no nambarako taminareo. »

FANAMARIHANA: Ny tena namana dia miara-mandeha sy miresaka malalaka, tsy misy tahotra na henatra. Mihevitra izy ireo fa mitovy, ary mifanaraka, fa raha tsy izany dia tsy tena namana (Amosa 3:3) « Ho tafara-dalana va ny roa, raha tsy efa nifanaiky? »

8. Andriamanitra ve nandidy manokana ny Fiangonany tany an'efitra - ny firenen'i Isiraely fahiny - (Asa. 7:38) handeha amin'ny lalany; izany hoe hitandrina ny lalàny?

Deot. 6: 1-3; 8: 6; 10: 12-13; 11:22; 13: 4; 26:17; 28: 9.

Deot. 6: 1-3 [Ny amin'ny fitiavana an'Andriamanitra]

(Deotoronomia 6:1) « Ary izao no lalàna, dia ny didy sy ny fitsipika, izay nasain'i Jehovah Andriamanitrareo hampianarina anareo mba harahinareo any amin'ny tany izay alehanareo holovana, » (Deotoronomia 6:2) « mba hatahoranao an'i Jehovah Andriamanitrao, hitandremanao ny lalàny rehetra sy ny didiny izay andidiako anao, dia ianao sy ny zanakao ary ny zafinao, amin'ny andro rehetra hiainanao, mba ho maro andro ianao. » (Deotoronomia 6:3) « Koa mihainoa, ry Isiraely, ka mitandrema hanaraka izany, mba hahita soa ianao, ary mba hitomboanareo indrindra, araka izay nolazain'i Jehovah, Andriamanitry ny razanao, taminao, dia any amin'ny tany tondra-dronono sy tantely. »

9. Andriamanitra ve nampanantena ny hiara-dia amin'izy ireo raha hiara-mandeha Aminy izy ireo? Lev. 26: 3, 12.

(Levitikosy 26:3) « Raha manaraka ny lalàko sy mitandrina ny didiko ianareo ka mankatò izany, » (Levitikosy 26:12) « Dia handeha eo aminareo Aho ka ho Andriamanitrareo; ary ianareo ho oloko. »

Hotahin'Andriamanitra tokoa ve izy ireo raha miara-mandeha Aminy? Vakio sy fintino ny andininy 1-11.

(Levitikosy 26:1) « AZA manao andriamani-tsi-izy; ary aza manangana sarin-javatra voasokitra, na manao tsangambaton-tsampy na manorina vato soratana hiankohofana eo amin'ny taminareo: fa Izaho no Jehovah Andriamanitrareo. » (Levitikosy 26:2) « Tandremo ny Sabatako, ary hajao ny fitœrako masina: Izaho no Jehovah. » (Levitikosy 26:3) « Raha manaraka ny lalàko sy mitandrina ny didiko ianareo ka mankatò izany, » (Levitikosy 26:4) « dia hanome anareo ranonorana amin'ny fotoany Aho, ka hahavoka-javatra ny tany, ary hamoa ny hazo any an-tsaha. » (Levitikosy 26:5) « Ary ny taom-pivelezanareo dia ho tratry ny taom-piotazam-boaloboka, ary ny taom-piotazam-boaloboka dia ho tratry ny taom-pamafazana ; dia hihinana ianareo ka ho voky; ary handry fahizay eo amin'ny taninareo. » (Levitikosy 26:6) « Ary homeko fiadanana eo amin'ny tany ianareo ka handry fahizay, ary tsy hisy hanaitaitra, fa hofongorako ny biby masiaka amin'ny tany, ary tsy hotetezin-tsabatra ny taninareo. » (Levitikosy 26:7) « Dia hanenjika ny fahavalonareo ianareo, ka ho lavon-tsabatra eo anoloanareo izy. » (Levitikosy 26:8) « Ary ny dimy aminareo hanenjika ny zato, ary ny zato aminareo hanenjika ny iray alina; ary ny fahavalonareo ho lavon-tsabatra eo anoloanareo. » (Levitikosy 26:9) « Ary hijery anareo Aho ka hahamaro ny taranakareo sy hampitombo anareo, ary hanorina ny fanekeko aminareo Aho. » (Levitikosy 26:10) « Ary hihinana ny tranainy ianareo, sady hamoaka ny tranainy hasiana ny vao. » (Levitikosy 26:11) « Ary ny tabernakeliko dia hataoko eo aminareo; ary tsy ho halan'ny fanahiko ianareo. »

10. Fa raha misafidy ny handeha mifanohitra amin'Andriamanitra ny olon'ny Isiraely - mandà ny handeha amin'ny lalany - inona no nolazain'Andriamanitra fa hitranga amin'izy ireo? Vakio sy fintino ny Levitikosy 26: 14-39.

(Levitikosy 26:14) « Fa raha tsy mihaino Ahy kosa ianareo ka tsy mankatò ireo didy rehetra ireo, » (Levitikosy 26:15) « ary hamavoinareo ny didiko, na halan'ny fanahinareo ny fitsipiko, ka tsy ankatoavinareo ny didiko rehetra, fa ivadihanareo ny fanekeko, » (Levitikosy 26:16) « Izaho kosa dia hanisy fampitahorana aminareo, dia areti-mahasahozanina sy tazo mahamay, izay manimba ny maso sy mandany ny aina; ary hafafinareo foana ny voan-javatrareo, fa ny fahavalonareo no hihinana azy. »

(Levitikosy 26:17) « Dia hanandrina anareo ny Tavako, ka ho resy eo anoloan'ny fahavalonareo ianareo; ary izay mankahala anareo no hanapaka anareo; dia handositra ianareo, na dia tsy misy manenjika aza. » (Levitikosy 26:20) « fa tsy hahavoka-javatra ny taninareo, ary tsy hamoa ny hazo amin'ny tany. »

(Levitikosy 26:22) « Ary hampandehaniko eo aminareo ny bibi-dia, ka handany ny zanakareo sy handringana ny biby fiompinareo ireny ka hahavitsy isa anareo; ary ny lalambenareo ho tonga efitra. »

(Levitikosy 26:29) « Dia hihinana ny nofon'ny zanakareo-lahy sy ny zanakareo-vavy ianareo. » (Levitikosy 26:30) « Ary horavako ny fitoerana avonareo, sy hokapaiko ny tsangan-kazonareo ho an'ny masoandro, ary ny fatinareo dia hariako eo ambonin'ny fatin'ny sampinareo, ary ho halan'ny fanahiko ianareo. » (Levitikosy 26:31) « Ary horavako ny tanànanareo, ka hatao lao ny fitoera-masinareo, ary tsy hamboloiko ny hanitrareo ankasitrahana. »

(Levitikosy 26:38) « Ary dia ho lany ringana any amin'ny jentilisa ianareo, ary ho lanin'ny tanin'ny fahavalonareo ianareo. » (Levitikosy 26:39) « Ary ny sisa eo aminareo dia ho levona any amin'ny tanin'ny fahavalonareo noho ny helony sy ny heloky ny razany koa. »

FANAMARIHANA: Ny "miara-mandeha amin'Andriamanitra" dia midika mazava tsara hoe mitandrina ny didiny sy ny lalàny ary manao ny zavatra ankasitrahana eo imasony (Lev. 26: 1-3; 1 Jao 3: 22). Io no fomba tokana hahatongavana ho tena Kristiana!

11. Inona no ho fihetsiky ny tena kristiana manoloana ny fiarahamonina mpanota manodidina azy? 1 Jaona 2: 15-17; 1 Pet. 4: 1-4; Apok. 18: 4. Inona no ezahany hiainana? Mat. 4: 4.

(1 Jaona 2:15) « Aza tia izao tontolo izao, na izay zavatra eo amin'izao tontolo izao. Raha misy olona tia izao tontolo izao dia tsy ao anatiny ny fitiavana ny Ray. » (1 Jaona 2:16) « Fa ny zavatra rehetra eo amin'izao tontolo izao, dia ny filan'ny nofo sy ny filan'ny maso ary ny rehaka momba izao fiainana izao, dia tsy avy amin'ny Ray, fa avy amin'izao tontolo izao ihany. » (1 Jaona 2:17) « Ary mandalo izao fiainana izao sy ny filany; fa izay manao ny sitrapon'Andriamanitra no maharitra mandrakizay. »

(1 Petera 4:1) « Koa satria niaritra tamin'ny nofo Kristy, dia alao mba ho fiadianareo izany saina izany; fa izay niaritra tamin'ny nofo dia efa afaka* tamin'ny ny ota; [* Gr.nampitsaharina] » (1 Petera 4:2) « mba tsy handanianareo ny andro sisa iainanareo amin'ny nofo araka ny filan'ny olona intsony, fa araka ny sitrapon'Andriamanitra. » (1 Petera 4:3) « Fa ampy izay ny andro lasa ho nanaovana ny fanaon'ny jentilisa tamin'ny nandehanana tamin'ny fijejojejoana sy ny fanirian-dratsy sy ny fimamoana sy ny filalaovan-dratsy sy ny fisotroan-toaka ary ny fanompoan-tsampy izay fady indrindra; »

(Apokalypsy 18:4) « Ary nahare feo iray koa avy tany an-danitra aho nanao hoe: Mialà aminy ianareo, ry oloko, mba tsy hiombonanareo ota aminy, ary mba tsy hisy hahazo anareo ny loza manjo azy. »

(Matio 4:4) « Fa Izy kosa namaly ka nanao hoe: Voasoratra hoe: Tsy mofo ihany no hiveloman'ny olona, fa ny teny rehetra izay aloaky ny vavan'Andriamanitra (Deo. 8. 3). »

FANAMARIHANA: Ny tena kristiana dia tsy afaka hanaraka ny fomba amam-panao rehetra amin'ny fiaraha-monina manodidina azy. Izay "niarahany nandeha tamin'ny vahoaka" teo aloha, nandraisany anjara tsy tamim-piheverana tamina hetsika sosialy sy fomba fanao isan-karazany, dia hanomboka hametrahany fanontaniana momba ny fomba fiainany izao. Hanomboka hanontany izy hoe: "Inona no sitrapon'Andriamanitra? Ahoana no ilazan'Andriamanitra fa tokony hiainako?" Hanomboka hiteny miaraka amin'i Kristy izy hoe: "Nefa tsy ny sitrapoko anie no hatao, fa ny anao." Ary hanomboka hikaroka fatratra ny Tenin'Andriamanitra izy, hahalalany ny sitrapon'Andriamanitra, ary hanaraka izany izy.

Mazava ho azy fa ny olon'Andriamanitra dia tsy maintsy miaina eto amin'ity tontolo ity (Jaona 17: 15-16). Ary na eo aza ny fiezahana hankatò tanteraka an'Andriamanitra - tsy hanaraka ny fomban'izao tontolo izao (Rom. 12: 1-2) - dia tokony hiezaka "... hipetraka amin'ny fihavanana amin'ny olona rehetra" (andininy 18). Raha voatery tsy hitovy hevitra amin’ny namana ny kristiana noho ny famoahana avy amin’ny Baiboly, dia manao izany izy nefa tsy manambany na manambony tena momba izany.

(Jaona 17:15) « Izaho tsy mangataka aminao mba hampiala azy amin'izao tontolo izao, fa ny mba hiaro azy amin'ny ratsy*. [*Na: amin'ilay ratsy] » (Jaona 17:16) « Tsy naman* izao tontolo izao izy, tahaka Ahy tsy naman*'izao tontolo izao. [*Gr. avy amin'] »

12. Inona koa no andraikitra ananan'ny Kristiana amin'izao tontolo izao? Mat. 5: 14-16.

(Matio 5:14) « Hianareo no fahazavan'izao tontolo izao. Tsy azo afenina izay tanàna miorina eo an-tampon-tendrombohitra. » (Matio 5:15) « Ary koa, tsy misy olona mandrehitra jiro ka mametraka azy ao ambanin'ny vata famarana, fa apetrany eo amin'ny fanaovan-jiro, ka dia mazava amin'izay rehetra ao an-trano izany. » (Matio 5:16) « Aoka hazava eo imason'ny olona toy izany koa ny fahazavanareo, mba hahitany ny asa soa ataonareo ka hankalazany ny Rainareo Izay any an-danitra. »

FANAMARIHANA: Na dia tsy "avy amin'izao tontolo izao" amin'ny heviny izay tian'i Kristy holazaina ao amin'ny Jaona 17:16, ireo lehilahy sy ny vehivavy an'Andriamanitra ireo, izay manana ny Fanahy Masina sy mahalala ny fahamarinan'Andriamanitra ary manana fomba fiaina be dia be, dia manana andraikitra ho "jiro" mamirapiratra eto an-tany. Ny olon'Andriamanitra dia tokony hampiseho ilay "voa”; na toetra mampiavaka ny Fanahy Masin'Andriamanitra amin'ny fiainany andavanandro. Tokony hanolo-tanana am-pitiavana izy ireo, ary hanome tanana manampy ny mpiara-monina aminy, sy ireo olona mifanerasera aminy isan'andro. Ny olona mbola tsy nantsoin'Andriamanitra dia hahazo famporisihana rehefa mahita kely ny saina sy ny toetran'Andriamanitra amin'ny asany amin'ny alàlan'ny ohatra velona napetraky ny kristiana tsirairay avy.

13. Inona avy ireo dingana efa nataon'ny Kristiana mba haneken'Andriamanitra azy ho zanany? Asan'ny Apostoly 2:38. Inona no nomen'Andriamanitra azy ho fanomezana maimaimpoana sy tsy voahidy noho ny fankatoavany? Io andininy io ihany, sy Asan'ny Apostoly 5:32.

(Asan'ny Apostoly 2:38) « Ary hoy Petera taminy: Mibebaha, ary aoka samy hatao batisa amin'ny anaran'i Jesosy Kristy ianareo rehetra mba hahazo famelana ny helokareo; ary ianareo handray ny fanomezana, dia ny Fanahy Masina; »

(Asan'ny Apostoly 5:32) « Ary izahay dia vavolombelon'izany zavatra izany, ary ny Fanahy Masina koa, Izay efa nomen'Andriamanitra ny manaiky Azy. »

FANAMARIHANA: Ny Kristiana iray dia resin'ny Andriamanitra, ny fihevitry ny nofo sy ny fandrafiana an'Andriamanitra tao aminy (Rom. 8: 7-8) dia tapaka. Tonga saina izy fa nanota tamin'Andriamanitra, nandika ny lalàny masina sy marina (1 Jaona 3: 4), ka nitaraina tamin'Andriamanitra izy ary nangataka ny famelana ny helony noho ny soron'i Kristy, sy ny fanesorana ny fanamelohana ho faty izay mahazo ny ota rehetra (Rom. 6:23). Avy eo dia nankato ny baiko hatao batisa izy, naneho tamin'Andriamanitra ny fahatsorany lalina.

(Romana 8:7) « satria fandrafiana an'Andriamanitra ny fihevitry ny nofo; fa tsy manaiky ny lalàn'Andriamanitra, sady tsy hainy akory izany. » (Romana 8:8) « Ary izay ao amin'ny nofo dia tsy mahay manao ny sitrapon'Andriamanitra. »

(1 Jaona 3:4) « Izay rehetra manota no mandika ny lalàna; fa ny ota no fandikana ny lalàna. »

(Romana 6:23) « Fa fahafatesana no tambin'ny ota; ary fiainana mandrakizay no fanomezam-pahasoavana avy amin'Andriamanitra ao amin'i Kristy Jesosy Tompontsika. »

Vokatry ny fibebahany sy ny batisany ary ny fametrahan-tànana dia nomena ny Fanahin'ny Ray izy, tonga zanak'Andriamanitra notorontoronin’ny Fanahy. Tamin'izany no nahatonga azy ho Kristiana MARINA!

14. Mety ho tena Kristiana ve ny olona iray raha tsy manana ny Fanahin'Andriamanitra? Rom. 8: 9-10,

(Romana 8:9) « Fa ianareo tsy ao amin'ny nofo, fa ao amin'ny Fanahy, raha ny Fanahin'Andriamanitra no mitoetra ao anatinareo. Fa raha misy kosa tsy manana ny Fanahin'i Kristy, dia tsy Azy izy. » (Romana 8:10) « Fa raha Kristy no mitoetra ao anatinareo, na dia maty ihany aza ny tena noho ny ota*, dia fiainana kosa ny fanahy noho ny fanamarinana. [*Na: na dia maty ny tena noho ny ota, fa] »

15. Inona no iantsoan'Andriamanitra ilay olona milaza fa "mahalala" an'i Kristy, nefa mandà ny handeha amin'ny lalany, ary mandà ny hitandrina ny didiny? 1 Jaona 2: 4.

(1 Jaona 2:4) « Izay manao hoe: Fantatro Izy, nefa tsy mitandrina ny didiny, dia mpandainga, ary ny marina tsy ao anatiny. »

Ambaran’i Jaona fa mpandainga sy tsy manana ny fahamarinan’Andriamanitra ao anatiny ny olona tsy mitandrina ny didin’Andriamanitra, nefa milaza fa mahafantatra an’i Kristy.

Fa inona no hataon'ilay milaza fa Kristiana? 1 Jaona 2:3, 5-6.

(1 Jaona 2:3) « Ary izao no ahafantarantsika fa mahalala Azy isika, dia ny fitandremana ny didiny. »

(1 Jaona 2:5) « Fa na iza na iza mitandrina ny teniny, dia tanteraka ao aminy marina tokoa ny fitiavana an'Andriamanitra* izany no ahafantarantsika fa ao aminy isika. [* Na: ny fitiavan'Andriamanitra] » (1 Jaona 2:6) « Izay* milaza fa mitoetra ao aminy izy, dia tsy maintsy mandeha toy izay nandehanany koa. [* Na: Izao no ahafantarantsika fa ao aminy isika: Izay etc] »

FANAMARIHANA: Ny kristiana iray dia nibebaka tamim-pahatsorana tamin'ny fahotany ary miezaka mafy, miaraka amin'ny fanampian'ny Fanahy Masin'Andriamanitra, hiaina amin'ny fampianaran'ny Mpamonjy. Mikatsaka ny hanao ny sitrapon'Andriamanitra amin'ny lafiny rehetra amin'ny fiainany izy, araka ny ambaran'ny Baiboly. Ary lasa mpandray ny fahasambarana sy fitahiana azo avy amin'ny fankatoavana an'Andriamanitra izy!