Pages

Pages

Mahatsiarova ny Andro Sabata

  MAHATSIAROVA NY ANDRO SABATA

 

TENIN’ANDRIAMANITRA

Genesisy 1:26-31; 2: 1-3

Marka 2:23-28

Hebreo 4:1-11

 

 

TENIN’ANDRIAMANITRA

Genesisy 1: 26-31; 2:1-3

[Ny namoronan'Andriamanitra izao tontolo izao]

 

(Genesisy 1:26) « Ary Andriamanitra nanao hoe: Andeha Isika hamorona olona tahaka ny endritsika, araka ny tarehintsika ; ary aoka izy hanjaka amin'ny hazandrano ao amin'ny ranomasina sy ny voro-manidina sy ny biby fiompy sy ny tany rehetra ary ny biby rehetra izay mandady na mikisaka amin'ny tany. » (Genesisy 1:27) « Ary Andriamanitra nahary ny olona tahaka ny endriny; tahaka ny endrik'Andriamanitra no namoronany azy; lahy sy vavy no namoronany azy. » (Genesisy 1:28) « Ary Andriamanitra nitso-drano azy hoe: Maroa fara sy mihabetsaha ary mamenoa ny tany, ka mampanompoa azy; ary manjaka amin'ny hazandrano ao amin'ny ranomasina sy ny voro-manidina ary ny biby rehetra izay mihetsiketsika ambonin'ny tany. »(Genesisy 1:29) « Ary Andriamanitra nanao hoe: Indro, efa nomeko anareo ny anana manintsam-boa rehetra izay ambonin'ny tany rehetra ary ny hazo rehetra izay misy voa sady manintsam-boa; dia ho fihinana anareo ireny. »(Genesisy 1:30) « Ary ny amin'ny bibi-dia rehetra sy ny voro-manidina rehetra ary ny zava-manan'aina rehetra izay mandady na mikisaka amin'ny tany, dia efa nomeko azy ny zava-maitso rehetra ho fihinany; dia nisy izany. » (Genesisy 1:31) « Ary hitan'Andriamanitra izay rehetra nataony, ary, indro, tsara indrindra izany. Dia nisy hariva, ary nisy maraina, andro fahenina izany. »

(Genesisy 2:1) « Dia vita ny lanitra sy ny tany sy izay rehetra ao aminy. » (Genesisy 2:2) « Ary tamin'ny andro fahafito dia vitan'Andriamanitra ny asa efa nataony; ary dia nitsahatra tamin'ny andro fahafito Izy tamin'ny asany rehetra izay efa nataony. » (Genesisy 2:3) « Ary Andriamanitra nitahy ny andro fahafito sy nanamasina azy, satria tamin'izany no nitsaharan'Andriamanitra tamin'ny asany rehetra izay noforoniny tamin'ny nanaovany azy. »

Marka 2:23-28

Ny nanotazan’ny mpianatra  salohim-bary tamin’ny Sabata, sy ny naninian’ny Fariseo azy

(Marka 2:23) « Ary nandeha namaky ny tanim-bary tamin'ny Sabata Jesosy; ary ny mpianatra dia nanoty ny salohim-bary teny am-pandehanana. » (Marka 2:24) « Ary ny Fariseo nanao taminy hoe: Indro, nahoana ireo no manao izay tsy mety amin'ny Sabata? » (Marka 2:25) « Fa hoy Izy taminy: Tsy mbola novakinareo va ny teny milaza ilay nataon'i Davida, raha reraky ny hanoanana izy mbamin'izay nanaraka azy, » (Marka 2:26) « fa niditra tao an-tranon'Andriamanitra tamin'ny andron'i Abiatara mpisoronabe izy ka nihinana ny mofo aseho, izay mahadiso raha misy homana izany, afa-tsy ny mpisorona ihany, ary nomeny koa izay nanaraka azy? » (Marka 2:27) « Ary hoy Izy taminy: Ny Sabata no natao ho ny olona, fa tsy ny olona ho an'ny Sabata. » (Marka 2:28) « ka dia Tompon'ny Sabata aza ny Zanak'olona. »

Hebreo 4:1-11

Fampitahana an’I Kristy sys y Mosesy

(Hebreo 4:1) « Koa na dia mbola misy teny fikasana fa hiditra any amin'ny fitsaharany aza isika, dia aoka isika hatahotra, fandrao mba misy eo aminareo toa tsy mahatratra izany. » (Hebreo 4:2) « Fa isika koa dia nitoriana filazantsara tahaka ireny ihany; kanefa ny teny izay efa reny dia tsy nahasoa azy, satria tsy niharo finoana tao amin'izay nandre*. [* Na: satria tsy nampiraisin'ny finoana tamin'izay nandre izy] » (Hebreo 4:3) « Fa isika izay nino no miditra amin'izany fitsaharana izany, araka ny voalazany hoe: "Toy ny nianiako tamin'ny fahatezerako hoe: Tsy hiditra amin'ny fitsaharako mihitsy izy" (Sal. 95.11), na dia vita hatramin'ny nanorenana izao tontolo izao aza ny asa. » (Hebreo 4:4) « Fa nilaza ny andro fahafito Izy eo amin'ny teny anankiray araka izao: "Ary Andriamanitra nitsahatra tamin'ny asany rehetra tamin'ny andro fahafito" (Gen. 2.3). » (Hebreo 4:5) « Ary amin'izao koa: "Tsy hiditra amin'ny fitsaharako mihitsy izy" (Sal. 95. 11]. » (Hebreo 4:6) « Koa satria mbola hiditra eo ihany ny sasany, ary izay nitoriana filazantsara tamin'ny voalohany dia tsy niditra noho ny tsi-finoana, » (Hebreo 4:7) « dia mametra andro anankiray indray Izy, na dia efa ela toy izany aza, milaza ao amin'i Davida hoe: "Anio", araka ny voalaza teo hoe: "Anio, raha hihaino ny feony ianareo Aza manamafy ny fonareo" (Sal. 95.7, 8) » (Hebreo 4:8) « Fa raha Josoa no nanome azy fitsaharana, dia tsy mba ho nilaza andro hafa Izy tao aorian'izany. » (Hebreo 4:9) « Koa dia mbola misy sabata fitsaharana ho an'ny olon'Andriamanitra. » (Hebreo 4:10) « Fa izay niditra tao amin'ny fitsaharany, dia Izy* koa no nitsahatra tamin'ny asany, tahaka an'Andriamanitra tamin'ny Azy. [* Na: izy] » (Hebreo 4:11) « Koa aoka isika hazoto hiditra amin'izany fitsaharana izany, fandrao hisy olona latsaka amin'ny tsi-finoana tahaka izany koa. »

 

FANAMARIHANA: Ny teny rehetra hoe "fitsaharana ao amin’ny Baiboly dia avy amin'ny teny grika katapausin, izay midika hoe fitsaharana. Saingy, ao amin'ny Hebreo 4:9, ny "fitsaharana" dia avy amin'ny teny grika sabbatismos, izay midika ara-bakiteny hoe fitandremana ny Sabata.

Koa noho ny "fitsaharana" ho avy (katapausin), izany hoe ny Fanjakan'Andriamanitra hidiran'ny Isiraely ara-panahy, dia mbola misy sabbatismos na fitandremana andro Sabata ho azy ireo. Izany dia midika fa hiditra amin'ny "fitsaharana" amin'ny Fanjakan' Andriamanitra ny Kristiana, sahala amin'ny fitandremany ny Sabata isan-kerinandro ankehitriny, izay ohatra maneho izany!

 

NY FIAINANA KRISTIANA DIA FOMBA FIAINA IRAY

TORITENY SY FAMPIANARANA

Dr. Rakotondravony Daniel, Fiangonan’Andriamanitra Miray

"Mahatsiarova ny Andro Sabata"

Ny ankamaroan'ny olona milaza tena ho Kristiana dia mino fa ny Alahady no nanolo ny Sabata andro fahafito. Na izany na tsy izany dia lasa nihevitra izy ireo fa afaka mitandrina ny Didy fahefatra amin'ny alàlan'ny fitandremana ny alahadyNy sasany kosa mihevitra fa tsy ilaina ny mitandrina andro manokana ho sabata. Mino izy ireo fa Sabata "ara-panahy" ny andro rehetra.

Inona no fahamarinana ambaran'ny Tenin'Andriamanitra momba io didy lehibe io?

1. Rahoviana, sy tamin'ny fomba ahoana, ary iza no "nanaovana" ny Sabata? Gen. 2: 1-3; Marka 2:28.

(Genesisy 2:1) « Dia vita ny lanitra sy ny tany sy izay rehetra ao aminy. » (Genesisy 2:2) « Ary tamin'ny andro fahafito dia vitan'Andriamanitra ny asa efa nataony; ary dia nitsahatra tamin'ny andro fahafito Izy tamin'ny asany rehetra izay efa nataony. » (Genesisy 2:3) « Ary Andriamanitra nitahy ny andro fahafito sy nanamasina azy, satria tamin'izany no nitsaharan'Andriamanitra tamin'ny asany rehetra izay noforoniny tamin'ny nanaovany azy. »

(Marka 2:28) « ka dia Tompon'ny Sabata aza ny Zanak'olona. »

FANAMARIHANA: Jesosy Kristy no "Tompon'ny Sabata" satria nanao azy Izy! (Tadidio tamin'ny fanadihadiana nataontsika taloha fa i Kristy no "JEHOVAH" Andriamanitra ao amin'ny Testamenta Taloha, ary Mpamorona ny zava-drehetra.) (Jaona 1:1-4)

Kristy namorona ny Sabata tamin'ny alàlan'ny fitsaharana tamin'ny andro fahafito amin'ilay antsoina hoe herinandro famoronana. Notahiany sy nohamasininy ny Sabata - nametrahany ny fankasitrahan’Andriamanitra, ary natokana ho an'ny fampiasana manokana sy tanjona fe-potoana 24 ora izay hitranga indray mandeha isaky ny fito andro (Genesisy 2:1-3).

2. Ho an'iza no nolazain'i Jesosy fa nanaovana ny Sabata? Marka 2:27.

(Marka 2:27) « Ary hoy Izy taminy: Ny Sabata no natao ho ny olona, fa tsy ny olona ho an'ny Sabata. »

FANAMARIHANA: "Ny Sabata dia natao ho an'ny olona", hoy i Jesosy. Natao ny ampitson'ny namoronana ny olombelona. Natokana tao amin'ny Famoronana ny Sabata mba hahasoa ny olombelona rehetra. (Koa satria i Adama no olona voalohany, noho izany izy dia nitsangana ho solontenan'ny zanak'olombelona iray manontolo izay nidina avy taminy.)

3. Ahoana no nikasan'i Kristy ny Sabata mba hanome antsika izay ilaintsika? Eks. 20: 8-11; Deot. 5: 12-15.

(Eksodosy 20:8) « Mahatsiarova ny andro Sabata hanamasi­na azy. » (Eksodosy 20:9) « Henemana no hiasanao sy hanaovanao ny raharahanao rehetra. » (Eksodosy 20:10) « Fa Sabatan'i Jehovah Andriamanitrao ny andro fahafito; koa aza manao raharaha akory ianao amin'izany, na ny zanakao-lahy, na ny zanakao-vavy, na ny ankizilahinao, na ny ankizivavinao na ny biby fiompinao, na ny vahininao izay tafiditra eo am-bavahadinao. » (Eksodosy 20:11) « Fa henemana no nanaovan'i Jehovah ny lanitra sy ny tany sy ny ranomasina mbamin'izay rehetra ao aminy, dia nitsahatra Izy tamin'ny andro fahafito; izany no nitahian'i Jehovah ny andro Sabata sy nanamasinany azy. »

FANAMARIHANA: Mariho fa nanao ny andro fahafito amin'ny herinandro ho masina Andro Andriamanitra -ary Izy mandidy antsika hitandrina toy izany. Noho izany àry ny Sabata dia fotoana masina. Ary natao ho fitahiana lehibe ho an'ny zanak'olombelona rehetra izy io.

Ny teny hoe "Sabata" dia midika hoe "fitsaharana", amin'ny teny hebreo tranainy. Fitsaharana ara-batana tsotra sy fialan-tsasatra ara-tsaina aorian'ny asa mafy mandritry ny herinandro no antony miharihary amin'ny Sabata. Fa ny tena tanjon'ny Sabata dia mivelatra lavitra ivelan’ny fitsaharana amin'ny asantsika, mandritra io andro io. Izany dia satria ny Sabatan’ny andro fahafito dia mifamatotra tanteraka amin'ny fikasan'Andriamanitra tsy manam-paharoa amin'ny famoronana ny olombelona.

Vanim-potoana Tena mila ny zanak'olombelona io, mba hananany "fifandraisana ara-panahy amin'AndriamanitraFotoana hieritreretana bebe kokoa momba an’Andriamanitra ny Sabata, sy hivavahana Aminy amin'ny vavaka manokana, sy fianarana Baiboly manokana, ary fiarahana amin'ny hafa.

4. Moa ve ny fitandremana ny andro Sabata rehetra [Fr. Mes sabbats] dia "famantarana" manokana ifakafantaran’Andriamanitra sy ny Isiraely olony? Eks. 31: 13-17.

(Eksodosy 31:13) « Ary dia milaza amin'ny Zanak'Isiraely ianao hoe: Ny Sabatako no tandremo; fa famantarana ho amiko, sy ho aminareo hatramin'ny taranakareo fara mandimby izany, mba ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah Izay manamasina anareo. »

Fr. (Exode 31:13) « … vous garderez mes sabbats, car c'est un signe entre moi et vous, en vos générations, pour que vous sachiez que c'est moi, l'Éternel, qui vous sanctifie. »

(Eksodosy 31:14) « Koa tandremo ny Sabata, fa masina aminareo izany; izay tsy manamasina azy dia hatao maty tokoa, fa izay rehetra manao raharaha amin'izany dia hofongorana tsy ho amin'ny fireneny. » (Eksodosy 31:15) « Henemana no hanaovana raharaha; fa ny andro fahafito dia tena fitsaharana ka masina ho an'i Jehovah: izay rehetra manao raharaha amin'ny andro Sabata dia hatao maty tokoa. » (Eksodosy 31:16) « Dia hotandreman'ny Zanak'Isiraely ny Sabata hankatoavany azy hatramin'ny taranany fara mandimby, dia fanekena mandrakizay izany. » (Eksodosy 31:17) « Ho famantarana amiko sy amin'ny Zanak'Isiraely mandrakizay izany; fa tamin'ny henemana no nanaovan'i Jehovah ny lanitra sy ny tany, ary tamin'ny andro fahafito dia nitsahatra Izy ka niala sasatra. »

FANAMARIHANA: Ny fiverenana vetivety amin'ny ampahany amin'ny tantaran'ny Isiraely dia ilaina eto. Tadidio fa andevo an'ny Egyptianina ny Isiraelita. Nandritry ny fotoana tany Egypta, dia norarana ny Isiraelita tsy hanompo an'ilay Andriamanitra marina. Noterena hiasa fito andro isan-kerinandro izy ireo. Rehefa nandeha ny fotoana dia hadinon'izy ireo ny fahalalana ny tena andro Sabata izay noraisiny tamin'i Abrahama, sy Isaka ary i Jakoba razambeny.

Taorian'ny namonjen'Andriamanitra tamin'ny fomba mahagaga ny Isiraelita teo an-tànan'ny mpampiasa azy, dia nanambara tamin'izy ireo ny andro fahafito tamin'ny fanomezana mana avy sasaka tamin'ny andro fahenina amin’ny herinandro (zoma), sy ny fihazonana mana ho amin'ny andro fahafito (sabotsy), ary nibaiko azy ireo hitsahatra amin'izany andro izany (Eks. 16: 22-30).

(Eksodosy 16:22) « Ary nony tamin'ny andro fahenina dia nanangona avy sasaka noho ny isan'andro ny olona, dia indroan'ny vata omera ho an'ny isan-olona avy; dia avy ny lohan'ny fiangonana ka nanambara tamin'i Mosesy. » (Eksodosy 16:23) « Ary hoy Mosesy taminy: Izao no lazain'i Jehovah: Rahampitso dia tena andro fitsaharana masina ho an'i Jehovah; koa manendasa izay hendasinareo, ary mahandroa izay handrahoinareo, ary izay sisa rehetra dia avelao ho anareo, hotehirizina ho tra-maraina. » (Eksodosy 16:24) « Dia namela izany ho tra-maraina izy, araka izay nandidian'i Mosesy; ary tsy mba maimbo na niteraka olitra izany. » (Eksodosy 16:25) « Ary hoy Mosesy: Hano ireny anio, fa Sabata ho an'i Jehovah anio, ka anio no tsy hahitanareo azy any an-tsaha. » (Eksodosy 16:26) « Henemana no hanangonanareo azy; fa Sabata ny andro fahafito, ka dia tsy hisy amin'izany. » (Eksodosy 16:27) « Ary nony tamin'ny andro fahafito dia nisy olona nivoaka hanangona, fa tsy nahita na dia kely akory aza. » (Eksodosy 16:28) « Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Mandra-pahoviana no handavanareo tsy hitandrina ny didiko sy ny lalàko? » (Eksodosy 16:29) « Saino fa Jehovah no nanome anareo ny Sabata, koa izany no anomezany anareo mofo ampy ho indroa andro amin'ny andro fahenina; samia mitoetra eo amin'ny fitoerany avy ianareo, ka aoka tsy hisy hiala amin'ny fitoerany amin'ny andro fahafito. » (Eksodosy 16:30) « Dia nitsahatra ny olona tamin'ny andro fahafito. »

Tadidio ihany koa fa ny fahagagana momba ny mana dia nitohy nandritry ny 40 taona nandehanan'izy ireo tany an-efitra; (andininy faha-35). Rehefa avy nanambara ny andro Sabata marina Andriamanitra, dia nanokana ny didin'ny Sabata tao an-tendrombohitra Sinay, tamin'ny fampidirana azy ho iray amin'ireo didy lehibe folo, izay nosoratany tamin'ny vato fisaka roa.

Mba hahatsiarovan'ny Isiraelita indrindra fa Andriamanitra mandrakizay dia MpamoronaMpiahy ary Mpanapaka Avo indrindra amin'ny zavaboariny rehetra, dia notendren'Andriamanitra ny fitandremana ny Sabata ho hany "famantarana" lehibe izay ahatsiahivan'izy ireo mandrakariva hoe iza Jehovah, ary iza izy ireo.

Firenena maro hafa no nanana lalàna izay nitovy tamin'ny lalàn'Andriamanitra. Ny sasany nanana lalàna ara-pitondrantena somary henjana, mazàna heloka bevava (oh: amin'ny famonoana olona sy ny halatra). Saingy tsy nisy lalàna nitaky azy ireo hitandrina ny Sabatan’ny andro fahafito an'ny Mpamorona. Ary noho izany dia io lalàn’Andriamanitra iray io no nampiavaka an'i Isiraely tamin'ny firenena hafa rehetra.

Avy roa heny ny fampitandreman’Andriamanitra ny Sabata tamin'ny fanaovany izany ho fanekena manokana Aminy sy ny Isiraely olony: Ny Sabata dia sady fahatsiarovana ny famoronana no alokaloky Fanjakana arivo taona ho avy (samy Sabata fitsaharana). (Ny Sabata dia efa iray amin'ireo Didy Folo, izay nomen'Andriamanitra an'i Mosesy, fotoana fohy talohan'ny nanaovana ny fanekena taloha.)

Ny fitandremana ny Sabata dia natao ho fanekena mandrakizay (Eks. 31:16), ary famantarana ny olon'Andriamanitra.

(Eksodosy 31:16) « Dia hotandreman'ny Zanak'Isiraely ny Sabata hankatoavany azy hatramin'ny taranany fara mandimby, dia fanekena mandrakizay izany. »

Toy izany koa ankehitriny, ny fitandremana ny Sabata andro fahafito dia iray amin'ireo famantarana manampy amin'ny famaritana ireo izay vahoakan'Andriamanitra ankehitriny.

5. Mampiharihary mazava tsara ve ny Baiboly fa ny tena Kristiana dia izay tonga israelita ara-panahy, izay "taranak'i" Abrahama avy amin'ny alalàn'i Jesosy Kristy? Gal 3: 28-29; Rom. 4:16; 9: 4.

(Galatiana 3:28) « Tsy misy intsony na Jiosy na Grika, na andevo na tsy andevo, na lahy sy vavy; fa iray ihany ianareo rehetra ao amin'i Kristy Jesosy. » (Galatiana 3:29) « Fa raha an'i Kristy ianareo, dia taranak'i Abrahama sy mpandova araka ny teny fikasana. »

(Romana 4:16) « Koa finoana no andovana, mba ho araka ny fahasoavana, hahatò ny teny fikasana ho an'ny taranaka rehetra, - tsy ho an'izay amin'ny lalàna ihany, fa ho an'izay amin'ny finoan'i Abrahama koa, dia ilay razantsika rehetra - »

(Romana 9:4) « Izay Isiraelita sady manana ny fananganan'anaka sy ny voninahitra sy ny fanekena sy ny fanomezana ny lalàna sy ny fombam-pivavahana ary ny teny fikasana. »

FANAMARIHANA: Andriamanitra nanao ny fanekena manokana momba ny Sabata tamin’ny alalan’ny "voa" ara-batan’i Abrahama. Hankatoavina hatramin'ny taranany fara mandimby izany. Ankehitriny, ny Kristiana rehetra notorontoronin’ny Fanahy dia tonga "voa" ara-panahin'i Abrahama tamin'ny alàlan'ny finoana an'i Kristy, ary noho izany dia manana adidy hitandrina ny andro Sabata izy ireo!

6. Jesosy Kristy ve nitandrina ny Sabata? Lioka 4:16, 31.

FANAMARIHANA: Nanatrika fotoam-pivavahana tamin'ny andro Sabata i Jesosy "araka ny fanaony." Tamin'izany no nanatanterahany ny didin’Izy tenany hiangona amin'ny fotoam-pivavahana isaky ny Sabata (Lev. 23: 3). Io no andro izay hotandremany, mazava ho azy, satria Izy no Ilay nanao ny Sabata tany am-boalohany, sy nandidy izany hotandremana ho masina!

7. Misy porofo ara-Baiboly ve fa nitandrina ny Sabata ny fiangonan’ny Testamenta Vaovao? Asan'ny Apostoly 13: 14-15, 42-44; 14: 1; 17: 1-2; 18: 1-11.

(Asan'ny Apostoly 13:14) « Ary rehefa niala tany Peryga izy ireo, dia nandroso nankany Antiokia any Pisidia, dia niditra tao amin'ny synagoga tamin'ny andro Sabata ka nipetraka teo. » (Asan'ny Apostoly 13:15) « Ary rehefa vita ny famakiana ny lalàna sy ny mpaminany, ny mpanapaka ny synagoga dia nampilaza taminy ka nanao hoe: Ry rahalahy, raha misy fananarana hataonareo amin'ny olona, dia ataovy. »

(Asan'ny Apostoly 13:42) « Ary rehefa nivoaka izy, dia nangatahiny holazaina aminy indray izany teny izany amin'ny Sabata manaraka. » (Asan'ny Apostoly 13:43) « Ary rehefa nirava ny fiangonana, dia maro tamin'ny Jiosy sy ny proselyta izay nanompo an'Andriamanitra no nanaraka an'i Paoly sy Barnabasy, izay niteny taminy ka namporisika azy haharitra amin'ny fahasoavan'Andriamanitra. » (Asan'ny Apostoly 13:44) « Ary nony tamin'ny Sabata manaraka, dia saiky tafangona avokoa ny tao an-tanàna hihaino ny tenin'Andriamanitra. »

[Ny nitorian'i Paoly sy Barnabasy teny tany Ikonioma sy Lystra ary Derbe, sy ny niverenany nankany Antiokia indray] (Asan'ny Apostoly 14:1) « Ary nony tany Ikonioma Paoly sy Barnabasy, dia niara-niditra tao amin'ny synagogan'ny Jiosy izy ka nitori-teny, ka dia olona betsaka no nino, na Jiosy na jentilisa*. [* Gr. Grika] »

[Ny nankanesan'i Paoly sy Silasy tany Tesalonika sy Beria] (Asan'ny Apostoly 17:1) « Ary rehefa nandeha namaky an'i Amfipolia sy Apolonia izy, dia tonga tao Tesalonika, ary nisy synagogan'ny Jiosy tao. » (Asan'ny Apostoly 17:2) « Ary Paoly dia niditra tao araka ny fanaony; ary Sabata telo no niadiany hevitra avy amin'ny Soratra Masina tamin'ny olona tao. »

8. Moa ve "fomban'i" Paoly (Asa. 17: 2), toy ny “fanaon'i” Kristy (Lio. 4:16), ny fitandremana ny Sabata, satria Paoly nahatsapa toy izany, na hoe koa Jesosy Kristy nitoetra tao aminy? Akaikin'i Gay. 2:20. Moa ve ny sitrapon’i Kristy tsy miova sy mitoetra mandrakizay? Heb. 13: 8.

(Hebreo 13:8) « Jesosy Kristy no tsy miova omaly sy anio ary mandrakizay. »

FANAMARIHANA: Mazava be fa nitandrina ny Sabata tamin'ny andro fahafito ny Apostoly Paoly. Ary raha i Kristy no miaina ny fiainany ao amintsika anio amin'ny alàlan'ny Fanahy Masina, tahaka ny nataony tamin'i Paoly, dia hitandrina ny andro notandreman'i Jesosy sy i Paoly koa isika! (I Kor. 11: 1.)

(1 Korintiana 11:1) « Aoka hanahaka ahy ianareo, dia tahaka ny anahafako an'i Kristy. »

9. Inona no ampitandremana ny Kristiana rehetra ao amin'ny Hebreo 3: 8-13?

(Hebreo 3:8) « Aza manamafy ny fonareo tahaka ny tamin'ny fahasosorana, tamin'ny andro fakam-panahy tany an-efitra, » (Hebreo 3:9) « Izay nakan'ny razanareo fanahy Ahy tamin'ny nizahany toetra Ahy, ary nahita ny asako efa-polo taona izy. » (Hebreo 3:10) « Koa tezitra tamin'izany taranaka izany Aho ka nanao hoe: Ireo dia maniasia amin'ny fony mandrakariva ka tsy nahalala ny lalako; » (Hebreo 3:11) « Ary araka izany no nianianako tamin'ny fahatezerako hoe: Tsy hiditra amin'ny fitsaharako mihitsy izy" (Sal. 95.7-11). » (Hebreo 3:12) « Tandremo, ry rahalahy, fandrao hisy aminareo hanana fo ratsy tsy mino ka hiala amin'Andriamanitra velona; » (Hebreo 3:13) « fa mifananara isan'andro, raha mbola atao hoe "Anio"; fandrao hisy aminareo ho tonga mafy fo noho ny famitahan'ny ota. »

Ny fikomiana ve, indrindra ny fandikana ny Sabata rehetra [Fr. Mes Sabbats], no antony nanakanan'Andriamanitra ny Zanak'Israely taloha tsy hiditra amin'ny "fitsaharany"? Ezek. 20: 12-13, 15-16.

(Ezekiela 20:12) « Ary nomeko azy koa ny Sabatako ho famantarana ho amiko sy ho aminy mba ho fantany fa Izaho Jehovah no manamasina azy. » (Ezekiela 20:13) « Kanjo niodina tamiko tany an-efitra ihany ny taranak'Isiraely, ka tsy nandeha araka ny didiko izy, fa nanamavo ny fitsipiko, izay mahavelona ny olona manaraka izany, ary nandoto dia nandoto ny Sabatako izy, dia hoy Izaho: Haidiko aminy any an-efitra ny fahatezerako hahalany ringana azy. »

(Ezekiela 20:15) « Ary Izaho dia nanangan-tanana taminy tany an-efitra koa fa tsy hitondra azy ho any amin'ny tany efa nomeko azy, izay tondra-dronono sy tantely sady tena endriky ny tany rehetra, » (Ezekiela 20:16) « satria efa nanamavo ny fitsipiko izy ary tsy nandeha araka ny didiko, fa nandoto ny Sabatako; fa ny fony dia nanaraka ny sampiny. »

FANAMARIHANA: Satria nanjary mpikomy sy nandoto ny sabatan'Andriamanitra ny Isiraely, dia tsy navelan'Andriamanitra hiditra ao amin'ny Tany Nampanantenaina - ny tandindon'ny fanjakan'Andriamanitra. Ireo Isiraelita notarihin'i Mosesy ireo dia nitodi-doha nankany amin'ny Tany Nampanantenaina, sahala amin’izay itarihana ankehitriny ny vahoaka notoronotoronin’ny Fanahy Masina hiditra any amin'ny Fanjakan'Andriamanitra.

Ny teny hoe "fitsaharana" ao amin'ny Heb. 3:11 dia nadika avy amin'ny teny grika katapausin, izay faritana ho "fitsaharana" na "toerana fitsaharana." Araka ny ampiasana an'ity andininy ity, ny teny dia nanondro ny "fitsaharana" ho an'ny Isiraely taloha tamin'ny fivezivezeny tany an'efitra, rehefa niditra tao amin'ny Tany Nampanantenaina izy. Izany dia OHATRA manondro ny fitsaharana ara-panahy ho an'ny Kristiana teraka ho Zanaka tsy mety maty ao amin'ny Fanjakan'ny ANDRIAMANITRA!

(Hebreo 3:11) « Ary araka izany no nianianako tamin'ny fahatezerako hoe: Tsy hiditra amin'ny fitsaharako mihitsy izy" (Sal. 95.7-11). »

10. Noho ny tsy finoan'izy ireo ve no nahatonga ny Isiraelita tsy nankatò, koa dia voasakana tsy hiditra amin'ny "fitsaharany" izy - izany hoe ny tany Kanana? Heb. 3:19; 4: 1-2.

(Hebreo 3:19) « Ka dia hitantsika fa tsy nahazo niditra izy ireo noho ny tsi-finoany. » (Hebreo 4:1) « Koa na dia mbola misy teny fikasana fa hiditra any amin'ny fitsaharany aza isika, dia aoka isika hatahotra, fandrao mba misy eo aminareo toa tsy mahatratra izany. » (Hebreo 4:2) « Fa isika koa dia nitoriana filazantsara tahaka ireny ihany; kanefa ny teny izay efa reny dia tsy nahasoa azy, satria tsy niharo finoana tao amin'izay nandre*. [* Na: satria tsy nampiraisin'ny finoana tamin'izay nandre izy] »

FANAMARIHANA: Koa satria tsy nino an'Andriamanitra ny Isiraelita, noho izany dia tsy natoky Azy, ary "nanamafy ny fony". Nandoto ny Sabatan’i Jehovah rehetra izy ireo, nefa dia ny fitandremana ny Sabata no tena itsapan’i Jehovah na hitandrina ny didiny ny olona na tsia ("mba hizahako toetra azy ireo, na handeha manaraka ny lalàko izy na tsia" - Eks. 16: 4); koa hoy Andriamanitra ny amin'izany taranaka izany: "Tsy hiditra amin'ny fitsaharako mihitsy izy" (Heb. 3:11).

Ary tsy nisy afa-tsy i Josoa sy Kaleb mahatoky tamin'io taranaka io ihany no niditra ny Tany Nampanantenaina. Fa ny taranaka mandimby, ireo zaza teraka teny an-dalana nandritra ny 40 taona, no niditra niaraka tamin'izy roa lahy. Tany am-piandohana dia nampanantena an'ity tany ity tamin'i Abrahama ho an'ny taranany Andriamanitra; ary na nanota ny Isiraelita na tsia, dia tsy maintsy nitana ny teny nomeny Andriamanitra.

Mariho fa talohan'ny niampitan'ny taranaka faharoan'ny israelita ny Reniranon'i Jordana nankany amin'ny Tany Nampanantenaina, dia hoy i Josoa tamin'ireo lehilahy avy tamin'ny foko telo: "Jehovah Andriamanitrareo manome fitsaharana ho anareo, ary homeny ho anareo izao tany izao" (Jos 1: 13).

11. Fa raha mino sy mankatò an'Andriamanitra ny Kristiana ao amin'ny Testamenta Vaovao, azony atao ve ny miditra amin'ny "fitsaharany" – dia ny fiainana mandrakizay ao amin'ny Fanjakan'Andriamanitra? Heb. 4: 3, teny sivy voalohany, ary andininy 11.

(Hebreo 4:3) « Fa isika izay nino no miditra amin'izany fitsaharana izany, araka ny voalazany hoe: "Toy ny nianiako tamin'ny fahatezerako hoe: Tsy hiditra amin'ny fitsaharako mihitsy izy" (Sal. 95.11), na dia vita hatramin'ny nanorenana izao tontolo izao aza ny asa. »

(Hebreo 4:11) « Koa aoka isika hazoto hiditra amin'izany fitsaharana izany, fandrao hisy olona latsaka amin'ny tsi-finoana tahaka izany koa. »

FANAMARIHANA: Mazava be ny valiny: Ny tena finoana dia miteraka fankatoavana! Raha tena mino ny Tenin'Andriamanitra ny olona dia mitandrina ny Sabata!

12. Moa ve ny tena mpino hitandrina ny andro Sabata isan-kerinandro ho mariky ny "fitsaharany" ho avy ao amin'ny Fanjakan'Andriamanitra? Heb. 4: 9.

(Hebreo 4:9) « Koa dia mbola misy sabata fitsaharana ho an'ny olon'Andriamanitra. »

FANAMARIHANA: Ny teny rehetra hoe "fitsaharana ao amin’ny Baiboly dia avy amin'ny teny grika katapausin, izay midika hoe fitsaharana. Saingy, ao amin'ny Hebreo 4:9, ny "fitsaharana" dia avy amin'ny teny grika sabbatismos, izay midika ara-bakiteny hoe fitandremana ny Sabata (asehon'ny ankamaroan'ny fandikan-teny amin’ny sisin'ny Baiboly).

Koa noho ny "fitsaharana" ho avy (katapausin), izany hoe ny Fanjakan'Andriamanitra hidiran'ny Isiraely ara-panahy, dia mbola misy sabbatismos na fitandremana andro Sabata ho azy ireo. Izany dia midika fa hiditra amin'ny "fitsaharana" amin'ny Fanjakan' Andriamanitra ny Kristiana, sahala amin'ny fitandremany ny Sabata isan-kerinandro ankehitriny, izay ohatra maneho izany!

13. Inona no famporisihana fanampiny omena ny Kristiana momba ny fidirana amin'ny "fitsaharany" mandrakizay? Heb. 4: 10-11.

(Hebreo 4:10) « Fa izay niditra tao amin'ny fitsaharany, dia Izy* koa no nitsahatra tamin'ny asany, tahaka an'Andriamanitra tamin'ny Azy. [* Na: izy] » (Hebreo 4:11) « Koa aoka isika hazoto hiditra amin'izany fitsaharana izany, fandrao hisy olona latsaka amin'ny tsi-finoana tahaka izany koa. »

Aiza no mety alehan'izy ireo mba hahazoana fanampiana ilain'ny mpino hankatò an'Andriamanitra? Hebreo 4:14-16.

(Hebreo 4:14) « Koa satria Isika manana Mpisoronabe lehibe, Izay lasa namaky ny lanitra, dia Jesosy, Zanak'Andriamanitra, aoka isika hihazona ilay efa nekentsika. » (Hebreo 4:15) « Fa isika tsy manana mpisoronabe izay tsy mahay miara-mitondra ny fahalementsika, fa Izay efa nalaim-panahy tamin'ny zavatra rehetra tahaka antsika, kanefa tsy nanana ota. » (Hebreo 4:16) « Koa aoka isika hanatona ny seza fiandrianan'ny fahasoavana amin'ny fahasahiana, mba hahazoantsika famindram-po sy hahitantsika fahasoavana ho famonjena amin'izay andro mahory*. [* Gr. tandrifin'izany] »

FANAMARIHANA: Izao anoratan’ny Revised Standard Version ny Hebreo 4: 10-11: "Fa na iza na iza miditra amin'ny fitsaharan'Andriamanitra [ny Fanjakan'Andriamanitra] dia mitsahatra amin'ny asany koa, tahaka ny nataon'Andriamanitra tamin'ny Azy [tamin'ny andro fahafito taorian'ny andro fiasana enina famoronana]. Koa aoka isika hazoto miditra amin'izany fitsaharana izany, mba tsy hisy hianjera amin'ny tsy fankatoavana [tahaka ny nataon'ny Isiraely taloha]. "

Tsy tokony hatao ambanin-javatra ny fitandremana ny Sabata andro fahafito, satria sady fahatsiarovana no alokaloka ny Sabata. Fahatsiarovana ny Famoronana ary tandindon'ny "fitsaharana" ho avy mandrakizay, hidiran'ny Kristiana notorontoronin’ny Fanahy rehefa teraka tao amin'ny Fianakavian'Andriamanitra mandrakizay.

14. Nandidy ny firenen'Israely rehetra ve Andriamanitra mba hanao “fivoriana masina” amin'ny Sabata? Lev. 23: 3; Nom. 28:25.

(Levitikosy 23:3) « Henemana no hanaovana raharaha; fa ny andro fahafito dia tena andro fitsaharana, dia fivoriana masina; aza manao raharaha akory ianareo, fa Sabata ho an'i Jehovah eny amin'izay fonenanareo rehetra izany. »

(Nomery 28:25) « Ary amin'ny andro fahafito dia hisy fivoriana masina ho anareo; aza manao tao-zavatra akory. »

Inona no fananarana omena ny Kristiana amin'ny Testamenta Vaovao momba ny fivoriana masina? Heb. 10:25.

(Hebreo 10:25) « aza mahafoy ny fiarahantsika miangona, tahaka ny fanaon'ny sasany, fa mifananara kosa, mainka satria hitanareo fa mihantomotra ny andro. »

FEHINY

Tahaka ny fotoam-pivavahana nataon’ny Kristiana voalohany tao amin'ny Testamenta Vaovao isaky ny andro Sabata, dia toy izany koa no ivorian’ny mpino amin’ny Fiangonan'Andriamanitra Miray ankehitriny, amin'ny Sabata masina rehetra notendren’i Jehovah: Ny andro fahafito isan-kerinandro sy ny andro masina fito isan-kerintaona. Ny Fiangonan'Andriamanitra Miray dia manana fiangonana eran'izao tontolo izao. Isak’ireo Sabata ireo, ny vahoakan'Andriamanitra dia mivory mba hahazo torolàlana ara-panahy sy aingam-panahy avy amin'ny Tenin'Andriamanitra, araka ny fanazavana avy amin'ny minisitr’Andriamanitra ao amin’ny Fiangonany: apostoly, mpaminany, evanjelista, mpiandry sy mpamianatra (Efes. 4: 11-13).

(Efesiana 4:11) « Ary Izy no nanome ny sasany ho Apostoly, ary ny sasany ho mpaminany, ary ny sasany ho evanjelista, ary ny sasany ho mpiandry sy mpampianatra, » (Efesiana 4:12) « ho fanatanterahana ny olona masina, ho amin'ny asan'ny fanompoana amin'ny fiangonana*, ho amin'ny fampandrosoana ny tenan'i Kristy, [* Gr. eklesia] » (Efesiana 4:13) « mandra-pahatongantsika rehetra ho amin'ny firaisan'ny finoana sy ny fahalalana tsara ny Zanak'Andriamanitra, ka ho lehilahy lehibe, mahatratra ny ohatry ny halehiben'ny fahafenoan'i Kristy. »

Mihaino am-pitandremana ireo minisitra ny mpikambana, izay mamelabelatra ny fomba fiaina Kristiana araka ny ambaran'ny Baiboly.

Alohan'ny sy aorinan'ny fotoam-pivoriana, ny mpikambana dia miara-mifaly sy mifampahery, mahazo finamanana vaovao sy manamafy ny fisakaizana.

Ho an’Andriamanitra irery anie ny voninahitra!